FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/6 p. 19-24
  • Vahoaka voadio sy be zotom-po amin’ny asa tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vahoaka voadio sy be zotom-po amin’ny asa tsara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana ara-panahy
  • ‘Mandà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao’
  • Ny anjara asan’ireo loholona
  • ‘Be zotom-po amin’ny asa tsara’
  • Soa maro karazana
  • Nodiovina mba Hanao Asa Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mijanona ho madio amin’ny lafiny rehetra ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Mitoera ho matanjaka amin’ny finoana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/6 p. 19-24

Vahoaka voadio sy be zotom-po amin’ny asa tsara

‘Nanolotra ny tenany Jesosy Kristy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, mazoto amin’ny asa tsara.’ — TITOSY 2:13, 14.

1. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tokony hiseho ho madio sy be zotom-po?

MASINA sy tsara ary mahitsy Jehovah. Ambonin’izany, ny Zanany sy ny tenany dia manatontosa amin-jotom-po asa tsara (Levitikosy 19:2; Salamo 25:8; Jaona 5:17). Noho izany antony izany, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia tokony hiseho ho madio sy be zotom-po amin’ny asa tsara.

2. a) Ahoana no nampiarahan’i Paoly ny fahadiovana sy ny zotom-po? b) Hiezaka hamaly fanontaniana inona avy isika?

2 Nampiaraka ny fahadiovana sy ny zotom-po ny apostoly Paoly ka nanazava fa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, Jesosy dia “nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara”. (Titosy 2:11-14.) Inona no takina amin’ireo izay nodiovin’i Jesosy toy izany? Inona moa no asa tsara tokony hanehoantsika zotom-po? Farany, soa inona avy no raisin’ny vavolombelon’i Jehovah voadio sy be zotom-po?

Ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana ara-panahy

3. a) Tokony hiezaka hitana fari-pahadiovana manao ahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah? b) Ahoana no nanasoritana ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana rehefa nafahana avy any Babylona ireo babo jiosy?

3 Ireo mpanompon’i Jehovah dia tokony hitana fari-pahadiovana ara-batana sy ara-pitondrantena ary ara-panahy ambony (Eksodosy 30:17-21; Deoteronomia 23:12-14; Efesiana 5:25-27; II Korintiana 7:1). Io fahamarinana fototra io dia nasongadina tamin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nafahana avy any Babylona ireo babo jiosy (Ezra 1:1-4). Tsy ela ny maro tamin’izy ireo dia handeha hody any amin’ny taniny, hitondra amim-pifaliana ireo fanaka masina nalain’i Nebokadnezara mpanjaka an-keriny fahiny tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. Tsy maintsy tokony hadio anefa ireny mpivavaka tamin’i Jehovah ireny mba hitondra ireo zavatra an’ny fitoerana masina. Koa natao ho azy ireo izao baiko manaraka izao: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.” (Isaia 52:11). Ireny mpitondra zavatra ireny dia tokony hanadio tena amin’ny pentina rehetra mifandray amin’ny fahalotoana ara-pivavahana sy ara-pitondrantenan’i Babylona.

4. Araka ny II Korintiana 6:14-17, inona no takina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra?

4 Ny apostoly Paoly, tetsy andaniny, dia nampihatra io didy io tamin’ireo kristiana voahosotra izay nandao an’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Izao no vakintsika: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? (...) ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio.’ ” (II Korintiana 6:14-17; Apokalypsy 18:4, 5; Jeremia 51:45). Marina tokoa fa tian’i Jehovah hitoetra ho madio ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra ary ny “olona betsaka” miaraka amin’izy ireny. — Apokalypsy 7:4-9.

‘Mandà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao’

5. Araka ny II Korintiana 4:2, inona no tokony ho azo lazaina ny amin’ny fanompoantsika?

5 Ankoatra ny zavatra hafa, ny olona madio ara-panahy izay Vavolombelon’i Jehovah dia asaina “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao”. (Titosy 2:11, 12.) Izao no nambaran’i Paoly tany amin’ny toerana hafa: “Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.” (II Korintiana 4:2). Sahala amin’ilay apostoly, dia zava-dehibe ny hitoeran’ireo kristiana amin’izao androntsika izao tsy hanan-tsiny mba hanatontosa ny fanompoany. Tsy misy mihitsy olona tokony ho afaka hiampanga ara-drariny azy ireo ho mandray kolikoly na manambaka (II Korintiana 8:20, 21; Salamo 101:1-8). Noho izany antony izany, ireo olo-mahatoky dia tsy manaiky hotarihin’ny fahendren’izao tontolo izao na ny ‘fanahiny’, dia ny hery manosika izay mampitodika azy ho amin’ny fitiavan-tena sy ny fahotana. — I Korintiana 1:21; 2:12; 3:19; Efesiana 2:1, 2.

6. Raha eo am-piadiana amin’ny fironan-dratsy toy ny fanambakana sy ny filan’ny nofo isika, inona no azontsika atao?

6 Mba hahatongavana amin’ny zava-kendreny, ny olona izay hetsehin’ny fanahin’izao tontolo izao dia matetika no mampiasa tetika miolakolaka. Raha manao toy izany ny lazaina fa kristiana iray, dia tsy ho ‘nanda izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra’. Amin’izany izy dia tsy ho afaka hanana fifankazarana amin’i Jehovah (Ohabolana 3:31, 32). Etsy andaniny koa, ireo mbola andevon’ny firehetam-po maloto dia mampiseho fa tsy ‘nanda ny filan’izao tontolo izao’ izy. (Galatiana 5:19-21; I Jaona 2:15-17.) Raha ny amin’izay mahakasika antsika, angamba isika eo am-piadiana amin’ny fironana tsy araka ny fanahy toy ny fanambakana sy ny fanirian-dratsin’ny nofo. Raha izany no izy, dia ho tsara ny handraisantsika ho antsika koa izao hataka nataon’i Davida izao: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.” (Salamo 51:10, 11; Jaona 15:19). Raha mivavaka toy izany isika ka miezaka handray soa araka izay azo atao amin’ny fanampiana atolotr’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany, dia ho afaka hanitsy ny fomba fisainantsika isika mba hanompoana amim-pahatokiana eo amin’ireo mpivavaka madio amin’i Jehovah.

7. Nahoana no ilaina ny fandroahana ireo mpandika lalàna tsy mibebaka?

7 Raha manaram-po amin’ny fanao maloto tsotra izao anefa ny sasany amintsika ka tsy maneho fibebahana dia hanjary hilaina ny handroahana azy ireny mba hiarovana ny anaran’i Jehovah amin’izay rehetra mety ho fanalam-baraka, hitandroana ny fahadiovan’ny kongregasionany sy hiarovana an’ireo olona mahatoky amin’ny fanaovana izay hahatakarany tsara ny haratsin’ny zavatra (Levitikosy 22:31-33; Deoteronomia 13:6-11). Fantatr’ireo mpanompon’Andriamanitra hatramin’ny ela be tokoa fa tsy mendrika ny fisakaizany intsony ny mpanota tsy mibebaka. Araka izany, raha vao tamin’ny 1904 i Charles Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, dia nanoratra toy izao: “Hiala aminy fotsiny ny Fiangonana ka tsy hanome azy mariky ny firahalahiana mihitsy.” (La nouvelle création, pejy faha-77). Amin’izao andro izao koa ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia manaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly mandidy azy ireo ‘hanaisotra ny mpanao ratsy’ tsy ho eo aminy. — I Korintiana 5:9-13.

8. Ahoana no hanampian’ny teny voasoratra ao amin’ny Lioka 3:8 sy ao amin’ny Galatiana 6:1 an’ireo loholona hanaraka fihetsika tsara eo anoloan’ireo naniasia?

8 Ireo loholona dia mikarakara tokoa ny hahadio ny fandaminan’Andriamanitra. Tokony haneho famindrampo koa anefa izy ireo rehefa azony atao ny manavaka “voa mendrika ny fibebahana”, tahaka ny isehoan’ny tenan’i Jehovah ho mpamindra fo rehefa mety amin’izany ny toe-javatra miseho (Lioka 3:8; Salamo 86:15; 130:3, 4). Etsy andaniny koa, raha solafaka tsy nahy ny anankiray amin’ireo rahalahiny, ireo izay manana ny toetra ara-panahy takina dia hanandrana hanarina azy ireny “amin’ny fahamorana”. — Galatiana 6:1.

Ny anjara asan’ireo loholona

9. Manonòna fomba roa azon’ireo loholona anampiana an’ireo rahalahiny eo amin’ny lafiny ara-panahy.

9 Ahoana no hanampian’ireo mpiandraikitra ny namany kristiana hitoetra ho madio ara-panahy? Afaka manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny lahateny mampandroso sy ny fiaraha-midinika manokana, rehefa manao ny fitsidihany ny ondry izy ireny, ohatra (I Petera 5:1-4). Amin’izany fotoana izany, dia tena tokony hampiasa ny Baiboly izy ireo mba hampianarana, hampahatsiahivana, hananarana sy hitenenana.

10. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny loholona ny raharahan’ny mpandahateny? b) Nahoana no mety ny hianaran’ireo mpiandry ara-panahy amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra?

10 Nosoritan’i Paoly ny ilàna hampianatra fony izy namporisika an’i Titosy, anankiray tamin’ireo mpiara-miasa taminy, hanohy ‘hilaza izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema’. (Titosy 2:1.) Koa satria lehilahy manetry tena ireo loholona, dia tsy mitady izay hahazoana laza amin’ny lahateniny izy ireo. Tiany kosa ny hampiasa tsara ny Soratra masina amin’ny fampianarany (Ohabolana 25:27). Ny prezidàn’i Etazonia iray, John Quincy Adams, dia nanambara toy izao indray andro: “Efa ela be sahady izay no nandraisako fahazarana mamaky ny Baiboly manontolo indray mandeha isan-taona.” Ny mpanjakan’ny Isiraely dia nanana adidy hanao kopian’ny lalàn’Andriamanitra “hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany”. Josoa koa, tetsy andaniny, dia tsy maintsy nanaraka toromarika sahala amin’izany (Deoteronomia 17:14-20; Josoa 1:7, 8). Raha tsy nisy ny fahalalana azon’izy ireo tamin’izany fomba izany, ahoana no ho nahafahan’ireny Isiraelita fahizay ireny hanao zavatra amim-pahendrena na hitondra ho an’ireo mpiara-belona aminy ny fanampiana ara-panahy nilain’izy ireo? Ianao izay loholona àry, efa nahavaky manontolo ny Baiboly ve ianao? Nanao izany imbetsaka ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa ho moramora kokoa aminao ny hanome torohevitra ho an’ny hafa, indrindra fa ho an’ireo kristiana efa namaky ny Soratra masina imbetsaka. Ireo izay manao ny raharahan’ny mpiandry ara-panahy dia tokony hianatra amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra izay fototry ny “fampianarana tsy misy kilema” mihitsy.

11. a) Nila fampahatsiahivana inona moa ireo kristiana tany Kreta tamin’ny taonjato voalohany? b) Raha ny amin’ny fampahatsiahivana araka ny Baiboly, tokony hahay hanao inona moa ireo loholona?

11 Izao koa no nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy: “Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.” (Titosy 3:1, 2). Nila izany fampahatsiahivana hentitra izany ireo kristiana tany amin’ny nosy Kreta tamin’ny taonjato voalohany. Toy izany koa, rehefa misy zava-manahirana mitranga amin’izao androntsika izao, ireo loholona dia tokony ho afaka hanatsoaka avy ao amin’ny Soratra masina, fampahatsiahivana mifanaraka amin’ny tarehin-javatra. Aoka holazaina kely aloha fa mety ny hisehoantsika ho velom-pankasitrahana foana rehefa manintona ny saintsika ho amin’ny fampitandremany na ny fampahatsiahivany Jehovah. — Salamo 119:99, 129.

12. a) Inona no dikan’ny matoanteny hoe “mananatra”? b) Amin’ny toe-tsaina manao ahoana moa no tokony hitenenan’ireo loholona?

12 Nahazo izao baiko izao koa Titosy: “Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena.” (Titosy 2:6). Toy izao anefa no ilazana ny hevitry ny teny hoe ‘mananatra’: “Miezaka hitarika olona hanao na hisaina zavatra amin’ny alalan’ny fampaherezana, ny teny mandodona.” (Grand Larousse de la langue française). Noho ny fitiavana sy ny fiahiana tamim-pahatsorana tsapany ho an’ireo namany, dia tsy voatana tsy hananatra azy ireny i Paoly rehefa nilaina izany. Izany no antony nahafahany nilaza toy izao tamin’ireo loholona tany Efesosy: “Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman-alina tamin’ny ranomaso.” (Asan’ny apostoly 20:31; jereo Votre Bible). Amin’izao andro izao, ireo loholona izay mampitandrina na mananatra ireo rahalahiny amin’izany fomba izany rehefa ilaina izany dia tena harena ho an’ny kongregasionany.

13. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “miteny olona”? b) Amin’ny toe-tsaina manao ahoana no tokony hitenenan’ireo loholona?

13 Niresaka tamin’i Titosy ny amin’ny ilàna hitenenana koa i Paoly: “Anaro [teneno, MN ] mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana, hoy izy, tsy mitandrina ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana.” (Titosy 1:13, 14). Ny hoe ‘miteny olona’ dia milaza ‘fanintonana ny sainy ho amin’ny fahadisoana nataony, fanitsiana azy”. Ny hevitr’io matoanteny io indrindra dia hoe “fanomezan-tsiny (...) feno fiheverana sy fahamoram-panahy, ka ny zava-kendrena amin’izany dia (...) ny hanatsarana, hampiverenana ho amin’ny tsara kokoa na ny tsara, ny hanarenana amin’ny alalan’ny torohevitra, ny hampanalavirana fahadisoana efa natao”. (Dictionnaire Hachette; Dictionnaire des synonymes de la langue française, nataon’i M. Lafaye.) Teo i Paoly dia nanasa an’i Titosy hiteny an’ireo namany noho ny fikasana mendrika: “Mba hatanjaka amin’ny finoana” izy. Toy izany koa, amin’izao fotoana izao, dia hohalavirin’ireo loholona ny fisehoana ho lozabe fa tsy ho fihetsika kristiana izany. Mifanohitra amin’ireo olona tsy faly izay niala tamin’ny marina, dia tsy mirehareha ho manana “fahefana” na inona na inona mba hifehezana ny fiainana sy ny finoan’ireo rahalahiny izy ireny. Izy ireny kosa dia mpitandrin-draharaha sy mpiara-miasa ho fifalian’izy ireny satria manampy azy hiorina mafy ao amin’ny finoana. — II Korintiana 1:24; I Korintiana 4:1, 2.

14. Inona no hanampy antsika hijanona ho madio ara-panahy?

14 Raha henointsika ireo fampianarana, fampahatsiahivana, fananarana sy fitenenana avy amin’ny Soratra masina, dia ho mora amintsika kokoa ny hadio ara-panahy hatrany. Izany dia hahatonga antsika ho afaka hahafeno ireo fepetra takina mba hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fanompoana masina. Fa amin’ny toe-tsaina manao ahoana no tokony hanatanterahantsika an’io asa io?

‘Be zotom-po amin’ny asa tsara’

15. a) Ahoana no hilazanao ny hevitry ny zotom-po? b) Inona moa no asa tsara indrindra ataon’ny kristiana?

15 Amin’ny fitambarany, ny fandaminana kristian’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ‘be zotom-po amin’ny asa tsara’. Ny zotom-po dia “firehetana mafy hiasa ho an’ny olona iray na raharaha iray ampisehoana fandavan-tena amim-pahatsorana”. (Dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française, nataon’i Paul Robert.) Raha heverina amin’ny taratasin’i Paoly ho an’i Titosy, ny kristiana rehetra dia manana “asa tsara” maro karazana aoka izany hotontosaina. Araka izany, ny vehivavy tanora dia hasaina hadio, hiasa ao an-trano sy hanaiky ny vadiny. Ny tenan’i Titosy koa aza dia tokony hiseho ho “fianarana ny asa tsara”, indrindra fa amin’ny fanehoana tsy fivadihana eo amin’ny fampianarany sy amin’ny filazana teny mahasoa (Titosy 2:1-14). Miharihary fa ny asa tsara indrindra azon’ny kristiana iray atao dia ny fanampiana ny mpiara-belona aminy hahalala an’Andriamanitra sy hanompo azy. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, moa ve ianao tena manana zotom-po tokoa amin’io “asa tsara” io? Ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia be zotom-po tamin’ny fitoriana ny filazantsara na dia teo anoloan’ny fanenjehana aza. — Asan’ny apostoly 11:19-21.

16. a) Inona moa no anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra hisian’ny kongregasiona kristiana? b) Fanamarihana inona avy no natao ny amin’ny fitoriana ny filazantsara ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

16 Na dia ao aza ny fanenjehana mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, ny fanahin’Andriamanitra dia manosika azy ireny hanatontosa ny asa nanendrena azy izay mahaforona ny anankiray amin’ny antony lehibe indrindra mahatonga fisian’ny kongregasiona kristiana: ny fitoriana ilay Fanjakana (Matio 24:14; 28:19, 20; Isaia 61:1, 2). Sahala amin’ireo kristiana voalohany, dia mandany hery amin-jotom-po izy amin’ny asa tsara izay mitarika azy ireny hanambara ny “vaovao tsara” isan-trano sy amin’ny fomba maro hafa (Asan’ny apostoly 5:41, 42; 20:20, 21). Ao amin’ny bokiny hoe Fitoriana ny filazantsara, S.A. (anglisy), G. Target dia mandinika tsirairay ny fomba fitoriana samihafa. Momba “ny fitoriana ny filazantsara any an-tokantrano”, dia manao izao fanamarihana izao izy: Hisy aza hilaza fa io no fomba miely indrindra, indrindra fa aorian’ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah (...). Misy hafa mandroso haingana, nefa mbola ny Vavolombelon’i Jehovah foana no mitarika amin’io lafiny io.” Momba ny fampiasana boky araka ny Baiboly, dia manampy teny toy izao Atoa Target: “Eo koa, dia mitana ny toerana voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah. (...) Azo lazaina hoe vitsy ny finoana mamoaka zavatra voasoratra natao hitoriana ny filazantsara.” Marina tokoa fa ireo boky kristiana avoaka amin’ny alalan’ny fanahy masina ka mety ho azo mora eo amin’ny Vavolombelona, dia manampy ny “ondry” maneran-tany hifankazatra amin’ny sitrapon’Andriamanitra mba hanatanterahana azy.

17. Ahoana no ahafantarantsika fa nitahy ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra?

17 Nambinin’i Jehovah ny asan’ireo kristiana voalohany. Tamin’izany no nisy kongregasiona niforona tany amin’ny toerana samy hafa — tany Roma, tany Korinto, tany Efesosy, tany Filipy, tany Kolosia, tany Tesalonika sy tany an-toeran-kafa. Toy izany koa, tamin’izao androntsika izao Jehovah dia nampahavokatra tsara aoka izany ny fitorian’ireo mpanompony, hany ka miisa ho 48 000 izao ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Avy aminy izany fitomboana mahagaga izany. — Isaia 60:22; I Korintiana 3:6, 7.

Soa maro karazana

18-20. Tonòny ny sasantsasany amin’ny soa ananantsika noho isika manompo an’Andriamanitra.

18 Maro ny soa avy amin’ny asa tanterahin’ny mpivavaka madio amin’i Jehovah amin-jotom-po (Ohabolana 10:22). Ohatra, noho isika voadio mba hanompo an’Andriamanitra, dia manana fahafahampo isika mahazo sitraka aminy (I Petera 1:13-16). Ny fahamarinan’Andriamanitra dia nanafaka antsika tamin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (Apokalypsy 18:4, 5). Tsy andevozin’ny finoanoampoana, ny tahotra ny maty na finoan-diso hafa intsony isika (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 8:32). Miaro ny fontsika sy ny saintsika ny “fiadanan’Andriamanitra” (Filipiana 4:6, 7, 13). Isaky ny miara-mivory amin’ireo izay manaraka ny fanompoam-pivavahana madio isika, dia mahatsiaro ho tsy manana ahiahy “toy ny ondry any amin’ny vala”. (Mika 2:12.) Ny fanahin’Andriamanitra dia manome ao amintsika, vokatra, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena (Galatiana 5:22, 23). Samy antony tokony hifaliana izany.

19 Rehefa mitory ilay Fanjakana amin-jotom-po isika, dia miasa ho an’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao; izany no tombontsoa mahatalanjona indrindra atolotra ny olombelona. Manana anjara amin’ny “asa masin’ny vaovao tsara” isika. Tsy misy mihitsy anefa asa eto an-tany mety hitondra fifaliana lehibe kokoa ho antsika noho ny fampahafantarana ilay “Andriamanitra sambatra” sy ny hafatra avy aminy ho an’ny mpiara-belona amintsika. — Romana 15:16, MN; I Timoty 1:11, MN.

20 Ny fifandraisana akaiky tanantsika amin’ny Mpamorona dia anisan’ny soa maro noraisintsika koa. Afaka mivavaka amin’Andriamanitra amim-pitokisana tanteraka tokoa isika, noho ny fahafantarana fa mihaino antsika izy (I Jaona 5:14, 15). Endrey ny fahasambarana mahatsiaro tena ho akaiky dia akaiky azy! Nilaza toy izao ny mpanao salamo iray: “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.” — Salamo 73:28.

Araka ny hevitrao...

◻ Inona avy no fepetra tokony hofenoina mba hahatongavana ho anisan’ny vahoaka voadion’i Jehovah?

◻ Ahoana no azon’ny loholona hanampiana an’ireo rahalahiny hitoetra ho madio ara-panahy?

◻ Amin’ny “asa tsara” inona indrindra moa ireo mpanompon’Andriamanitra no tokony haneho zotom-po?

◻ Inona moa no sasantsasany amin’ny soa noraisin’ireo vavolombelona voadio sy be zotom-po?

[Sary, pejy 21]

Tokony hianatra amim-paharisihana ny Baiboly ireo loholona ka hampiasa izany mba hampianarana, hampahatsiahivana, hananarana sy hitenenana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara