‘Manaraka ny lalan’ny fitiavana mampiantrano vahiny ve ianao?’
NAFANA ny andro. Niasa mafy ny antokon’olona Vavolombelon’i Jehovah, tanora sy antitra. Nanao asa fanadiovana, fandokoana sy asa isan-karazany izy ireo mba hanavaozana Efitrano Fanjakana iray. Teo afovoan’ny tolakandro, noho izy ireo nanomboka nahatsiaro fahasasarana, ny sasany dia nipetraka mba hiala sasatra kely.
Tamin’izay fotoana izay, ny telo tamin’ireo anabaviny kristiana dia tonga nitondra mofo dipaina sisihina zavatra, mofomamy, kafe, dite sy fisotro hafa. Endrey izany hagagana tamim-pahafinaretana ho an’ireny mpiasa trotraka ireny! Ny fampiantranoam-bahiny sy ny fitiavana nasehon’ireo anabavy ireo an-tsitrapo dia nahatonga azy ireo, tsy hoe hanome fahafahana hahazo hery indray fotsiny, fa nanampy indrindra hampisy rivo-piainana nafana teo amin’ny rahalahy sy anabavy rehetra tonga teo tamin’io tolakandro io.
Toetra iray mampiavaka ny tena kristianisma
Mazava ho azy fa tsy tokony ho voafetra amin’ny fotoana maningana toy ireny ihany akory ny fampiantranoam-bahiny sy ny fitiavana. Raha niresaka ny amin’ireo izay hanaraka azy i Jesosy Kristy, Mpanorina ny kristianisma, dia nanao izao fanamarihana izao: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Toy izany koa, ny apostoly Paoly dia nananatra ireo namany kristiana tamin’izao teny izao: “Mazotoa mampiantrano vahiny [manaraha ny lalan’ny fitiavana mampiantrano vahiny, MN ].” (Jaona 13:35; Romana 12:13). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny lalan’ny fitiavana mampiantrano vahiny hetsehin’ny fitiavana ny hafa tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena dia fomba fiainan’ny kristiana marina.
Tsy azo avy hatrany anefa ny toetra toy izany raha vao mahalala ny fahamarinana ny tena. Ilaina kosa ny manao fiezahana be dia be mba hambolena izany. Voamarina indrindra izany eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ahitana ny fitiavan’ny maro mihamangatsiaka, araka ny nanambaran’ny Baiboly azy (Matio 24:12). Toy inona anefa ny fifanoheran-javatra rehefa miharihary ireo toetra ireo! Ao anatin’ny fianakaviana iray miray saina, dia mifankamamy ny rehetra ary faly miara-mandany fotoana. Toy izany koa, ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia mifankahalala tsara satria tafahaona tsy tapaka amin’ireo fivoriana, amin’ny asa fitoriana sy amin’ny fotoana hafa. Manjary tena mpisakaiza izy ireo, indraindray akaiky kokoa aza noho ny mpianakavy (Ohabolana 18:24). Izany fatoram-pisakaizana misy eo amin’ireo izay manompo an’i Jehovah izany dia fiarovana tsara dia tsara amin’ireo fitaoman-dratsin’izao tontolo izao.
Ny anjara raisin’ny vehivavy kristiana
Marina fa ny kristiana rehetra dia anarina mba ‘hanaraka ny lalan’ny fitiavana mampiantrano vahiny, kanefa mitana toerana lehibe amin’io lafiny io ireo vehivavy kristiana. Raha ny marina, moa ve tsy ny vehivavy, indrindra fa ny vehivavy manambady, no manao ny ankamaroan’ny asa rehefa hoe haneho fitiavana mampiantrano vahiny? Rehefa manasa mpikambana ao amin’ny kongregasiona ilay lehilahy, moa ve mandrakariva tsy ny vehivavy no mikarakara ny tokantrano, manomana ny sakafo sy ny fisotro ary miandraikitra ny fanadiovana rehefa lasa ireo nasaina? Miharihary fa afaka sy tokony haniry hanampy azy ny lehilahy sy ireo ankizy, nefa tsy maintsy ny vehivavy indrindra no miahy ny amin’ny hanaovana tsara ny zavatra rehetra.
Vehivavy kristiana manambady maro no mendrika hoderaina satria misahirana an-tsitrapo mba hampiharana ny tena fitiavana mampiantrano vahiny amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy. Ohatra, jereo ny nataon’i Dip Yee, manao ny asa manontolo andro any Hong Kong izay loholona ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana ny vadiny. Na dia manome asa be dia be ho azy aza ny fanasana rahalahy sy anabavy, ary indraindray dia ny mpanatrika ny fianarana ny boky rehetra no asain’izy ireo, dia amim-pifaliana no andraisan’i Dip Yee azy ireo. “Miara-mandray sakafo tsotra izahay, hoy ny fanazavany. Mahafinaritra ny mahita ny anadahy sy rahavavy miaraka sy mifampandroso.” Marina tokoa fa amin’ny fisehoana ho tia mampiantrano vahiny, ireo vehivavy kristiana dia mandray anjara be dia be amin’ny fampitomboana toe-tsaina mafana ao anatin’ny kongregasiona.
Rehefa heverina amin’izay rehetra voafaoka amin’ny fitiavana mampiantrano vahiny, dia voatery manatsoaka hevitra isika fa ireo vehivavy kristiana dia tokony haneho fahafoizan-tena sy ho tia miasa. Afaka matoky anefa izy ireny fa ny vadiny sy ny olon-kafa ampisehoan’izy ireo fitiavana, dia velom-pankasitrahana lalina noho izany. Mazava ho azy fa tsy maneho fankasitrahana mihitsy noho ny fiezahan’ireo mandray azy ny sasany indraindray. Tsy tokony ho voatarika velively ho kivy noho izany anefa ireo mpampiantrano vahiny ka hahatsiaro fankahalana na hitsahatra tsy ho tia mampiantrano vahiny. Tadidio fa na dia tiantsika aza ny hanehoan’ny hafa amintsika ny fankasitrahany sy hankamamiany ny fiezahantsika, dia tiantsika ny haneho fitiavana mampiantrano vahiny, voalohany indrindra, satria izany fomba fanaovan-javatra tsara dia tsara sy fomba fampisehoana ny fitiavantsika. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia ankasitrahan’i Jehovah izany.
Fihetsika mety
Noho ny fitomboan’ny vidin-javatra tsy an-kijanona, dia misalasala ny haneho fitiavana mampiantrano vahiny angamba ny sasany satria heveriny fa tsy manana ny ampy izy. Zava-dehibe ny hananantsika fihetsika mety amin’io lafiny io. Marina fa azo atao ny mampitombo ny fahafinaretana amin’ny fiarahana, amin’ny fandrosoana fisotro sasany sy sakafo amboamboarina. Tsy izany anefa no zava-dehibe indrindra. Manambara amim-pahendrena lehibe toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra [ao amin’izay misy fitiavana, MN ] toy izay omby mifahy asian-dromoromo [miaraka amin’ny fankahalana, MN ].” (Ohabolana 15:17). Tsy izay ananantsika na izay arosontsika amin’ny fisakafoana no zava-dehibe indrindra. Zava-dehibe lavitra sy ankamamina kokoa ny fifampandrosoana sy ny fanehoana ny fitiavantsika.
Izany no ataon’i Fung Hing, anabavy iray eo amin’ny efapolo taona izay manohitra ny fahamarinana ny vadiny. Monina ao amin’ny efitrano tery kely iray izy ao amin’ny anankiray amin’ireo fitambaran-trano lehibe any Hong Kong. Tsy manan-karena velively izy io. Raha ny marina dia tsy maintsy miasa tapak’andro izy mba hamenoana ny vola miditra ao anatin’ny fianakaviany. Zarainy anefa izay ananany. Rehefa tonga ao amin’ny faritany ireo Vavolombelona ao amin’ny kongregasiona mba hitory isan-trano, dia matetika izy ireny no asainy ho ao an-tranony mba hotolorany fanalana hetaheta. Tsy vitan’ny hoe mankamamy fanehoam-pitiavana toy izany ireo namany kristiana, fa mampiseho koa izany fa tsy hilaina ny hananam-be vao ho afaka haneho ny tena fitiavana mampiantrano vahiny.
Na dia miezaka hahalala ny mety hatao aza isika rehefa manasa olona, dia mety hoheverintsika fa ilaina ny hihafiana amin’ny zavatra sasany mba hanehoana fitiavana mampiantrano vahiny. Mendrika ny hatao ve izany? Izany tokoa, raha hetsehin’ny fitiavana kristiana amim-pahatsorana isika. Mba hanehoana ny fitiavantsika tokoa, dia ilaina ny hanekena hanana fandavan-tena. Jehovah sy Jesosy dia samy nanaporofo ny fitiavany ny olombelona tamin’ny fanaovana sorona lehibe: Jehovah dia nanolotra ny Zanany, ary Jesosy nanolotra ny ain’olombelona nananany. — Jaona 3:16; 15:13.
Nanaraka ny lalan’ny fitiavana koa ireo kristiana voalohany. Izao no nosoratan’i Paoly ny amin’ireo rahalahy tany Makedonia: “Tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny hitsim-pony [fahalalahan-tanany, MN ]. Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany, sady nangataka taminay koa izy mba havelanay [hanana tombontsoa hanome amin’ny fo rehetra, MN ].” (II Korintiana 8:2-4). Ny “hamafin’ny fahantrany” sy ny faniriany hanao “mihoatra noho ny zakany aza” dia mampisongadina ny fahatsoran’ny fahalalahan-tanany ka mahatonga izany mbola hanohina ny fo kokoa.
Kanefa na sahirana ny tena na manamanana, ny fanehoana fitiavana mampiantrano vahiny dia tena mitaky fotoana tokoa, mitaky fiezahana sy fananana sasany, ary izany dia na dia ao aza ireo fanamoran-javatra amin’ny andro ankehitriny. Izao àry no fanontaniana lehibe: Moa ve isika maniry ny hisahirana mba hahatonga ny hafa ho afaka hanararaotra ny soa entin’ny fiarahana amin’ny rahalahy. Tadidio izay ambaran’ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” Ho afaka ny hahazo fampaherezana koa isika amin’ny fieritreretana fa rehefa maneho fitiavana mampiantrano vahiny araka ny nandidian’i Jehovah isika ka manahaka ny ohatra tsara dia tsara omeny, raha ny marina dia “mampisambotra an’i Jehovah” isika. — Ohabolana 11:25; 19:17.
Iza no hasaintsika?
“Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva hianao, hoy Jesosy, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao.” Fa nahoana? “Fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny hianao.” (Lioka 14:12). Tsy ta-hampiseho tamin’izany akory i Jesosy hoe tsy tokony handray ireo sakaizantsika sy fianakaviantsika isika. Ny tenany koa aza dia faly niara-nisakafo tamin’ireo namany indraindray, ohatra, tao an-tranon’i Marta sy Maria. Tiany kosa anefa ny hanao izay hanamarihana fa rehefa mampiseho fitiavana mampiantrano vahiny isika, dia tsy tokony hohetsehin’ny faniriana hahazo zavatra ho valiny.
Araka ny nolazain’i Jesosy mazava nanaraka izany, rehefa mikasa ny hanasa olona isika, dia tokony hieritreritra voalohany indrindra ireo izay handray soa betsaka indrindra avy amin’izany (Lioka 14:13). Mety ho ireo mila fampaherezana izany, vaovao ao anatin’ny fahamarinana, ireo saro-kenatra, izay mirona tsy hilaza ny fihetseham-pony na be taona. Ny vokatra mampahery avy amin’ny fiarahana toy izany dia miharihary amin’ny tenin’i Oï Yuk, anabavy be taona iray izay be zotom-po aoka izany na dia ao aza ny tsy fahasalamany: “Tsy manadino ahy ireo anadahy rehefa manao ny fanasany ary maneho ny fahamoram-panahiny amiko amin’ny fomba maro izy ireny. Tena sambatra tokoa aho anisan’ny fianakaviambe iray!”
Miharihary tokoa fa ny zava-kendrena amin’ny fotoana toy ireny dia tsy ny hiaraha-miala voly fotsiny. Mifampahery isika ary manamafy ny fatoram-pitiavana mampiray ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Noho izany, dia tokony hiezaka indrindra isika hitana rivo-piainana mamporisika sy mampandroso fa tsy hampisongadina ny habetsahan’ny sakafo sy ny fisotro. Inona koa no holazaina ny amin’ny fanaovan-javatra sy ny resaka ataontsika amin’ny fotoana toy izany? Na dia tsy mifototra amin’ny Baiboly aza izany, dia ho fanehoam-pahendrena sy fitiavana ny hanararaotana izany mba hifampaherezana. Ireo lalao manosika ho tia fifaninanana, ireo ady hevitra tsy misy antony na ireo fanamarihana mahasosotra dia tokony hohalavirina tanteraka. — Efesiana 4:29, 31.
Soa lehibe
Marina fa tsy ilaina ny hanehoana fitiavana mampiantrano vahiny mba hahazoan-javatra ho valiny, kanefa tsy milaza akory izany fa tsy valian-tsoa izay tia mampiantrano vahiny. Mifanohitra amin’izany kosa fa soa maro no raisina amin’ny fanaovana toy izany, na dia tsy tadiavina aza izany: manana fahafahana hahazo namana vaovao sy hanamafy fatoram-pisakaizana ny tena. Izany dia manosika ny hafa koa mba haneho fahalalahan-tanana sy fitiavana mampiantrano vahiny (Lioka 6:38; Ohabolana 11:25). Ambonin’ny zavatra rehetra, Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika feno fitiavana, izay tia mampiantrano vahiny indrindra eo amin’izao rehetra izao, dia hiahy ny amin’ny hahatonga ireo izay maneho ny tena fitiavana mampiantrano vahiny tsy ho diso mihitsy ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana, ny Mpamorona antsika tokoa dia mankasitraka ireo izay ‘manaraka ny lalan’ny fitiavana mampiantrano vahiny’ tahaka ny ataon’ny tenany.