FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/6 p. 15-20
  • Ny tsy fivadihan’i Joba: iza no afaka manahaka azy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny tsy fivadihan’i Joba: iza no afaka manahaka azy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo izay manahaka an’i Joba
  • Ao anatin’ny fitsapana
  • Rehefa fehezina isika
  • Aoka isika hametraka ny fitokisantsika amin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny harena
  • Ny fitsipika ara-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy
  • Izay mety hanampy antsika
  • Nidera ny Anaran’i Jehovah i Joba
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ny tsy fivadihan’i Joba: tamin’ny ahoana izany no niavaka tokoa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • “Tsy Hanaiky Hivadika Mihitsy Aho”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Tsy Nivadika Mihitsy i Joba
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/6 p. 15-20

Ny tsy fivadihan’i Joba: iza no afaka manahaka azy?

“Handanja ahy eo amin’ny mizana marina izy ary dia ho fantatr’Andriamanitra ny tsy fivadihako.” — JOBA 31:6.

1. Nahoana no mahasoa antsika ny hiheverana ny ohatr’i Joba, ary inona avy ny fanontaniana mipetraka?

NATOKY ny tsy fivadihan’ny tenany i Joba ka noho izany dia nifaly satria nodinihin’Andriamanitra. Ny ohatra navelany dia fampaherezana lehibe ho antsika amin’izao andro izao, ary indrindra fa satria Satana mitady mafy hanimba ny tsy fivadihan’izay rehetra manompo an’Andriamanitra (I Petera 5:8). Noho ny fahalalana izany toe-javatra izany, Jakoba mpianatra dia nilaza fa raha ny amin’ny “fandeferam-pahoriana sy ny faharetana” dia tokony horaisintsika ‘ho fianarana ireo mpaminany’, indrindra fa Joba (Jakoba 5:10, 11). Fa iza no afaka manahaka ny tsy fivadihan’i Joba? Afaka manao izany ve isika? Amin’ny lafiny inona avy moa i Joba no oha-pahatokiana ho antsika?

2. a) Inona no dikan’ny anarana hoe Joba? b) Inona no nilana ny tsy fivadihan’i Joba?

2 “Ankahalaina” no dikan’ny anarana hoe Joba, ary dia nanjary toy izany tokoa ilay patriarka. Na dia tao aza izany, rehefa nanaiky ny fangatahan’i Satana Jehovah ka nanaisotra ny “fefy” fiarovana nanodidinany an’i Joba, dia tsy nisy mihitsy tetikadin’ny Devoly afaka nanapaka ny fifikiran’io lehilahy io tamin’Andriamanitra (Joba 1:1 ka hatramin’ny 2:10). Notoherin’i Joba àry ny fihaikan’ny Devoly izay natoky fa hanakivy izay rehetra manompo an’Andriamanitra izy (Ohabolana 27:11). Tamin’ny tsy fivadihany hatrany, dia toy ny nanambara toy izao teo anoloan’izao rehetra izao i Joba: ‘Mpandainga ratsy ianao, ry Satana, satria Jehovah no Andriamanitro ka tsy hivadika aminy hatrany aho na inona na inona hitranga.’ — Joba 27:5.

Ireo izay manahaka an’i Joba

3. Iza no nanana ny fiarovan’Andriamanitra tany an-danitra, ary inona avy no fanontaniana napetraka ny aminy?

3 Zava-dehibe tokoa fa ny fiadian-kevitra nampifanohitra an’i Jehovah sy Satana dia lehibe nanerana izao rehetra izao ary nahakasika ny faritra ara-panahy. Tany, tao an-danitra, toy ny voahodidin’ny fefy noho ny fikarakarana feno fiarovan’i Jehovah, no nisy ilay “taranaka” nampanantenain’Andriamanitra fa hanatanterahana ny fikasany mahatalanjona (Genesisy 3:15). Kanefa, rehefa ho voaisotra ny ‘fefy fiarovana’ toy izany, moa ve io “taranaka” io haneho marina tsy fivadihana tahaka ny an’i Joba? Hasehony ve fa ny lehilahy tanteraka iray, tahaka an’i Adama, dia ho afaka hijanona tsy hivadika tanteraka sy hahatoky eo anatrehan’Andriamanitra (I Korintiana 15:45)? Niomana ny hampihatra fitsapana ratsy indrindra amin’io “taranaka” io Satana rehefa hiseho eto an-tany izy io.

4. a) Iza no nanjary nianjadian’ny fankahalan’i Satana lehibe indrindra, ary ahoana no ahafantarantsika fa nanaisotra ny fiarovany taminy Andriamanitra tamin’izay? b) Fahafahana hanao inona no nomen’i Jesosy an’i Jehovah?

4 Jesosy Kristy no niharihary ho ilay “taranaka” resahina. Noho izany antony izany no nampifantohan’i Satana ny sainy taminy, eny, nataony fototry ny fankahalany lehibe indrindra izy io. Ny porofo fa nesorin’i Jehovah ny “fefy” fiarovana nanodidinany an’i Jesosy, dia ny hoe nihiaka toy izao i Jesosy teo amin’ny hazo: “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” (Matio 27:46; Salamo 22:1). Na dia tsapany tamin’ny fomba feno aza fa nanaisotra ny fiarovany azy Andriamanitra, sahala amin’i Joba, Jesosy dia ‘tsy nanota na nanome tsiny an’Andriamanitra’. (Joba 1:22.) Nanahaka an’i Joba izy tamin’ny tsy fivadihana tanteraka sy nahatoky hatrany teo anatrehan’Andriamanitra, ary noporofoiny tamin’izany mihitsy fa ‘tsy nisy tahaka azy eny ambonin’ny tany’. (Joba 1:8.) Araka izany, ny ohatra nomen’i Jesosy dia mahatonga an’i Jehovah ho afaka hanohitra tanteraka sy mandrakizay ny fanizingizinana feno laingan’i Satana hoe ny Mpamorona dia tsy ho afaka na oviana na oviana hampipoitra eto an-tany, olona tsy hivadika aminy hatrany ao anatin’ny fitsapana ratsy indrindra.

5. a) Manohy manao inona i Satana? b) Inona no nataon’ny Devoly rehefa voaroaka avy any an-danitra izy?

5 Tsy ampy an’i Satana anefa izany fanoherana azy izany fa ampangainy hatrany ireo rahalahy ara-panahin’i Jesosy izay mahaforona miaraka aminy ny ‘taranaky’ ny fandaminan’Andriamanitra, dia fandaminana oharina amin’ny vehivavy. Rehefa milazalaza ny fiorenan’ilay Fanjakana any an-danitra ny Baiboly dia milaza izao manaraka izao ny amin’i Satana: “Nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina.” Raha ny marina, dia manao mihoatra noho ny fiampangana azy ireny Satana; Mampiditra fankahalana izy. Manazava ny Soratra Masina fa rehefa voaroaka avy tany an-danitra izy, dia “tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona [Satana] ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitana ny filazana an’i Jesosy”. — Apokalypsy 12:7-12, 17.

6. a) Amin’izao androntsika izao, iza moa ireo manome ohatra eo amin’ny asa fitoriana, ary iza no niaraka tamin’izy ireo? b) Inona no andraman’i Satana atao amin’izy ireo?

6 Ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra mbola eto an-tany no mahaforona ny ‘sisa amin’ny taranaky’ ny vehivavy. Manome ohatra izy ireo amin’ny “filazana an’i Jesosy”; ambaran’izy ireo ampahibemaso maneran-tany fa tonga Mpanjaka i Jesosy ary hamarana tsy ho ela ny fandehan-javatra tsy marina ankehitriny (Matio 24:14; Daniela 2:44). Tsy mahavita irery velively an’io asa io anefa izy ireo! Vahoaka maro be maherin’ny telo tapitrisa no niaraka tamin’izy ireo, ka miara-mahaforona fandaminana iraisam-pirenen’ny kristiana tsy mivadika sy tafaray izy ireo. Ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy tsy mivadika ireny dia manjary mba hianjadian’ny fanenjehana tsy mifaditrovana avy amin’i Satana koa; Faly noho ny tsy fivadihan’izy ireny Jehovah Rainy any an-danitra. — II Timoty 3:12; Ohabolana 27:11.

7. Nahoana isika no afaka matoky hatrany na dia ao aza ny fanafihan’i Satana?

7 Marina fa, rehefa fantatra fa, tahaka ny nataony tamin’i Joba, Satana dia mampifantoka ny sainy feno hasomparana amintsika izay miezaka ny tsy hivadika hatrany sy hahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, dia mampieritreritra izany. Tsy manana antony tokony hahavery hevitra mihitsy anefa isika. Nahoana? Satria, ‘miantra indrindra sy be famindrampo Jehovah’ ka ‘tsy handao antsika na hahafoy antsika tanteraka Izy’. (Jakoba 5:11; Deoteronomia 31:6.) Eny, hanohana antsika Jehovah. Ambaran’ny Baiboly fa “ampingan’izay mandeha tsy mivadika izy”. (Ohabolana 2:7, MN.) Tsy milaza anefa akory izany fa tsy havelan’i Jehovah hosedraina isika. Tsia, havelany hisy ny fitsapana, araka ny nataony tamin’i Joba. Araka ny nosoritan’ny apostoly Paoly anefa dia “mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany”. — I Korintiana 10:13.

Ao anatin’ny fitsapana

8. Amin’ny ahoana moa ny ohatr’i Joba no mety hahasoa antsika?

8 Mety hahasoa antsika tokoa ny oha-pahatokian’i Joba rehefa iharam-pisedrana mafy isika. Nijaly aoka izany i Joba, hany ka naniry ny ho faty sy hafenina any amin’ny Sheola, dia ny fasana iombonan’ny olona (Joba 14:13). Amin’izao androntsika izao, ny sasany dia nahatsapa fihetseham-po sahala amin’ny azy ary nilaza fa afaka nipetraka teo amin’ny toeran’i Joba tamin’ny fotoana nijaliany fatratra. Izany angamba no tsapanao tamin’ny toe-javatra niseho sasany. Ny famakiana ny fitantarana ny fijaliany dia mety hahatonga antsika hihevitra fa mandray fampaherezana isika avy amin’ny sakaiza iray izay ho niharan’ny fitsapana mbola mahatsiravina kokoa ihany noho ny antsika. Ny fahafantarana fa nisy hafa niaritra fahasahiranana ary mahatakatra ny mahazo antsika izy, izany dia azo antoka fa mety hanampy antsika mba hiaritra koa.

9. Amin’ny ahoana moa ny tsy fivadihan’ireo namantsika no mahasoa antsika?

9 Mahatsapa izay ilaintsika Jehovah ka nampanoratra ny bokin’i Joba mba hanampiana antsika tsy hivadika hatrany, sahala amin’ny nataon’ilay patriarika (Romana 15:4; Jakoba 5:10, 11). Fantatr’i Jehovah fa toy ny faritra tsirairay avy amin’ny tena iray miankina amin’ny hafa, ny tsirairay avy amin’ireo mpanompony mahatoky dia mila ireo namany (I Korintiana 12:20, 26). Tadidio ireo fivoriamben’ny distrika vao haingana hoe “ireo mpihazona tsy fivadihana” natrehin’ireo mpamaky ity gazety ity an-tapitrisany maro. Ireo izay tonga tao amin’ireny fivoriambe ireny dia hahatsiaro fa nahafinaritra indrindra ny niaraka tamin’ny vahoaka kristiana manana ho zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra. Ny fahafantarana fa mpanatrika an’arivony maro nanodidina azy ireny no mpihazona tsy fivadihana na dia tao aza ny karazam-pisedrana samihafa hitany tany am-piasana na tany an-tsekoly, dia fampaherezana ho azy ireo tsy hivadika hatrany. — I Petera 5:9.

10. a) Ahoana no mety hanarian’ny olona iray fiheverana tsara? b) Nanjary nanontany tena hoe ahoana i Joba?

10 Na dia izany aza, sahala amin’i Joba, dia mety tsy hanana fiheverana tsara foana isika. Ny olona iray mijaly mafy na ketraka dia mety hilaza hoe: ‘Nahoana no mampahory ahy toy izao Andriamanitra? Nahoana no avelany hisy ny zavatra toy izao?’ Mety hanjary hanontany tena toy izao aza izany olona izany: ‘Inona no ilàna hanompo an’Andriamanitra?’ Tsy nahalala ny hevitry ny fijaliany ho azy i Joba ka nisalasala ny amin’ny ilàna hiaina araka ny fahamarinana eo no ho eo, satria toa nitovy na nihoatra noho ny an’ny ratsy fanahy aza ny fijalian’ny marina (Joba 9:22). Araka ny filazan’i Eliho, dia nilaza toy izao i Joba: “Mahasoa ahy inona moa ny tsy fananako tsiny? Inona no ananako amboniny noho ny raha nanota aho?” (Joba 35:3, Crampon 1905). Kanefa tsy afaka ny hamela ny tenantsika ho variana loatra amin’ireo zava-manahirana antsika manokana isika ka hanjary hanary ny fiheverana tsara ary hisalasala ny amin’ny ilàna hanompo an’Andriamanitra.

11. Inona no fifehezana nilaina, nampiharin’i Eliho tamin’i Joba?

11 Nampiharin’i Eliho tamin’i Joba ny fifehezana nilaina. Napetrany tamin’ny toerany indray ny zavatra tamin’ny fampisehoana fa nitana toerana ambony lavitra noho ny an’i Joba Jehovah (Joba 35:4, 5). Nohazavainy fa na inona na inona mitranga amintsika, dia tsy tokony hieritreritra na oviana na oviana isika fa tsy miahy antsika Jehovah na toy ny hilaza anakampo fa afaka ny hampahasosotra azy isika satria mihevitra azy ho tsy marina amintsika. “Raha manota hianao, hoy Eliho nanontany an’i Joba, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?” (Joba 35:6). Eny, raha manandrana mampahasosotra an’Andriamanitra ianao amin’ny fandaozana ny lalany na ny asany, dia mitondra fahavoazana ho an’ny tenanao ianao fa tsy ho azy.

12. Inona no herin’ny tsy fivadihantsika eo amin’Andriamanitra?

12 Tetsy andaniny koa, dia nasehon’i Eliho fa tsy mandray tombony manokana mihitsy amin’ny fitondrantenantsika tsara Jehovah. Marina fa faly izy raha tsy mivadika hatrany isika, nefa amin’izany koa dia tsy miankina velively amin’ny fanompoam-pivavahana atolotsika azy izy, araka ny asehon’ny fanontaniana napetrak’i Eliho tamin’i Joba hoe: “Raha marina hianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ny tànanao?” (Joba 35:7). Manome ny aina antsika Andriamanitra; amin’ny alalany no iainantsika, ihetsehantsika sy ahavelomantsika. Azy daholo ny zavatra rehetra (Asan’ny apostoly 17:25; I Tantara 29:14). Amin’izany, ny faharatsiantsika na ny fahamarinantsika dia tsy misy heriny velively eo amin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy. — Joba 35:8.

Rehefa fehezina isika

13. a) Ahoana no fandraisan’i Joba ny fifehezana azy? b) Inona no zava-manahirana hitantsika rehetra?

13 Nanao ahoana ny fihetsik’i Joba teo anoloan’ny fifehezana nampiharin’i Eliho, avy eo dia ny tenan’i Jehovah mihitsy? Nekeny izany ary nibebaka ‘tao amin’ny vovoka sy ny lavenona’ izy. (Joba 42:6.) Eny, nanetry tena i Joba ary niaiky ny fahadisoany. Tsy deraintsika ve ny fanetren-tena toy izany? Toetra asehontsika ve izany. Na dia tapa-kevitra ny tsy hivadika tahaka an’i Joba aza isika, dia mirona daholo hanao fahadisoana sy tsy ho ampy fahaiza-mandanjalanja amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa (Jakoba 3:2; Galatiana 2:11-14). Ahoana no ho fihetsitsika raha misy olona manintona ny saintsika ho amin’ny anankiray amin’ireo fahadisoantsika na tsy fahatanterahantsika, indrindra fa raha zandrintsika sahala amin’i Eliho no manao izany? — Joba 32:4.

14. a) Mirona hanaraka fihetsika manao ahoana moa ny olona iray fehezina? b) Inona no mety hitarika antsika hanao fahadisoana na hanao fitsarana diso ny amin’ny raharaha iray, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Joba fony izy nofehezina?

14 Tsy mora ekena foana akory ny fifehezana (Hebreo 12:11, 12). Mirona hitady hanamarin-tena isika. Sahala amin’i Joba, dia nety tsy ho ninia nilaza na nanao zavatra ratsy isika. Tsara angamba ny antony nanosika antsika. Nety ho niteny tsy tamim-pahalalana ny zava-nitranga rehetra anefa isika, tsy ampy fahatakarana ny fihevitry ny hafa na fangoraham-po. Angamba ny resaka nataontsika nampiseho fahatsiarovana fahamboniana mifamatotra amin’ny firazanantsika na ny firenentsika, na niseho ho hentitra kokoa noho ny Soratra Masina isika tamin’ny raharaha iray. Nety ho nasaina nanamarika isika fa ny tenintsika dia nahitana taratry ny fiheverantsika alohan’ny zavatra rehetra ary niteraka fahavoazana ho an’ireo namantsika tamin’ny fanaovana izay hahatandindomin-doza ny fiainany ara-panahy. Rehefa tenenina isika, hiaiky sahala amin’i Joba ve isika fa niteny tsy ‘nahafantatra’ ka ‘hiova hevitra’? — Joba 42:3, 6, MN.

Aoka isika hametraka ny fitokisantsika amin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny harena

15. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nametraka ny fitokisany tamin’ny harena i Joba?

15 Nametraka fanontaniana ny amin’ny fitokisan’i Joba i Bildada, tamin’ny filazana fa nanadino an’Andriamanitra izy io ary nametraka ny fitokisany tamin’ny zavatra hafa (Joba 8:13, 14). Kanefa, na dia nahazo fananana ara-nofo maro aza i Joba, dia tsy nametraka ny fitokisany tamin’izany. Tsy nihozongozona velively ny tsy fivadihany rehefa nafoiny ny fananany rehetra (Joba 1:21). Tamin’ny fiarovan-tenany farany, dia izao no nambaran’i Joba: “Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; raha tàhiny aho nifaly noho ny haben’ny fananako sy noho ny nahazoan’ny tànako harena betsaka, (...) dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany; fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho.” — Joba 31:24-28.

16. a) Fandinihan-tena manokana inona no tokony hataontsika? b) Inona no fampanantenana omen’Andriamanitra an’ireo izay mitoky aminy?

16 Ary isika? Jehovah ve no nametrahantsika ny fitokisantsika sa ny fananantsika ara-nofo? Raha tsy maintsy lanjaina amin’ny mizana marina isika, araka ny nirin’i Joba fatratra, moa ve Andriamanitra hahita antsika fa tsy nivadika amin’io lafiny io. Moa ve ny zavatra ahintsika lehibe indrindra eo amin’ny fiainana dia ny tsy hivadika hatrany mba hamelana an’i Jehovah hamaly ny fihaikan’i Satana? Sa isika voatana aoka izany amin’ny faniriana fahafinaretana sy fananana ara-nofo? Ho faniry tokoa ny hanahafantsika an’i Joba sy ny hampifaliantsika ny fon’i Jehovah amin’ny fametrahana ny fitokisantsika aminy, sy amin’ny fanalavirana ny fiheverana ho zava-dehibe loatra ny tenantsika sy ny fananana ara-nofo mety ho azontsika! Raha miankina aminy isika ka manome ny toerana voalohany ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana, dia mampanantena antsika Jehovah fa tsy handao antsika na hahafoy antsika mihitsy izy. — Matio 6:31-33; Hebreo 13:5, 6.

Ny fitsipika ara-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy

17. Nanipy teny hoe ahoana ireo “mpampionona” an’i Joba, nefa inona no nolazain’i Joba ny amin’ny fitondrantenany?

17 Tsy niampanga azy nivantana ho ratsy fitondrantena akory ireo nihambo ho mpampionona an’i Joba, nefa imbetsaka izy ireo no nanipy teny fa tsy maintsy ho meloka ho nanao fahadisoana miafina nahatonga azy ho mendrika ny sazin’Andriamanitra izy. Noho ny fananany izay nahatonga azy ho “nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra”, dia nety ho tena afaka nisetra zavatra ivelan’ny fanambadiana izy (Joba 1:3; 24:15). Nisy mpanompon’Andriamanitra velona taloha na taoriany, resin’ny fakam-panahy tamin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy (Genesisy 38:15-23; II Samoela 11:1-5). Notoherin’i Joba anefa ny teny natsipy ny amin’ny nety ho nanaovany ratsy tamin’ny filazana hoe: “Efa nampanekeko ny masoko; koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy [virijina, MN]? Raha tàhiny adala tamin’ny vadin’olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho, dia (...) fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara.” — Joba 31:1, 9-11.

18. Noho ny antony inona moa no maha-sarotra aoka izany ny hijanonana ho madio ara-pitondrantena eo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy, kanefa nahoana no ho sambatra isika raha mahavita izany?

18 Tsy isalasalana fa tsy misy mihitsy fomba hafa ampiasain’i Satana kendrena hanimbana ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’i Jehovah ka mandaitra noho izay natao hanosehana azy hijangajanga (Nomery toko faha-25). Manahaka ny tsy fivadihan’i Joba ve ianao amin’ny fanoherana ny fakam-panahy rehetra ho resin’ny faharatsiam-pitondrantena? Tena zava-tsarotra tsy maintsy resena izany, indrindra fa eo amin’izao tontolo izao azon-doza ny amin’ny lahy sy ny vavy izay ielezan’ny faharatsiam-pitondrantena aoka izany. Eritrereto anefa ny fifaliana ho tsapanao, amin’ny fotoana hampamoahana, rehefa ho afaka hilaza amin-toky, sahala amin’i Joba, ianao hoe: “Ho fantatr’Andriamanitra ny tsy fivadihako.” — Joba 31:6, MN.

Izay mety hanampy antsika

19. Inona no tena ilaina mba hahafahana hijanona tsy hivadika?

19 Tsy mora akory ny manahaka ny tsy fivadihan’i Joba, satria amin’izao androntsika izao ny Devoly dia mikely aina foana mba hanapaka ny tsy fivadihantsika toy ny nataony tamin’i Joba. Tena ilaina àry ny hitafiantsika ny fiadian’Andriamanitra rehetra (Efesiana 6:10-18). Izany dia mahafaoka ny fitodihantsika any amin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Joba, amin’ny fahatsapana foana fa mahazo sitraka aminy amin’izay rehetra ataontsika na ny fianakaviantsika (Joba 1:5). Noho izany, ny fianarana ny Baiboly, ny fiarahana tsy tapaka amin’ireo namantsika kristiana sy ny fanambarana ampahibemaso ny finoantsika dia zavatra tena ilaina. — II Timoty 2:15; Hebreo 10:25; Romana 10:10.

20. a) Inona no fanantenana mety hanohana antsika eo amin’ny fitsapana antsika? b) Araka ny filazan’ny mpanao salamo, inona no valisoa ho azontsika raha tsy mivadika hatrany isika?

20 Zavatra iray indrindra no mety hanampy antsika, toy ny nanampiany an’i Joba, hisetra fitsapana: ny finoana mafy fa tsy mifarana amin’izao fiainana izao ny zavatra rehetra. “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” hoy ny fanontanian’i Joba. Ary dia novaliany hoe: “Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao.” (Joba 14:13-15). Raha matoky tanteraka toy izany isika fa hanangana ireo mpanompony mahatoky i Jehovah, dia ho afaka hizaka ny fitsapana rehetra, na inona izany na inona, mety hampiharin’i Satana amintsika isika (Hebreo 6:10). Efa ela be tokoa izay, dia nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ny fahitsiako [noho ny tsy fivadihako, MN] Hianao ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.” (Salamo 41:12). Enga anie ny tsirairay avy amintsika hahita izany ho avy sambatra izany! Hanohana antsika anie Jehovah ka hiaro antsika mandrakizay satria manompo azy ao anatin’ny tsy fivadihana isika!

Ho hainao ve ny hamaly?

◻ Olona iza avy no niharihary fa sahala amin’i Joba, ary inona no fampitahana azo atao amin’izy ireny sy Joba?

◻ Inona no fantatsika ny amin’ny fomba nandraisan’i Joba ny fisedrana?

◻ Ahoana no naneken’i Joba ny fifehezana, ary inona no fianarana tsoahintsika avy amin’izany?

◻ Inona no ohatra tsara navelan’i Joba raha ny amin’ny fananana ara-nofo sy ny fitondrantena momba ny lahy sy ny vavy?

◻ Inona no mety hanampy antsika tsy hivadika hatrany sahala amin’i Joba?

[Sary, pejy 17]

Efa nisalasala sahala amin’i Joba ve ianao ny amin’ny ilàna eo no ho eo tsy hivadika hatrany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara