FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/5 p. 8-13
  • Iza no hahay hamaky ny “Famantarana”?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no hahay hamaky ny “Famantarana”?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Famantarana” ho an’ny androntsika
  • Fotoana voafetra mba hisehoan’ny “Famantarana”
  • Mahaiza mankasitraka — Manapaka ny Fanjakana Mesianikan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Asongadina ny raharaha ny amin’ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Manjaka ilay Mpanjaka!
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Mbola haharitra fotoana toy inona ny fandehan-javatra ankehitriny?
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/5 p. 8-13

Iza no hahay hamaky ny “Famantarana”?

Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?” — LIOKA 12:56.

1, 2. Inona no hain’ireo fahavalon’i Jesosy nofantarina avy amin’ny toetry ny lanitra? Inona kosa no tsy hain’izy ireo nofantarina?

NY TANTSAMBO malina iray dia mahay mamantatra ny toetoetry ny lanitra sy manao zavatra mifanaraka amin’izany. Tamin’izany no nanambaran’ny ohabolana iray toy izao: “Raha mena hariva, manàna fanantenana; Raha mena maraina, afohezo ny lalanao.”

2 Nanao fanamarihana sahala amin’izany Jesosy Kristy Tompo, na dia mavesa-danja kokoa aza ny hevitry ny azy, raha niteny tamin’ireo fahavalony izy. Nitantara toy izao i Lioka evanjelisitra: “Ary hoy Jesosy tamin’ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana hianareo, miaraka amin’izay dia hoy hianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany. Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany. Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?” — Lioka 12:54-56.

3. “Famantarana” miavaka inona no manaporofo fa Jesosy no Mesia?

3 Ireo olona niavonavona niresahan’i Jesosy dia afaka nanombana ny ho toetry ny andro, nefa nihatsaravelatsihy loatra izy ireny ary tsy nanam-pahalalana tamin’ny lafiny ara-panahy ka tsy afaka nilaza hevitra ny amin’ny raharaha lehibe kokoa. Efa nanao famantarana maromaro nahatonga ireo olona tso-po ho afaka hino azy i Jesosy (Jaona 2:23). Nefa, ny fahafatesany tamin’ny Paska taona 33 ny nananganana azy tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo dia hahaforona tsy ho ela “famantarana” mbola miavaka kokoa ihany fa izy no Mesia na Kristy (Matio 12:38-41; Lioka 11:30). Mazava ho azy fa ireo fahavalony dia hanandrana hanafina an’io “famantarana” io amin’ny vahoaka (Matio 27:62 ka hatramin’ny 28:20; Asan’ny apostoly 4:1-4). Talohan’ny hiakaran’i Jiosy ho any an-danitra anefa, dia Jiosy maherin’ny 500 no toa vavolombelon’ny nitsanganany tamin’ny maty (I Korintiana 15:3-6). Toy izany koa, amin’izao andro izao dia misy “famantarana” tsy hain’ny olona afenina. Iankinan’ny aintsika ny fomba ilazantsika ny heviny. Nefa “famantarana” inona marina moa izany? Iza no afaka ny hamaky izany tsara?

“Famantarana” ho an’ny androntsika

4. Inona moa no “famantarana” niseho tamin’izao androntsika izao? Inona no mahaforona izany (Matio 24:3)?

4 Nanontany azy toy izao ireo mpianatr’i Jesosy: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Ho valiny, dia nolazalazain’i Kristy mialoha ny ady, mosary sy horohorontany tsy mbola nisy toy izany, mbamin’ny lafiny hafa tamin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehany’ tsy hita maso amin’ny maha-mpanjaka. Ny anankiray tamin’ireo lafiny lehibe indrindra tamin’io “famantarana” io dia ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra tanterahin’ny vavolombelon’i Jehovah 2 840 000 mahery any amin’ny tany 203. Matetika ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower no nanintona ny sain’ny mpamaky azy ho amin’izany toe-javatra izany sy ho amin’ny zava-misy hafa rehetra mahaforona amin’izao andro izao ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Jesosy’. — Matio toko faha-24, 25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21.

5. Nahoana moa no tsy tafahoatra ny tenin’i Jesosy rehefa nilaza ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ho “taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga” izy?

5 Tsy azo lavina fa nanomboka tamin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, dia miavosa ny porofo mampiseho fa tena ao ny “famantarana”. Inona no tokony hotsoahintsika avy amin’izany? Tsy isalasalana fa tsy tiantsika ny hitovy amin’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany izay, na dia nahay nanambara ny ho toetry ny andro aza, dia nanda ny zavatra hita niharihary sy tsy nety nanatsoaka hevitra mifandrindra avy amin’izany. Ela be talohan’izay, dia nanao famantarana telo tamin’ny alalan’i Mosesy Andriamanitra mba hampiaikena ny Isiraelita nampahorina fa izy tokoa no naniraka azy (Eksodosy 4:1-31). Kanefa, na dia navela hanatrika famantarana betsaka lavitra aza ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ireo tao anatin’ny taranaka nisy an’i Jesosy, dia tsy vonona ny handray an’ilay Mosesy Lehibe ho Mesia izy ireo (Jaona 4:54; Hebreo 2:2-4). Tsy tafahoatra ary ny tenin’i Kristy raha nilaza azy ireo ho “taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga” izy. — Matio 12:39.

6. Inona avy moa no fanamarihana nataon’ny olona sasany mahafanta-javatra tsara ny amin’ny toe-piainana manjaka eo amin’izao tontolo izao?

6 Fa raha ny amin’ny olona mahaforona ny taranaka misy antsika, ny amin’ny taonjato faha-20, izay tsy mino ny fahatongavan’i Jesosy Kristy fanindroany na tsy maniry izany, izy ireo dia tsy mahay mamaky ny “famantarana” ny fahataperan’izao fandehan-javatra izao. Tsy misy mahafaly mihitsy anefa amin’ny toe-piainana ankehitriny, araka ny porofoin’izao fanambarana manaraka izao:

“Araka ny filazan’Atoa Javier Perez de Cuellar, sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, dia tonga eo amin’ny ambaratonga tena sarotra amin’ny fivoaran’ny fifandraisana iraisam-pirenena isika, ary toa mihena ny finiavana hanorina fandaharana iraisam-pirenena araka ny rariny sy tia filaminana ary tsy mihilangilana (...). ‘Ny (...) fahasahiranana eo amin’ny fifampitokisana iraisam-pirenena dia fototry ny fahadisadisana sy ny fifandonana tena mandaitra’, hoy ny nanampin’ny sekretera jeneralin’ny O.N.U.” — Indian Express, tamin’ny 22 oktobra 1983.

“Maro amintsika no manizingizina hatramin’ny taona maro fa ny ady noklehera iray dia hifaoka tsy manan-tsiny an-tapitrisany maro dia maro ka hahatonga faritra midadasika eo amin’izao tontolo izao tsy ho azo onenana (...). Tonga tamin’izao fanatsoahan-kevitra mbola manjombona kokoa ihany izao anefa ny antokon’olona mpahay siansa iray: “Ny ady noklehera hahazo ny maro iray, na dia ny filatsahana hampiasa hery ataomika lehibe eo amin’ireo fanjakana mahery fotsiny aza, dia mety hiteraka hanerana ny planeta, fikorontanana ara-pizaran-taona mety hamono koa, tsy olona an-tapitrisany maro fotsiny, fa an-davitrisany (an’arivo tapitrisany) maro, ka mety handringana izay rehetra mety ho ain’olombelona mihitsy aza. Ny fandinihana nahatonga azy ireo hihevitra toy izany dia natao nandritra ny roa taona tamin’ny Fiaraha-midinika ny amin’ny vokatry ny ady noklehera any aoriana amin’ny lafiny ara-biolojia sy ara-planeta. Mpahay siansa maherin’ny 100 no efa nanaiky izany fanatsoahan-kevitra izany (...). Carl Sagan (...) dia nanambara toy izao ny mety hisy noho ny ady noklehera iray: “Tena mety hitranga ny fahafoanan’ny taranak’olombelona.’ ” — The Express (Easton, Etazonia), 3 novambra 1983.

7. Aiza moa ireo izay maniry hahita izao tontolo izao tsaratsara kokoa no tokony hitady fampaherezana?

7 Toy izany ny fanombantombanana manjombona nataon’ny mpandinika sasany tsara toerana mba hitsara ny fihodinan’ny fisehoan-javatra. Vao mainka tsinjony hiharatsy ny zavatra satria tsy hitany mihitsy izay fomba handosirana ny loza aman’antambo misoritra eny am-paravodilanitra. Noho izany, ireo izay maniry hiaina eo amin’izao tontolo izao tsaratsara kokoa dia tsy mandre firy vaovao mety hahitany tena fanantenana. Na dia izany aza dia tena hisy tokoa fahafahana hivoaka avy amin’ny loza izay hamely ny fandehan-javatra ankehitriny. Ny porofo dia ny efa nisian’ny olona tafita velona tamin’ny loza naneran-tany mafy toy izany. Raha tsy nisy nieren-doza tokoa tamin’ny safodrano nitranga tamin’ny andron’i Noa, dia tsy ho nahitana mponina maherin’ny 4 lavitrisa ny tany amin’izao andro izao. Boky iray monja anefa, ny Baiboly Masina, no mampiharihary marina amintsika ny fomba nahatafita velona olona valo tamin’io loza aman’antambo nanerana ny planeta io, niaraka tamin’ny santionam-biby isan-karazany.

8. Mifanohitra amin’ny olona amin’ny ankapobeny, hanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatr’i Jesosy rehefa hadiva hanjavona ny fandehan-javatra ankehitriny?

8 Koa satria io boky mendrika inoana io dia nilazalaza koa ireo toe-piainana hanjaka eto an-tany rehefa ho foana ny fandehan-javatra mikororosy ankehitriny, moa ve tsy hahasoa antsika tokoa ny hanandramana mamaky an’io “famantarana” io? Fito amby telopolo taona talohan’ny nandravan’ny tafika romana an’i Jerosalema (tamin’ny 70), dia nolazalazain’i Jesosy ireo lafiny maro tamin’ilay “famantarana” misy zavatra maro loha izay ny fisehoany dia hanambara ilay loza aman’antambo haneran-tany nanana ho tandindona ny safodrano. Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no nambarany: “Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:25-28.

9. Ahoana no nanazavan’ny pejy voalohany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny asa nankinina taminy tamin’ny 1895 ka hatramin’ny 1931?

9 Teo amin’ny janoary 1895 ka hatreo amin’ny novambra 1931 io faminaniana io dia nisy tapany naseho teo amin’ny pejy voalohany amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Teo ambonin’io andinin-teny nalaina avy tao amin’ny Baiboly io, dia azo natao ny nahita tilikambo fiambenana notaingenan’ny fanilo nandefa tara-pahazavana, fa ny ranomasina misamboaravoara iray kosa nandefa tamim-pisafoahana ny onjany teo amin’ny vatolampy niorenan’ilay tilikambo. Tamin’izany no nanazavan’io revio io ny anjara asa tsy maintsy notanterahiny teo amin’ny taranaka iray izay ny solontenany sasany dia mbola velona mba hamaky ireo andalan-tsoratra ireo.

10. Inona no hahatonga antsika ho afaka ny ho voaro amin’ny tahotra mamely an’ireo mpitondra olombelona?

10 Ny tompon’andraikitra amin’ny fikambanana ankehitriny izay rera-po dia manazava araka ny fomba itiavany azy, ny lafiny sasany amin’ilay “famantarana” misy zavatra maro loha manintona ny saintsika. Jesosy Kristy anefa no tsara toerana indrindra mba hilaza ny hevitr’io “famantarana” io. Koa raha omentsika an’io famantarana io ny heviny nomeny azy, dia tsy mba hihatra amintsika ny fitebitebena mahazo ireo mpitondra izay tsy mahalala ny tokony hatao mba hampialana an’izao tontolo izao ankehitriny amin’ny toe-javatra mampahonena misy azy. Hifaly kosa aza isika rehefa mieritreritra ny hoe tsy ho ela dia hafahana amin’izao fandehan-javatra ratsy izao.

Fotoana voafetra mba hisehoan’ny “Famantarana”

11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ireo fisehoan-javatra manambara ny farany dia hitranga amin’ny fotoana hentitra tsara?

11 Mitranga amin’ny fotoana voatendry indrindra ireo fisehoan-javatra. Amin’ny fomba ahoana? Aoka hotadidiantsika fa talohan’ny hilazana ny faminaniana voalaza ao amin’ny Lioka 21:25-28 dia nambaran’i Jesosy ny faharavan’i Jerosalema fanindroany. Mifanaraka amin’ny faminaniany, io loza io dia nitranga tamin’ny taona 70. Izao anefa no nolazain’i Jesosy ny amin’ireo Jiosy tsy ringana tamin’izay: “Ho lavon’ny lelan-tsabatra izy ireo ary hoentina ho babo any amin’ny firenena rehetra; ary Jerosalema hohitsahin’ireo firenena mandra-pahatanteraky ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena.” Eto ny teny hoe “firenena” dia manondro miharihary ireo firenena tsy jiosy, dia ny Jentilisa. Noho izany antony izany, ny vanim-potoana fanitsahana noresahin’i Jesosy dia nantsoina indraindray hoe “ny andron’ny Jentilisa”. (Lioka 21:24, MN; Crampon). Oviana no tapitra izany fotoana izany? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia mety ny hanamarihana fa tsy nihatra tamin’ilay Jerosalema teto an-tany fotsiny io faminaniana io. Noho izany, na dia nanjary renivohitry ny firenena mahaleotena iray, dia ny fanjakan’Isiraely, aza io tanàna io, ary naka ny tanàna tranainin’i Jerosalema ny Isiraelita, dia tsy izany fisehoan-javatra izany no hahatonga antsika ho afaka hahafantatra hoe oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana. Eto dia ny fanisanandron’Andriamanitra no zava-dehibe.

12. Oviana moa no nanomboka ny andron’ny Jentilisa? Naharitra toy inona izany? Oviana no nifarana izany?

12 Ny Romana (Jentilisa) dia nanomboka nanitsaka an’i Jerosalema tamin’ny 63 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Talohan’izy ireo anefa dia nisy tsy Jiosy hafa, dia ny Grika, ny Persiana sy ny Babyloniana, efa nanitsaka ny “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, Jehovah (Matio 5:34, 35). Ireo voalohany, ny Babyloniana, dia nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’io daty io àry ny Jentilisa na tsy Jiosy no nanomboka nanitsaka izay nampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’io daty io koa anefa no tena nanomboka tokoa ny ‘andron’izy ireo’. Tokony ho fito anefa izany “fetr’andro” izany, ka ny tsirairay avy aminy dia mifanitsy amin’ny taona ara-paminaniana iray misy 360 andro. Araka ny fotopoto-pitsipika hoe “andro iray hosoloana taona iray”, ireo “fetr’andro fito” àry dia hitovy amin’ny 2 520 taona (Daniela toko faha-4; Nomery 14:34; Ezekiela 4:6). Io vanim-potoana io izay nanomboka tamin’ny nahafoanan’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia hifarana amin’ny 1914.

13. Hatramin’ny oviana moa ireo Mpianatra ny Baiboly no mahalala ny hahataperan’ny andron’ny Jentilisa?

13 Vao tamin’ny 1880, Ny Tilikambo Fiambenana dia nanambara fa ny andron’ny Jentilisa dia haharitra hatreo amin’ny 1914. Tamin’ny 1889 aza ilay boky hoe Antomotra ny fotoana dia nampiomana ny Mpianatra ny Baiboly fa hifarana amin’ny fararanon’io taona voamarika io ny andron’ny Jentilisa.

14. Na dia tao aza izay nitranga tany Jerosalema tamin’ny 1948, nahoana no azo atao ny milaza fa nifarana tamin’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa?

14 Tamin’ny 1914, moa ve ilay Jerosalema fahiny tsy nohitsahin’ireo firenena tsy jiosy na jentilisa intsony? Tsia, satria tamin’izany fotoana izany io tanàna nanan-tantara io dia teo an-tanan’ny Empira tiorka, mpiandany tamin’i Alemaina empira foana. Tamin’ny 9 desambra 1917, ny tafika anglisy notarihin’ny jeneraly Allenby dia naka an’i Jerosalema teo an-tanan’ny Tiorka. Araka ny fanapahan-kevitry ny Fikambanam-pirenena, Jerosalema dia hijanona ho eo ambany fitantanana britanika hatreo amin’ny 1948. Amin’io taona io ny Jiosy dia haka ny tapany andrefana rehetra amin’ilay tanàna tranainy izay halain’ny miozilimana. Raha izany no izy, nahoana isika no milaza fa nifarana tamin’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa? Satria tamin’io daty io no tonga tany an-danitra ny fitondram-panjakan’ilay Mpanjaka lehibe, Jehovah.

15, 16. a) Oviana moa ilay Jerosalema fahizay no nitsahatra tsy ho “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, Jehovah? Jerosalema hafa inona ambony kokoa no misy ankehitriny? b) Taiza moa Andriamanitra no nanome satroboninahitra an’i Jesosy Kristy?

15 Fony teto an-tany Jesosy, dia mbola nanerinerina tao Jerosalema ihany ny tempolin’Andriamanitra. Ny tenan’i Kristy koa aza nivavaka tao. Noho izany, tamin’izay fotoana izay Jerosalema dia mbola azo noheverina foana ho “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, Jehovah (Matio 5:34, 35). Nefa tamin’ny andro Paska taona 33, rehefa nitriatra tamin’ny fomba mahagaga ny efitra lamba anatiny tao amin’ny tempoly tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, dia nitsahatra tsy ho tanànan’ny fiandrianan’i Jehovah intsony izy io. Tamin’ny taona 70, dia nanamarina izany fotsiny ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Soa ihany ho an’ny kristiana jiosy velona tamin’izany fisehoan-javatra izany sy ho an’ny mpianatra hafa rehetra nandimby azy ireo, fa misy Jerosalema hafa, ambony kokoa: Ny tianay horesahina dia “Jerosalema any an-danitra”. — Hebreo 12:22.

16 Rehefa heverina amin’izany voalaza eo aloha izany, raha nampiharina tamin’ilay Jerosalema teto an-tany ny fiandohan’ny faminanian’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Lioka 21:24, ny faran’io faminaniana io ihany kosa dia tsy maintsy mahakasika an’i “Jerosalema any an-danitra”. Io “Jerosalema” farany io tokoa dia tonga “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, Jehovah, raha amin’ny toeran’ilay tandindony lehibe teto an-tany. Tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny “andron’ny Jentilisa”, dia tao amin’io “tanàna” ara-panahy io Jehovah, ilay “Mpanjaka lehibe”, no nanome satroboninahitra an’i Jesosy Kristy, Zanany nomem-boninahitra.

17. Tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, inona moa no baikon’Andriamanitra noraisin’i Jesosy Kristy Mpanjaka?

17 Tonga tamin’izay ny fotoana hanomezan’i Jehovah ho an’ny zanany nandray fiandrianana, ny baiko voambara ao amin’ny Salamo 110:2, 3, izay amakiantsika hoe: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao. Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” Mifanaraka amin’io faminaniana io, ireo izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanaraka ny dian’i Jesosy ka nahafantatra fa ny 1914 no daty hahataperan’ny andron’ny Jentilisa, dia nanolo-tena an-tsitrapo mba hanambara fa hatreo Jehovah dia nanjaka tao Ziona any an-danitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo. Ireo firenena lazaina fa kristiana kosa anefa dia tsy nanaiky an-tsitrapo ilay Mpanjaka vaovao voatendrin’i Jehovah. Niseho ho ‘fahavalo’ kosa aza izy ireny, satria nilatsaka tsy nahalala izay hahafaty azy tao anatin’ny ady lehibe voalohany teo amin’ny tantaran’olombelona, izay ny loka dia ny fanapahana izao tontolo izao indrindra. Nanerana ny tany koa izy ireo dia nanohitra ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra.

18. Tamin’ny 1918, ahoana no nankahalana ny Fanjakan’Andriamanitra?

18 Nanjary niharihary indrindra ny fankahalan’ireo firenena an’io Fanjakana io tamin’ny 1918. Ny 8 may tamin’io taona io, noho ny fahataitairana nahazo ny maro tamin’ny ady, dia nosamborina ny lehiben’ny mpanoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy maromaro tamin’ireo mpiara-miasa taminy. Ny 21 jona izy ireo dia nomelohina hiharan’ny sazy mavesatra an-tranomaizina izay tsy maintsy nalany tao amin’ny tranomaizina federalin’i Atlanta, any Géorgie [Etazonia]. Rehefa nifarana ny ady ary rehefa sivy volana no tany an-tranomaizina ireny minisitry ny Fanjakan’Andriamanitra ireny vao nafahana rehefa nandoa antoka. Taty aoriana izy ireo dia tsy maintsy nanafahana tamin’ny fiampangana lainga rehetra nitambesatra tamin’izy ireo.

19. Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, inona moa no toerana notanan’ny Filan-kevitra federalin’ny Fiangonana amerikana teo anoloan’ny Fikambanam-pirenena?

19 Nifarana tamin’ny 11 novambra 1918 ny Ady Lehibe Voalohany, ary ny volana nanaraka, ny Filan-kevitra federalin’ny Fiangonan’i Kristy tany Amerika dia nanambara ampahibemaso fa nanohana ny Fikambanam-pirenena izay nokasaina haorina tamin’izay. Vitan’io fandaminana io mihitsy aza ny nihevitra an’ilay Fikambanana ho “ny endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”. Na dia tao aza izany fiderana izany, noho ny antony ara-politika dia nanda tsy ho anisan’ny Fikambanam-pirenena i Etazonia (tsy nanaiky hikambana izy raha tsy tamin’ny Fitsarana maharitra iraisam-pirenena). Izany anefa tsy nahasakana ny Fikambanam-pirenena tsy hiditra an-tsehatra teo am-piandohan’ny taona 1920, niaraka tamin’ny fitsofan-drano sy ny fanohanan’ny Filan-kevitra federalin’ireo Fiangonana.

20. Inona moa no toerana notanan’ny vahoakan’i Jehovah teo anoloan’ny Fikambanam-pirenena? Inona no nanomboka nambarany?

20 Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo mpanompon’i Jehovah izay nampiely azy kosa anefa dia tsy nety nanaiky ny Fikambanam-pirenena ho endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hitan’izy ireo mihitsy tamin’ny fiforonany ny fahatanterahan’ny Rainay Izay any an-danitra, vavaka faka tahaka nampianarin’i Jesosy Kristy angatahan’ny kristiana amin’Andriamanitra toy izao: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Tsy nanolotra ny tenany izy ireo mba hiasa ho an’io fomba ampiasain’olombelona io izay raha ny marina dia tsy inona fa fitaka. Nianiana kosa izy ireo fa tsy hivadika amin’ny Fanjakana nankinin’Andriamanitra amin’i Jesosy Kristy, izay manjaka ao “Jerosalema any an-danitra”. Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia hain’izy ireo ny namaky ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ sy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. Noho izany antony izany no nanombohan’izy ireo nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny tany manontolo.

Araka ny hevitrao ...

◻ “Famantarana” inona no miseho amin’izao androntsika izao? Inona avy no lafin-javatra mahaforona azy?

◻ Ahoana no mety hahavoaro antsika amin’ny tahotra mamely ireo mpitondra olombelona?

◻ Oviana no nanomboka ny andron’ny Jentilisa? Oviana no nifarana izany?

◻ Tao amin’ny “Jerosalema” inona moa Jehovah no nanome satroboninahitra an’i Jesosy Kristy?

◻ Ahoana no niheveran’ireo mpanompon’i Jehovah ny Fikambanam-pirenena?

[Tabilao, pejy 11]

Oktobra 607 al. fan. ir. — Oktobra 1 al. fan. ir. = 606 taona

Oktobra 1 al. fan. ir. — Oktobra 1914 am. fan. ir. = 1914 taona

FETR’ANDRO FITON’NY JENTILISA = 2 520 taona

[Sary, pejy 10]

Ireo izay mahay mamaky ny “famantarana” dia ho afaka ny ho tafita velona amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra izao, sahala amin’ireo olona valo tafita velona tamin’ny safodrano.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara