Miorena mafy hanohitra ny hafetsen’i Satana
“Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” — EFESIANA 6:11.
1. Inona moa no anjaran’ny kristiana izay miseho ho mendrika ny tombontsoany?
IREO lehilahy sy vehivavy izay nanolo-tena ho an’i Jehovah mba ho Vavolombelony ka miseho ho mendrika ny tombontsoany dia mahita dieny izao fifalian’ny paradisa ara-panahy. Raha nilazalaza mialoha ny toe-javatra iainan’izy ireo Isaia mpaminany dia nanambara toy izao tamin’ny anaran’Andriamanitra: “Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, ary ny fahamarinana honina ao amin’ny saha mahavokatra. Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay.” — Isaia 32:16, 17.
2. Nahoana moa isika no tokony hiambina foana?
2 Na dia izany aza, mba hitanana io fahasambarana io, dia tokony hitandrina foana isika, satria mialona noho ny fahasambarantsika sy ny fanambinana antsika ara-panahy Satana. Amin’ny anjara asany amin’ny maha-Goga avy any Magoga, tsy ho ela dia hampiasainy daholo ny tafiny rehetra mba hamelezana miaraka ny vahoakan’i Jehovah (Ezekiela 38:8-12). Tsy milaza anefa akory izany hoe tsy manao na inona na inona izy amin’izao fotoana izao, tsy izany velively. Raha ny marina, noho ny fahafantarany fa kely sisa ny androny, dia mbola vao mainka mafy tsy misy toy izany ny fahatezerany amin’ireo mpanompon’Andriamanitra. — Apokalypsy 12:12, 17.
3. Nahoana moa Satana no maniry ratsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah?
3 Satana no tompon’izao tontolo izao ankehitriny voaforon’ny olona tsy marina (Efesiana 2:1, 2; I Jaona 5:19). Izay rehetra anisan’io fandehan-javatra io dia niandany taminy tamin’ilay fiadian-kevitra lehibe momba ny fanapahana eo amin’izao rehetra izao. Manaraka an’i Satana izy ireo rehefa manizingizina io fa tsy hisy mihitsy olona hifikitra hatrany amin’i Jehovah (Ohabolana 27:11). Amin’izany, dia takatra ny maha-romotra ny Devoly mahita kristiana, na dia vitsy aza, mampiseho fa tsy inona akory ny tenany fa mpirehaka tsinontsinona sy mpandainga ratsy. Noho izany antony izany no ampiasany ny hafetsen-dratsy mety hisy sy azo saintsainina rehetra noho ny fanantenana ny handresy ireny mpanompon’i Jehovah mahatoky ireny. Tsy mahagaga mihitsy àry raha “amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” ‘isika no mitolona’. — Efesiana 6:12.
4. Nahoana moa isika no tokony hanao fiezahana mafy mba handresena ny fahalementsika?
4 Amin’ny fahafantarana izany, dia ara-dalàna ny hanontanianao tena hoe: “Ahoana no azo iorenana mafy eo anoloan’ny fahavalo iray mahery toy izany?” Araka ny efa hitantsika, ilay fahavalontsika dia mahay manararaotra ny fahalemen’ny nofo ratsy mba hamandrihana antsika. Raha ny amin’izay mahakasika antsika, raha tsy mirona avy hatrany ho kamo isika, dia angamba miavonavona kely. Raha tsy mirona indrindra ho amin’ny fikatsahana fahafinaretana isika, dia mety ho somary mirona ho tia vola. Na ahoana na ahoana, dia zava-dehibe ny hiezahantsika handresy ireo fahalementsika manokana sy hanoherantsika ny Devoly mba handosirany antsika. — Jakoba 4:7.
Ny fiadiantsika ara-panahy
5. Noho ny antony inona moa no tokony hitafiantsika ny fiadian’Andriamanitra rehetra?
5 Mampiasa hafetsena mitovy imbetsaka dia imbetsaka ilay fahavalontsika. Noho izany, ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra dia hahatonga antsika ho mora hahatsapa ireo tetikady ampiasainy hatramin’ny andron’ny Baiboly, ary izany dia hanampy antsika koa hiorina mafy. Ny amin’izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” Ary koa: “Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.” Ho voamarikao fa nanoro hevitra antsika i Paoly mba hitafy ‘ny fiadian’Andriamanitra rehetra’. Raha tsy manana na dia iray monja amin’izany fiadiana omen’i Jehovah izany isika, dia hahita loza lehibe isika, satria hahatsapa izany i Satana. Amin’izay dia tena mety hokendreny io faritra mora voa io mba hamonoana hahafaty antsika, amin’ny heviny ara-panahy. — Efesiana 6:11, 13.
6. Inona no tokony hataontsika mba ‘hanikinana fahamarinana ny valahana’?
6 Alefan’ilay apostoly ho antsika voalohany indrindra izao fananarana mandodona izao: “Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo.” (Efesiana 6:14). Fahizay, ireo miaramila dia nanao fehinkibo kely hoditra na teo amin’ny andilana na teo amin’ny maoja. Matetika izany no nisy fantsika na nopetahana metaly fisaka kely maro mba haharo tsara kokoa. Ambonin’izany, dia teo amin’io fehinkibo io no napetaka ny sabatra na ny lefompohy. Amin’ny heviny ahoana àry ny kristiana iray no afaka manikina ny valahany amin’ny fahamarinana? Mba hisikinana ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ilaina ny mifikitra mafy amin’izany, ho ampy fanakekezana azy mba hahafahana maka izany handaminana ny zava-manahirana ny tena rehetra. Toy ny niarovan’ny fehinkibo ny miaramila, dia toy izany koa fa ny fahamarinana dia manome antsika ny toky ilaintsika mba hitondrana ny entantsika, ary fiarovana ho antsika izany. Marina tokoa fa raha mitana ny saintsika foana ireo fahamarinan’Andriamanitra dia azo antoka fa ho mora amintsika kokoa ny hiorina mafy hanohitra an’i Satana.
7. Mampiseho inona “ny rariny ho fiarovan-tratra”?
7 Rehefa voalaza izany, dia mamporisika antsika koa ilay apostoly mba ‘hitafy ny rariny ho fiarovan-tratra’. (Efesiana 6:14.) Taloha ny fiarovan-tratra dia metaly mitapatapaka na mirarirary na iray tsy mivaky, ary niaro ny fo indrindra izany. Toy izany koa, mba hitafiana ny “rariny ho fiarovan-tratra”, dia tokony ‘hitandrina ny fontsika’ indrindra isika. (Ohabolana 4:23.) Tsy ho afaka ny hiorina mafy hanohitra an’i Satana isika raha tsy manosika antsika hanompo an’i Jehovah sy hanana fiainana madio ny antony manetsika antsika, amin’ny fitandremana mba tsy hampihatra fitaomana ara-pitondrantena manimba mihitsy eo amin’ireo namantsika. — I Petera 1:14-16.
8. Inona no fihetsika tokony hananantsika hatrany mba ‘hikiraroana ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana’?
8 Taorian’izany i Paoly dia mamporisika antsika ‘hikiraro ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana’. (Efesiana 6:15.) Izany dia milaza ny hanohizantsika hitory amim-paharisihana sy amim-pilaminana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nomen’i Jesosy an’ireo mpitory ny filazantsara 70 tokoa izao toromarika izao: “Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity.” (Lioka 10:5). Tsy mankany amin’ny olona mba hifanditra amin’izy ireny akory isika. Ny zava-kendrentsika kosa dia ny hitondra ho azy ireny ny fampaherezana sy ny fifaliana ary ny fiadanan-tsaina sy ny fanantenana. Tsy isalasalana mihitsy fa Satana dia hanandrana hanaitra ny fankahalana sy ny fitiavana ady eo amin’ny sasany amin’ireo olona iresahantsika mba hitarihana antsika hamaly mafy. Noho izany, mba hiorenana mafy hanohitra ny fanangoleny, dia tokony haneho fahamalinana sy faharetana isika amin’ny fisehoana ho vonona ny ho tonga “zavatra rehetra amin’ny karazan’olona rehetra”. — I Korintiana 9:19-23.
9. Fahizay, tahaka ny inona moa ny ampinga sy ny zana-tsipìka mirehitra?
9 Nanohy ny teniny toy izao ilay apostoly: “Tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.” (Efesiana 6:16). Ny teny grika nadika hoe “ampinga” dia tena nanondro ampinga ampy haavo sy sakany mba hiarovana saika ny vatana manontolo. Raha ny amin’ny “zana-tsipìka mirehitra”, indraindray ny Romana dia naka ho fiadiana fanipy ny volotara loaka nofenoiny “naphte” (karazan-tsolitany) nirehitra. Angamba nanisy fitenenana ny amin’ireny tsipìka nandoro ireny i Paoly.
10. Inona moa no “zana-tsipìka mirehitra” alefan’i Satana amintsika?
10 Nandaroka tamin’ny mpianatr’i Kristy izao karazana “zana-tsipìka mirehitra” rehetra izao koa i Satana. Aoka hotononintsika ny faniratsirana, ny fanakianana sy ny fanendrikendrehan’ireo fahavalony azy. Izany “zana-tsipìka” izany dia mety koa ho ny resaka natao hanakiviana ny “mpiady” sasany noho ny vokatra toa tsy dia manao ahoana azony eo amin’ny asany na ny tsy fandrosoany firy eo amin’ny ady ataony hanohitra ny fahalemen’ny nofo. Izany koa dia mahafaoka ny teny mitrerona, ny fanarabiana sy ny tatitra izay manova ny fahamarinana. Afaka nandratra kristiana vitsivitsy aza Satana tamin’ny fanairana ny fahalianany hahafantatra ny fahendren’izao tontolo izao eo amin’ny lafiny toy ny fahaizana asan’ny maizina sy ny filozofia momba ny niandohana sy ny hiafaran’ny olombelona. Mety àry ny handosirana toy ny areti-mifindra ireny “sain-dalin’i Satana” ireny. Manao izany ve ianao? — Apokalypsy 2:24.
11. Miankina amin’inona moa ny halehibe sy ny fahitana vokany amin’ny ampingantsika ara-panahy?
11 Mba hiarovana ny fontsika amin’ireo “zana-tsipìka mirehitra” avy amin’ny Devoly, dia mila finoana azo ampitahaina amin’ny ampinga lehibe sady mafy isika. Miankina indrindra amintsika anefa ny halehibe sy hamafin’io ampinga ara-panoharana io. Tsy hahazo ny fiarovana ilaina isika raha tsy manararaotra ny fotoana mety mba hianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra, mba hisaintsainana izany sy hifaneraserana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa. Mazava ho azy fa tokony hampiharintsika koa izay nianarantsika, satria ‘maty ny finoana raha tsy misy asa’. (Jakoba 2:26.) Afa-tsy izany koa, ny anankiray amin’ireo fomba tsara indrindra hampitomboana sy hanatanjahana ny finoantsika, ary noho izany dia hiorenana mafy, dia ny fiezahana amim-pahatsorana hampita izany amin’ny mpiara-belona amintsika.
12. Inona moa no fiarovan-dohantsika ara-panahy? Inona no ilàna izany?
12 Izao no nosoratan’i Paoly nanaraka izany: “Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha”. (Efesiana 6:17). Taloha ny fiarovan-doha dia vita tamin’ny zozoro, ny lamba na ny hoditra nohatevenina, na tamin’ny metaly koa (I Samoela 17:38). Ahoana ny amin’ny fiarovan-dohantsika ara-panahy? Izao no nolazain’i Paoly tamin’ireo kristiana tany Tesalonika: “Aoka isika hitana ny fijoroantsika, (...) rehefa nandray ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.” (I Tesaloniana 5:8, MN ). Ny fanantenana tokoa dia mety hiaro antsika amin’ny famelezan’i Satana sy ireo fiasany mba handratrana antsika. Rehefa miorina mafy amin’ny Baiboly izany, “ny fanantenana dia tsy miteraka fahadisoam-panantenana”. (Romana 5:5, MN.) Izany koa dia hiaro antsika amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo amin’ny fanosehana antsika hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha. — Matio 6:33; Lioka 12:31.
13. Inona moa “ny sabatry ny Fanahy”? Inona no ilàna izany?
13 Tonga eo amin’ny hany fiadiana famelezana nolazalazain’i Paoly toy izao isika: “Ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.” (Efesiana 6:17). Ny teny grika nadika hoe “sabatra” ao amin’io andininy io dia nihatra tamin’ny fiadiana fohy, karazana sabatra fohy sahala amin’ny lefompohy nampiasaina hifamelezana ara-batana. Raha ny amin’izay mahakasika antsika, noho ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra, dia ho haintsika ny hamono hahafaty sy hanagorobadrobaka ireo fampianaran-diso amin’ny fampisehoana, tsy ny hoe tsy araka ny fandrindran-kevitra fotsiny izany, fa mifanohitra amin’ny Soratra Masina indrindra (II Korintiana 10:4). Hanao izany amim-panetren-tena anefa isika, tsy misy fieboeboana mihitsy, noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ary ny mpiara-belona amintsika. Noho ny fanampian’ny boky hafa atontan’ny kristianisma marina, dia ho azontsika atao ny “hitana ny tenin’ny fiainana’. — Filipiana 2:16.
Ny hasarobidin’ny toetra tsara kristiana
14. a) Nahoana moa isika no tsy manana antony mihitsy tokony hieboeboana? b) Raha tiantsika ny hahatohitra an’i Satana, nahoana moa isika no tokony hanetry tena hatrany?
14 Ankoatra ny fiadiantsika ara-panahy, dia toetra kristiana maromaro ny hanampy antsika hiorina mafy hanohitra ny Devoly. Koa satria Satana mampiasa ny fieboeboantsika, ny fanetren-tena sy ny fahaiza-mitsara zavatra dia hahatonga ny adintsika ho mora kokoa. Noho izany, ny kristiana iray dia tsy tokony ‘hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina”. Rehefa nanatontosa ny adidy rehetra nankinina tamintsika isika, dia ho tsara ny hitenenantsika anakampo hoe: “Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.” Mila ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba hahatoherana an’i Satana. Mba hahazoana izany anefa, dia tokony haneho fanetren-tena isika, satria “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. — Romana 12:3; Lioka 17:10; Jakoba 4:6.
15. Amin’ny ahoana moa ny fifehezan-tena no hanampy antsika hiorina mafy hatrany?
15 Ny fifehezan-tena koa dia anisan’ny toetra kristiana izay hanampy antsika hiorina mafy hanohitra ny Devoly. Raha tsy mifehy ny fihetseham-pontsika isika — ny fahatezerana, ohatra — na tsy mahalala onony amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ary eo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy, dia mitolo-batana ho amin’ny fanafihana sy ny fanangolen’i Satana isika. Aoka tsy hohadinointsika fa rehefa mitondra tena araka ny “filan’ny nofontsika” isika, raha ny marina dia mandeha “araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, [Satana], dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. (Efesiana 2:1-3.) Raha avelantsika àry ny hevitra na ny fihetseham-po mampiseho fitiavan-tena sy maloto hanapaka antsika, dia mety ho latsaka ao amin’ny fandriky ny Devoly isika ka hanjary hanao ny sitrapony (II Timoty 2:26). Mba hahatoherana azy dia tokony hitandrina kosa ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika mafy isika tahaka ny ataontsika amin’ny teny sy ny ataontsika. Eny, ilaintsika ny mifehy ny saintsika mba tsy hifantohany afa-tsy amin’izany tsara, marina, madio sy mahatehotia. — Filipiana 4:8.
16. Nahoana moa no ho moramora kokoa amintsika ny hiorina mafy raha hetsehin’ny fitiavana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena isika?
16 Ambonin’ny zavatra rehetra, dia ny fitiavana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena no hanampy antsika hiorina mafy hanohitra ny Devoly. Ny Devoly tokoa dia mailaka hanararaotra ny fironana mampiseho fitiavan-tena rehetra mety ho hitany eo amintsika. Amin’izany, arakaraka ny anosehan’ny tena fitiavana antsika handany hery eo amin’ny asa sy ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah no tsy hahamora voan’ny fanafihan’i Satana antsika. Rehefa dinihina tokoa, ahoana no mety hanapahan’i Satana antsika raha tena tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra sy ny herintsika rehetra isika? Afa-tsy izany koa, ny fitiavana dia hanosika antsika hihevitra izay hahavonjy ny hafa, ka izany dia hanampy koa amin’ny fiantohana ny famonjena antsika (Marka 12:30, 31; I Timoty 4:16). Raha mbola mampihatra koa ny fitiavana amin’ny endriny rehetra isika, na Satana na izay rehetra mety ho fiasany hita maso na tsy hita maso, dia tsy hahomby amin’ny fanimbana ny fiorenantsika mafy. — I Korintiana 13:4-8.
17. Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny hivavahana mba hiorenana mafy hatrany?
17 Mba hahafahana miorina mafy hanohitra ny fanangolen’ny Devoly, dia ilaintsika koa ny hampiasa ny vavaka faran’izay betsaka. Nahoana? Satria tsy azontsika atao tsotra izao ny handresy amin’ny herin’ny tenantsika. Mila ny fanampian’ny lanitra isika. Rehefa avy nilazalaza ny amin’ny fiadiana ara-panahin’ny kristiana i Paoly dia namporisika ireo rahalahiny ao amin’ny finoana hanonona ny “fivavahana [karazam-bavaka, MN ] rehetra sy ny fangatahana” ary ‘hivavaka mandrakariva ao amin’ny Fanahy’. Mba hanaovana izany, dia hilainy ny ‘hiambina amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra”, anisan’izany ilay apostoly. — Efesiana 6:18, 19.
18, 19. a) Hahasoa antsika amin’inona moa ny fiderana sy ny fisaorana? Manao ahoana ny hasarobidin’ny fangatahana sy ny fitalahoana?
18 Inona no tiana holazaina amin’ny fitenenana hoe “karazam-bavaka rehetra”? Anisan’ireny “karazam-bavaka” ireny dia azo tononina ny fiderana. Rehefa fantatra koa ny hoe iza moa Jehovah, manao ahoana ny toetrany ary inona no toerana tanany eo amin’izao rehetra izao, dia tsy azo atao ny misalasala ny amin’ny maha-mendrika ny fiderantsika azy (Salamo 33:1). Tsara koa ny mahatsiahy ny fisaorana. Marina tokoa fa firifiry akory moa ny antony tokony hisaorantsika an’Ilay niandohan’ny “fanomezan-tsoa rehetra” sy ny “fanomezana tanteraka rehetra”! (Jakoba 1:17.) Tsy mahagaga loatra raha toa ny Soratra masina ka mananatra antsika mba ‘hidera an’i Jehovah noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona’. (Salamo 107:31.) Raha feno fankasitrahana ny saintsika sy ny fontsika, dia ho mora lavitra amintsika ny hahatohitra an’i Satana.
19 Karazam-bavaka hafa iray koa ny fangatahana. Tsara ny hangatahantsika amin’Andriamanitra mba hanomezany antsika ny fahendrena (Jakoba 1:5) sy ny fanahy masina (Lioka 11:13), mba hamela ny helotsika (I Jaona 1:9; 2:1, 2) sy hitahy ny fiezahantsika (Salamo 90:17). Ary farany, dia ao ny fitalahoana. Izany dia fiangaviana atao amin-kafanam-po amin’i Jehovah, ao anatin’ny fotoam-pisedrana na loza lehibe, ohatra. Araka izany, rehefa nampidirina an-tranomaizina i Paoly, dia nangataka izy ny hitalahoana ho azy (Efesiana 6:18-20). Izany karazam-bavaka rehetra izany dia tsy maintsy hanampy antsika hiorina mafy eo anoloan’i Satana.
Aoka isika ho tapa-kevitra ny hiorina mafy
20, 21. Nahoana moa isika no afaka mahazo fandresena feno?
20 Amin’izao andro izao, amin’ny fitambarany, ireo mpanompon’i Jehovah dia manana anjara amin’ireo fifalian’ny paradisa ara-panahy. Tsy azo antoka anefa fa hoe ny tsirairay avy amintsika dia hanohy higoka tsy misy farany izany fahasambarana izany. Noho izany antony izany no tokony hiambenantsika foana sy hiorenantsika mafy hanohitra ilay fahavalontsika, dia ny Devoly. — I Petera 5:8, 9.
21 Araka ny efa hitantsika, dia tsy iray akory ny fitaka hain’i Satana atao, ary tadiaviny amin’ny fomba rehetra izay hanapahana ny tsy fivadihantsika sy hampialana antsika amin’ny asan’i Jehovah. Tsy ho vitany na oviana na oviana anefa ny hanapaka antsika raha tanantsika ny fiadiana ara-panahy nomen’Andriamanitra antsika, raha manohy mamboly ny vokatry ny fanahy masina isika, indrindra fa ny fitiavana sy ny fifehezan-tena, ary raha maharitra amin’ny vavaka isika. Amin’ny fanaovana izany ary noho ny fanampiana amin-piraiketam-pon’ilay Andriamanitsika, Jehovah, dia ho ampy fitaovana isika mba hiorina mafy hanohitra ny fanangolen’i Devoly.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa Satana no tezitra amin’ireo mpanompon’i Jehovah?
◻ Inona no mahaforona ny fiadiana ara-panahin’ny kristiana?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo “zana-tsipìka mirehitra alefan’i Satana ho antsika? Ahoana no azontsika iarovan-tena amin’izany?
◻ Nahoana moa isika no tokony hanetry tena hatrany raha tiantsika ny hiorina mafy hatrany hanohitra ny Devoly?
◻ Nahoana moa no tena ilain’izay maniry hiorina mafy ny vavaka?
[Sary, pejy 23, 24]
Raha manokana fotoana tsy tapaka amin’ny vavaka ireo fianakaviana dia hahatohitra mora kokoa ireo fanafihan’i Satana.