Tadidinao ve?
Nankamaminao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo raha tadidinao ny hevitra vitsivitsy voambara eto ambany:
◻ Inona no mety hanampy ny kristiana hiala amin’ny kileman-toetrany miafina?
Ireo kristiana izay maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah dia tokony ho velona amin’ny fahatsapana fa tsy afaka manafina aminy ny fahadisoany izy ireo. Afa-tsy izany koa, dia azon’izy ireny atao ny mandray soa amin’ny fanampiana atolotr’i Jehovah azy ireo mba handresena fahalemena toy izany (Mpitoriteny 12:14; Filipiana 4:13).
◻ Inona no zava-tsarotra tsy maintsy resena mifandray amin’ny fahamasahana kristiana, tokony hoheverin’ny tsirairay avy amin’ny mpanompon’i Jehovah tsara?
Moa ve izay manompo an’Andriamanitra maniry sy tsy mahandry ny hiantsorohana andraikitra natao ho an’ny olona iray matotra ara-panahy na efa lehibe? Sa kosa izy mianina amin’ny famelana hoentina, amin’ny fianteherana amin’ny hafa mba hanilihana ny andraikiny (Galatiana 6:4, 5)?
◻ Ahoana no azontsika anehoana fahamoram-panahy amin’ny fambolena tena fisakaizana?
Maneho ny fahamoram-panahintsika isika rehefa mampahafantatra amin’ny hafa fa mankasitraka azy ireny isika. Mety ho izany no ho hita raha mihaino ny hafa isika fa tsy mitana ho antsika irery ny resaka amin’ny fanintonana loatra ny saina ho amin’ny tenantsika. Etsy andaniny koa, dia maneho fahamoram-panahy isika amin’ny fieritreretana izay lazaintsika amin’ny hafa (Ohabolana 12:18).
◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireto teny voatantara ao amin’ny Marka 9:50 ireto: “Aoka hisy sira ao anatinareo”?
Namporisika ny mpianany i Jesosy mba hiseho ho malemy fanahy, malina, tia fihavanana sy mahitsy amin’ny teniny sy ny fitondrantenany, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia haneho fahaiza-mamanta-javatra tsara eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa.
◻ Tonòny ny sasantsasany amin’ireo fanaporofoan-kevitra manohitra ny nahaterahan’i Jesosy ny 25 desambra.
Any Betlehema ny volana desambra dia volana mangatsiaka sy manorana, ka tsy handany mihitsy ny alina any ivelany miaraka amin’ny andiam-bibiny ny mpiandry ondry. Tsy azo inoana loatra àry ny ho nangatahan’ny emperoran’i Roma ny Jiosy mba handeha ao anatin’ny ririnina indrindra ho amin’ny fanisam-bahoaka, noho ny fahafantarana fa io firenena io dia efa vonona ny hikomy tamin’ny Romana.
◻ Nahoana moa ny batisa no tokony ho fotoam-pisaintsainana sy fieritreretana ho an’ny mpilatsaka ho amin’izany?
Amin’ny fotoan’ny batisany ny olona iray dia mampiseho fa nanao fanapahan-kevitra tena lehibe izy, dia ny hanaiky an’Andriamanitra amin’ny fiaikena fa izy no Mpanjaka Tompo, amin’ny fahatongavana ho anankiray amin’ireo Vavolombelony sy amin’ny tsy fetezana ho naman’izao tontolo izao (Lioka 3:21; Matio 4:10; I Jaona 5:19).
◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza toy izao izy ao amin’ny Lioka 1:37: “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra”?
Tsy te-hilaza akory Jesosy hoe afaka nilaza na inona na inona Andriamanitra, fa nilaza kosa hoe tsy maintsy tanteraka ny teny rehetra na fanambarana ataon’i Jehovah (Isaia 55:10, 11).
◻ Ahoana no iveloman’ny olon’i Jehovah amin’ny “teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra [Jehovah, MN ]”? (Matio 4:4.)
Ireo mpanompon’i Jehovah dia tsy mivelona fotsiny amin’ny famakiana sy ny fianarana manokana ny Baiboly, fa amin’ny fahatsapana, miaraka sy manokana, ny fomba mahagaga anatanterahan’i Jehovah ireo fanambarany amin’ny olony sy ho azy.
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo toetra mampiavaka ny hindoisma?
Tsy manaiky fitarihana foibe ny hindoista; tsy manana karazam-panompoam-pivavahana hentitra tsara koa izy ireo; ny loharanon’ny zavatra inoany dia tsy boky tokana azo ampitahaina amin’ny Baiboly; rehefa nandeha kosa ny taonjato maro dia nipoitra izao soratra masina hindoa tsy tambo isaina rehetra izao ary nitatra ny sekoly enina samy hafa ara-pilozofia.
◻ Inona no fihetsika narahin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany tamin’izay tsy mpanota voaroaka, nefa niala an-tsitrapo tsy hanaraka ny lalana kristiana.
Ny apostoly Jaona dia nanome torohevitra ny amin’ireo izay ‘niala avy teo amintsika’, sy ireo izay nampiditra fampianaran-diso. Ao amin’ny Jaona 10 izy dia nanoro hevitra ny kristiana mba tsy ‘handray’ olona toy izany na hiarahaba azy. Ny teny hoe “fivadiham-pinoana” dia avy amin’ny teny grika iray izay ny heviny dia hoe ‘fialana, fihemorana na fikomiana’. Nifanitsy tanteraka tamin’io filazalazana io ny olona izay niala an-tsitrapo sy tamin’ny fomba hentitra tamin’ny kongregasiona kristiana. Azo antoka fa tsy ho tia ny hiaraka toy ny mpirahalahy amin’ny mpivadi-pinoana toy izany ireo kristiana mahatoky.
◻ Ahoana no azo ilazalazana ny fivavahana marina?
Ny fivavahana marina dia tokony hifanitsy amin’ireo fitsipi-pahamarinana hita ao amin’ny Baiboly; izany dia tokony hamoa ny vokatry ny fihavanana, dia ny fitiavana; tokony hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah koa izany.