Nitana ‘fangady tarihina aho ary tsy niherika’
REHEFA niakatra tamin’ny fiaramanidina ho any Bolivie, tany honenako, aho, ireo teny nosoratan-dreniko tao amin’ny taratasiny farany dia nanakoako tao an-tsaiko: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:62). Tapa-kevitra aho ny hanao zavatra mifanaraka amin’ireo teny ireo.
Mazava ho azy fa zava-baovao tanteraka ho ahy ny asa misionera, kanefa aho efa nandany dimy taona nahafinaritra tamin’ny asa manontolo andro. Nianatra ny fahamarinana aho tamin’ny alalan’ireo ray aman-dreniko izay nanomboka niara-nianatra ny Soratra Masina tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, tamin’ny 1923. Marina fa vao efa-taona aho tamin’izany fotoana izany, kanefa tiako ny hahazo ny hevitr’ireo zavatra voasoratry ny fikambanana Watch Tower. Nandritra ny taona maro anefa ny fianakaviako dia tsy tena niandany tamin’ny fahamarinana. Ny sasany tamin’ireo mpifanila trano taminay izay Mpianatra ny Baiboly dia tonga indraindray mba hitsidika anay. Tsaroako koa fa nankany an-tranon’izy ireny ny raiko mba hihaino ireo lahatenin’i Rutherford mpitsara tao amin’ny radiao.
Tsy nanomboka namoa anefa ny voan’ny fahamarinana raha tsy tamin’ny 1938. Ny reniko izay nisara-panambadiana teo anelanelan’izany ary nanambady indray, dia nanomboka nandray ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy namaky izany tamim-pahalianana. Fa raha ny amiko, dia nihetsi-po indrindra aho rehefa nahafantatra fa hisy “olona betsaka” ho tafita velona amin’ny fandravana ny fandehan-javatra ankehitriny ka honina mandrakizay eto an-tany (Apokalypsy 7:9-14). Nilaina tanteraka ny hampahafantarana izany fanantenana izany ny olon-kafa.
Koa rehefa avy natao batisa tamin’ny jona 1939 aho, dia namboly faniriana ny ho tonga minisitra manontolo andro, izany hoe mpitory maharitra. Rehefa nanorim-ponenana tany Colorado aho, dia nifankahalala tamin’ny rahavavy anankiroa mpitory maharitra mandavantaona, Helen Nichols sy ny reniny, izay nanana fanantenana ny ho any an-danitra. Ireo fitantarana zavatra hita teny am-pitoriana niavaka nolazain’izy ireo dia vao mainka namporisika ahy hanao ny asan’ny mpitory maharitra. Tamin’izany no nanendrena ahy ho mpitory maharitra tany Salida, any Colorado, tamin’ny may 1940.
Nahazo diplaoma avy ao Galaad aho ka nanompo tany an-tany hafa
Rehefa avy nanao ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny taona vitsivitsy tany amin’ny faritra samy hafa amin’i Colorado sy Indiana aho, dia nasaina ho anisan’ny kilasy fahatelo amin’ny Sekolin’i Galaad. Io sekoly io dia nalamin’ny Fikambanana Watchtower mba hampiofanana misionera. Nahita fifaliana maro aho rehefa nanaraka nandritra ny dimy volana nahafinaritra ny fianarana tao amin’ny Sekolin’i Galaad. Tsy nirahina avy hatrany ho any an-tany hafa anefa aho taorian’ny nahazoana ny diplaomako. Mbola nirehitra foana ny Ady Lehibe Faharoa. Nangatahina aho mba hiaraka vonjimaika tamin’ny rahavavy fito hafa ho any West Haven, any Connecticut. Tamin’ny 1945, dia voatendry ho any Washington aho. Na dia izany aza, dia nalalaka ny lalana nony avy eo mba hankanesako ho any an-tany hafa, teto amin’ny faritany nomena ahy: La Paz, atỳ Bolivie.
Kanefa anie ka tsy mbola nandre firesahana mihitsy ny amin’i Bolivie aho talohan’ny nanendrena ahy mba hiasa atỳ! Tsy mahagaga mihitsy raha somary velom-panahiana aho tamin’ny fotoana niaingana ka tonga tao an-tsaiko ny fanontaniana sahala amin’izao: Ho afaka ny hahomby ve aho amin’ny asa misionera? Hahay haharitra ve aho? Tsaroako fa nanoro hevitra ahy ny reniko mba ‘hitana ny fangady tarihina ka tsy hiherika’; vao mainka aho tapa-kevitra kokoa ihany ny hahomby amin’ny asa misionera. Etsy andaniny koa, dia tsy ho irery aho ao amin’io faritany io. Niaraka tamiko ny rahavaviko sy ny zaodahiko; nahazo diplaoma tao amin’ny kilasy fahefatra amin’ny Sekolin’i Galaad izy ireo. Ny 9 jona 1946, dia tody teto La Paz ny fiaramanidinay.
Tao anatin’ny fikomiana indrindra
Tamin’ny andro nahatongavako indrindra, dia nisy nanandrana nanapoaka fikomiana tamin’ny fandatsahana baomba tao amin’ny Lapan’ny fitondram-panjakana. Tsy nipoaka ilay baomba ary nitsahatra tampoka ilay fikomiana. Tsy ampy roa volana taty aoriana anefa, dia tena nipoaka tokoa ny fikomiana hafa iray, ary maro no naratra na maty. Ny filoham-panjakana mbamin’ny sasany tamin’ireo minisiny dia nahantona teo amin’ny fanala lehibe iray tao amin’ny kianja lehibe indrindra tao an-tanàna. Izany no nanamarika ny fanombohan’ny fivahiniako teto Bolivie.
Taorian’izany fandringanana lehibe izany anefa, dia azonay natao ny ‘nampionona ny malahelo’, ary Boliviana nanetry tena maro no niseho ho vonona ny hiara-mianatra ny Baiboly taminay (Isaia 61:1, 2). Tamin’izany fotoana izany izahay dia matetika no nampiasa toriteny noraisina feo mba hanaovana fanambarana tamin’ireo olona hitanay. Nitondra fonografy sy kitapo feno boky izahay ka nananika sy nidina tamin’ireo havoana mideza eto La Paz. Koa satria tonga tany amin’ny 3 600 metatra izahay, dia sempotra. Noho ny tsy fahaizako loatra ny teny espaniola, dia nieritreritra ny olona sasany fa tiako ny hivarotra ny fonografy sy ireo disika.
Nandia fotoana nahafaly maro aho rehefa nanomboka ny asa misionera. Indray andro, raha nandeha isan-trano tao amin’ny anankiray tamin’ireo faritany tsara tarehy eto La Paz aho, dia nisy vehivavy mpiasa an-trano namoha varavarana sy nanasa ahy hiditra. Nihaino ahy ilay vehivavy tompon-trano ary nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Nahoana izy io no nandray avy hatrany toy izany? Vao avy nodidiana izy ary namaky ny Baiboly fony tany amin’ny hopitaly. Hitany fa ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly dia hafa tanteraka noho ny nampianarin’ny Fiangonany. Naneho faniriana mafy ny hamaky ireo boky navelako ho azy àry izy. Talohan’ny hiverenako hitsidika azy anefa, dia nitady ahy izy ka tamin’ny farany dia nahita ahy teo an-joron-dalana iray, teo am-panolorana ny mpandalo ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous!. ‘Miangavy anao aho mba ho any amiko’, hoy izy nanantitrantitra. Nandroso haingana izy tamin’ny fianarany ny Baiboly, ary tsy ela dia natao batisa. Ankehitriny, 30 taona eo ho eo atỳ aoriana, dia mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ihany izy.
Saribakoly maloto iray
Nijanona nandritra ny 11 taona teto La Paz izahay, rehefa avy eo dia voatendry ho any atsimon’i Bolivie. Ny rahavaviko, ny vadiny, ny namako tamin’ny asa, Esther Erickson, sy ny tenako, dia nitodi-doha ho any amin’ny tanàna kelin’i Tupiza. Tamin’ny febroary 1957 no nitrangan’izany. Tsy lavitra ny lalam-by mampitohy an’i Bolivie amin’i Argentine no nisy an’i Tupiza. Manana toetra mahay mampiseho fitiavana ny mponina ary mora ny manomboka fampianarana Baiboly. Tsy ela tokoa dia nandamina fivoriana tsy tapaka izahay, ka olona maromaro tao Tupiza no nanatrika izany.
Indray andro, dia nahita saribakoly naloto iray tao an-tokotany izahay, teo anoloan’ny tranonay. Inona no dikan’izany. Niharihary fa nanomboka nanoro hevitra ny olona ny pretra mba tsy hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah, koa nanandrana nandefa hechizo, izany hoe ody hamelezana anay ny sasany. Niharihary fa tsy nanan-kery anefa ny hechizo nataon’izy ireo.
Koa satria tsy be mponina loatra i Tupiza, tsy ela izahay sy Esther dia voatendry ho any Villazón, tanàna kely hafa iray eo amin’ny sisin-tanin’i Bolivie sy Argentine. Karankaina io faritra io, be rivotra sy mangatsiaka. Tsy kivy anefa izahay, satria natoky fa hotahin’i Jehovah.
Rehefa nanomboka nitory tao amin’ilay tanàna izahay sy Esther, dia nahamarika fa nahanton’ny olona teo amin’ny varavarankeliny ny taratasy nisy izao soratra izao: “Rarana ny fidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny evanjelisitra.” Tsy fantatry ny mponina tao Villazón tanteraka anefa hoe iza ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy ny tany Tupiza, dia nisy pretra nandray anjara ka nizara ireny petadrindrina ireny tao amin’ny eglizy mba hataon’ny olona eo am-baravarankeliny. Na dia tao aza izany, dia nandray tsara ny hafatra ny mponina tany Villazón; ary nametraka boky be dia be izahay ary nanomboka fampianarana ny Baiboly maro. Niala tsikelikely teny am-baravarankely ireo taratasy nisy soratra.
Toerana taiza anefa no hanaovanay ireo fivorianay? Novanay ho Efitrano Fanjakana ny efitra kelinay; hazo fisaka natao teo ambony baoritra feno boky no natao seza. Koa satria tsy nisy anadahy vita batisa mihitsy, dia nisaron-doha izahay sy Esther ka nitarika ireo fivoriana. Toy inona moa ny fifalianay, satria olona maherin’ny zato no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy nankalazainay voalohany tao amin’io tanàna io. Marina fa ny sasany dia tonga mba hahita fotsiny ny fomba fanaovan’ny gringas (ny vehivavy hafa firenena) ireo fivoriany. Kanefa ny sasany tamin’ireo izay tonga voalohany noho ny fahalianana hahafanta-javatra dia Vavolombelona izao.
Nitory tao amin’ny tanàna kelin’i La Quiaca, any Argentine, koa izahay, ka tao dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’olona tsara fikasa maromaro. Noho izahay tsy maintsy namakivaky ny sisin-tany matetika tokoa, dia nanintona ny sain’ny mpiasan’ny ladoany izany. Indray andro, raha niverina avy tany Quiaca izahay, dia nangataka anay izy io mba tsy hiasa ankarihary toy izany, satria norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Argentine. Koa namaly azy toy izao aho: “Nino aho fa nahatakatra hoe niantoka ny fahalalahana ara-pivavahana ny fitondram-panjakanareo.” Nohazavainy taminay tamin’izay fa nanosika an’ireo minisitra hamoaka didy fandrarana ireo pretra. Na ahoana na ahoana, nanomboka tamin’io andro io, dia mody tsy nahita anay izy isaky ny namaky ny sisintany izahay mba ho any Argentine.
Nijanona efa-taona tany Villazón izahay. Tao amin’io tanàna io, ilay namako dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny lehilahy iray izay ny vadiny dia nitana chichería, hotely nivarotana fisotro vita tamin’ny katsaka natao namorivory (fermenté). Taorian’ny nahalalana ny fahamarinana, dia natao batisa io lehilahy io; rehefa avy eo izy dia nanompo tamin’ny naha-loholona, ary izany dia mandra-pahafatiny. Inona no niafaran’ilay chichería? Efitrano Fanjakana izy izao. Fony izahay nandao an’i Villazón, dia mpitory 20 no nahaforona ilay kongregasiona. Ankehitriny any dia misy Vavolombelona 60 eo ho eo, ary olona eo amin’ny 110 no manatrika ireo fivoriana amin’ny faran’ny herinandro.
Tsy ‘miherika’ mihitsy
Rehefa niala avy tany Villazón izahay, dia nankany Santa Cruz, any atsinanan’i Bolivie. Toy inona moa ny fifaliana nahatsapa ny fandrosoan’ny asa tao amin’io tanàna io! Nitatra ilay kongregasiona kely nisy mpitory 20 mba hahaforona kongregasiona sivy nandroso. Rehefa avy eo, tamin’ny 1965, dia niverina mba honina eto La Paz aho, ao amin’ny anankiray amin’ireo tranon’ny misionera, ary mbola eto foana aho.
Tamin’ny febroary 1978, dia nirodana teo amiko ny rindrina “adobes” raha nidina ny aotobisy aho. Tapaka ny ranjoko havanana ka voa mafy aoka izany aho ary voatery nianatra nampiasa ny tongotro. Nandray ny asako indray anefa aho izao ary afaka mitarika fampianarana Baiboly.
Tsia, tsy zavatra mora foana akory ny asa manontolo andro. Nisy fifandimbiasan’ny vanim-potoana nahafaly sy nampalahelo, nisy alahelo sy fahadisoam-panantenana. Kanefa ny fifaliana mahita olona sahala amin’ny ondry sy manampy azy ireny hanompo an’i Jehovah dia nihoatra noho ny fanonerana ny fahadisoam-panantenana nety ho tsapako. Ankehitriny, rehefa avy nandany 44 taona tamin’ny asa manontolo andro aho, dia mbola tapa-kevitra kokoa ihany tsy misy toy izany ny hanohy ‘hitana ny fangady tarihina’ sy handray anjara amin’ny asa mbola tokony hatao amin’izao androntsika izao. — Nataon’i Betty Jackson.
[Sary, pejy 28]
Nitory ny vaovao tsara tany Bolivie i Betty Jackson.