FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/11 p. 8-9
  • Ny fahazazan’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fahazazan’i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiainam-pianakavian’i Jesosy nandritra ny fahazazany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nihalehibe tao Nazareta i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana i Josefa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/11 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Ny fahazazan’i Jesosy

NAZARETA, izay nandanian’i Jesosy ny fahazazany, dia vohitra kely tsy dia nanao ahoana tany Galilia, tao amin’ny faritra nisy havoana iray, tsy lavitra ny lohasahan’i Jezirela kanto tokoa.

Rehefa roa taona teo angamba Jesosy, dia nentin’ny ray aman-dreniny, Josefa sy Maria, avy tany Egypta ho any Nazareta. Miharihary tokoa fa izy no hany zanak’i Maria tamin’izay, nefa tsy haharitra ela izany. Tsy ela dia ho teraka Jakoba, Josefa, Simona sy Jodasy, ary zazavavy maromaro koa. Amin’ny farany dia ho enina fara fahakeliny ny zandrin’i Jesosy lahy sy vavy.

Nanana havana hafa koa anefa i Jesosy. Efa fantatsika Jaona zanak’olo-mpiraitampo taminy, zokiny kely, izay nonina tany amin’ny kilaometatra maromaro avy eo, tany Jodia. Akaiky kokoa, tany Galilia, dia tao Salome, izay tsy isalasalana fa rahavavin’i Maria. Nanambady an’i Zebedio izy io. Ny zanak’izy ireo roa lahy, Jakoba sy Jaona, àry, dia zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy. Tsy fantatsika raha nandany fotoana be dia be niarahana tamin’ireo zazalahy roa ireo i Jesosy nandritra ny fahazazany, fa, araka ny ho hitantsika, any aoriana izy ireo dia ho tonga namany akaiky.

Tokony hiasa mafy i Josefa mba hamelomana ny fianakaviany izay nihamaro. Mpandrafitra izy. Nitaiza an’i Jesosy toy ny zanany naterany izy. Koa nisy niresaka an’i Jesosy ho “Zanaky ny mpandrafitra”. Nahay tsara i Jesosy rehefa nampianarin’i Josefa asa. Taty aoriana ny olona dia hilaza azy hoe: ‘Ilay mpandrafitra io.’

Ny fiainam-pianakavian’i Josefa dia nifantoka tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamanitra. Noho izany antony izany, nifanaraka tamin’ny lalàn’Andriamanitra, Josefa sy Maria dia nanome an’ireo zanany fampianarana ara-panahy ‘rehefa nipetraka tao an-tranony izy ireo, rehefa nandeha teny an-dalana, rehefa nandry sy rehefa nifoha’. Tany Nazareta dia nisy synagoga izay tsy isalasalana mihitsy fa nitondran’i Josefa tsy tapaka ny ankohonany mba hanao fanompoam-pivavahana. Nefa, ny fifalian’izy ireo lehibe indrindra dia azo antoka fa tsapany isaky ny mankany amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema izy ireo. Hiresaka ny amin’izany koa isika ao amin’ny lahatsoratsika hanaraka. Matio 13:55, 56; 27:56; Marka 15:40; 6:3; Deoteronomia 6:6-9.

◆ Firy ny zandrin’i Jesosy lahy sy vavy, ary fantatrao ve ny anaran’ny sasany tamin’izy ireny?

◆ Iza moa ireo zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy telo fantatra tsara?

◆ Inona moa no asan’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara