Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nampianatra an’i Nikodemosy i Jesosy
RAHA nanatrika ny Paska taona 30 i Jesosy dia nanao famantarana na fahagagana niavaka. Ireo fahagagana nataony dia nanosika olona be dia be hametraka ny finoan’izy ireo aminy ka nanaitra ny sain’i Nikodemosy, mpikambana iray tao amin’ny Synedriona, dia ny Fitsarana tampony jiosy. Tian’i Nikodemosy ny hahafantatra zavatra betsaka kokoa ny amin’izany, ka lasa izy nitsidika an’i Jesosy. Nanararaotra ny maizina tamin’ny alina izy tamin’izany, tsy isalasalana fa noho ny fahatahorany sao hihena ny fitiavan’ireo filohan’ny jiosy hafa azy raha misy mahita azy.
“Raby ô, hoy izy taminy, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.” Ho valiny, dia nilaza tamin’i Nikodemosy i Jesosy fa mba hahazoana miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ilaina ny ‘hateraka indray’.
Ahoana àry no mety hahaterahan’ny olona iray indray? “Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?” hoy ny fanontanian’i Nikodemosy.
Tsia, tsy izany no atao hoe ateraka indray. “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, hoy ny fanazavan’i Jesosy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.” Rehefa natao batisa Jesosy ka nidina teo amboniny ny fanahy masina, dia tamin’izay izy no nateraky ny “rano sy ny Fanahy”. Izany fisehoan-javatra izany dia nohamafisin’ny fanambarana avy any an-danitra hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Nampahafantarin’Andriamanitra tamin’izany fa niteraka zanaka ara-panahy nanana fahatsinjovana ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy. Taty aoriana, tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nisy mpianatra vita batisa hafa nandray ny fanahy masina ka noho izany dia nateraka indray ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra.
Iankinan’ny aina anefa ny asa nanirahana ilay Zanak’Andriamanitra tamin’ny naha-olombelona. Izao no teny nanampin’i Jesosy: “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.” Toy ny tsy maintsy nibanjinan’ny Isiraelita voakaikitry ny bibilava nisy poizina ny menarana varahina tokoa mba hahavonjy, dia toy izany koa fa ny olona rehetra dia tokony haneho finoana ny Zanak’Andriamanitra mba hanafahana azy amin’ny fahafatesana.
Raha nanipika ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamin’io toe-javatra io i Jesosy, dia izao rehefa avy eo no nolazainy tamin’i Nikodemosy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Tamin’izany, tany Jerosalema, enim-bolana indrindra taorian’ny nanombohany ny fanompoany, dia nahariharin’i Jesosy mazava fa izy no fiasana ampiasain’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona. Jaona 2:23 ka hatramin’ny 3:31; Matio 3:16, 17; Asan’ny apostoly 2:1-4; Nomery 21:9.
◆ Inona no nahatonga ny fitsidihan’i Nikodemosy, ary nahoana izy no tonga tamin’ny alina?
◆ Inona moa no dikan’ny hoe ‘ateraka indray’?
◆ Ahoana no nanazavan’i Jesosy an’ohatra ny anjara raisiny amin’ny famonjena antsika?