FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w84 1/2 p. 3-6
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fihetseham-po mahafaty
  • Ny fikorontanana, ny fahamelohana ary ny fahaketrahana
  • Antony hafa
  • Lalana hivoahana
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
  • Misy Fanampiana ho Anao
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
w84 1/2 p. 3-6

Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?

NY RAIN’I Bruce dia sambatra foana tamin’ny raharaham-barotra. Efa fotoana kelikely izay dia nisaraka tamin’ny renin’i Bruce izy ary miara-miaina indray amin’ny vehivavy anankiray tanora kokoa. Kanefa dia tsy nitsahatra velively niahy ny zanany izy. Nanandrana nanorina fiantohan-draharaha niaraka tamin’izy ireo mihitsy aza izy. Nefa rehefa nihoatra ny dimampolo taona izy dia niova tanteraka ny fiainany. Maty antoka ny anankiray tamin’ireo fikambanam-barony ary nidiran-trosa betsaka izy. Ankoatr’izany dia tsy maintsy nampidirina hopitaly nandritra ny andro vitsivitsy izy, ary tsy nety nilaza mihitsy ny antony. Tamin’izay no nandao azy ilay vadiny tanora... ka nanapa-kevitra ny hamono tena.

Taorian’io loza mampangorangoraka io dia nanambara i Bruce hoe: “Raha mba afaka nanampy azy bebe kokoa mantsy aho! Teo amin’ny taonany dia azo antoka fa tsy nahatsiaro tena ho afaka hampionon-tena izy, ary hanao fiaingana vaovao eo amin’ny lafiny ara-bola. Ary ambonin’izany, ny fahatsinjovana ny hanjary ho antitra sy ho irery amin’ny fijaliana dia tsy nahaliana azy mihintsy.”

Indrisy anefa fa tsy tantara mampangitakitaka maningana izany amin’izao androntsika izao, fa betsaka lavitra. Any Etazonia fotsiny, tao anatin’ny herintaona monja dia lehilahy, vehivavy ary ankizy 27 294 no namono tena an-tsitrapo. Ankoatr’izany ny sasany dia manohana fa amin’ny famonoan-tena nahomby iray dia anisana fara faharatsiny fanandramana nandamòka 10.

Kanefa, manerana izao tontolo izao manontolo, ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay mampahory dia misy olona miady mafy amin’ny fahafatesana. Ny ankamaroan’ny olona voan’ny aretina mitondra fanaintainana, voaheloka an-tranomaizina noho ny sazy maharitra na latsaka ao amin’ny fahantrana mahafadiranovana dia mihoitra mba ho velona. Araka izany, nahoana moa ny olon-kafa izay tsy voatery ho ao anatin’ny tarehin-javatra mampamoifo toy izany eo amin’ny lafiny ara-batana no manandrana mamarana ny androm-piainany?

Mbola vao mainka mahavery hevitra io fanontaniana io ho an’ireo miaina any amin’ny tany izay ny mponina ao dia milaza tena ho kristiana. Marina tokoa fa ny Baiboly dia mampianatra fa ny aina dia masina, ary fanomezana tsy azo tombanana avy amin’Andriamanitra izany (Salamo 36:9). Mifanohitra amin’izany kosa fa ny fahafatesana dia asehony ho toy ny fahavalo ary aharihariny fa tamin’ny tomban’ny fahasahiranana sy ny sorona mahagaga no nanoloran’i Jehovah antsika ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Na izany aza, na dia any amin’ireo firenena mihambo ho Kristiana aza dia olona mihamaro hatrany no mamarana ny androm-piainany. Nahoana? Fa inona àry no mety hitarika azy ireo hijery ny fananany sarobidy, dia ny fiainana, ho toy ny enta-mavesatra iriny hesorina na inona na inona vidiny?

Fihetseham-po mahafaty

“Famoizam-po..., fahoriana..., fanaintainana... Nitambesatra tamiko ny zavatra rehetra.” Tamin’ireo teny ireo no nilazalazan’ny vehivavy iray izay nanandrana an-jambany namono tena tamin’ny fihinanana fanafody tafahoatra, izay nanosika azy hanao io fihetsika io. Ny mpitsabo iray nitsabo mpamono tena dia nanazava hoe: “ Mahatsiaro tena ho tsy mendrika, nafoy sy namoy izay rehetra mety ho fanantenana izy ireo amin’ny ankapobeny. Ambonin’izany dia mahatsiaro tena ho olo-meloka izaitsizy izy ireo indraindray.”

Toy izany no mahatarika olona maro ho amin’ny famonoan-tena noho ny fihetseham-po feno fandavana sy fandravana izay tsy hain’izy ireo fehezina intsony. Matetika dia ao amin’ny famoizam-po no misy mahasarotra ilay zava-manahirana. Ilay mitady hamono tena dia tsy mahita fanantenana kely akory mitsilopilopy avy eny amin’ny faravodilanitra. Eo imasony, ny fiainana dia tsy mendrika marina intsony ny hiainana.

Avy aiza no mety hihavian’ny famoizam-po toy izany? Tsy isalasalana fa olona maro no safotry ny zava-manahirana azy izany, toy ny rain’i Bruce. Ireo olona be taona afa-tsy izany no mahaforona ny anankiray amin’ireo sokajy mety voa indrindra amin’io lafiny io. Momba izany, ny dokotera Nathan Kline, manam-pahaizana manokana momba ny fikorontanan-kozatra dia nanoratra hoe: “Ny fahanterana dia mitarika fitoerana manirery izay mampiavaka azy, ary ny isan’ny famonoan-tena dia miovaova arakaraka ny taona.” (Avy amin’ny alahelo mankamin’ny hafaliana [anglisy], nataon’i Nathan Kline). Kanefa ny famonoan-tena dia mety ho voafaritry ny antony hafa.

Ny fikorontanana, ny fahamelohana ary ny fahaketrahana

Ny fahatsiarovan-tena ho meloka, ohatra, dia miharihary matetika fa tena sarotra zakaina. Mazàna rehefa manao fahadisoana lehibe ny olona iray, dia mampijaly azy ny fieritreretany, indrindra fa raha nahavoa olona fahatelo izany. Davida, mpanjakan’ny firenen’ny Israely fahiny dia nanazava ny haben’io fihetseham-po nampalahelo io: “Tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.” — Salamo 38:3, 4.

Ny fahatsiarovana-tena ho meloka avy amin’ny fieritreretana tsy mandry dia nitarika olona nihoatra ny iray hamoy izay rehetra mety ho fanantenana sy haniry hamarana ny zavatra rehetra. Araka izany ny zatovolahy anankiray dia nitifi-doha namono tena rehefa avy nanao fijangajangana. Tao amin’ny taratasy nosoratany talohan’ny hahafatesany dia nanambara izy fa niriny ny hahazo antoka ny tsy hanjerana ny fanalam-baraka na amin’iza na amin’iza.

Ny sasany dia ory noho ny fanaintainan’ny holatra ara-pihetseham-po. Angamba izy ireny enjehin’ny fahatsiarovana fanandraman-javatra mampalahelo lalandava izay tsy hainy hadinoina. Toy izany no nitranga tamin’ny vehivavy tanora iray izay niharam-pahavoazana tamin’ny fandriana amin’olon-tsy heny. Ny rainy tokoa dia nanao an-keriny taminy fony izy mbola zaza. Rehefa lehibe izy, ny fahatsiarovan-tena ho diso sy tsy mendrika navelan’io loza nanjo azy io dia nitana mafy ny sainy hatrany hany ka nanandrana namono tena izy.

Ny hafa dia reraka satria mijaly noho ny fahaketrahana mafy dia mafy ary mihevitra fa tsy ho sitrana amin’izany na oviana na oviana. Ireo tsy mbola ketraka mihitsy dia hananosarotra haka sary an-tsaina ny hoe hatraiza io fikorontanana io no mety tsy ho zaka. Tsy fahatsiarovana tsotra fotsiny ihany toy ny hitantsika rehetra indraindray izany. Tsia, fa faharerahana ara-pihetseham-po lalina kosa izany, izay manenjika ilay marary tsy misy fitsaharana, na inona na inona ataony ary na aiza na aiza alehany. Toa tsy misy hivoahana ny tarehin-javatra.

Tsy mahalana raha manan-kevitra ny hamono tena ireo olona izay voan’ny fahaketrahana toy izany. Ny vehivavy iray ketraka mafy dia nanazava fa tsy maintsy niseho ho malina tokoa izy. Araka izany, rehefa nandro izy, dia nahatratra ny tenany nieritreritra hoe: “Ho vetivety kely foana ny handentehako ny lohako ao anaty rano ary dia ho vita ny zava-drehetra.” Toy izany koa rehefa nandeha teny an-tsisin-dalana izy ka nahita fiarakodia avy nanoloana azy dia tsy hainy ny tsy hiteny irery hoe: “Ho mora ery izany!”

Ireo olona ao anatin’ny tarehin-javatra mahaketraka dia indraindray mahatsiaro tena izaitsizy ho meloka. Nahoana? Ny vehivavy kristiana iray voan’ny fahaketrahana lalina dia nahatsapa io fihetseham-po io satria tsy afaka nikarakara ny ankohonany tsara intsony toy ny teo aloha; toa nahatsiaro ho nanjary enta-mavesatra ho an’ny ankohonany izy, nanaisotra tamin’izy ireo zavatra fanao nahafinaritra azy ireo. Ambonin’izany dia nino izy fa tsy nanome azy ny fanahiny masina intsony Andriamanitra, satria namoy ny fifaliana sy ny fiadanan-tsaina izy (Filipiana 4:7; Galatiana 5:22). Nila nanao fiezahana mihoatra ny mahazatra izy mba hanohizana miresaka ny amin’i Jehovah na dia kely foana aza. Maro no nandalo tamin’ny fisedrana sahala amin’izany, ny sasany dia tonga hatramin’ny fiheverana fa nanao ota tsy azo avela.

Amin’ny hevitra feno alahelo toy izany dia tsy isalasalana fa takatra mora foana raha miafara amin’ny fanontanian-tena ny sasany raha mbola mahasoa ihany ny haharetana. Na izany aza dia tsy avy amin’io karazan-java-manahirana io akory ny famonoan-tena rehetra.

Antony hafa

Araka ny filazan’ny psykology sasany, ny ampahany amin’ireo fanandramana hamono tena dia tsy hanana zava-kendrena hafa afa-tsy ny hanintona ny saina. Toa antsoantso mila vonjy izany. Ilay mpilatsaka hamono tena dia angamba manandrana mihitsy manasazy olona iray, amin’ny fanaovan-javatra toy ny zaza izay hiteny amin’ny ray aman-dreniny hoe: “Rehefa maty aho dia ho neninareo izany!”

Indraindray ilay mpamono tena dia toa mitady marina ny hanao fanerena amin’ireo akaiky azy. Araka izany, ny zazavavy toy itsy izay napetraky ny sakaizany dia hamono tena tsy amim-piaikena firy, amin’ny fanantenana ny hanery azy hitodi-doha aminy. Ny ray na reny be taona izaroa dia hanandrana hamono tena mba hanosehana ireo zanany lehibe, raha azo atao izany, tsy hanao tsirambina azy ireo sy hanokana fotoana bebe kokoa ho azy.

Ireo ohatra ireo dia manome hevitra antsika ny amin’ny karazana fihetseham-po mety mandrotidrotika ny sain’ny mamono tena iray. Matetika tokoa ilay marary dia mandà ny hiresaka ny zava-manahirana azy, ary dia vao maika mampitombo izany. Angamba izy hitady hiseho ho tony eo imason’ireo manodidina azy, nefa mahatsiaro tena ho henjana tokoa raha ny tena izy. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, ny zavatra tsinontsinona akory dia mety hanjary hanapoaka zavatra sy hitarika ho amin’ny fanandramana hamono tena.

Tamin’izany no nanandraman’ny lehilahy iray nanafoana ny tenany tao aorian’ny fandroahana mpiasa. Ny zatovolahy iray dia hanao toy izany koa rehefa tsy afaka tamin’ny fanadinana, namoy ny biby zatra azy na ny sakaizany vavy, na koa rehefa mahafantatra fa nandao ny sekoly ny mpampianatra iray tiany indrindra. Raha ny tena izy, ny fahadisoam-panantenana toy izany dia tsy ny antony lalin’ny fanandramana hamono tena. Tsy inona izany fa ny “rano indray mitete mampihoatra ny rano amin’ny vazy”, ny tsy fahombiazana farany amin’ny fitohitohizana lava iray.

Rehefa nanandrana namono tena ny zanany vavy, ny vehivavy iray dia nikorontan-tsaina tanteraka. Taty aoriana anefa dia nianatra nahatakatra tsara kokoa ireo fihetseham-po miafina izay namely mafy ny fon’ny zatovo izy. Nanambara izy hoe : “Ankehitriny dia fantatro hoe hatraiza no mety hitebiteby ny zazavavy iray. Tsy afaka nizaka ny zava-manahirana azy intsony ny zanako vavy ary sahirana loatra aho ka tsy afaka nanampy azy. Ankehitriny dia manandrana mahafantatra azy tsara kokoa aho, miresaka aminy bebe kokoa, manakaiky azy bebe kokoa. Minoa ahy fa mandaitra izany. Ankehitriny dia mihomehy sy manao vazivazy amiko ny zanako vavy toy ny tsy nisy na inona na inona nitranga.”

Lalana hivoahana

Tsy azo hamarinina ny famonoan-tena na inona na inona toe-javatra. Marina fa izay ory dia mety hahita izany ho fanandramana, fomba haingana iray handosirana ny fijaliany. Kanefa raha mampiseho ny aina ho masina i Jehovah ao amin’ny teniny, dia manolotra fanampiana koa ho an’ireo miaritra fisedrana mafy. Marina tokoa fa mirakitra ity fampanantenana ity ny Baiboly: “Tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra izay zakanareo izy” izy. Io andalan-teny io dia miresaka ny amin’ny fanintonan’ny “zava-dratsy”, toy ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoana ara-pitondran-tena (I Korintiana 10:6, 13). Kanefa tsy hisy na inona na inona ho ‘ratsy na manimba’ kokoa noho ny famonoan-tena. Izany no antony hisian’ny lalana hivoahana koa ho an’ireo alaim-panahy amin’io fanao io. Manolotra ny tanany amintsika i Jehovah amin’ny alalan’ny teniny, ny Baiboly, ary koa amin’ny fanelanelanan’ny Kongregasiona kristiana.

[Efajoro, pejy 5]

Vao avy namono tena ny olona iray

Amin’io tarehin-javatra io dia mila be dia be ny ho tohanana ny olona akaiky azy. Toa saika azo antoka fa mihetsi-po lalina izy ireo ary mahatsiaro tena ho meloka. Toa manontany tena izy ireo ny amin’izay tokony ho nataony mba hanalavirana io loza io. Tokony hampiana izy ireo hahatakatra fa raha tena tapa-kevitra tokoa hanao zavatra hatramin’ny farany ilay namono tena, dia tsy isalasalana fa tsy nisy na inona na inona azo natao.

Ankoatr’izany dia tsy mahasoa ny hanontanian-tena ny amin’izay ho avin’ilay olona izay vao avy namarana ny androm-piainany. Jehovah sy Jesosy Kristy irery ihany, ilay mpitsara notendreny, no afaka milaza izay tao am-pony. Tsara kokoa ny hanadinoana io fahoriana io sy ny hametrahana ilay nafoy amin’i Jehovah, “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitrin’ny fampiononana rehetra”. — II Korintiana 1:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara