Ambara fa marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra
“ ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra [Jehovah, MN ], ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra [Jehovah, MN ]’ izy.” — JAKOBA 2:23.
1, 2. Amin’ny ahoana “ny any an-danitra” sy ny “etỳ ambonin’ny tany” no eo am-pampihavanana azy amin’Andriamanitra?
“FA SITRAKY ny Ray ho ao aminy [Kristy] no hitoeran’ny fahafenoana rehetra, sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny rany teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana — eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.” (Kolosiana 1:19, 20). Manatona ny fara heriny ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra mikendry izany fampihavanana izany.
2 “Ny any an-danitra” dia tsy zavaboary ara-panahy, satria ireo anjely tsy avotana amin’ny ran’i Kristy. Izany kosa dia olona avotana amin’ny ran’ny Zanak’ondry mba ho “fanjakana sy mpisorona” miaraka amin’i Kristy ao amin’ny “lanitra vaovao”. Ireny olona ireny dia efa nambara fa marina amin’ny fomba feno noho ny ran’i Kristy. Afa-tsy izany koa, ary hatramin’ny 50 taona eo ho eo izao, dia mihavana amin’ny “etỳ ambonin’ny tany” Jehovah, izany hoe amin’ny olona anisan’ny “tany vaovao” marina (Apokalypsy 5:9, 10; II Petera 3:13). Izany fanangonana ny ‘zavatra rehetra’ izany, dia ny zavatra eto an-tany sy ny zavatra any an-danitra, dia “araka ny safidiny [ny an’i Jehovah] izay nokasain’ny tenany”. — Efesiana 1:9, 10.
Ny fikasan’Andriamanitra tamin’i Adama zanany
3, 4. Nanao ahoana ny toeran’i Adama teo anatrehan’Andriamanitra, kanefa tamin’ny lafiny inona izy no mbola tokony hambara fa marina?
3 Noforonina ho zanak’Andriamanitra olombelona tanteraka sy marina Adama (Lioka 3:38). Tsy nampiharina taminy na nomena azy ny fahamarinany: raikitra tao aminy izany. Raha ny amin’ny tsy fananany tsiny teo anatrehan’i Jehovah, Adama dia tsy nila ny “hambara” fa marina. Raha mbola nanaiky koa ny fanapahan’Andriamanitra ara-dalàna izy, dia marina hatrany teo imason’ny Mpamorona azy.
4 Mbola tsy noporofoiny anefa fa lehilahy tsy nivadika izy na noheverina fa mendrika ny zo hanana fiainana mandrakizay eto an-tany. Tamin’izany, dia nilainy ny hampiseho tao anatin’ny vanim-potoana sasany, ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah sy ny fifikirany tamin’ny rariny. Raha nandresy izy tamin’ny fitsapana ny tsy fivadihany, dia ho nahazo ny zo hanana fiainana mandrakizay eto an-tany. Azo lazaina hoe ho nambaran’Andriamanitra ampahibemaso fa mendrika ny fiainana mandrakizay Adama. Ho fanoharana ny amin’izany, dia tsy isalasalana fa ho notarihin’i Jehovah hatreo amin’ny “hazon’aina” izy ka ho navelany hihinana amin’ny voany. — Genesisy 2:9, 16; 3:22.
5. a) Inona no verin’i Adama ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany? b) Inona no fanantenana nomen’i Jehovah ho an’ny olombelona noharina?
5 Tsy nahomby anefa Adama tamin’ny fitsapana; veriny àry ny fahatanterahana, ny fahamarinana sy ny toerany amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany (Romana 5:12). Noho izany, ny taranany rehetra, eo amin’ny fahaterahany, dia lavitra an’Andriamanitra, tsy marina avy hatrany (Efesiana 2:3; Romana 3:10). Tamin’izany ny zavatra ary olombelona no “nampanekena ho zava-poana”, kanefa noho ny “fanantenana” nomena avy hatrany taorian’ny fikomiana tany Edena, dia fanantenana ny hafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. — Romana 8:20, 21; Genesisy 3:15.
Nambara fa marina talohan’ny nahatongavan’i Kristy: tamin’ny fomba ahoana?
6, 7. a) Hatraiza no fetran’ny nanambarana olona fa marina talohan’ny nahafatesan’i Kristy ho sorona? b) Manomeza ohatra ny amin’ny mpanompon’i Jehovah izay, talohan’ny andro kristiana, dia noheverina fa marina.
6 Ny fanantenan’ny olombelona ny hafahana indray andro any amin’ny fahotana sy ny fahafatesana dia niankina tamin’ny fahatongavan’ny “taranaka” nampanantenaina, dia ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra (Jaona 3:16). Talohan’ny nahafatesan’i Kristy ho sorona, dia tsy nananan’ny olona mihitsy ny fomba hahazoana “fanafahana izay manome ny fiainana” na “fanambarana fa marina ho amin’ny fiainana izy ireo”. (Romana 5:18, Kuen; Fandikan-tenin’izao tontolo vaovao.) Kanefa, talohan’ny nandoavan’i Kristy ny avotra nilaina mba hanafahana ny olombelona aza, dia nisy lehilahy sy vehivavy naneho finoana ny fampanantenan’Andriamanitra ka nanamarina izany finoana izany tamin’ny asa. Koa navelan’i Jehovah tamim-pahamoram-panahy ny fahotany ary nekeny ho mpanompony izy ireo. Tamim-pitiavana, dia noheveriny ho tsy manan-tsiny amin’ny fomba voafetra izy ireo raha oharina amin’ny ankamaroan’ny olona lavitra azy (Salamo 32:1, 2; Efesiana 2:12). Tamin’izany izy ireo dia nambarany na noheveriny ho marina araka ny nataony fa nety tamin’izany fotoana izany.
7 Araka izany, tamin’ny finoana, Abela dia ‘nambara fa marina’. (Hebreo 11:4.) “Tonga mpandova ny fahamarinana araka ny finoana” i Noa. (Hebreo 11:7.) Na dia tao aza ny fahalemeny, dia nolazaina fa “marina sy mahitsy” i Joba. (Joba 1:1, 22; 7:21.) Noho i Finehasa niseho ho be zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana madio, dia “nisaina ho fahamarinany izany”. (Salamo 106:30, 31; Nomery 25:1-13.) Tamin’ny “finoana” sy noho ny hatsaram-po nasehony tamin’ny alalan’ny asa tamin’ny olon’Andriamanitra, Rahaba, vehivavy janga tsy isiraelita, dia noheverina ho marina na nambara fa marina. — Hebreo 11:31; Jakoba 2:25.
Ny fomba nanisana an’i Abrahama ho marina
8, 9. a) Ny fahamarinan’ny olona iza avy no antony lehibe indrindra nanoratan’i Paoly ho an’ny Romana? b) Tamin’ny lafiny inona avy ny fanambarana fahamarinana momba ny ‘olona masina’ no mihoatra noho izay natao ny amin’i Abrahama?
8 Mendrika ny fiheverantsika manokana indrindra ny amin’i Abrahama. Mpanoratra roa ao amin’ny Soratra grika kristiana no milaza fa nambara fa marina izy. Ireo mpanoratra roa ireo anefa dia miteny amin’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany izay voantso ho anisan’ny Isiraely ara-panahy 144 000. — Romana 2:28, 29; 9:6; Jakoba 1:1; Apokalypsy 7:4.
9 Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana dia manazava i Paoly amin’ny filazana fa ireo izay “voantso ho masina” (Ro 1:7), na Jiosy izy na tsy Jiosy (Ro 1:16, 17) dia ambara fa marina ‘noho ny finoana fa tsy ny asan’ny lalàna”. (Ro 3:28.) Mba hanamafisana ny fanjohin-keviny, dia niditra tamin’ny fanazavana lalina izy (Ro 4:1-22) ary nanonona ny Genesisy 15:6, amin’ny filazana hoe: “Ary Abrahama nino an’Andriamanitra [Jehovah, MN ], ka dia nisaina ho fahamarinany izany.” Avy eo, eo amin’ny faran’ny toko faha-4Ro 4:25 no ilazan’i Paoly fa Jesosy dia “natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika [isika, izany hoe ny “masina” (Romana 1:7)]”. Ny teny hoe “isika” dia tsy mety hahafaoka an’i Abrahama, satria efa ela be izy io no tsy teo intsony, talohan’ny nahafatesana sy nananganana an’i Kristy. Noho izany, ao amin’ireo toko manaraka i Paoly miresaka ny amin’ireo izay “hanjaka” ary ambara fa marina “ho amin’ny fiainana” amin’ny fahatsinjovana ny ho tonga “zanak’Andriamanitra” sy “mpiray lova amin’i Kristy”, dia miharihary fa ny tiany holazaina dia zavatra hafa tanteraka noho ny nataon’Andriamanitra mba hanamarinana an’i Abrahama. — Romana 5:17, 18; 8:14, 17, 28-33.
10. Ahoana no anampian’i Jakoba antsika hahatakatra hoe hatraiza no fetran’ny nanambarana an’i Abrahama fa marina?
10 Naka an’i Abrahama ho ohatra koa i Jakoba mba hampisehoana fa tokony hohamafisina amin’ny asam-pitiavam-pivavahana ny finoana. Rehefa avy nanonona ny Genesisy 15:6 izy tamin’ny filazana fa nambara fa marina Abrahama, dia nanao famoaboasan-kevitra izy mba hanampy antsika hahatakatra hoe hatraiza no nanamarinana an’i Abrahama toy izany. Izao no nosoratan’i Jakoba: “Ary Abrahama nino an’Andriamanitra [Jehovah, MN ], ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra [Jehovah, MN]’ izy.” (Jakoba 2:20-23). Eny, noho ny finoany, Abrahama dia tena nambara fa marina tokoa, kanefa tamin’ny naha-sakaizan’i Jehovah fa tsy tamin’ny naha-zanaka manana zo hanana fiainana tanteraka na fiandrianana miaraka amin’i Kristy. Zavatra mahaliana fa ao amin’ny bokiny hoe Ireo teny mitovy hevitra ao amin’ny Testamenta Taloha (anglisy), dia izao no ambaran’i Robert Girdlestone ny amin’ny fahamarinan’i Abrahama: “Tsy feno akory izany fahamarinana izany, izany hoe hanondro an’i Abrahama ho mpikendry ara-dalàna ny lova amin’ny laharan’ny zanaka.”
Ny bokin’ny fahatsiarovan’i Jehovah
11. Anaran’iza avy no voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah, ary nahoana?
11 Ny fahamarinana voafetra omena lehilahy sy vehivavy mahatoky alohan’ny hahatongavan’i Kristy dia antoky ny fahamarinana sy ny fahatanterahana, tena izy na tena misy, miaraka amin’ny fiainana mandrakizay mety ho azon’ireny olona ireny ao amin’ny tany vaovao omanin’Andriamanitra. Amin’izany fahatsinjovan-javatra izany, dia azo atao ny mihevitra fa ny anaran’izy ireo dia voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovana iray (jereo Malakia 3:16; Eksodosy 32:32, 33). Io boky io dia mirakitra ny anaran’ireo izay heverin’i Jehovah ho “marina” izay nampiseho ny finoany tamin’ny asa marina ary manana fahatsinjovana ny hahazo ny fiainana mandrakizay eto an-tany. — Salamo 69:28; Habakoka 2:4.
12. Inona no tokony hataon’ireo “marina” ho tafatsangana amin’ny maty raha tiany ny hahavoasoratra hatrany ny anarany ao amin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah?
12 Kanefa, ny anaran’izy ireo dia mbola tsy voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” nosoratan’i Jehovah (Apokalypsy 20:15). Rehefa hiverina eto an-tany ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy nahatoky tamin’ny lasa ireny amin’ny alalan’ny ‘fananganana ny marina’, dia tsy isalasalana fa hekeny amim-pinoana ny fandaharana nataon’i Jehovah ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny avotra natolotr’i Kristy (Asan’ny apostoly 24:15). Amin’izany izy ireo dia ho anisan’ny “ondry hafa” an’i Jesosy eo anilan’ny “olona betsaka” ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 14.) Raha manao toy izany izy ireo, dia ho voasoratra hatrany ao anatin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah ny anarany.
Isaina ho marina amin’ny maha-sakaiza mba ho tafita velona
13. Eo am-panangonana an’iza moa ny Mpiandry tsara, ary amin’ny fomba ahoana no mahavoasoratra ny anaran’ireny olona ireny ao amin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah?
13 Amin’izao andro izao Jesosy Kristy, Mpiandry tsara, dia eo am-panangonana ny “ondry hafa” izay tsy anisan’ny “ondry vitsy”, dia ny ‘olona masina’ 144 000 omena ny Fanjakan’ny lanitra (Lioka 12:32; Daniela 7:18). Ireny “ondry hafa” ireny dia mihaino ny feon’ny Mpiandry tsara (Jaona 10:16). Maneho finoana an’i Jehovah sy ny Zanany izy ireny. Manokana ny fiainany ho an’i Jehovah mifototra amin’ny avotra natolotr’i Kristy izy ireny. Izy ireny dia atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” ary manaiky fa ilaina ny hamoazana “ny vokatry ny fanahy”. (Matio 28:19, 20; Galatiana 5:22, 23.) Voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah ny anaran’izy ireo.
14. Inona no mahatonga ny “ondry hafa” ho hita fa madio eo imason’i Jehovah, nefa inona no tokony hangatahin’izy ireny aminy?
14 Ireny “ondry hafa” ireny, ireo angonina amin’ny andro farany, dia hahaforona ny “olona betsaka” hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray, taorian’ny nahitany ireo 144 000 anisan’ny Isiraely ara-panahy (Apokalypsy 7:4, 9). Nilazalaza ny amin’ny “olona betsaka” izy tamin’ny fanambarana fa ireo anisany dia ‘nanasa ny akanjony sy namotsy azy tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’. (Andininy faha-14Ap 7:14.) Noho ny finoany ny ran’ny Zanak’ondry nalatsaka, dia omena ambaratongam-pahamarinana sasany izy ireny. Izany no asehon’ny akanjony fotsy ara-panoharana. Miseho ho madio eo imason’i Jehovah izy ireny. “Ary noho izany” dia manome lalana azy ireny Jehovah mba ‘hanompo azy andro aman-alina eo amin’ny tempoliny’. (Andininy faha-15Ap 7:15.) Isan’andro anefa ireny olona ireny dia tsy maintsy miaiky ny fahotany amin’i Jehovah sy mangataka aminy ny famelany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. — I Jaona 1:9 ka hatramin’ny 2:2.
15. a) Ahoana no ampisehoan’ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy fa hita ho marina eo imason’Andriamanitra ny “ondry hafa”? b) Amin’ny ahoana no anambarana azy ireny fa marina dieny izao?
15 Ny faminanian’i Jesosy momba ‘ny famantarana ny fanatrehany’, dia faminaniana mahafaoka ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy, dia mampiseho mazava dia mazava koa fa ny “ondry hafa” dia anisan’ireo sakaizan’Andriamanitra ary efa hita sahady ho marina amin’ny fomba voafetra eo imasony ankehitriny. Noho izy ireo mampiseho hatsaram-po amin’ny sisa mbola eto an-tany amin’ny ‘rahalahin’i Kristy’ 144 000, ireo “ondry” dia tahin’ny Rain’i Jesosy ary antsoina hoe “marina”. Sahala amin’i Abrahama, izy ireny dia ambara na isaina fa marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra. Ny toerany amin’ny maha-olo-marina dia hahatonga azy ho tafita velona koa, fa ny “osy” kosa ho any amin’ny “fanafoanana mandrakizay”. (Matio 24:3 ka hatramin’ny 25:46, MN.) Ireny “ondry hafa” ireny dia ‘ho avy amin’ny fahoriana lehibe’, izay hanamarika ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — Apokalypsy 7:14.
Asandratra ho amin’ny fahatanterahana
16. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ambara fa marina ho amin’ny fiainana alohan’ny “fahoriana lehibe” ireo anisan’ny olona betsaka?
16 Ireo anisan’ny “olona betsaka” izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” dia tsy hambara fa marina avy hatrany ho amin’ny fiainana. Manampy teny toy izao tokoa ny toko miresaka ny amin’izy ireny: “Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 7:17). Araka izany, na dia efa nanisa azy ireny ho marina talohan’izany aza Andriamanitra raha oharina amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny ka nihevitra azy ho sakaizany, dia ilainy koa ny mandray soa amin’ny fanampiana fanampiny, na manao dingana sasany, mba hanambarana azy fa marina ho amin’ny fiainana.
17. a) Ahoana no tokony handraisana ny hoe “fanasitranana ny firenena maro”? b) Olona iza no hanana ny anarany voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”?
17 Ao anatin’ny Fanjakana arivo taona, Jesosy Kristy, Zanak’ondry nandray fiandrianana, miaraka amin’ireo mpanjaka sady mpisorona lefitra 144 000 dia hampiasa fandaharana nokendrena “ho fanasitranana [ara-panahy sy ara-batana] ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:1, 2.) Ireny “firenena” ireny dia ho voaforon’ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe, ny zanaka mety haterak’izy ireny aorian’ny Hara-Magedona sy ny olona ho velona indray noho ny “fananganana ny marina sy ny tsy marina”. (Asan’ny apostoly 24:15.) Izay rehetra haneho finoana ny ran’i Kristy amin’izany ka hanatanteraka “asa” mifanaraka amin’izany finoana izany, amin’ny farany dia hanana ny anarany voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”. — Apokalypsy 20:11-15.
18. Hasandratra ho amin’ny toerana manao ahoana moa ireo mponina amin’ny tany alohan’ny fahataperan’ny Fanjakana arivo taona?
18 Alohan’ny fahataperan’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy, ny mponina amin’ny tany izay ho nampiseho fa ekeny ny avotra natolotr’i Kristy ka ho niaina mifanaraka amin’ireo fitsipika noferan’i Jehovah dia hasandratra ho amin’ny fahatanterahana. Ho sahala amin’i Adama talohan’ny nanotany izy ireo amin’izay. Sahala amin’ny taminy anefa, dia hotsapaina ny fankatoavan’izy ireo.
Ny ‘fahafahana izay momba ny voninahitra’ amin’ny maha-“zanak’Andriamanitra”
19. a) Inona no hitranga aorian’ny Fanjakana arivo taona avy hatrany? b) Inona no hiafaran’ireo izay tsy ho voasoratra tao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarany?
19 Aorian’ny Fanjakana arivo taona avy hatrany, dia hamerina amin’ny Rainy, olombelona tanteraka, Kristy (I Korintiana 15:28). Amin’izay dia “hovahana Satana” ho amin’ny fitsapana farany ny olombelona (Apokalypsy 20:7, 8). Ny anaran’ireo izay tsy ho nandresy tamin’io fitsapana io dia tsy ho ‘hita voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana’. Ireo dia ‘hatsipy any amin’ny farihy afo’ ara-panoharana, izay milaza “fahafatesana faharoa”. — Apokalypsy 20:15; 21:8.
20. a) Olona iza no hambaran’i Jehovah fa marina ho amin’ny fiainana, ary nahoana? b) Amin’ny ahoana ny fandaharana mampiseho famindrampo nataon’i Jehovah ho amin’ny fanamarinana no ho nahatratra ny zava-nokendreny?
20 Ny olombelona izay ho nanaporofo ny tsy fivadihany amin’i Jehovah dia hanana ny anarany voasoratra amin’ny fomba tsy azo kosehina ao amin’ny “bokin’ny fiainana”; ho niseho ho tsy nivadika tanteraka izy ireo ka mendrika ny handray ny zo ho amin’ny fiainana mandrakizay (Apokalypsy 20:5). Hatsangan’Andriamanitra izy ireny mba ho zanany eto an-tany, ary hiditra ao amin’izay nampanantenainy izy ireo, dia “ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:20, 21.) Amin’izany ny fiadanana sy ny fifandrindrana dia ho tafaorina indray eo amin’izao rehetra izao. Ho feno ny fihavanana amin’Andriamanitra na amin’ny “etỳ ambonin’ny tany” na “any an-danitra”. (Kolosiana 1:20.) Ho nahatratra ny zava-kendreny ny fandaharana mampiseho famindrampo nataon’i Jehovah ho amin’ny fanamarinana. Rehefa mipetraka ilay fanontaniana hoe: “Mifanaraka tsara amin’Andriamanitra ve ianao?”, ny zavaboary tsirairay avy any an-danitra sy eto an-tany dia ho afaka hamaly hoe eny, sy hanampy teny hoe: “Ho an’ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.” — Apokalypsy 5:13.
Ny amin’ny toeran’ny ondry hafa eo anatrehan’Andriamanitra:
◻ Nahoana Adama no tsy nambara fa marina?
◻ Hatraiza no nanambarana an’i Abrahama mbamin’ny lehilahy sy vehivavy hafa fa marina talohan’ny nahatongavan’i Kristy?
◻ Ny anaran’iza avy no voasoratra tao amin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah?
◻ Hatraiza no fetran’ny isehoan’ny “ondry hafa” fa marina dieny izao, ary rahoviana izy ireo no hasandratra ho amin’ny fahatanterahana?
[Teny notsongaina, pejy 18]
Noho ny finoany ny “ran’ny Zanak’ondry”, ny “ondry hafa” dia hita fa ankasitrahana eo imason’i Jehovah; amin’izany izy ireo dia ambara fa marina mba handray soa amin’ny fisakaizany sy ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. Hahatratra ny fahatanterahana izy ireo alohan’ny hahataperan’ny Fanjakana arivo taona. Farany, aorian’ny fitsapana farany, dia hambara fa marina ho amin’ny fiainana izy ireo.
[Sary, pejy 16]
Voasoratra ao anatin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah ny anaran’ny “marina”.
Abela
Joba
Rahaba
Ny “olona betsaka” amin’izao androntsika izao