Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nanambara i Jesosy fa “ny rano” nomeny dia ho tonga “loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” Inona no tiany holazaina tamin’izany?
Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny vehivavy Samaritana iray: “Izay rehetra misotro ity rano ity [tao amin’ny fantsakan’i Jakoba] dia mbola hangetaheta indray; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” — Jaona 4:13, 14.
Ao amin’io fanambarana io dia ahariharin’i Jesosy ireo soa amin’ny lafiny ara-panahy azon’ny olona iray manaiky ny teniny ka tonga anankiray amin’ireo mpianany. Raha manohy mandray fahalalana marina an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izy ka manao zavatra amim-pinoana mifanaraka amin’izany, dia eo amin’ny toerana mety hahazoana ny fiainana mandrakizay (Jaona 17:3). Jesosy dia nampitaha izany fiovana atao ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona iray izany tamin’ny loharano miboiboika iray izay mitondra soa ho azy, manatanjaka hatrany ny finoany ary mitarika ny diany ho eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay.
Na dia soritana aza ao amin’ny Jaona 4:14 ny soa raisin’ny kristiana isam-batan’olona, dia mazava ho azy fa tian’ilay kristiana ny hizara amim-pahalalahan-tanana ny rano ara-panahy ananany be dia be. Iriny ny mpiara-belona aminy handre ny hafatr’i Kristy ka amin’ny farany dia hanana ao amin’izy ireo loharano mampiboiboika soa ara-panahy tahaka izany izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Azo inoana fa ny amin’izany fampielezana ny hafatra izany no noeritreretin’i Jesosy rehefa nanonona toy izao ny teny voasoratra ao amin’ny Jaona 7:37-39 izy: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany.”
Noho ny fanosehan’ny fanahin’Andriamanitra, dia ny heriny miasa, noraisin’izy ireo nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, ireo apostoly sy ireo mpianatr’i Jesosy dia nahazo vokatra niavaka tamin’ny asa fampitana tamin’ny hafa izany rano velona izany. Mbola mandray anjara lehibe foana ny fanahin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Izany dia manomana sy manosika ireo mpianatr’i Jesosy, na ny sisa voahosotra na ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”, hampita ny rano mamelombelona amin’ny olombelona mangetaheta, ka ataony izany amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. Araka izany, izay rehetra mangetaheta dia tokony hanatona an’ilay ampiasain’Andriamanitra mba hizarana ny ranon’ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 24:14; 28:19, 20; Jaona 7:37; 10:16; Apokalypsy 7:9.