Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany
TAORIAN’NY efapolo andro naha-tany an’efitra azy, dia niverina nankany amin’i Jaona izay nanao batisa azy i Jesosy. Rehefa nanatona izy, dia nihiaka toy izao i Jaona: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! Izy ilay nolazaiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga talohako, satria talohako Izy.” Na dia zokin’i Jesosy zanak’olo-mpiraitampo taminy aza i Jaona, dia fantany fa nisy talohany izy io tamin’ny endriky ny olona ara-panahy tany an-danitra.
Ny andro nanaraka, dia teo niaraka tamin’ny anankiroa tamin’ny mpianany i Jaona. Raha nahita an’i Jesosy nanatona izy, dia nanambara indray hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Rehefa nandre ireo teny ireo ny mpianatr’i Jaona Mpanao batisa roa dia nanaraka an’i Jesosy. Andrea ny anankiray, ny anankiray dia miharihary tokoa fa ilay nitantara izany fisehoan-javatra izany mihitsy ka nantsoina hoe Jaona koa. Araka ny fanazavana omena antsika, dia zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy koa io Jaona io, satria zanak’i Salome, rahavavin’i Maria.
Rehefa nitodika i Jesosy ka nahita an’i Andrea sy Jaona nanaraka azy, dia niteny tamim-pahagagana hoe: “Inona no tadiavinareo?”
‘Mpampianatra ô, hoy ny fanontanian’izy ireo, aiza Hianao no mitoetra?’
“Avia, fa ho hitanareo”, hoy ny navalin’i Jesosy.
Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro tamin’izay. Nandany ny tapany sisa tamin’ny androny niarahana tamin’i Jesosy Andrea sy Jaona. Feno hafanam-po aoka izany Andrea taty aoriana ka dodona nankany an-tranon’ny rahalahiny natao hoe Petera. Hoy izy taminy: “Efa nahita ny Mesia izahay.” Ary dia nentiny ho any amin’i Jesosy Petera. Tao anatin’izany fotoana izany koa dia azo inoana fa lasa nitady an’i Jakoba rahalahiny i Jaona ka nitondra azy ho eo amin’i Jesosy. Marihina anefa fa tsy nilaza io antsipiriany manokana io tao amin’ny Filazantsarany i Jaona.
Tamin’ny andro nanaraka, dia tafahaona tamin’i Filipo i Jesosy ka nanasa azy toy izao: “Manaraha Ahy.” Mba lasa koa Filipo nankany amin’i Natanaela izay namaly koa tamin’ny anaran’i Bartolomeo ka nanambara taminy hoe: “Efa hitanay Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna sy nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta.” Tsy niaiky anefa i Natanaela. “Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta?” hoy ny fanontaniany.
“Andeha hizaha”, hoy i Filipo namporisika azy. Rehefa tonga teo akaikin’i Jesosy izy ireo, dia hoy Jesosy tamin’i Natanaela: “Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy hianao.”
Talanjona i Natanaela ka namaly hoe: ‘Mpampianatra ô, Hianao no Zanak’Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ny Isiraely.’
Fotoana fohy taorian’izany dia nandao ny lohasahan’i Jordana i Jesosy sy ireo mpianany tena vaovao ka nandeha ho any Galilia. Jaona 1:29-51.
◆ Iza moa ireo mpianatr’i Jesosy voalohany?
◆ Ahoana no nampisehoana an’i Petera sy Jakoba koa angamba, tamin’i Jesosy?
◆ Niaiky ve Natanaela fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy?