Voalamina mba hanompo an’i Jehovah
“Navelako tany Kreta ianao mba hamita ny fandaminana ny zavatra rehetra.” — TITOSY 1:5, MAREDSOUS.
1. Inona no nolazain’ny prezidan’i Etazonia voalohany ny amin’ny tsy fitoviam-piheverana ara-pivavahana?
TAO amin’ny taratasy manokana iray, datin’ny 20 oktobra 1792, dia nanoratra toy izao i George Washington, prezidà voalohan’i Etazonia: “Tamin’ny fankahalana rehetra nandrotidrotika ny taranak’olombelona, ireo izay niorina tamin’ny tsy fitovian’ny hevitra ara-pivavahana dia toa ny latsa-paka indrindra sy ny nampahory indrindra; afa-tsy izany koa, dia azo antoka fa izany no mendrika hotsinina indrindra. Nanantena aho fa ny politika voazava sy malalaka amin’izao androntsika izao dia ho afaka, fara faharatsiny, hampihavankavana ireo kristiana avy amin’ny finoana rehetra mba tsy hahitantsika intsony mihitsy ny fifandirany ara-pivavahana, hirehitra ka hanimba ny fiadanan’ny vahoaka.”
2. Ahoana no fandraisan’ny sasany ny fahamaroan’ny fivavahana?
2 Amin’izao andro izao koa, dia olona maro no ory aoka izany noho ny fahamaroan’ny fivavahana, hany ka laviny ny ho anisan’izy rehetra ireny. Ny hafa koa dia anisan’ny Fiangonana iray, nefa resahiny indrindra ny amin’ny ‘fifandraisany manokana amin’Andriamanitra’. Inona no fihetsika tsara tokony harahina? Moa ve mifampiraharaha amin’ny olona amin’ny lafin’ny isam-batan’olona fotsiny Andriamanitra? Inona no lazain’ny Soratra masina ny amin’izany?
Miahy antsika ve Andriamanitra?
3. Araka ny filazan’ny Soratra masina, moa ve Andriamanitra miahy antsika isam-batan’olona?
3 Ahariharin’ny Baiboly fa mihevitra ny isam-batan’olona ho zava-dehibe Jehovah. Ohatra, rehefa ny fifandraisan’ny samy olombelona no resahina, dia izao no vakintsika ao: “Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy.” Ary koa: “Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; fa izay mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy [Jehovah].” (Ohabolana 17:5; 14:31). Raha ny aminy, dia “toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [izao tontolo izaon’ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16, 36.) Afa-tsy izany koa, ny apostoly Petera dia nilaza hevitra toy izao: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny apostoly 10:34, 35). Koa miharihary fa mihevitra ny olona, raisina tsirairay, Jehovah, ary ankasitrahany ireo izay matahotra azy sy miseho ho marina.
4. Inona avy no fanontaniana mety raha apetratsika amin’ny tenantsika?
4 Manizingizina toy izao rahateo ny Tenin’Andriamanitra: “Ny Tompo [Jehovah] mahalala ny azy.” (II Timoty 2:19). Moa ve anefa tokony hotsoahina avy amin’izany fa ao amin’ireo fandaminana ara-pivavahana tsy tambo isaina eo amin’izao tontolo izao dia misy lehilahy sy vehivavy ankasitrahany? Moa ve tsy tokony hotsoahina avy amin’izany kosa fa ireo tena mpivavaka aminy dia tokony ho tafaray sy ho voalamina mba hanompo azy?
Ilay Mpandamina lehibe
5. Karazam-pifandraisana manao ahoana no tanàn’ireo anjely amin’i Jehovah?
5 Ny Soratra masina ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia manampy antsika hahatakatra amin’ny lafiny sasany ny fomba arahin’Andriamanitra. Ohatra, moa ve manjaka ny fikorontanana any amin’ny lanitra hita maso? Azo antoka fa tsy izany. Ireo zavaboary ara-panahy be dia be monina any dia tsy manao ny raharahany araka ny kisendrasendra, tsy misy fiheverana an’i Jehovah. Mariho koa ny antso nalefa ho azy ireo: “Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankato ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.” (Salamo 103:20, 21). Miharihary tokoa fa ireo anjely masina dia voalamina tsara mba hanompo an’Andriamanitra.
6. Nahaforona inona moa Noa sy ny ankohonany rehefa tafavoaka ny safodrano?
6 Ahoana ny amin’ny planetantsika? Tamin’ny andron’i Noa, ny safodrano dia nifaoka ny fandaminana rehetra nety ho nisy tamin’izay, afa-tsy anankiray monja. Rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambo fiara tokoa i Noa sy ireo fito hafa tafita velona tamin’ilay loza aman’antambo, dia nahaforona fandaminam-pianakaviana izy ireo. Afa-tsy izany koa, ny anankiray tamin’ireo zavatra nahiny voalohany indrindra dia ny hanompo an’Andriamanitra tao anatin’ny firaisan-tsaina. Izao no vakintsika: “Ary Noa dia nanorina alitara ho an’i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra dorana teo ambonin’ny alitara.” Tsy dodona ny hisaraka mba samy hanaraka ny fanompoam-pivavahany avy ireo nieren-doza ireo. Tafavory izy rehetra ho amin’io fisehoan-javatra fahatsiaro io, ka rehefa vita izany dia nomen’Andriamanitra azy ny fitahiany, nanome toromarika azy ireo izy ary nifanao fanekena taminy (Genesisy 8:18 ka hatramin’ny 9:17). Araka izany àry, taorian’ny safodrano indrindra, ny fianakavian’i Noa dia nahaforona fandaminana iray voatokana ho amin’ny asan’i Jehovah.
7. Raha ny amin’ny fandaminana, inona no ampahafantarin’ny bokin’i Eksodosy antsika?
7 Naneho be dia be ny fankasitrahany tamin’ireo taranak’i Abrahama i Jehovah, ary tsy misy mihitsy afaka mandà ara-drariny fa tsy nahaforona fandaminana lehibe iray, firenena iray, ireo tamin’ny farany. Ampy ny mamaky ny Eksodosy mba hahitana ny fomba nanafahana azy ireo tamin’ny zioga egyptiana sy nandaminana azy tamin’ny fomba teokratika. Io boky ao amin’ny Baiboly io dia mampiseho an’i Jehovah amintsika ho Mpandamina lehibe ny teokrasia. Rehefa nanaraka ny lalàn’Andriamanitra ny Isiraelita dia nanompo azy tamim-pifaliana sy tamim-pilaminana tanteraka tao anatin’ny faritry ny fandaminana iray voarafitra tsara. Tsy azo lavina fa voalamina mba hanompo an’i Jehovah izy ireoa.
8. Tamin’ny ahoana moa ny fitoerana masin’i Jehovah teto an-tany no nahaforona tena modelin’ny fandaminana iray?
8 Ho hita ny tena modelin’ny fandaminana amin’ny fomba nanaovana ny asa tao amin’ny fitoerana masin’i Jehovah teto an-tany. Voalohany indrindra, ny amin’ireo Levita, dia izao no lazain’ny Baiboly: “Ary nozarazarain’i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary.” Toy izany koa, ireo zanakalahin’i Arona dia nozarazaraina ho “antokony”. Noho ny fanampian’i Zadoka sy Ahimeleka, Davida dia “nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy (...). Samy nozarazaraina tamin’ny filokana avokoa izy rehetra”. Ny amin’ny vanim-potoana taty aoriana, dia izao koa no vakintsika: “Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’i Jehovah hofehezin’ny Levita mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao an-tranon’i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.” (I Tantara 23:2-6; 24:1-6; II Tantara 23:18). Tsy azo lavina fa ireny kilasin’ny mpisorona sy ny Levita ireny dia voalamina tsara ho amin’ny asan’i Jehovah.
Tao amin’ny kristianisma
9. Ahoana no ahafantarantsika fa nandamina an’ireo mpianany Jesosy Kristy mba hanompoan’izy ireo an’i Jehovah?
9 Tamin’ny fivahiniany teto an-tany, Jesosy Kristy dia tsy namporisika ireo izay nino azy samy handeha amin’ny lalany ka hanokan-tena fotsiny amin’ny ‘fifandraisany manokana amin’Andriamanitra’. Nivory nanodidina azy kosa ireo mpianany, ary tamin’izy ireo no nifidianany ireo apostoliny roa ambin’ny folo. Talohan’ny hanaovana izany fifantenana izany, dia nandany alina iray nivavahana izy, hany ka nanao ny fanendrena azy ireo noho ny fanampiana sy ny fankasitrahan’i Jehovah izy (Lioka 6:12-16). Noho izany, ny fandaminana naorina tamin’izay dia nanana ny fanohanan’Andriamanitra. Ambonin’izany, Jesosy dia nampiofana ireo izay nanaraka azy mba hanaovana azy ireo ho antokon’olona iray voalamina misy mpitory ilay Fanjakana. Araka izany, rehefa nanankina asa tamin’ireo mpianatra 70 izy, dia nanome azy ireo ny toromarika nilaina sy nandamina azy ireo talohan’ny hanirahana azy. — Lioka 10:1-24.
10. Inona no ahariharin’ny Soratra masina amintsika ny amin’ny fandaminan’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany?
10 Ny Soratra grika kristiana dia mampiseho miharihary fa ireo mpianatr’i Jesosy voalohany dia voalamina tsara tokoa. Tsy niankina fotsiny tamin’ny famakiany manokana ny Soratra masina izy ireo. Nanorina kongregasiona kosa izy ka tao dia nivory tsy tapaka mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ireny kongregasiona ireny dia tsy fitambaran’olona nahaleo-tena na tsy niankina. Niara-niasa tao anatin’ny fitiavana izy ireny. Ny porofo dia ny nifandefasany fiarahabana tamim-pitiavana, ary nisy fotoana ‘nangatahan’ireo antokon’olona voalamina tany Makedonia mafy mba hamelana azy’ hanome zavatra hanampiana an’ireo “olona masina” tany amin’ny faritra hafa izay sahirana (I Korintiana 16:19, 20; II Korintiana 8:1-7; Kolosiana 4:14-16). Ireo kongregasiona kristiana voalohany dia niara-niasa teo ambany fitarihan’ny kolejy foibe iray voaforon’ireo apostoly sy loholona hafa tany Jerosalema. — Asan’ny apostoly 15:1 ka hatramin’ny 16:5.
11. Nahoana moa no ara-dalàna raha voalamina tsara ny “kongregasionan’Andriamanitra”?
11 Ny apostoly Paoly dia nandray anjara tamin’ny fandaminana maromaro tamin’ireny kongregasiona ireny, izay nihamaro satria nitahy ny fitoriana Andriamanitra. Nosoritany anefa fa “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. Araka ny nasehony koa, “Andriamanitra dia nandamina ny tena” voaforon’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voahosotra araka ny safidim-pony. Araka ny fandrindran-kevitra àry raha hoe voalamina tsara “ny kongregasionan’Andriamanitra” ka miasa ao anatin’ny fiadanana sy ny fifandrindrana. — I Korintiana 14:33; 12:24, Le Livre, fanontana Farel; I Timoty 3:5.
12, 13. a) Inona no nolazaina ny amin’ireo kongregasiona nalamin’ireo apostolin’i Jesosy? b) Mifanaraka amin’io modely naorina tamin’ny taonjato voalohany io, iza amin’izao andro izao no miahy ny amin’ny hampandeha tsara ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
12 Ny amin’ny fandaminan’ireo mpianatr’i Jesosy, ilay mpanoratra tantara atao hoe J. von Mosheim dia nanao izao fanamarihana izao: “Raha toa (...) ireo apostolin’i Jesosy Kristy, tsy misalasala ny amin’izany ny kristiana, ka niasa teo ambany fitarihana sy araka ny baikon’Andriamanitra, ny rafitr’ireo Fiangonana voalohany, nalaina tahaka avy amin’ny Fiangonana tany Jerosalema izay naorina sy nalamin’ireo apostoly mihitsy, izany rafitra izany dia tokony hoheverina ho araka an’Andriamanitra.” — Institutes of Ecclesiastical History, Ancient and Modern, boky I, pejy faha-67, 68.
13 Ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mino mafy fa tamin’ny taonjato voalohany ireo kongregasionan’ny mpianatr’i Jesosy dia voalamina araka ny sitrapon’Andriamanitra. Araka io ohatra faka tahaka io ihany koa no anendren’ny fanahy masina eo amin’izy ireo, mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa mba hiahy ny amin’ny hampandeha tsara ireo kongregasiona. — Asan’ny apostoly 20:28; Filipiana 1:1.
14. a) Ahoana no nampiharana ny fiandraiketana ireo kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany? b) Nahoana moa ny apostoly Paoly no namela an’i Titosy tany Kreta?
14 Tamin’ny taonjato voalohany, ireo apostoly sy loholona hafa dia nampihatra avy any Jerosalema ny fanaraha-maso ny fitambaran’ireo kongregasiona. Tetsy andaniny koa, dia nisy olona tompon’andraikitra tao amin’ny faritany manokana, ary azony natao ny nanome fahefana sasany ho an’ny hafa (Asan’ny apostoly 14:21-23; 15:1-2). Tamin’izany no nangatahan’ny apostoly Paoly an’i Titosy, mpiandraikitra kristiana, mba hikarakara raharaha samihafa tao amin’ny nosy Kreta, tany Mediterane. Izao no nolazainy taminy: “Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao.” (Titosy 1:5). Ireo toromarika nomena tao amin’ny tapany amin’ny taratasiny dia tsy isalasalana fa nanampy an’i Timoty hanatontosa ny asa nanirahana azy amin’ny fiahiana mba hahavoalamina tsara ireo kristiana tany Kreta, hanompo an’i Jehovah.
Nahoana no manao fandaminana amin’izao androntsika izao?
15, 16. Nahoana moa ireo izay maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah no tsy afaka mianina amin’ny fitanana ‘fifandraisana manokana aminy’ sady miparitaka any amin’ireo antokom-pivavahana tsy tambo isaina eo amin’izao tontolo izao?
15 Hatreo dia hitantsika fa araka ny filazan’ny Baiboly, ny fandaminana tsara iray dia anankiray foana tamin’ireo toetra nampiavaka an’ireo mpanompon’i Jehovah. Toy izany koa amin’izao andro izao. Ny vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny koa dia manana antony tsara dia tsara tokony hanaovana fandaminana tsara.
16 Ireo izay maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah dia tsy afaka mianina amin’ny fitanana ‘fifandraisana manokana aminy’ sady hiely patrana ao anatin’ireo antokom-pivavahana tsy tambo isaina eo amin’izao tontolo izao. Takin’i Jehovah ny hivavahan’izy ireo araka ny fahamarinana, ary madiva hanafoana an’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izy (Jaona 4:24; Jakoba 1:27; Apokalypsy 18:1-8). Ambonin’izany, dia takina amin’ny kristiana marina ny firaisan-tsaina. Amin’izao andro izao, tsy mbola nisy toy izany mihitsy, dia tokony ho anisan’ny fandaminana iray monja izy ireo mba hanarahana amin’ny fomba feno izao torohevitry ny apostoly Paoly izao: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — I Korintiana 1:10.
17 Amin’ny ahoana moa ny torohevitra voasoratra ao amin’ny Hebreo 10:24, 25, no mampiharihary fa ireo mpanompon’i Jehovah sy Jesosy Kristy dia samy tokony ho anisan’ny fandaminana iray ihany?
17 Etsy andaniny koa, ny kristiana marina dia tsy tokony hanadino ny hiara-mivory tsy tapaka. Vao mainka miharihary fa zava-dehibe kokoa izany satria antomotra ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny (Hebreo 10:24, 25). Mba hampiharana an’io torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io, dia ilaina ho anisan’ny fandaminana iray daholo ny tena mpanompon’i Jehovah sy Jesosy Kristy rehetra.
18. a) Ahoana no ampisehoan’ny I Jaona 1:3 fa ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra rehetra dia tokony hangonina eo anivon’ny fandaminana iray ihany? b) Amin’izao “andro farany” izao, iza no tonga miaraka amin’ireo kristiana voahosotry ny fanahy masina? Tena misy tokoa ve ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah?
18 Araka ny filazan’ny Soratra masina, dia zava-dehibe koa ny hahatafaray ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona ny amin’izany: “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany.” (I Jaona 1:3). Raha toa ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy ireny ka nianina tamin’ny fitanana ‘fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra’ nefa tsy nivory teo anivon’ny fandaminana iray monja, ahoana no hahafahany ho tafaray amin’ny hafa? Mba hetezan’izany, dia tena ilaina ho anisan’ny fandaminana iray ihany izy ireo. Amin’izao andro izao, dia misy “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” miaraka amin’ny kristiana voahosotry ny fanahy masina. Mifanaraka amin’ny filazalazana nataon’i Jesosy, ‘Mpiandry iray ihany’, ny amin’ireny “ondry” ireny, dia tokony hampoizina ny hiarahan’izy ireo miasa amin’ireo mpianany mitafy hosotra ka hahaforona “andiany iray” eo ambany fitarihany (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Izany indrindra anefa no mitranga eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao “andro farany” izao. (Daniela 12:4.) Tafaray toy ny mpirahalahy sy mpianadahy na mpirahavavy maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ka voalamina tsara mba hanompo ny Andriamaniny. — Jereo I Petera 2:17.
19. Nahoana ny asa fitoriantsika no mitaky ny hiarahantsika miasa eo anivon’ny fandaminana iray tarihin’ny fanahy masina?
19 Mba hanatontosana ny asa nanirahana azy, dia ny hitory sy hanao mpianatra, ireo mpivavaka marina dia tokony hiara-hiasa ao anatin’ny faritry ny fandaminana miray iray (Matio 28:19, 20; Asan’ny apostoly 1:6-8). Raha toa izay rehetra milaza tena fa kristiana ka nianina tamin’ny fananana ‘fifandraisana manokana amin’Andriamanitra’ sady miaraka amin’ny antokom-pivavahana na inona izany na inona, ahoana no mety hahavitana io asa io? Raha izany no izy, amin’ny fitenenana ara-panoharana, ny sasany hilaza hoe “Shiboleta” ary ny hafa “Siboleta”! (Mpitsara 12:4-6.) Amin’izany, ahoana no hahafantaran’ireo izay handre hafatra mifanipaka toy izany hoe inona no tokony hinoana? Mety kosa ny ‘hahazotoana mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana’. Eo amin’izy ireo dia tokony ho “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra”. (Efesiana 4:1-6.) Ilaina ny hanjakan’ny fifanarahana eo amin’ireo tena kristiana sy ny hanaparitahan’izy rehetra ireo hafatra iray ihany mba hahafahan’ny olona mandre fampianarana marina, maneho finoana tena izy an’ilay Andriamanitra marina sy miantso ny anaran’i Jehovah mba hahavonjy azy ireo. Afa-tsy izany koa, dia ilaina ny fandaminana iray tarihin’ny fanahy masina mba hanirahana ireo tena mpitory ny “vaovao tsara”. — Romana 10:11-15.
20. Inona moa no hany fandaminana mahatanteraka amin’izao andro izao ny faminaniana ao amin’ny Matio 24:14? Inona no mampiseho fa manana ny fankasitrahan’Andriamanitra io asa voalamina io?
20 Marina tokoa fa rehefa heverina amin’ny faminaniana nambaran’i Jesosy ny amin’ny ‘fanatrehany’ sy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia tokony hisy amin’izao androntsika izao, fandaminana iray miray saina ‘mitory ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, alohan’ny hahatongavan’ny farany’. (Matio 24:3, 14, MN). Amin’izao fotoana izao, dia ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manambara ity vaovao tsara ity. Tsy misy afa-tsy izy ireo ihany no manambara fa tamin’ny 1914 ilay Fanjakana dia naorina tany an-danitra sy nankinina tamin’i Jesosy Kristy Mpanjaka. Ankehitriny dia miisa ho 2 650 000 mahery ny mpitory io Fanjakana io voalamina, ary tsy mitsahatra ny mitombo haingana ny isan’izy ireny noho ny fitahian’Andriamanitra. — Isaia 43:10-12; 60:22.
21. Raha ny amin’izay mikasika ny fandaminan’i Jehovah, ny amin’inona koa no mbola tokony horesahintsika?
21 Amin’izao “andro farany” fanapahan-javatra tokoa izao, dia tsy azo lavina fa tombontsoa lehibe ny ho anisan’ny vahoaka nalamina mba hanompo an’i Jehovah (II Timoty 3:1). Izay rehetra mifikitra amin’Andriamanitra amin’ny fo manontolo dia manana antony mafy orina araka ny Baiboly hanohizana hanompo azy amim-pahatokiana eo anivon’ny vahoakany voalamina. Ambonin’izany, araka ny ho hitantsika, dia tena hahasoa antsika tokoa ny hanomanana ho antsika, ho avy azo antoka sy sambatra miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aprily 1984, pejy faha-28-31.
Anjaranao ny mamaly...
◻ Karazam-pifandraisana manao ahoana moa no tanan’ireo anjely masina amin’i Jehovah?
◻ Oha-pandaminana inona moa no navelan’ny firenen’Isiraely fahizay ho antsika?
◻ Inona avy moa no porofo araka ny Baiboly mampiseho fa voalamina tsara ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voalohany?
◻ Nahoana no ilaina ny hiaraha-miasa eo anivon’ny fandaminana iray ihany mba hitoriana ilay Fanjakana?
[Sary, pejy 12]
Tamin’ny taonjato voalohany, ireo kongregasiona dia nalamina teo ambany fitarihan’ny kolejy foibe.