Aoka isika hiaro ny fahamarinana eo amin’izao tontolo izao ratsy
“Ny teninao no fahamarinana.” — JAONA 17:17.
1.a) Oviana sy tamin’ny fomba ahoana moa ny fahamarinana no niadian-kevitra? b) Fahamarinana vaovao hafa dia hafa inona no nahariharin’Andriamanitra tao Edena?
NY FAHAMARINANA! Hatramin’ny ela be izy io no fototry ny fiadian-kevitra, eny, hatramin’ny nisian’ny olombelona. Nanomboka tany Edena io fiadian-kevitra io rehefa nanohitra ny fahamarinan’i Jehovah Mpanjaka Tompo ilay Menarana ela. Resin’ny fakam-panahy ireo ray aman-drenintsika voalohany ka nifidy ny tsy fiankinana ary nanapa-kevitra ny hisaina sy hanao araka izay tiany. Tsy nijanona ho mpiaro mahatoky ny fahamarinana àry izy ireo. Tamin’izay Andriamanitra dia nampiharihary fahamarinana vaovao, ny hafa dia hafa indrindra: Hampipoitra “taranaka” izy, ho amin’ny fanjakana iray izay hanafoana ny asan’ny Devoly. — Genesisy 3:1-6, 14, 15.
2. a) Ahoana no nanafihana ny fahamarinana teto amin’izao tontolo izao talohan’ny safodrano? b) Nahoana moa Noa sy ny fianakaviany no nahazo sitraka tamin’i Jehovah?
2 Hatramin’izao dia hotafihina ny fahamarinana. Nanao izay hahazoana ny fanohanan’ny zanaka ara-panahin’Andriamanitra hafa ilay Lehiben’ny mpamitaka ka tonga mpikomy vonona ny hiteraka fandravana ny tany koa ireo. Variana aoka izany nanao izay nahafinaritra azy ny olona tao amin’ny taranaka ratsy fitondrantena talohan’ny safodrano ka tsy nihevitra mihitsy ny fampitandreman’Andriamanitra nampitain’i Noa tamin’izy ireo. Ringana àry izy ireo. Noa sy ny ankohonany kosa anefa dia tafita velona noho ny tsy fivadihany tsy azo ravana. Rehefa tafavoaka avy tao amin’ny sambo fiara niarovana azy ireo mpiaro ny fahamarinana ireo, ny zavatra nahiny voalohany indrindra dia ny hanolotra fanati-pisaorana “hanitra ankasitrahana” ho an’i Jehovah. — Genesisy 6:4-12; 8:18-21; Lioka 17:26, 27; II Petera 2:5.
Ny voka-dratsin’ny lainga
3. Inona moa no atao hoe Babylona Lehibe, ary tamin’ny fomba ahoana no nahaterahany?
3 Nanohy ny fiezahany anefa ny Devoly, ilay Menarana tranainy mba handotoana ny ranon’ny fahamarinana. Tsy isalasalana mihitsy fa teo ambany fitarihany no nanorenana an’i Babylona. Ny ‘zava-miafin’i Babylona’ dia tonga fanorenan’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso antsoin’ny Apokalypsy 17:5 hoe “Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. Voazarazara ho fandaminana tsy tambo isaina, manana ny fampianarany misy fitokotokoana sy mifanipaka ireo fivavahan-diso ka naharitra mandraka ankehitriny ary mahaforona loharanon-dainga ara-pivavahana tsy mety ritra. — Genesisy 10:8-10; Jeremia 51:6.
4. Ahoana no niarovan’i Jesosy ny fahamarinana, ary inona no naterak’izany?
4 Nandritra ny fivahiniany teto an-tany, dia niaro ny fahamarinana tamim-pahasahiana i Jesosy. Izao no nambarany tamin’ireo filoha ara-pivavahana mpihatsaravelatsihy tamin’ny androny: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo (...). Izy (...) tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Taty aoriana, Jesosy, ilay “taranaka” nampanantenaina, dia nanipika ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana rehefa namaly an’i Pontio Pilato hoe: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” Nanao sorona ny ain’olombelona nananany mihitsy aza i Jesosy mba hiarovana ny fahamarinana, dia ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. — Jaona 8:44; 18:37; Genesisy 3:2-5.
5, 6. a) Ahoana no nanohizan’i Satana niady tamin’ny fahamarinana? b) Fandotoana inona no naterak’izany, koa lainga inona no nanomboka niely? d) Nahoana isika no tokony hanana faniriana ny hiaro amin-jotom-po ny fahamarinana?
5 Tsy misaraka amin’ny tsy firaharahana lalàna ny lainga. Tsy mahagaga àry raha toa amin’ny ady tsy ankijanona ho fanoherana ny fahamarinana, Satana dia nampipoitra klerjy niala tamin’ny marina izay aseho amintsika ao amin’ny II Tesaloniana 2:3 ho “lehilahin’ota”. Taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy Kristy, ireny mpivadi-pinoana tsy nanaraka firy ny lalàna ireny dia nitsangana ho ambonin’ny lahika ary nanimba ireo fahamarinana kristiana madio tamin’ny fampifangaroana izany tamin’ireo “zava-miafina” babyloniana sy tamin’ny filozofia grika, indrindra fa ny fampianaran’i Platon ilazana fa hoe tsy mety maty ny fanahy olombelona.
6 Io lainga io dia nampiasaina ho fototry ny lainga hafa. Ohatra: ‘Mankany an-danitra daholo ny tsara rehetra’, ‘Ny tsy dia tsara loatra mankany amin’ny afo fandiovana’ ary ‘Ny ratsy fanahy dia ampijalina mandrakizay any amin’ny afobe mirehitra’. Noho ny fahatsapany hoe hatraiza ny maha-lainga ny fampianaran’ny empira ara-pivavahana babyloniana, dia tena faly tokoa isika noho ny nanomezan’i Jesosy izao fampanantenana izao: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Tokony hanana faniriana ny hiaro amin-jotom-po ny fahamarinana izay manafaka isika. — Jaona 8:31, 32.
Fahaterahan’ny lainga lehibe iray
7. a) Inona no zava-kendren’i Satana, ary ahoana no niezahany nanatratra izany? b) Fampianarana lainga inona no naroso tamin’ny taonjato faha-19?
7 Manao izay rehetra azony atao anefa ny Devoly mba hanoherana ny fahamarinana. Misafoaka izy rehefa misy olona mino ny Teny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, dia ny Baiboly Masina. Ny zava-kendreny dia ny ‘hanajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy’. Miezaka izy mba hampihem-bidy ny fahamarinana, tsy amin’ny fanaovana izay hahatonga “ny lehilahin’ota”, ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, hanandrana hanampy fampianaran-diso ara-pivavahana amin’ny fampianaran’ny Baiboly ihany fa amin’ny filazana koa fa miorina amin’ny angano sy ny lovantsofina ny Baiboly. Araka izany, tao anatin’ny taonjato faha-19, io Menarana tranainy io dia nampipoitra fampianarana vaovao feno lainga sy fitaka, fantatra amin’ny anarana hoe tsangan-kevitra momba ny evaolisiona. — II Korintiana 4:4.
8. Ahoana moa ny tsangan-kevitr’i Darwin?
8 Tamin’ny 1859, rehefa nanatona ny “andro farany” voambara ao amin’ny Baiboly, Charles Darwin dia namoaka boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny fiandohan’ny karazana amin’ny alalan’ny fifantenana araka ny natiora na ny ady atao mba hahavelomana ao anatin’ny natiora (Daniela 12:4). Tao amin’ny tsangan-keviny, dia nanolotra hevitra i Darwin fa tsy noforonina ny zava-manan’aina velona, fa izy rehetra dia nivoatra avy amin’ny karazam-piainana hafa tamin’ny alalan’ny ‘fifantenana araka ny natiora avy amin’ny ady atao mba hahavelona’. Araka ny filazany, tamin’ny farany ny olombelona dia nivoatra avy amin’ny biby toy ny rajako. Nantsoiny hoe “fahaveloman’ny zatra kokoa” izany.
9. a) Fahamarinana araka ny Baiboly inona avy nambaran’i Jesosy no tsy hisy heviny mihitsy raha zavatra tena misy ny evaolisiona? b) Ahoana no nahatonga ny “fahaveloman’ny zatra kokoa” hevitreverina, hiteraka fijaliana mahatsiravina ho an’ny olombelona?
9 Io tsangan-kevitra io dia fandavana amin’ny fomba hentitra ny fitantarana araka ny Baiboly ny amin’ny famoronana sy ny fahotan’ny olombelona. Izany dia manaisotra izay rehetra mety ho hevitry ny sorom-panavotan’i Jesosy mbamin’ireo fampianaran’ny Baiboly ny amin’ilay Fanjakana, ny fananganana ny maty, ny fiainana mandrakizay sy ny fiainana an-tany. Ambonin’izany, raha marina ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona dia hanafaka ny olombelona amin’izay rehetra mety ho andraikitra ara-pitondrantena eo anatrehan’ny Mpamoronaa. Tamin’ny fampianarana ny amin’ny “fahaveloman’izay zatra kokoa, io tsangan-kevitra io dia tsy isalasalana mihitsy fa nanokatra ny lalana ho amin’ny marksisma, ny fasisma, mbamin’ny hevitra hafab. Ireo mpanohana ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona àry dia tompon’andraikitra lehibe amin’ny tsy fahatahorana an’Andriamanitra mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny sy ireo fahoriana mitambesatra aminy. — Salamo 14:1-4.
Ireo mpiaro ny lainga
10. Ahoana no nahatonga ny klerjy ho mpiaro ny lainga tamin’ny fihetsiny teo anoloan’ny hevitr’i Darwin?
10 Moa ve ny klerjy tamin’ny andron’i Darwin niady tamin’io tsangan-kevitra manala baraka an’Andriamanitra io? Mahagaga kosa aza ny mamaky araka ny nosoratan’ny profesora iray tao amin’ny oniversite any Cambridge: “Tamin’ny voalohany, ny fanoherana lehibe indrindra ny tsangan-kevitr’i Darwin dia avy amin’ny manam-pahaizana nifototra tamin’ny zava-misy fa tsy avy amin’ny teolojiana nifototra tamin’ny Soratra Masina.” Nanampy teny toy izao ny manam-pahaizana hafa iray: “Afa-tsy ny vitsivitsy maningana, ireo mpihevitra kristiana malaza any Grande-Bretagne sy Amerika dia mifanaraka haingana amin’ny daroinisma sy ny evaolisionisma.” Tamin’ny 1882 aza i Darwin dia nalevina teo anilan’ireo mpanjaka tao amin’ny monasitera any Westminster noho ny fifanarahana manokana natao tamin’ny lehibe anglikana tao amin’io toerana io. — Jereo Asan’ny apostoly 20:30; II Timoty 4:3.
11. Inona avy no fanambarana nataon’ny klerjy momba ny tsangan-kevitr’i Darwin mampiseho tsy finoana an’Andriamanitra?
11 Amin’izao andro izao, ho an’ny mpitondra fivavahana maro ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana, dia tenin’ny filazantsara io tsangan-kevitra io. Araka ny filazan’ny arsevekan’i York, kardinaly faharoa ao amin’ny Eglizy anglikana, dia voaporofo tsara aoka izany ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona biolojika ka mahaforona “ny hany fanorenana azo heverina ho an’ny biolojia amin’ny andro ankehitriny”. Vao haingana foana izay, tamin’ny seminera iray tao Vatican, dia solontena 12 avy amin’ny manam-pahaizana ara-tsiansa ambony indrindra ao amin’ny Eglizy katolika no nanambara toy izao: “Miaiky isika fa noho ireo fanambarana tsy tambo isaina, ny fampiharana ny hevitra ny amin’ny evaolisiona amin’ny olombelona sy ny zava-manan’aina kilasy voalohany hafa dia tena tsy azo toherina.” Nanoratra toy izao koa tetsy andaniny ny “Encyclopédie” katolika vaovao (anglisy): “Ny evaolisiona amin’ny ankapobeny, ary na dia ny fivoaran’ny tenan’olombelona aza, dia toa ny fanazavana ara-tsiansa ny amin’ny fiandohana azo inoana indrindra.” Kanefa, moa ve ara-tsiansa tokoa io tsangan-kevitra io? Moa ve izany hamafisin’ny porofo ara-tsiansa mendrika inoana? Tokony ho fantatrao ny fahamarinana ny amin’io raharaha io. Miankina amin’izany ny ainao. — Jaona 14:6; 16:13; 17:17.
12. Nahoana moa no tsy azo lavina fa sady tsy azo inoana no mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny “créationnisme”?
12 Tao anatin’izao fotoana faramparany izao, ireo fivavahana mpanao ara-bakiteny dia nampifanohitra ny evaolisionisma amin’izay antsoiny hoe “créationnisme”. Izy ireny anefa dia nanolotra fanaporofoan-kevitra sady tsy azo inoana no mifanohitra amin’ny Soratra Masina. Manizingizina tokoa ireo mpanohana ny “créationnisme” fa ny lanitra, ny tany sy izay rehetra ao aminy dia noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny 6 andro misy 24 ora avy, eny, tao anatin’ny 144 ora monja. Ny fanizingizinana toy izany dia nitarika olona maro be hanamavo ny Baiboly. Raha ny marina, ao amin’ny Soratra Masina, moa ve ny indray “andro” mifanitsy foana amin’ny 24 ora? Ohatra, ny Genesisy 2:4 dia miresaka ny amin’ny “andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra”. Io “andro” io fotsiny anefa dia mahafaoka ireo “andro” famoronana enina resahina ao amin’ny Genesisy toko 1. Araka ny fampiasan’ny Baiboly an’io teny io, ny “andro” iray dia vanim-potoana voafetra fotsiny. Amin’i Jehovah, ny indray “andro” dia mety hifanitsy amin’ny arivo taona, na amin’ny an’arivony taona maromaro mihitsy aza araka ny hita amin’ireo “andro” famoronana. Mety sy mifanaraka amin’ny tena siansa àry ny fitantaran’ny Baiboly amin’io hevitra io. — II Petera 3:8.
Ny fiandohan’ny fiainana
13. a) Ahoana no anazavan’ireo mpanohana ny evaolisiona ny fiandohan’ny fiainana? b) Nahoana moa no mahatsikaiky ny manizingizina fa niforona ho azy teo araka ny kisendrasendra ny sela velona?
13 Ahoana no anazavan’ireo mpanohana ny evaolisiona ny fiandohan’ny fiainana? Lazainy fa an-davitrisany taona vitsivitsy izay, ny ranomasina nanarona ny tany dia nety ho niova izay antsoin’izy ireo hoe “lasopin’ny tenan-javatra”, sady mbola tsy nanana aina. Nanaraka izany, mbola araka ny filazan’izy ireo ihany, dia ‘niforona ny molekiolina niavaka indrindra noho ny kisendrasendra tena tsy azo inoana’. Rehefa avy eo io molekiolina io dia niteraka tamin’ny fomba mahagaga mba hahaforona molekiola hafa izay nikambana mba hahaforona sela velona. Mety ho hita ve ny fanazavana tsy azo inoana ho marina toy izany. Nanoratra toy izao ilay nanao izany filazalazana izany tao amin’ny fampidiran-dresaka amin’ny bokiny: “Ity boky ity (...) dia manana toetry ny siansa-angano.” Angano, eny, fa tsy siansa loatra! Fa raha ny amin’ilay revio atao hoe National Geographic, raha niresaka ny amin’ny toromarika voasoratra ao amin’ny A.D.N. amin’ny sela bitika iray izy, dia nilaza fa “raha tokony hosoratana izany, dia hahafeno boky 600 pejy eo amin’ny arivo”. Amin’izany, moa ve tsy hadalana ny hanizingizinana fa ny sela velona dia niforona ho azy teo tamin’ny kisendrasendra tao amin’ny atao hoe lasopy tany am-boalohany?
14. Mba hiarovana ny fahamarinana, ny maha-marim-pototra ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly inona moa no tokony hoporofointsika?
14 Mety sy mora azo kokoa ny fanazavana naroson’i Davida, anankiray amin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly; nanoratra izao manaraka izao izy ao amin’ny Salamo 36, andininy faha-5 sy 9: “Jehovah ô, (...) ao aminao no misy loharanon’aina.” Isika izay miaro ny fahamarinana, tokony hanaporofo isika fa marim-pototra io fampianarana lehibe ao amin’ny Baiboly io. — Jereo koa Salamo 100:3; Isaia 42:5, 8.
Fivoarana miandalana sa famoronana mivantana?
15. a) Raha marina ny evaolisiona, ahoana no hanamarinan’ireo taolam-biby tranainy be voatahiry izany? b) Inona no asehon’ireny tahirin-taolam-biby ireny, ary fanambaran’i Darwin inona no voamarina amin’izany?
15 Kanefa, moa ve hatramin’ny nahaterahan’ny aina tsy mety hisy karazana velona samy hafa hivoatra miandalana mba hanome karazana vaovao? Raha izany tokoa no izy, ireo taolam-biby tranainy be voatahiry dia hanamarina izany. Izany ve no hita? Aoka hojerentsika izay nifanarahana ny hiantsoana azy hoe fotoan’ny Cambrien. Tamin’izany fotoana izany, ireo antokom-biby tsy misy taolana lehibe indrindra dia hita voalohany sy miaraka ao anatin’ny karazana velona “nitombo fatratra” nahatalanjona. Raha niara-nipoitra tampoka ireny antokony faran’izay tsy mitovy ireny, ahoana no ho nahafahany nivoatra avy amin’izy samy izy? Ny tenan’i Darwin aza dia niaiky tamim-pahatsorana toy izao: “Raha nisy karazana maro (...) nipoitra tampoka tokoa, izany toe-javatra izany dia hanafoana ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona! — I Korintiana 3:19, 20.
16. a) Raha ny amin’ny fisehoan’ny karazam-piainana samihafa, ahoana no anoheran’ny tahirin-taolam-biby tranainy be ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona? b) Momba izany, fahamarinana voaporofo inona no lazaina ao amin’ny Genesisy 1:25?
16 Ahariharin’ireo taolam-biby tranainy be voatahiry fa nisy karazam-piainana tsy nitovy sy faran’izay be kojakojany niseho tampoka sy efa nivelatra tanteraka. Nanome izao fanazavana izao koa ny mpampianatra siansa momba ny natiora iray: Trozona, ramanavy, soavaly, rajako, elefanta, bitro dia, vontsira, ets, dia tsy nitovy daholo toy ny ankehitriny fony izy ireo nipoitra voalohany. Tsy hita mihitsy izay soritry ny razana iombonana ary vao mainka tsy hita toy izany koa izay hoe fampitohizana azy amin’ny biby mikisaka tombanana ho razambeny.” Efa mba hita ve ny sisan-taolana zirafa izay ampahatelo na ampahefatry ny an’ny zirafa ankehitriny ny halavan’ny tendany? Tsia. Ny fahamarinana tokoa dia vakina ao amin’ny Genesisy 1:25, izay milaza toy izao: “Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” Eny, tsara dia tsara.
17. Fahamaroan-karazana manao ahoana sy fandaminana mahatalanjona inona no hita eo amin’ireo zavaboary velona, ary inona no hany manazava ny fisehoany?
17 Hevero koa ny karazam-piainana mahatalanjona misy eto an-tany. Moa ve ny vonindraozy, ny lolo, ny voron’ny paradisa, ny vorombola mbamin’ny voninkazo sy zavaboary hafa an’arivony maro nahazo ny hasoany samy hafa aoka izany avy tamin’ny kisendrasendra? Moa ve izany vokatry ny fahaveloman’ny zatra kokoa? Moa ve izany zava-mahatalanjona rehetra izany kosa tsy samy sangan’asa nosaintsainina sy noforonin’ny Mpamorona iray feno fitiavana izay maniry ny handraisan’ny asany anjara amin’ny fahasambaran’ny olombelona? Rehefa dinihintsika ny hakanto maharavoravon’ny zavatra rehetra eo amin’ny planetantsika mahatalanjona, dia tsy afaka afa-tsy ny hihiaka toy izao isika: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” — Salamo 104:24.
18. Nahoana no mety ny hiheverana fa tsy maintsy ho noforonin’Andriamanitra ny “ornithorynque”?
18 Ny fandaminana be kojakojany rehetra dia milaza fisian’ny mpandamina manan-tsaina iray. Ny manana aina velona rehetra anefa dia manaporofo fisian’ny fandaminana iray faran’izay be kojakojany. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny “ornithorynque” miaina any Aostralia. Tahaka ny an’ny bitro ny habeny, manana volo toy ny an’ny “loutre” izy, vavan-gana, fantsin’akoholahy, nefa koa tongotra mivelatra mirantsana sy hoho. Manatody sahala amin’ny biby mikisaka izy ary mamahana ny zanany toy ny biby mampinono. Mety aminy daholo na ny tany maina na ny rano. Nety ho nivoatra avy amin’ny biby inona ny “ornithorynque”? Io biby io, izay tsy mivoaka afa-tsy amin’ny alina, dia tena nofy ratsy ho an’ny evaolisionista! Ny biolojista iray tao amin’ny Oniversite Harvard dia niresaka ny amin’izy io ho “zavaboary voaforona tsara mba hanana fomba fiaina miavaka sy tsy fahita”. Mpamorona miavaka iza no nanao azy tsara toy izany? Tsy mety afa-tsy ho ilay Andriamanitra izay manambara hoe: “Ahy ny biby rehetra any an-ala.” — Salamo 50:10.
19. a) Zavatra mahatalanjona inona no vitan’ny “fauvette” bitika iray? b) Ahoana no ahaizany izany?
19 Inona koa no holazaina ny amin’ny atao tonga ho azy nomena ny zavaboary velona be dia be aoka izany? Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny karazana “fauvette” izay tsy milanja afa-tsy eo amin’ny roapolo grama. Hainy ny mifidy ireo toetr’andro tsara amin’ny fararano mba handaozana an’i Alaska sy hanidinana hatrany Nouvelle-Angleterre. Any izy dia sady mihinana be dia be mba hitehirizana menaka no miandry ny fahatongavan’ny rivotra mangatsiaka avy any avaratra. Amin’izay izy dia miakatra avo dia avo, any amin’ny 6 000 metatra mahery, mba hamela ny tenany hoentin’izany hankany Afrika, mandra-pahatongan’ny fotoana hanararaotany rivotra mahery hafa iray hitodiany any Amerika Atsimo halehany. Izany fahaizana avy hatrany rehetra izany dia voalahatra ao anatin’ny atidoha iray mitovy habe amin’ny pitipoa! Afaka manazava ny fiandohan’ny fahaizana avy hatrany toy izany ve ireo evaolisionista? Tsia, tsy hainy izany. Ny Baiboly kosa anefa dia manondro ny loharanony: Jehovah, “Izay nanao [tamim-pahendrena tsy hita fetra] ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny”, anisan’izany ireo zavaboary “hendry sady mahay”. — Salamo 146:5, 6; Ohabolana 30:24-28.
Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra ve ianao?
20. a) Inona no hany fanazavana ny amin’ireo zava-mahatalanjona manodidina antsika? b) Ahoana no ampisehoan’ny Mpamorona antsika ny hatsaram-pony amintsika? d) Tokony hanosika antsika hanao inona izany satria isika mpiaro ny fahamarinana?
20 Ny marina dia hoe manaporofo hasoa, fandaminana sy fahalehibeazana mampitolagaga aoka izany ny lanitra sy ny tany, hany ka tokana ihany ny fanazavana: izany rehetra izany dia noforonin’ny Fisiana manan-tsaina iray, tsitoha sy feno fitiavana. Ao anatin’ny toe-javatra ara-dalàna, ny faritra araka ny natiora iainantsika sy ireo vavahadin-tsaina nomen’Andriamanitra antsika dia mikambana amin’ny fomba mahatalanjona mba hahasambatra antsika. Ny masoandro mody izay mahavariana ny masontsika, ny hanitry ny voninkazo fohintsika, ny voankazo fy tian’ny vavantsika, ny rivo-malefaka mangatsiatsiaka mbamin’ny mozikan’ala mahafinaritra ny sofina dia samy porofon’ny hatsaram-pon’ny Mpamorona antsika sady Andriamanitra (Salamo 136:1-6, 25, 26). Ny faniriana mamintsika indrindra dia tokony ho ny fampisehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra amin’ny fiarovana ny fahamarinana ao anatin’izao tontolo izao ratsy manodidina antsika. Tsy azo lavina fa ‘ny tenin’Andriamanitra dia fahamarinana’.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo fahamarinana araka ny Baiboly nambaran’i Jesosy Kristy ao amin’ny Apokalypsy 4:11; Matio 19:4; Lioka 24:46, 47; Matio 20:28; 6:10; Jaona 5:28, 29; 17:3; Lioka 23:43, MN.
b Izao no nambaran’i Karl Marx: “Zava-dehibe tokoa ny bokin’i Darwin ary ampiasaiko ho fototry ny ady ataon’ireo kilasy eo amin’ny tantara.”
Amin’ny maha-mpiaro ny fahamarinana anao, ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no niadian-kevitra ny amin’ny fahamarinana?
◻ Ahoana no ampihariharian’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireo fahadisoan-kevitra nanam-piandohana babyloniana?
◻ Inona no hany fanazavana azo inoana ny amin’ny nisehoana sy ny fahamaroan-karazan’ny endri-piainana?
◻ Mampahafantatra inona antsika moa ny namoronana ny zavaboary velona tamin’ny fomba mahagaga?
◻ Ahoana no azontsika anehoana fankasitrahana ny Mpamorona antsika?
[Sary, pejy 10]
Izao no nolazain’i Jesosy tsy nisy fihambahambana: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo.”
[Sary, pejy 12]
Charles Darwin: araka ny filazany, dia avy amin’ny olona-rajako isika.
[Sary, pejy 13]
Nalevin’ny Eglizy anglikana tamim-pitiavam-pivavahana tao amin’ny monasiteran’i Westminster i Darwin.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
U.S. Fish & Wildlife Service