Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ao amin’ny I Timoty 4:10 (MN) Andriamanitra dia aseho ho “Mpamonjy ny karazan’olona rehetra, indrindra fa ny mahatoky”. Tokony horaisina avy amin’izany ve fa hisy tsy mahatoky hovonjena koa?
Tsia. Asehon’io andininy io kosa fa natao manokana ho an’ireo izay haneho finoana ny famonjena.
Nomarihin’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty ny anankiray amin’ireo tombontsoan’ny fitiavam-pivavahana tamin’ny filazana fa “manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ho avy koa” izany. (I Timoty 4:6-8.) Taorian’izany, dia hoy ny nambarany: “Noho izany no iasanay mafy sy iadianay: satria izahay nanorina ny fanantenanay tamin’ny Andriamanitra velona iray izay Mpamonjy ny karazan’olona rehetra, indrindra fa ny mahatoky.” — I Timoty 4:10, MN.
Manolotra famonjena ho an’ny olona rehetra Andriamanitra. Nanao izao fanamarihana izao i Paoly: “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo [mifanitsy ho an’ny, MN] ny olona rehetra (I Timoty 2:5, 6). Fa iza no hamaly izany fanolorana izany amin’ny fanekena ny avotra, amin’ny fifidianana ny fiainana fa tsy ny fahafatesana (Deoteronomia 30:19, 20)? Misy olona mandà ny hafatra famonjena torin’ny kristiana. Ao amin’ny hafa, ny “voa afafy” dia mamaka sy mitsiry kelikely. Mampalahelo anefa fa atỳ aoriana ny fanoherana, ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso na ny fanahiana eo amin’ny fiainana dia avelany hisakana azy tsy ho tonga amin’ny famonjena. — Matio 13:3-8.
Amin’izany, na dia atolotra ny rehetra azy ny famonjena amin’ny fotopotony, ny zava-misy dia mampiseho fa raha ny marina, izany dia natao ho an’ny “mahatoky” ihany. Izany no nahatonga izao fananaran’ny apostoly Petera manaraka izao: “Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, mampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay”. — II Petera 1:10; Jaona 3:16.