FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/11 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpiandraikitra sy Mpanampy Amin’ny Fanompoana Voatendry Amin’ny Fomba Teokratika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Iza no Mitarika ny Vahoakan’​Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • ‘Amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Manao asa fitarihana ny kongregasionany Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/11 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Ahoana no iasan’ny fanahy masin’Andriamanitra amin’izao andro izao amin’ny Kolejy foibe raha ny amin’ny fanendrena loholona?

Raha niteny tamin’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana tany Efesosy ny apostoly Paoly dia nilaza toy izao tamin’izy ireo: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany [ran’ny Zanany, MN ].” — Asan’ny apostoly 20:28.

Tsy nohazavain’i Paoly tamin’ny antsipiriany ny fomba niasan’ny fanahy masina raha ny amin’ny fanendrena loholona. Ho afaka hanana fahalalana sasany an’io raharaha io anefa isika amin’ny fiheverana izay nitranga rehefa nandinika ny zava-nanahirana ny amin’ny famorana ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany. Namintina ny fanapahan-keviny ireo anisan’io kolejy io ka nanoratra toy izao: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany.” (Asan’ny apostoly 15:28). Ahoana no nandraisan’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia ny heriny miasa tsy olona, anjara tamin’ny fanaovana fanapahan-kevitra izay tokony hotandreman’ny kristiana?

Ny toko faha-15 amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly dia mampiseho fa namelabelatra ilay zava-nanahirana aloha i Paoly sy Barnabasy, taorian’izany dia nanomboka ny fiaraha-midinika. Ny apostoly Petera koa tetsy andaniny dia nitantara izay nitarika ny fanaovana batisa an’i Kornelio, tsy Jiosy tsy voafora, sy ny ankohonany. Nohazavainy fa ‘nanao fanambarana Andriamanitra tamin’ny fanomezana azy ireo ny fanahy masina, tahaka ny tamintsika koa’. (Asan’ny apostoly 15:7, 8; 10:9-48.) Taorian’izany, Paoly sy Barnabasy dia nitantara “ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy tamin’ny jentilisa”. (Asan’ny apostoly 15:12.) Tamin’ny fiasana toy izany teo amin’i Petera, Kornelio, Paoly sy Barnabasy, no nampisehoan’ny fanahy masina fa tsy nila ny hoforana ny tsy Jiosy na Jentilisa.

Kanefa niasa tamin’ny fomba hafa koa ny fanahy nifandray tamin’ny fanapahan-kevitra nataon’ny kolejy foibe tamin’izany fotoana izany. Afaka mieritreritra isika fa ireo anisany dia nangataka ny fanampian’ny fanahy tamin’ny fiarahan’izy ireo nandinika. Izany fanampiana izany koa angamba no nanosika an’i Jakoba mpianatra hampahatsiahy ny faminaniana ao amin’ny Amosa 9:11, 12 sy hamantatra ny fampiharana azy. Miharihary tokoa fa io faminaniana io dia tena nosoratana ara-tsindrimandry tamin’ny fanahy masina (Asan’ny apostoly 15:13-20). Afa-tsy izany koa, “ny Apostoly sy ny loholona” tany Jerosalema, izay nahaforona ny kolejy foibe, dia kristiana voahosotry ny fanahy ary nasehon’izy ireo teo amin’ny fiainany fa niasa teo amin’izy ireo io fanahy io, ohatra, tamin’ny famoazana ny vokany. — Asan’ny apostoly 15:2; Romana 8:14-17; I Korintiana 7:40; Galatiana 5:22, 23.

Araka izany àry, na dia tsy nandray tamin’ny fomba ren’ny sofina toromarika avy any an-danitra momba ny famorana aza ireo anisan’ny kolejy foibe dia afaka nilaza ihany tsy nisy fahadisoan-kevitra fa “ny fanahy masina” dia nitarika azy ireo hanao an’io fanapahan-kevitra io.

Toy izany koa amin’izao andro izao rehefa hoe hanendry kristiana ho amin’ny raharahan’ny loholona ao amin’ireo kongregasiona. Ara-potoana, ny antokon-doholona iray (azo inoana fa anisany koa ny mpiandraikitra mpitety faritany iray irahin’ny Fikambanana) dia mivory mba hahita raha mety ny hanolorana rahalahy toy izao na toy izao ho amin’ny raharahan’ny mpiandraikitra. Ny tenan’ireny kristiana ireny koa dia notendrena ho loholona ary mampiseho amin’ny fomba fiainany fa manana ny fanahin’Andriamanitra izy ireny. Manomboka ny fivoriany amin’ny vavaka angatahiny ny fitarihan’ny fanahiny izy ireo, ary mandritra ny fiarahany midinika, dia fakafakainy ny amin’ny rahalahy tsirairay avy mba hahitana raha mahafeno na tsia ireo fepetra takin’ny Baiboly amin’ny loholona izy io. Nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahy masina anefa ny Baiboly (I Timoty 3:2-7; Titosy 1:5-9). Heverin’izy ireo koa ny fomba fiainan’ilay rahalahy mba hahitana raha asehon’izany fa “feno ny Fanahy sy fahendrena” izy (Asan’ny apostoly 6:3.) Raha miara-manaiky izy ireo fa karazana kristiana toy izany izy ary mahafeno ireo fepetra takina araka ny mety, dia hampitainy amin’ny kolejy foibe voatendry tamin’ny alalan’ny fanahy na amin’ireo solontena nofidiny ny fanoloran’izy ireo. Atỳ aoriana ny kongregasiona dia ho azo ampandrenesina fa notendrena ho loholona ilay rahalahy resahina.

Mazava ho azy fa rehefa voatendry ho loholona ny kristiana iray, dia mbola tsy tanteraka foana izy ary misy fetra ny heriny. Nefa ireo apostoly koa aza dia tsy tanteraka, na talohan’ny nifidianan’i Jesosy azy ireo na taty aoriana, rehefa anisan’ny kolejy foibe izy ireo (Lioka 9:46, 54; 22:54-62; Galatiana 2:11-14). Tsy azo lavina anefa fa nanana ny fanahin’Andriamanitra izy ireo ary notendrena teo ambany fitarihan’io fanahy io. Toy izany koa, dia afaka matoky ny kristiana fa ‘nanendry ireo mpiandraikitra ny fanahy masina, mba hiandry ny kongregasiona’ (Asan’ny apostoly 20:28, MN.) Ny amin’ireny lehilahy ireny no anomezan’ny Soratra Masina antsika izao torohevitra izao: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” — Hebreo 13:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara