FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/10 p. 8-9
  • Nioty salohimbary tamin’ny andro sabata izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nioty salohimbary tamin’ny andro sabata izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiotazana salohim-bary tamin’ny Sabata
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nioty Varimbazaha Tamin’ny Sabata Izy Ireo
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Sabata, Andro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fetin’ny Sabata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/10 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Nioty salohimbary tamin’ny andro sabata izy ireo

TSY ela dia nandao an’i Jerosalema i Jesosy sy ireo mpianany mba hiverina tany Galilia. Amin’ny lohataona isika izao ary masaka ny salohimbary eny an-tsaha. Noana ireo mpianatra. Nioty salohimbary vitsivitsy àry izy ireo ka nihinana izany. Tsy niafina anefa ny nataon’izy ireo indray andro sabata.

Tao Jerosalema, ireo filoha ara-pivavahana dia nitady hamono an’i Jesosy tamin’ny filazana fa nandika ny sabata izy. Nisy Fariseo izao niampanga azy hoe: “Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ny Sabata.”

Nilaza ireo Fariseo fa ny fiotazana vary sy ny fikosohana izany tao amin’ny tanana mba hihinanana azy dia toy ny mijinja sy mively voa. Ny filazana tery nataon’izy ireo ny amin’ny atao hoe asa dia nahatonga ny sabata ho enta-mavesatra, kanefa izany tokony ho fotoam-pifaliana sy fampandrosoana ara-panahy. Izany no antony nanoheran’i Jesosy ireo Fariseo tamin’ny ohatra nalaina avy tao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra dia tsy ny hanao izay hampiharana amin’ny fomba hentitra loatra toy izany mihitsy ny Lalàny ny amin’ny sabata.

Rehefa noana i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy, hoy Jesosy, dia nijanona tao amin’ny tabernakely ka nihinana tamin’ny mofo aseho. Na dia efa nesorina tsy ho eo anatrehan’i Jehovah aza ny mofo ka nosoloana hafa, mandrakariva izany dia voatokana hohanin’ny mpisorona. Tamin’io toe-javatra io anefa i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy dia tsy voaheloka noho ny nihinanana izany.

Nanome ohatra hafa iray i Jesosy: “Tsy mbola novakinareo ao amin’ny lalàna va fa amin’ny Sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly manota ny Sabata [manao ny sabata ho tsy masina, MN ], nefa tsy manan-tsiny?” Eny, na dia mandritra ny sabata aza, ireo mpisorona, tao amin’ny tempoly dia nanohy namono sy nanao asa hafa ho amin’ny fanatitra biby. “Ary dia lazaiko aminareo, hoy Jesosy nanohy ny teniny, fa misy eto lehibe noho ny tempoly.”

Avy eo dia nanome tsiny ireo Fariseo toy izao izy: “Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra’, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo.” Ary dia nofaranany hoe: “Fa Tompon’ny Sabata ny Zanak’olona.” Inona no tiany holazaina?

Nasiany fitenenana ny amin’ny Fanjakany arivo taona ho feno filaminana. Nandritra ny 6000 taona ny olombelona dia niharan’ny fanandevozana mafy avy amin’i Satana Devoly, ka anisan’ny fiainana andavanandro ny herisetra sy ny ady. Nefa kosa, ny sabata lehibe asehon’ny Fanjakan’i Kristy dia hanamaivana ny olombelona amin’ny fanaintainana sy ny fampahoriana rehetra. Matio 12:1-8; Levitikosy 24:5-9; I Samoela 21:1-6; Nomery 28:9; Hosea 6:6.

◆ Inona no niampangana ireo mpianatr’i Jesosy ary ahoana no namalian’i Jesosy izany?

◆ Fahadisoan’ny Fariseo inona no nahariharin’i Jesosy?

◆ Tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no “Tompon’ny Sabata”?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara