FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/11 p. 15-20
  • Tanora mampifaly ny fon’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanora mampifaly ny fon’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no mampiseho fahendrena izany
  • Ny fihetseham-ponao amin’Andriamanitra
  • Nampifaly ny fon’Andriamanitra izy ireo
  • Ny fomba hampifaliana ny fon’Andriamanitra amin’izao andro izao
  • Tanora Mampifaly ny Fon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ry Tanora, Mitsinjo ny Hoavinareo ve Ianareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Tanora Izay Mahatsiaro ny Mpanao Azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/11 p. 15-20

Tanora mampifaly ny fon’i Jehovah

“Ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” — OHABOLANA 27:11.

1. Amin’ny ahoana moa ny fomba iainantsika ny fiainantsika no mahakasika ny ray aman-drenintsika sy ny Mpamorona antsika?

NA mahatsapa izany ianao na tsia, ny fomba iainanao ny fiainanao dia zava-dehibe tokoa. Ny ray aman-dreninao indrindra no mihevitra izany ho zava-dehibe. “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.” (Ohabolana 10:1; 23:24, 25). Afa-tsy izany koa, ary mbola zava-dehibe kokoa ihany, ny fomba iainanao ny fiainanao dia mety hampifaly na hampalahelo ny Mpamorona, Jehovah. Omeny antsika izao fanasana izao: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” — Ohabolana 27:11.

2. Inona no fanontaniana lehibe napetrak’i Satana, ary amin’ny ahoana no voakasika isika?

2 Miharihary fa Satana Devoly no mihaika an’i Jehovah. Tao amin’ny saha Edena Satana dia nampipoitra fanontaniana iray tena lehibe nitady valiny avy tamin’Andriamanitra. Ny zavatra rehetra dia mampiseho fa rehefa mitarika an’i Eva, avy eo dia Adama, toa tamin’ny fomba mora, handika ny lalàn’Andriamanitra ny Devoly, dia nihaika an’i Jehovah izy. Raha ny marina, dia nihambo toy izao izy: ‘Omeo fahafahana fotsiny aho, dia hampiala ny olona rehetra aho mba tsy hanompoany anao intsony.’ (Joba 1:6-12). Nataon’i Jehovah ho an’ny zanany àry ny fanasana mampahery voalaza eo ambony mba hanomezany azy ‘valiny’ hahatonga azy ho afaka hamaly ny fihaikan’i Satana.

3. Nahoana moa ny fanasan’i Jehovah no mahakasika indrindra an’i Jesosy, nefa zavaboary hafa inona koa no mampifaly ny fon’Andriamanitra?

3 Fa olona iza indrindra, antsoiny hoe “anaka”, no nanaovan’i Jehovah an’io fanasana io? Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra amin’ny fomba manokana indrindra; izy no hany nateraky ny tenan’Andriamanitra mihitsy (Jaona 1:14). Ambonin’izany, ivelan’i Adama izay nandao ny Mpamorona azy, dia Jesosy no hany olombelona tanteraka velona teto an-tany, noho izany dia ny hany olona afaka nampiseho tamin’ny fomba feno fa azo atao ny tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra (I Korintiana 15:45). Araka izany, ny fanasan’i Jehovah dia miantefa indrindra amin’i Jesosy. Tsy nandiso fanantenana ny rainy izy io. Tamin’ny tsy fivadihany, dia nomeny azy ny fahafahana hamaly ny fihaikan’i Satana tamim-piavonavonana izay nilaza fa raha sedraina ny olombelona dia tsy hanompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana (Hebreo 2:14; 12:2). Afa-tsy izany koa, izay rehetra hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra dia ho efa nampifaly ny fon’i Jehovah tamin’ny tsy fivadihana taminy hatramin’ny fahafatesana. — Apokalypsy 2:10.

4. Rehefa tonga ny fotoana hanapahan-kevitra ny amin’izay hanaovanao ny fiainana, fanontaniana lehibe inona no tokony hoheverinao?

4 Manao ahoana ny fihetsitsika amin’izao andro izao, indrindra fa ny anareo tanora? Moa ve ianareo voakasika amin’ilay fanontaniana lehibe mahakasika ny tsy fivadihan’ny olona amin’Andriamanitra? Izany tokoa (Salamo 147:11; 148:12, 13). Angamba tsy tsapanao izany, fa amin’ny fomba fiainanao dia miandany amin’Andriamanitra na amin’i Satana ianao. Na mampifaly an’i Jehovah ianao, na mampifaly an’i Satana. Raha ny marina, dia azo atao ny mihevitra fa ny fanasana na ny antson’i Jehovah dia miantefa aminao manokana koa, dia ilay manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Moa ve tsy zava-kendrena mitondra soa lehibe dia lehibe tokoa ny fampifaliana ny Mpamorona anao?

Nahoana no mampiseho fahendrena izany

5. Nahoana moa no fahendrena ny hampifaliana ny fon’i Jehovah?

5 Mariho izay amporisihan’i Jehovah antsika: “Hendre.” Nahoana moa no mampiseho fahendrena ny fampifaliana ny fon’i Jehovah? Satria Jehovah Ray feno fitiavana izay tsy mitady afa-tsy ny hahasoa antsika ary na inona na inona asainy ataontsika, dia mba hahasambatra antsika. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Isaia 48:17, 18: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”

6. a) Inona moa no mampiseho fa irin’i Jehovah ny hahasambatra anao eo amin’ny fiainana? b) Vokany inona no tsy azonao halavirina?

6 Tian’i Jehovah rainao tia ny handraisanao soa faran’izay betsaka amin’ny fanomezana sarobidy nomeny anao, dia ny aina. Koa nilaza toy izao izy: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao.” Izany anefa akory tsy fanasana anao hanao izay rehetra mahafinaritra anao. Nanampy izao fampitandremana izao tokoa izy: “Nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany.” (Mpitoriteny 11:9). Tena tsy azonao atao ny manalavitra ny vokatry ny ataonao; hadinin’Andriamanitra aminao izany. Azo antoka izao fitsipika izao: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” — Galatiana 6:7.

7, 8. a) Ahoana no azo analavirana ny fahasahiranana sy ny fahoriana? b) Amin’ny fotoana toy inona moa no zava-poana ny fahatanorana sy ny fivelaran’ny hery?

7 Izany no antony nanambaran’i Jehovah toy izao nanaraka izany: “Koa esory ao am-ponareo ny alahelo [na ny antony rehetra miteraka fanahiana], ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.” (Mpitoriteny 11:10). Azo antoka fa fahendrena ny hanalavirana fanaovan-javatra izay hiteraka fahasahiranana ho anao any aoriana. Mazava ho azy fa hilaza aminao ny sasany fa mampihafy ny tenanao ianao, fa tsy mbola tena “niaina” ny tena raha tsy mbola mamo, nanao fisetran-javatra tsy ara-dalàna na nanao zavatra mampiseho ‘fahasahiana’ toy izany. Adala ireny. “Tena tsy nisy nilana izany mihitsy”, hoy ny fitarainan’ny zazavavy iray nitomany rehefa avy nijangajanga. “Hatramin’izay, dia very hevitra foana aho.”

8 Noho izany, ry tanora, dia misehoa ho hendry ary araho ny torohevitr’Andriamanitra amin’ny fanesorana tsy ao am-ponareo izay rehetra mety hiteraka fanahiana na nenina, toy ny hitan’ireo tanora manana fiainana feno fitiavan-tena sy tsy miraharaha na inona na inona. Ny mpanoratra hevitra amin’ny ambangovangony iray tamin’ny taonjato faha-17 dia nilaza toy izao: “Ny ankamaroan’olona dia mandany ireo taonany voalohandohany hanaovana izay hahatonga ireo farany ho feno alahelo.” Mampalahelo izany, kanefa marina. Rehefa mandanilany foana ny heriny ara-batana sy ny fahaizany ny zazalahy iray ka manasarotra kokoa ireo taonany ho avy amin’ny maha-olon-dehibe, dia tena zava-poana tokoa aminy ny fahatanorana sy ny fotoana fivelaran’ny hery (Ohabolana 22:3). Hendre àry. Araho izao torohevitra izao: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” — Mpitoriteny 12:1.

9. Soa inona avy no ho azonao raha mahatsiaro ny Mpamorona anao ianao mandritra ny fahatanoranao?

9 Raha mahatsiaro an’i Jehovah ianao mandritra ny fahatanoranao, dia tena handray soa tokoa. Tsy vitan’ny hoe hisoroka ny fahasahiranana sy ny fahoriana ianao, fa hanana fiainana sambatra sy ampoky ny soa dieny izao eo amin’ny asan’ilay Mpamorona lehibe. Ambonin’izany, dia hihary amim-pahendrena harena any an-danitra ianao, dia harena izay hitondra soa ho anao mandrakizay (Matio 6:19-21). Raha mahatsiaro an’i Jehovah ianao izao amin’ny fanaovana ny sitrapony, dia hahatsiaro anao izy ka hanome anao ‘izay irin’ny fonao’, izany hoe fiainana ampoky ny soa sy sambatra mandrakizay ao amin’ny Paradisa. — Salamo 37:4; 133:3; Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 21:3, 4.

Ny fihetseham-ponao amin’Andriamanitra

10. a) Nahoana moa ny fanapahan-kevitrao hanompo an’Andriamanitra no tsy mety ho ny vokatry ny fanombanana mangatsiaka ny amin’izay mampiseho fahendrena fotsiny? b) Fananarana hafa inona moa no omen’i Jehovah antsika?

10 Kanefa, ny fanapahan-kevitrao hanompo an’i Jehovah dia tsy mety ho ny vokatry ny fanombanana mangatsiaka izay mampiseho fahendrena fotsiny. Fahavalo fetsy aoka izany Satana, hany ka raha tsy mieritreritra afa-tsy ny tombontsoanao manokana ianao, amin’ny farany izy dia hanararaotra fironana mampiseho fitiavan-tena sasany avy aminao mba hampialana anao amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy manasa anao mba hiseho ho hendry fotsiny àry Jehovah; mamporisika anao koa izy mba hanolotra manokana ny tenanao ho azy. Hoy Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.” (Matio 22:37). Fantatrao ve ny dikan’ny hoe tia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra?

11. a) Inona moa no dikan’ny hoe manome ny fon’ny tena ho an’i Jehovah? b) Ahoana moa no ampisehoan’izay hita tamin’i Josefa fa ny antony tsara manosika ny fontsika dia mety hanosika antsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra?

11 Ny fonao dia manondro ny maha-ianao anao lalina, ny antony manosika anao, ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao miafina mbamin’ny fiheveranao. Ny hoe tia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra àry dia milaza fitiavana azy lalina; milaza koa izany fa nanapa-kevitra tamin’ny fomba matotra ianao fa alohan’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana, dia hampifaly ny fony ianao amin’ny fanomezana azy fahafahana hamaly ny fihaikan’i Satana. Izany fahaiza-manavaka anaty izany mbamin’ny fitiavana sy ny fiheveranao lalina an’Andriamanitra dia hampitombo ao aminao antony manosika mahery mba hanaovana ny sitrapony, na dia rehefa mety ho hitanao aza fa manintona aoka izany ny fanaovan-javatra hafa noho izany. Nanam-pitiavana an’i Jehovah toy izany Josefa tanora. Noho izany antony izany, rehefa nanasa azy “handry” taminy ny vehivavy ambony toerana iray, dia hoy ny navaliny azy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” — Genesisy 39:7-9.

12. a) Ahoana no ampisehoanao fa nanome ny fonao ho an’i Jehovah ianao? b) Raha tsy nanome ny fonao ho an’i Jehovah ianao, inona avy no fanontaniana tokony hapetrakao amin’ny tenanao?

12 Asehonao fa tia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra ianao rehefa miteny aminy amin’ny alalan’ny vavaka ianao mba hilaza aminy fa irinao ny ho azy sy ny hanompo azy mandrakizay. Amin’izany no anoloran-tena ho an’i Jehovah. Efa nanolo-tena ho azy ve ianao? Raha tsy izany no izy, inona no misakana anao tsy hanao izany? Ampy fahalehibeazana ve ianao mba hahatakatra ilay raharaha lehibe mampifanohitra an’i Jehovah amin’i Satana? Irinao ve ny hampifaly ny fon’i Jehovah? Azo antoka tokoa fa tsy irin’i Satana ny hitiavanao an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra. Iriny kosa aza ny hiahianao ny tombontsoanao manokana, izay mahafinaritra anao. Iza àry no hampifalinao; Jehovah sa Satana? Eritrereto tsara io fanontaniana io.

13. Raha nanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao ary natao batisa, inona avy no fanontaniana tokony hapetrakao amin’ny tenanao?

13 Raha efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao izao ka nanamarika ny filatsahanao tamin’ny batisa amin’ny rano, moa ve ny fomba fiainanao manaporofo fa tena an’Andriamanitra tokoa ny fonao? Inona no heverinao, iraiketan’ny fonao? Ny fividianana fiarakodia vaovao ve? Ny fomba hahazoam-bola hividianana fitafiana na zavatra hafa ve? Ny tombontsoan’iza moa no omenao ny toerana voalohany: ny anao sa ny an’i Jehovah? Tena novalianao tsy nisy fisalasalana tokoa ve ny fanasan’i Jehovah hanome azy ny fonao?

14. a) Tombontsoa inona moa no ananan’ny tanora? b) Nahoana moa no fahavoazana ny fisian’ny tanora sasany tsy mahatsiaro ny Mpamorona azy?

14 Raha marina fa efa nahita fanandraman-javatra kokoa ireo kristiana be taona kokoa ary mandrakariva manana fahendrena bebe kokoa, ny tanora dia manana tombontsoa sarobidy mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. “Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany”, hoy ny Baiboly.” (Ohabolana 20:29). Ampiasao dieny izao àry izany hery izany. Tsarovy ny Mpamorona anao “dieny tsy mbola tonga ny andro mahory” amin’ny fahanterana, rehefa mihena ny herin’ny vatana ka mihasimba ny faritra aminy ary tsy miasa araka ny tokony ho izy intsony. Toy inona moa ny fahavoazana raha toa ny olona iray izay tsy nahatsiaro ny Mpamorona azy tamin’ny fahatanorany ka tonga eo amin’ny fahanterany tsy manana na inona na inona haseho eo anatrehan’Andriamanitra mba hanome rariny azy. “Zava-poana dia zava-poana” izany. (Mpitoriteny 12:1-8.) Misehoa àry ho hendry ary tsarovy ny Mpamorona anao raha mbola manana hery sy tanjaka ianao. Ataovy izay hahazoana laza ho mpanompo mahatokin’Andriamanitra, dia hasehony fa mahatsiaro anao izy amin’ny fanomezana rariny anao amin’ny fitsarana sy amin’ny fanolorana anao ny fiainana mandrakizay. — Hebreo 6:10-12; Mpitoriteny 12:13, 14.

Nampifaly ny fon’Andriamanitra izy ireo

15. Ohatra inona avy moa no omen’ny Baiboly ny amin’ny tanora taloha izay nampiasa ny heriny ho amin’ny asan’Andriamanitra?

15 Ny Baiboly dia manome ohatra maro ny amin’ny tanora izay nampiasa ny ‘voninahiny’, ny heriny, ho amin’ny asan’Andriamanitra. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ireo “zatovo” izay nisafo ny Tany nampanantenaina haingana sy tamim-pahakingana (Josoa 6:22, 23; 2:15, 16, 23). Raha mbola vao roapolo taona mahery kely ny tenan’i Davida, dia naniraka “zatovo folo lahy” ho any amin’i Nabala mba hitady fanampiana taminy (I Samoela 25:4, 5). Rehefa nanorina indray ny mandan’i Jerosalema teo ambany fandrahonan’ny fanafihan’ireo fahavalony ny Jiosy notarihin’i Nehemia governora, iza no nanao ny asa nanahirana sy nampidi-doza? “Ny antsasaky ny zatovoko, hoy ny fanazavan’i Nehemia, dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitana lefona aman-ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra.” (Nehemia 4:10). Rehefa namely an’i Ananiasy sy Safira vadiny Andriamanitra noho izy ireo nandainga, dia “ny zatovo” no nitondra azy ireo sy nandevina azy. — Asan’ny apostoly 5:5, 6, 10.

16. Asa ara-panahy inona moa no nandraisan’ny tanora taloha anjara?

16 Azo antoka fa faly ny fon’i Jehovah rehefa misy tanora manolo-tena hanao izay rehetra mety ho asa ilaina hatao avy hatrany. Nisy anefa tanora nandray anjara tamin’ny asa ara-panahy izay nitaky zavatra hafa ankoatra ny hery sy tanjaka ara-batana. “Mbola tanora aho”, hoy ny fiaiken’i Eliho. Kanefa nampiasa azy i Jehovah mba hiteny an’i Joba (Joba 32:4-6). Mbola vao “zaza” i Samoela fony izy nanomboka niasa tao amin’ny tabernakelin’i Jehovah tany Silo (I Samoela 2:18). “Zazavavy kely anankiray”, na dia nanompo tao an-tranon’i Namana aza, no nampahafantatra tsy nisy tahotra izay nety ho vitan’ny mpaminanin’i Jehovah (II Mpanjaka 5:2-4). Rehefa nanendry an’i Jeremia ho mpaminany i Jehovah, dia hoy ny nambaran’io: “Mbola zaza” aho. (Jeremia 1:5, 6). “Ary ireo zatovo efa-dahy” — Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy — dia mpanompon’i Jehovah niavaka nandritra ny fahababoana tany Babylona (Daniela toko 1 sy 3). Ny zanak’anabavin’i Paoly, “zatovo”, dia nandray anjara tamin-kerim-po ho fanohanana ny anadahin-dreniny (Asan’ny apostoly 23:16-22). Ary tao Timoty zatovo izay raha mbola vao zaza dia nahalala ny soratra masina ary nanokana ny fahatanorany ho amin’ny asan’i Jehovah. — II Timoty 3:15; Filipiana 2:19-23; I Korintiana 4:17.

Ny fomba hampifaliana ny fon’Andriamanitra amin’izao andro izao

17. Nahoana moa no tokony hampoizina amin’izao andro izao ny hahita tanora mahazo sitraka amin’Andriamanitra, ary hita ve izany?

17 Tsy taloha ihany anefa no nisy tanora nampifaly ny fon’Andriamanitra tamin’ny fanompoana azy tamim-pahatokiana. “Ary amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany.” (Asan’ny apostoly 2:17; Joela 3:1). Mety àry ny hanampoizana fa mandritra ny andro farany, dia tanora maro no hanao izay ankasitrahan’i Jehovah. Ary tena izany tokoa no izy. Tsy hoe tsy manan-tsiny akory ny Vavolombelona tanora, toy izany rahateo moa isika rehetra, kanefa eo amin’izy ireo dia betsaka no kristiana tsara. Miahy ny amin’ny hampifaliana ny fon’i Jehovah izy ireo. — Ohabolana 27:11; 3:1, 2.

18, 19. Asa inona moa no tokony hotontosaina amin’izao andro izao, ary nahoana moa ny tanora no tsara fitaovana mba handraisana anjara amin’izany?

18 Amin’izao andro farany izao, ny sitrapon’i Jehovah dia ny hanaovana fanambarana lehibe maneran-tany ny amin’ny Fanjakany, ka izany dia mitaky fiezahana mafy (Matio 24:14). Ilaina ny manorina Efitrano Fanjakana ho an’ny fanompoam-pivavahana, ary efitrano lehibe kokoa ho an’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Any amin’ny tany maro, dia ilaina ny manitatra ireo fanontam-pirinty ampiasaina mba hamoahana zavatra voasoratra momba ny Baiboly na mba hanorenana fonenana amboniny ho an’ny fianakavian’ny Betela. Misy asa lehibe atao àry ka, toy ny tamin’ny fanorenana ny mandan’i Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia, dia ny tanora, feno hery sy tanjaka, no manatanteraka tapany lehibe amin’ny asa.

19 Ny tanora koa no manatanteraka ny ankamaroan’ny asa ara-batana ilaina isan-taona amin’ny fanontam-pirinty, ny famonosam-boky sy ny fandefasana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly taonina maro. Raha ny marina, any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York sy ao amin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana Watchtower, dia misy tanora 1400 mahery 25 taona na latsaka. Ny asan’izy ireny anefa dia tsy natao fotsiny hanaovana ao anatin’ny herinandro, asa mitaky fiezahana ara-batana; mandritra ny faran’ny herinandro izy ireny dia mandray anjara amin’ny fitoriana isan-trano sy amin’ireo fivoriana kristiana ao amin’ny kongregasionany. Izany no mampifaly ny fon’i Jehovah.

20. a) Inona no anjara raisin’ny tanora amin’ny asan’ny mpitory maharitra? b) Inona avy moa no fanontaniana tokony hapetraky ny tanora tsy manao ny asa manontolo andro amin’ny tenany?

20 Any Etazonia, dia tanora 12 700 mitovitovy taona amin’izany koa no miara-manompo amin’ireo voatendry voalohany amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona. Any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao koa, dia misy tanora an’aliny maro mandray anjara amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Raha tanora ny tenanao ary tsy mbola ao anatin’ny fanompoana manontolo andro, azonao atao ve ny mametra zava-kendrena ho an’ny tenanao izay hahatonga anao hanome ho an’i Jehovah ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao fa tsy hitady ny hahazo asa tsara karama fotsiny angamba, hanambady sy hanana fianakaviana? Takatrao ve ilay fanontaniana lehibe mbola tsy voavaly eo amin’izao rehetra izao? Tena irinao tokoa ve ny hahita ny anaran’ilay Mpamorona lehibe voasasa amin’izay rehetra mety ho fanalam-baraka? Raha izany no izy, moa ve tsy mety ny hanaovanao izay rehetra azonao atao mba hanompoana an’i Jehovah? Ary tsy milaza ve izany, fara faharatsiny amin’ny maro kokoa aminareo, filatsahana an-tsitrapo mba hiasa ao amin’ny Betela na hiditra hanao ny asan’ny mpitory maharitra.

21. a) Fanasana inona avy amin’i Jehovah moa no tokony hekenao, ary amin’ny fomba ahoana? b) Nahoana moa no afaka matoky isika fa hisy tanora maro hafa koa hamaly ny fanasan’i Jehovah sahala amin’i Isaia?

21 Mihainoa an’i Jehovah! Manasa anao izy mba hanome azy valin’ny fihaikan’i Satana amim-paharatsiana. Azonao atao ve, sahala amin’Isaia, ny mihaino an’i Jehovah rehefa manontany izy hoe: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Nahoana no tsy miseho ho hendry ka mamaly tahaka an’Isaia hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Matoky izahay fa ho maro kokoa ny tanora hamaly an’io fanasana io, satria manome izao fampanantenana izao ny Tenin’Andriamanitra: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; (...) tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” (Salamo 110:3; 148:12, 13). Ary raha manao toy izany tokoa ianao, dia afaka ny ho sambatra, noho ny fahafantarana fa mandinika anao Jehovah ka mankasitraka anao ary mampifaly ny fony ianao.

FAMERENANA

◻ Nahoana moa no heverin’i Jehovah ho zava-dehibe ny fomba iainantsika ny fiainantsika?

◻ Nahoana moa no fahendrena ny hampifaliana ny fon’i Jehovah?

◻ Ahoana no azontsika ampisehoana fa nomentsika an’i Jehovah ny fontsika?

◻ Iza moa taloha no nampifaly ny fon’i Jehovah, ary tamin’ny fomba ahoana?

◻ Iza moa amin’izao andro izao no mampifaly ny fon’i Jehovah, ary amin’ny fomba ahoana?

[Teny notsongaina, pejy 17]

Rehefa misy tanora mandika ireo lalàn’Andriamanitra, any aoriana izy ireny dia hiharan’ny vokany mampalahelo.

[Sary, pejy 18]

Nisy tanora nampifaly ny fon’i Jehovah tamin’ny fanampiana tamin’ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara