FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/2 p. 31
  • Tadidinao ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Tsoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Fomba Fanaovana Mpianatra Amin’ny Alalan’ny Boky Fahalalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Tianao Fatratra ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/2 p. 31

Tadidinao ve?

Nahita fahafinaretana ve ianao namaky ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy dia tsy isalasalana fa hotadidinao ireto hevitra vitsivitsy ireto:

◻ Manao ahoana ny hasarobidin’ny bokin’i Nomery ho an’ny kristiana amin’izao andro izao?

Izy io dia mahaforona masony anankiray tena lehibe amin’ny fitohitohizan-javatra mitarika antsika ho amin’ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo fanatitra biby dia manambara ny an’i Jesosy Kristy (Nomery 19:2-9; Hebreo 9:13, 14). Afa-tsy izany koa, io boky io dia manampy ny kristiana hanary ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena ary mampitandrina azy ireo amin’ny loza, dia ny fimonomononana amin’Andriamanitra, amin’ireo fandaharany ary amin’ireo izay notendreny ho amin’ny raharaha samihafa.

◻ Inona no maha-zava-dehibe ny taona 1914?

Izy io dia fiandohan’ny fitohitohizam-pisehoan-javatra izay hanakorontana ny sehatra maneran-tany. Nanomboka nampihatra ny fiandrianany tany an-danitra i Jesosy, ka taorian’izany dia noroahiny tsy ho any Satana. Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia handrava ireo fandehan-javatra manapaka ny tany (Daniela 2:44).

◻ Mampiaraka ny tsoka amin’ny ra ve ny Soratra masina?

Na dia miforona ao amin’ny tsoka aza ny gilaobilina mena, dia tsy ampiarahin’ny Soratra masina amin’ny ra izany. Alahatra miaraka amin’ny nofo fihinana hafa rehetra ny tsoka (Isaia 25:6).

◻ Inona no mampiseho fa mitady ny fahamarinana ny olona iray?

Raha vonona hampihatra ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray, dia nahita ny tena finoana izy (Matio 5:6; Jaona 10:14, 27; 18:37). Etsy andaniny koa, noho ny finoana vokatry ny fanahin’Andriamanitra (Galatiana 5:22, 23), Andriamanitra dia hanampy izay rehetra mivavaka aminy mba hahazo izany finoana izany ka tena manao fiezahana tokoa mba hahazo izany sy mba hampifanaraka ny fiainany amin’izany (Matio 7:7).

◻ Ahoana no azo andraisan-tsoa amin’ny fampitandreman’i Jehovah?

Amin’ny alalan’ny fampitandremany, Jehovah dia manosika antsika hitady azy amin’ny fontsika rehetra. Mitondra fahasambarana ho antsika izany, misakana antsika tsy hivily lalana ka hiditra ao amin’ny lalana mahamenatra eo imasony (Salamo 119:2, 31).

◻ Avy aiza ny fitsiriritana?

Izany dia avy amin’ny tsy fahatanterahana nolovantsika rehetra. Io dia fiovan’ny faniriana ara-dalàna, dia ny faniriana hanana fananana ara-nofo sy hiantoka ny tsy hampanana ahiahy ny tena amin’ny ara-bola, hanjary ho toy ny aretina (Romana 5:12). Izany dia mety ho avy amin’ny hetahetam-bola sy voninahitra ary hery tafahoatra sy tsy mety afa-po.

◻ Inona no sasantsasany amin’ireo anton-javatra mahatonga ho afaka hitana ny fijoroan’ny tena ara-panahy?

Ilaina 1) ny hitoerana ho salama ara-panahy hatrany; 2) ny hanariana izay rehetra mampidi-doza ara-panahy (ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo mamitaka, ohatra; 3) mamantatra ny fahalemen’ny tena ka mitady fanafodin’izany; 4) marisika foana amin’ny fanompoana; 5) manaiky amim-panetren-tena ny fifehezana avy amin’ny fandaminan’Andriamanitra; 6) tsy mitokantokana mihitsy ho lavitra ny kongregasiona.

◻ Amin’ny asa fanaovana mpianatra, inona no tsy tokony hohadinoina raha tiantsika ny hanohina ny fon’ny olona iresahantsika?

Voalohany indrindra, dia ilaina ny hanomezana ohatra tsara azy (Lioka 6:40). Faharoa, mametraha fanontaniana mba hitarihana ny mpianatra hieritreritra sy hamakafaka (Matio 17:24-27). Fahatelo, ampio izy hahatakatra fa fahendrena ny hanarahana ireo lalàn’Andriamanitra (Deoteronomia 10:12, 13). Fahefatra, ampio izy hahalala an’i Jehovah amim-pifankazarana (Jaona 17:3).

◻ Lahatsoratra mivoaka isam-bolana inona no nanomboka nivoaka tao amin’ny nomeraon’ny 1 janoary amin’ity gazety ity?

Io nomerao io dia nirakitra ny voalohany amin’ny lahatsoratra vaovao mitondra ny lohateny hoe Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana. Ireny lahatsoratra pejy iray ireny dia mitantara zava-nitranga mampahery niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny faritra samihafa eo amin’izao tontolo izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara