Nahoana no mitafy fahalemem-panahy?
DERAINA sy ankamamiana izy io. Manampy antsika hanalavitra ny fifandirana izy. Matetika izany no afangaro amin’ny fahalemena, kanefa mafy lavitra noho ny tsỳ (acier). Tsy inona izany fa ny fahalemem-panahy.
Ao amin’ny Baiboly, ny fahalemem-panahy dia ampiarahina amin’ny fanetren-tena. Ny hevitry ny teny grika indrindra tokoa dia fanetren-tena, ‘fahamoram-panahy malefaka sy mahate-ho-tia; izany dia ny mifanohitra amin’ny fahasiahana, ny fahasarotsarotiny, ny fahatezerana tampoka sy ny fitratrevatreva’. Mora kokoa anefa ny mampiseho amin’ny asa izay atao hoe fahalemem-panahy noho ny milazalaza azy amin’ny teny.
Fa inona no antony tokony hitafiana fahalemem-panahy? Ary amin’ny ahoana izany no mahasoa?
Toetra iray tena lehibe
Tokony haneho fahalemem-panahy ny kristiana satria ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra izany. Ny Baiboly dia manoro hevitra antsika mba handeha “amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy”. Ny vehivavy kristiana dia tokony hitafy “ny fitafiana tsy mety lo, dia ny saina tony sy malefaka, izay sarobidy eo imason’Andriamanitra”. (Efesiana 4:1-3; I Petera 3:3, 4, MN.) Tetsy andaniny koa, ny apostoly Paoly dia nanome antsika izao fananarana tena mety izao: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.” — Kolosiana 3:12.
Tena ilaina ny hitafiana fahalemem-panahy, satria toy ny fitafiana, izany dia mety hiaro antsika amin’ny loza maro. Rehefa mitombo ny tarehin-javatra iray mety hipoaka, angamba ny fahalemem-panahy dia hahatonga antsika ho afaka hampitony ny fahatezeran’ilay tafintohina ka hanorina indray ny fihavanana. Marina tokoa fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. (Ohabolana 15:1.) Etsy andaniny koa, io toetra io dia hanampy antsika hisetra ireo zava-manahirana manorisory isan’andro, hahita fanafodin’ireo tarehin-javatra mihenjana any am-piasana na any an-tsekoly, hampitombo ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina ary hanana fiainana tony kokoa, salama kokoa sy sambatra kokoa (Ohabolana 14:30). Manana antony tsara tokony hitafiana fahalemem-panahy àry isika.
Ahoana no hetezan’izany?
Mety ho toa sarotra ny hanehoana io toetra io, nefa azo atao izany raha tiana. Nahoana? Voalohany indrindra, dia satria Andriamanitra namorona antsika araka ny endriny (Genesisy 1:26). Izy anefa dia sary velona mampiseho ny fahalemem-panahy mihitsy. Hita mazava izany eo amin’ny fomba fiasany amin’ny olombelona mpanota. Izao no vakintsika: “Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika izy, na mamaly antsika araka ny helotsika.” — Salamo 103:10.
Etsy andaniny koa, ny fahalemem-panahy dia anankiray amin’ireo vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra (Galatiana 5:22, 23). Raha tsapantsika manokana àry ny ilàna halemy fanahy, dia aoka isika hivavaka amin’Andriamanitra mba hanampy antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina mba hampitombo sy haneho saina sy fihetsika voamariky ny fahalemem-panahy. — Lioka 11:13.
Koa satria ny fahalemem-panahy anisan’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra, izany dia mahaforona endriny iray lehibe amin’ny toetra kristiana. Raha ny marina, io toetra io dia tokony ho anisan’ny fitafiana izay amantarana antsika ho kristiana. Eny, afaka sy tokony ‘hitafy fahalemem-panahy’ isika, dia fanomezana omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny fanahiny sy ny fitahiany.
Mihevitra ny zavatra tena misy ny fahalemem-panahy
Jesosy Kristy, izay niaro tamin’ny fomba hentitra ny rariny, dia maneho fahalemem-panahy anefa. Nambarany fa sambatra ny malemy fanahy. Nampianariny koa ny fotopoto-pitsipika ilazana fa, rehefa misy fihaikana, dia aleo ‘manolotra koa ny takolaka anankiray’ toy izay hamaly ratsy (Matio 5:5, 39; 21:5). Ny sasany milaza fa tsy mampiseho fiheverana ny zavatra tena misy io fampianarana io eo amin’izao tontolo izao voamariky ny fitiavana fifaninanana. Diso anefa ny fanatsoahan-kevitra avy amin’izany fa ny fahalemem-panahy kristiana dia milaza toetra osa, na kanosa mihitsy aza. Izany fahalemem-panahy izany dia ampiarahina amin’ny finoana mafy sy ny fitiavana an’i Jehovah sy ireo lalany mahitsy. Mampiseho tanjaka lehibe àry izy io.
Tao anatin’ny fotoana rehetra nisian’ny tantara araka ny Baiboly, dia nisy lehilahy sy vehivavy natahotra an’Andriamanitra namela ohatra tsara tamin’ny fahalemem-panahy. Araka izany, “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3.) Iza anefa no hilaza fa osa na kanosa izy io?
Rehefa ampitahaina amin’ny “asan’ny nofo” ny fahalemem-panahy dia miharihary fa ambony (Galatiana 5:19-23). Misy vokany izy io raha oharina amin’ny fahatezerana tsy voafehy. Nilaza toy izao i Horace, poeta romana: “Hadalana kely ny fahatezerana; fehezo ny firehetanao, raha tsy izany dia hanapaka anao izy.”
Ny hoe manao zavatra “amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena” dia milaza fitondrana tena mifanaraka amin’ny toetra, ny asa sy ny lalan’i Jehovah (Jakoba 3:13). Ohatra, ny lehilahy heverina fa afaka hampianatra ireo rahalahiny dia tokony halemy fanahy, ho tia fihavanana sy tony, fa tsy hasiaka, hiavonavona sy hitompo teny fantatra (I Timoty 1:6, 7; II Timoty 2:24, 25). Nefa mety ho tena hahasoa antsika koa ny fahalemem-panahy eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainana.
Manampy antsika isan’andro ny fahalemem-panahy
Mety hanampy antsika ny fahalemem-panahy rehefa misy tsy fifanarahana amin’ny mpiray monina. Izany no hita tamin’i Cathy. Tamin’ny fisakafoana an-tsaha nalaminy tao aminy niaraka tamin’ny namana vitsivitsy, ny anankiray tamin’ireo ankizy dia nianika teo amin’ny antontan-kitay voalahatra tsara an’ny mpiray monina. Narodan’ilay ankizy ny ilany tamin’ny antontan-kitay tamin’ny fotoana nitazanan’ilay mpiray monina teo am-baravarankeliny indrindra. Nisafoaka io ka nihazakazaka nivoaka avy tao an-tranony ary niteny mafy ilay fianakaviana nandamina ny fisakafoana an-tsaha, ilay ankizy diso sy ny ray aman-dreniny. Tsy niady hevitra ireo tompon’ny toerana fa nanao izay rehetra azony natao mba hampitonena ilay mpiray monina, tamin’ny famaliana azy tamim-pahalemem-panahy. Ny ampitson’iny, i Cathy izay nanamboatra mofo dipaina ho an’ny fianakaviany, dia nanatitra anankiroa ho an’ilay mpiray monina sy ny vadiny. Io fihetsehana nampiseho fahalemem-panahy io, tsy nisy filazana na dia teny indraim-bava aza ny amin’ilay fisehoan-javatra kely nalamina tamim-pahalemem-panahy, dia ampy nampitony ny fihenjanana sy nanorina indray fifandraisana tsara.
Lazaina fa ny filoha tsara iray dia mandray latsaka noho ny anjarany amin’ireo fiderana rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, fa mihoatra noho ny anjarany amin’ireo fanomezan-tsiny rehefa ratsy ny fandehan’ny zavatra. Manaraka an’io fahamalinana io i Don, lehiben’ny mpiasa amin’ny fanorenan-trano, ka nandeha tsara izany. Indray andro, dia tezitra ny filohan’ny fanorenana noho ny fomba nanorenan-javatra sasany. Hoy ny fanontaniany: “Iza no tompon’andraikitra tamin’io?” Na dia tsy nanaraka ny toromarik’i Don aza ny mpiasa iray, dia izao no navalin’i Don: “Izaho no diso. Tsy nanazava tsara tamin’ny fomba ampy tamin’ireo mpiasako ny amin’ny fomba tokony hanaovana azy aho.” Rehefa midera an’i Don noho ny asa tsara iray kosa anefa ny olon-kafa, dia izao no avaliny: “Ireo lehilahy ireo no tokony hoderaina.” Noho ny fahalemem-panahiny sy ny toetrany tsara dia tiana sy nohajain’ireo lehibeny sy ireo mpiasany i Don.
Manan-kery koa ireo fotopoto-pitsipika ireo rehefa mitsidika ny manodidina azy ao anatin’ny faritry ny asa fitoriany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mankasitraka loatra ny fitsidihany ny sasany ka tezitra. Ny fahalemem-panahy anefa dia manampy ny Vavolombelona tsy hihevitra ny olona ho manana antony ratsy manosika na hitsara azy ireny amim-pahasiahana. Na dia manana antony tsara handehanana hitory toy izany aza ny Vavolombelona, moa ve ny fitsidihany tsy manery ilay olona hanapaka fanaovan-javatra mahafinaritra? Namoha azy ve izy ireny. Mahatonga ho afaka ny tsy ho sahirana amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ny tarehin-javatra toy izany ny fahalemem-panahy. — I Petera 3:15.
Toy izany koa, raha misy olona “azon’ny ota tsy nahy”, ny fahalemem-panahy dia hanampy ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana mba hanoro hevitra an’io kristiana io sady hiseho hahalala ny mety hatao. Ny zava-kendrena dia tsy ny hanasaziana azy, fa ny ‘hanarenana’ azy, somary toy ny amerenan’ny mpitsabo moramora ny taolana ho eo amin’ny toerany. Ireo izay manana ny toetra ara-panahy takina dia tsy hanadino na oviana na oviana fa tokony hitady izay hanarenana ilay nanao fahadisoana “amin’ny fahamorana” izy ireo. — Galatiana 6:1.
Katsaho hatrany ny fahalemem-panahy
Ny fahalemem-panahy dia azo ampitahaina amin’ny tany iray mora ambolena sy ikolokoloana kokoa ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra hafa. Raha malemy fanahy isika, dia hanaiky an-tsitrapo hotarihin’ny fanahin’i Jehovah. Ary raha maneho an’io toetra io isika, dia hitahy antsika Andriamanitra, satria tia izay manetry tena sy malemy fanahy izy. — Isaia 29:18-21; 61:1.
Nanatona an’i Jesosy ny vahoaka satria “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. (Matio 11:28, 29.) Izany toe-tsaina izany dia manintona ny olona tso-po, toy ny mpandeha trotraka amin’ny alina mamanala voasinton’ny hotely iray misy lafaoro mivaivay. Ny olona manetry tena sy malemy fanahy dia tsy isalasalana mihitsy fa namana faniry. Tsy mety àry ve ny ‘hitadiavantsika fahalemem-panahy’? (I Timoty 6:11.) Eny, aoka isika hitafy fahalemem-panahy.
[Sary, pejy 7]
Naneho fahalemem-panahy i Jesosy Kristy. Ary ianao?