FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/12 p. 27-30
  • Mandraisa soa avy amin’ny famakiana ny Tantara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandraisa soa avy amin’ny famakiana ny Tantara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanome izay nilaina izy ireo
  • Filazana firazanana lehibe
  • Fanazavana fanampiny ny amin’i Davida
  • Mitahy Jehovah...
  • ... ary manary Jehovah
  • Aoka isika handray soa amin’ny famakiana an’ireo boky roa ireo
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-13 — 1 Tantara
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Tantara, Bokin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-14 — 2 Tantara
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Faharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/12 p. 27-30

Mandraisa soa avy amin’ny famakiana ny Tantara

“NAHOANA no nosoratana ny bokin’ny Tantara?” Mpianatra ny Baiboly maro no mametraka an’io fanontaniana io rehefa mamaky voalohany ny Tenin’Andriamanitra manontolo. Ao amin’ireo bokin’i Samoela sy Mpanjaka vao vitany, dia aseho amin’ny fomba velona sy hentitra ny tantaran’ny olon’Andriamanitra. Izao anefa izy ireo dia miditra amin’ny bokin’ny Tantara roa: toko sivy lava misy filazana firazanana arahin’ny famerenana fitantarana izay efa novakiny teo aloha ny ankamaroany. Tsy misy mahagaga mihitsy raha toa manambara toy izao ny famoaboasana ny Baiboly iray (Eerdmans’ Bible Handbook): “Raha vao jerena voalohany, ny Tantara dia toa mamerina amin’ny fomba matroka kokoa sy mananatra, izay notantaraina teo aloha tao amin’ny bokin’ny II Samoela sy Mpanjaka.”

Ivelany ihany anefa izany. Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ireo Filazantsara efatra dia samy mamelabelatra foto-dresaka iray ihany, kanefa ny tsirairay avy aminy dia manao izany amin’ny endriny hafa ary mirakitra fanazavana tokana. Toy izany koa, raha tena miresaka tokoa ny amin’ny fisehoan-javatra voatonona ao amin’ireo boky teo aloha ny mpanoratra ny Tantara dia manao izany araka ny fombany ka manome filazana tsy hita indray na aiza na aiza any an-toeran-kafa. Nanoratra ho an’ny fotoana manokana sy noho ny zava-kendrena hentitra tsara izy. Raha takatsika izany, ny famakiana ireo boky ireo dia mety hahavariana antsika sy hampahita antsika fampianarana izay hahasoa antsika amin’izao androntsika izao.

Nanome izay nilaina izy ireo

Azo inoana fa Ezra no nanoratra ireo bokin’ny Tantara, ho an’ny Jiosy tafaverina tany amin’ny Tany nampanantenaina rehefa tapitra ireo 70 taona nahababoana tany Babylona. Rehefa avy niresaka ny amin’ny andro nanjakan’i Davida sy Solomona ary ny nisarahan’ny vahoakan’Andriamanitra ho firenena roa izay nitranga nanaraka izany ilay mpanoratra dia nihevitra indrindra ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. Notantarainy ny tantaran’io fanjakana io mba hahafahan’ireo babo taloha manatsoaka fianarana avy amin’izany. Soratany koa ny filazana firazanana lehibe tao amin’ny tarana-mpanjaka nisy an’i Davida sady valiany ireto fanontaniana roa tena lehibe ireto: Nahoana no navelan’i Jehovah ho babo tany amin’ny tanin’ny mpanompo sampy ny olony? Ary tamin’ny fomba ahoana no azon’ny Jiosy tafaverina an-tanindrazana (tsy misy hafa amin’ny kristiana marina amin’izao androntsika izao) nanalavirana ny fanaovana ireo fahadisoana nahatonga izany fanasaziana izany hilaina?

Filazana firazanana lehibe

Ireo toko sivy voalohany amin’ny I Tantara dia mirakitra filazana firazanana lava. Nahoana no nampidirin’ilay mpanoratra ao amin’ny bokiny izany? Satria zava-dehibe tokoa teo amin’ny Isiraely ireo filazana firazanana. Izany tokoa dia nahatonga ho afaka handamina ireo raharaha momba ny lova sy hanome tombontsoam-panompoana. Tamin’ny andro nanoratana ny bokin’ny Tantara voalohany, ny Isiraelita tafaverina an-tanindrazana vitsivitsy, anisan’izany ny fianakavian’ny mpisorona sasany, dia tsy afaka nanaporofo ny fiaviany. Niteraka zava-nanahirana lehibe ho azy ireo izany (Ezra 2:59-63). Takatra àry fa ireny filazana firazanana hentitra ireny dia hahaliana azy ireo indrindra.

Fa ahoana ny amin’ireo mpamaky ny Baiboly amin’izao andro izao? Tokony hodinganina ve ireo toko sivy ireo ka hatomboka ny vakitenin’ny tena amin’ny bokin’ny Tantara voalohany, toko faha-10, izay mitantara ny nahafatesan’i Saoly? Tsy izany velively, satria ireny filazana firazanana ireny dia anisan’ny “soratra rehetra” izay “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (II Timoty 3:16.) Raha ny marina, ireo toko sivy ireo dia loharanom-panazavana sarobidy.

Ohatra, hita ao ny hany fanononana an’i Jabeza, taranak’i Joda nanam-pahitsiana tsy nanam-paharoa (I Tantara 4:9, 10). Soratana ao koa ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida, ka izany dia mahatonga ho afaka hanaporofo zava-nisy lehibe: Tena anisan’ny fianakavian’i Davida tokoa Zerobabela, governoran’ny Jiosy taorian’ny fahababoana babyloniana. — I Tantara 3:10-19.

Fanazavana fanampiny ny amin’i Davida

Ireo toko manaraka amin’ny bokin’ny Tantara voalohany dia mamelabelatra filazana ara-tantara voambara teo aloha ka mahatonga antsika indrindra hahafantatra tsara kokoa an’i Davida mpanjaka. Ireo boky ao amin’ny Baiboly teo aloha dia mampiseho azy amintsika ho mpanompon’i Jehovah be fandavan-tena, mpiady mahery fo, poeta sy mpitondra kinga. Amin’ny fahazavan’ny bokin’i Tantara voalohany, dia fantatsika fa mpandamina tsy nanan-tsahala koa izy. Nandamina ny firenena sy ny tafika izy, toy izany koa ny asa tao amin’ny tempoly tamin’ny fitsinjarana ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpihira ho kilasy 24. — I Tantara 23:1 ka hatramin’ny 27:22.

Ny bokin’i Samoela faharoa dia mitantara ny fanirian’i Davida fatratra hanorina “trano” na tempoly iray hametrahana ny fiaran’ny fanekena (II Samoela 7:2-5). Tsy navelan’i Jehovah hanatanteraka ny volavolan-keviny anefa izy ary manazava amintsika ny antony ny bokin’ny Tantara: Nandatsa-dra be dia be i Davida. Ny mpandimby azy, lehilahy tsy niady, àry no hanorina ny tempoly (I Tantara 22:8-10). Ny bokin’i Samoela faharoa dia mampiseho amintsika koa fa Davida no nividy ny famoloana hanorenana ny tempoly tamin’ny farany ary tamin’ny toe-javatra nanao ahoana no nanaovany izany (II Samoela 24:18-25). Lasa lavitra kokoa ny bokin’ny Tantara voalohany amin’ny filazalazana ny fanomezana lehibe nangonin’i Davida sy ny fiomanana nataony nanaraka izany mba hahavonona ny zavatra rehetra ho an’i Solomona rehefa ho afaka hanomboka ny fanorenana ny tempoly io (I Tantara 22:6-19). Raha ny marina, dia nomen’i Jehovah an’i Davida aza ny planin’ny tempoly, ary io indray kosa no nampita izany tamim-pahatokiana tamin’i Solomona tamin’ny fotoana nety. — I Tantara 28:9-21.

Mitahy Jehovah...

Amin’ny fanohizana ny famakiana ny bokin’ny Tantara faharoa, dia ho voamarikao fa manomboka misongadina ny foto-kevitra iray: rehefa nitoky tanteraka tamin’i Jehovah ireo mpanjakan’ny Joda, dia voatahy izy ireo; fa rehefa tsy nanao izany izy ireo, dia nitondra fahoriana noho izany ilay firenena. Porofon’izany izay nitranga fony Abia, zanak’i Rehoboama mpanjaka niady tamin’ny Isiraely. Nahatonga azy ho ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra tokoa i Jeroboama, mpanjaka mpiady tao amin’ny fanjakana avaratra. Rehefa voahodidina tanteraka ny vahoakan’i Abia, “dia nitaraina tamin’i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka trompetra”. Inona no vokatr’izany? “Andriamanitra dia namely an’i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan’i Abia [Abijama] sy ny Joda.” — II Tantara 13:14, 15.

Toy izany koa, noho ny fitokisany an’i Jehovah, Asa zanak’i Abia dia afaka nandresy tafika goavana nisy Etiopiana iray tapitrisa (I Tantara 14:9-12). Izany fitokisana izany koa no nahatonga an’i Josafata zanany ho voaro tamin’ny fanafihana niarahan’ny Amonita sy ny Moabita ary ny Edomita nanao; ary taona maro taty aoriana, dia navelany hahazo fanafahana tamin’ny tafika asyriana Hezekia mpanjaka, anankiray hafa koa tamin’ireo taranany. — II Tantara 20:1-26; 32:9-23.

... ary manary Jehovah

Na dia izany aza, ny ankamaroan’ireo mpanjaka dia tsy nametraka ny fitokisany tamin’Andriamanitra, mandrakariva dia noho ny anankiray tamin’ireo antony telo hojerentsika izao. Voalohany indrindra, be dia be no latsaka tao anatin’ny fandriky ny fanompoan-tsampy. Ohatra, Joasy, zafiafin’i Josafata, dia nitondra tena tamin’ny fomba tsara teo am-piandohan’ny andro nanjakany, nefa nitodika tany amin’ny fanompoan-tsampy izy taty aoriana. Nesorin’i Jehovah taminy tamin’izay ny fiarovany, hany ka nandresy azy ny Syriana tamin’ny ady iray, ary tamin’ny farany dia novonoina izy (II Tantara 24:23-25). Ny hita tamin’i Amazia zanany dia mampiseho fa tena mety hanintona ny fanompoan-tsampy. Naneho finoana faka tahaka aloha Amazia. Kanefa, na dia toa sarotra inoana tokoa aza izany, rehefa avy nandresy tamin’ny ady nifanaovany tamin’ny Edomita izy, dia naka ny andriamanitr’ireo ary nanomboka nivavaka tamin’izany (II Tantara 25:14)! Nitsahatra tsy niaro ilay mpanjaka indray àry Jehovah.

Ilay nanaram-po tamin’ny fanompoan-tsampy tamin’ny fomba tsy nisy henatra indrindra dia tsy isalasalana fa Manase. Tsy nianina tamin’ny fivavahana tamin’ny andriamani-tsy izy io mpanjaka io, fa nenjehiny mafy koa ireo izay nifikitra tamin’ny fanompoam-pivavahana marina. Noho io mpanompo sampy io ‘nameno ra marina an’i Jerosalema’, dia tapa-kevitra Jehovah ny hanafoana an’i Joda, ary ‘tsy namela ny helony’. (II Mpanjaka 21:11; 23:26; 24:3, 4.) Zavatra mahagaga anefa fa zanak’i Hezekia, anankiray tamin’ireo mpanjaka jiosy nahatoky indrindra i Manase. Afa-tsy izany koa, ny nahatonga azy ho velona dia noho ny fahagagana iray, satria izy teraka taorian’ny nanalavan’i Jehovah tamin’ny fomba nahagaga ny andro niainan’ny rainy (Isaia 38:1-8; II Tantara 33:1). Mitahiry zava-mahagaga farany ho antsika anefa ny faran’ny andro nanjakany. Rehefa avy nanenjika ireo mpivavaka tamin’i Jehovah nandritra ny taona maro i Manase dia nibebaka, ary tao anatin’ny fahanterany, dia nanomboka nanompo an’i Jehovah izy! — II Tantara 33:1-6, 12-17.

Ny fifanekena nifanaovana tamin’ireo firenen-kafa, izany no fandrika faharoa nahalatsaka ireo mpanjakan’ny Joda. Izany fanekena izany dia niteraka fahasahiranana ho an’i Asa mpanjaka tsara sy Ahaza mpanjaka antonontonony (II Tantara 16:1-5, 7; 28:16, 20). Fa i Josafata kosa dia nanao fanekena nisy vokany nampangitakitaka tamin’ny olon-kafa. Io mpanompon’i Jehovah nahatoky io dia nikambana tamin’ny fomba tsy voahevitra tamin’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, izay nivavaka tamin’i Bala. Niara-nandray anjara taminy tamin’ny fanafihana ara-tafika nampiseho hadalana izy ary namela an’i Jorama zanany hanambady an’i Atalia, zanakavavin’i Ahaba. Nampihatra fitaoman-dratsy teo amin’ny vadiny io vehivavy io ary koa teo amin’i Ahazia zanany rehefa tonga mpanjaka koa ireo. Avy eo, rehefa maty Ahazia, dia nandrombaka ny seza fiandrianana izy ary nampamono ny ankamaroan’ireo rafiny nahery. Soa ihany fa niahy ny amin’ny hiarovana ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida i Jehovah. Toy inona anefa ny loza naterak’izany fifandraisana tafahoatra tamin’ny olon-kafa izany!

Ny mpanjaka sasany dia voan’ny fandrika fahatelo iray: ny fieboeboana. Io kileman-toetra io dia nanisy pentina ireo taona faramparany nanjakan’i Asa mpanjaka tsara ary nahatonga an’i Ozia mpanjaka, miaramila kinga, hamarana ny androm-piainany tao anatin’ny fitokanan-toerana, voan’ny habokana. Na dia Hezekia mpanjaka nahatoky aza dia latsaka tao anatin’io fandrika io: rehefa nisy iraka tonga avy tany Babylona mba hitsidika azy, dia nasehony azy ireo tamim-pireharehana ny haren’ny tempoly. — II Tantara 32:25, 26; Isaia 39:1-7.

Aoka isika handray soa amin’ny famakiana an’ireo boky roa ireo

Eny, ireo bokin’ny Tantara roa dia loharanom-panazavana sarobidy. Lazainy ny hoe karazam-pitondrantena manao ahoana no ankasitrahan’i Jehovah ary asehony fa na dia ireo mpanjaka aza dia tsy voaro tamin’ny fahotana. Tsy isalasalana fa izany dia fampitandremana mbola ilaina ihany amin’izao andro izao, indrindra ho an’ireo izay nahazo fahefana sasany ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Amin’izao androntsika izao ny fanompoan-tsampy dia atao amin’ny endriny mamitaka sahala amin’ny tamin’ny andron’ny mpanjaka isiraelita ka tokony ho tapa-kevitra ny handa izany isika (Efesiana 3:19; Kolosiana 3:5; Apokalypsy 13:4). Tokony hohalavirintsika koa ny fitanana fifandraisana be loatra amin’izao tontolo izao (Jaona 17:14, 16; Jakoba 4:4). Farany, dia azo antoka fa tsy maintsy miady amin’ny fiavonavonana sy ny fieboeboana izay anisan’ny fahalemen’olombelona foana isika. — Ohabolana 16:5, 18; Jakoba 4:6, 16.

Ny famakiana sy ny fisaintsainana ireo bokin’ny Tantara roa dia hanamafy ny fahavononantsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fanarahana ireo ohatra tsara voalaza ao amin’ny tantaran’ny Jiosy sy amin’ny tsy fanahafana ny ratsy. Izany famakian-teny izany dia hamporisika antsika hanao ny tsara sy handa ny ratsy, mba “hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. — Romana 15:4.

[Efajoro, pejy 28]

Ahoana no mety hanampian’ny bokin’ny Tantara voalohany antsika hanaporofo fa tsy teraka tamin’ny 25 desambra akory i Jesosy?

Araka ny voalazan’io boky io, Davida mpanjaka dia nandamina ireo mpisorona ho “kilasy” na antokony 24 izay ny tsirairay avy aminy dia tokony hanompo herinandro tao amin’ny tempoly. Araka izany, ireo anisan’ny kilasy tsirairay avy dia nanompo tao amin’ny tempoly indroa isan-taona, isaky ny enimbolana teo ho eo.

Ny kilasy voalohany dia nanomboka ny asany raha vao vita ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo, tamin’ny faran’ny septambra, fiandohan’ny oktobra. Ny antokony fahavalo izay nandray ny anarana hoe Abia dia nanompo nandritra ny herinandro tamin’ny novambra, fiandohan’ny desambra ary nandritra ny herinandro hafa iray tamin’ny faran’ny jona, fiandohan’ny jolay. Nahoana no mahaliana antsika io kilasy io? Satria, araka ny fitantaran’i Lioka, Zakaria, rain’i Jaona Mpanao batisa, dia anisan’ny “antokon’i Abia” ary nanompo tao amin’ny tempoly indrindra rehefa niseho taminy ny anjely iray mba hanambara taminy ny nahaterahan’i Jaona. — Lioka 1:5, 8, 9.

Araka ny asehon’ny fitantaran’i Lioka, Jaona dia notorontoronina taoriana kelin’io fisehoana io. Noho izany, dia teraka sivy volana taty aoriana izy, fiandohan’ny septambra na fiandohan’ny aprily. Etsy andaniny koa, ny Filazantsaran’i Lioka dia mitantara fa zandrin’i Jaona enimbolana i Jesosy (Lioka 1:26). Araka izany àry, io filazana hentitra omen’ny bokin’ny Tantara io dia mahatonga antsika ho afaka hahafantatra fa tsy teraka velively tamin’ny faran’ny volana desambra i Jesosy fa teraka, na tamin’ny fiandohan’ny martsa, na tamin’ny fiandohan’ny oktobra. Ny fandinihana andinin-teny hafa ao amin’ny Soratra Masina dia mampiharihary fa tamin’io daty faharoa io no teraka izy. — Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa, dia jereo La Tour de Garde tamin’ny 15 desambra 1954, pejy faha-379 sy 380.

[Efajoro, pejy 29]

Nahoana moa Josefa no tonga rain’ny foko roa teo amin’ny Isiraely, kanefa ny tsirairay avy tamin’ireo rahalahiny dia rain’ny anankiray monja?

Ny bokin’ny Tantara voalohany dia manampy antsika hahita ny valin’io fanontaniana io: nandray ny anjaran-droa tokony ho an’ny lahimatoa i Josefa. Marina fa efa saika ny zandriny indrindra tamin’ireo zanakalahin’i Jakoba 12 izy, kanefa izy no lahimatoan-dRahely, vady tian’i Jakoba. Tamin’ny nahaterahany, Robena, zokiny sy lahimatoan’i Jakoba tamin’i Lea vadiny, dia tokony ho nanana ny zo ho lahimatoa. Kanefa, araka ny tantarain’ny bokin’i Tantara voalohany amintsika, dia nafoiny izany zo izany satria nanao fahotana lehibe izy. Izao tokoa no vakintsika: “Robena (...) no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny fitantaram-pirazanana ireo.” Mitohy toy izao ny fitantarana: “Fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’i Josefa ihany.” — I Tantara 5:1, 2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara