FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/8 p. 3-4
  • Andriamanitra: inona no nataony ho anao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra: inona no nataony ho anao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanambarana tsy misy fetran’ireo zava-mahatalanjon’ny famoronana
  • Ny Fahaizan’ny Zavaboary Sasany Mampiasa ny Hazavan’ny Masoandro mba Hamokarana ny Sakafony
    Nisy Namorona Ve?
  • Ny Tany — ‘Naorin’ny’ Kisendrasendra Ve?
    Mifohaza!—2000
  • Afaka mibanjina ny hoavy amim-patokiana ianao
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Ny Fomba Ahafahantsika Mahafantatra fa Misy Andriamanitra
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/8 p. 3-4

Andriamanitra: inona no nataony ho anao?

‘TSY MISY na inona na inona!’ hoy angamba ny sasany. ‘Miasa mafy aho mba hahazoana izay ilaiko.’ Raha toa ka manome taratry ny hevitrao ireo teny ireo, dia aoka hieritreritra fotoana fohy ianao. Ahoana no nampisy anao?

Tokony ho sivy volana talohan’ny nahaterahanao, dia nihaona tao an-kibon-dreninao ny sela roa faran’izay bitika. Ny firaisan’izy ireo no nahaforona sela vaovao sady tokana iray.

Ny lehibe indrindra tamin’ireo sela roa ireo dia ny “ovule” avy amin’ny reninao. Ny kely indrindra, dia “spermatozoïde” iray avy amin’ny rainao; bitika aoka izany izy io hany ka, araka ilay boky hoe L’expérience de la naissance (angl.), nosoratan’i Sheila Kitzinger, raha atohitohy ny “spermatozoïdes” nanome fiainana ho an’ny olona rehetra eto an-tany, ny fitambarany dia ‘hirefy mihoatra ny 2,5 santimetatra monja fara fahabetsany’. Kanefa vantany vao tafiditra tao amin’ny “ovule” an’ny reninao ny “spermatozoïde” an’ny rainao dia voaforona ny lalàna momba ny toetoetrao ka notorontoronina ianao.

Tamin’izay dia nitarika ny fandehan’ny fitomboana be kojakojany indrindra izany. “Sarotra aoka izany izy ireo ka na dia taorian’ny taonjato iray mahery nanaovana fandinihana aza, ny mpahay siansa dia tsy mbola madiva ho afaka hanazava azy akory”, hoy ny nosoratan’i Andrea Dorfman tao amin’ny Science Digest.

Mandray ohatra iray ny amin’ireny fomba fandehan’ny fitomboana mahasanganehana ny manam-pahaizana ireny io mpanoratra io ihany ka manambara hoe: “Ny fanaraha-maso ny fitomboana dia raharaha iray mbola sarotra koa. Ny sandry havia sy ny sandry havanana, ohatra, dia mitombo amim-pahaleovantena avy amin’ny tsimoky ny tenan-javatra izay mirefy milimetatra vitsivitsy, ary anefa dia miara-mitsahatra ny fitomboany ka mitovy ny halavany. Ahoana no ahafantaran’ireo sela ireo fa tokony hitsahatra hitombo izy? (...) Ny taova tsirairay avy dia toa nomena fomba fandaharana anaty manapaka ny fitomboany.” Moa va tsy mahafaly antsika ny maha-toa izany azy?

Inona moa no mitarika sy mifehy ny fitomboana ao amin’ireo zavamananaina rehetra? Moa ve izany hery tsy manan-tsaina iray antsoina hoe ny natiora? Moa ve izany fomba fandehan-javatra ho azy antsoina hoe ny fivoarana miandalana? Moa ve tsy miharihary fa ireo endri-piainana be kojakojany amin’ny fomba mahatalanjona, sy maro karazana ary kanto loatra mameno ny planetantsika mahafinaritra ireo dia tsy inona fa asan’ny Mpamorona tsitoha iray? Raha izany no izy, moa ve tsy tokony ho velom-pankasitrahana lalina azy isika noho izay nataony ho antsika?

Fanambarana tsy misy fetran’ireo zava-mahatalanjon’ny famoronana

Isan’andro, isan’ora mihitsy aza, dia mahita soa avy amin’ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny famoronana isika. Inona ohatra no miseho rehefa matory isika? Ny asa ara-tsaina sy ara-nofo aman-kozatra dia mihena ho azy. Tsy vokatry ny sitrapontsika anefa izany, satria matetika dia tsy tsapantsika akory fa matory isika. Nefa toy inona moa ny tanjaka azo avy amin’ny torimaso tsara iray! Ny sasany dia afaka ny ho velona na dia tsy mihinana mandritra ny herinandro maromaro aza, kanefa ireo izay tsy matory mihoatra ny telo andro dia mahatsiaro fahasahiranana lehibe rehefa mieritreritra na mijery na mihaino.

Rehefa mifoha ianao amin’ny maraina, dia angamba misy olona manatitra kafe misy siramamy ho anao. Ny siramamy, izay tsy fahita firy sady lafo taloha, dia betsaka erỳ ankehitriny ka tsy dia heverina loatra. Ahoana anefa no anamboarana azy? Ao amin’ny zavamaniry izy io no miforona, avy amin’ny fiasan’ny “photosynthèse”: vokatry ny asan’ny hazavan’ny masoandro miaraka amin’ny rano sy ny gaza karbonika. Miaraka amin’izany koa, ny zavamaniry dia manary ny “oxygène” tena ilain’ny zavaboary rehetra eto an-tany, mba hahavelona azy. Ny “photosynthèse” dia fisehoan-javatra be kojakojany loatra ka tsy mbola takatry ny mpahay siansa tanteraka. “Ahoana (...) no fisehoan’ny ‘photosynthèse’ mihitsy?” hoy ny fanontanian’ilay boky hoe Les plantes (angl.). “Izany dia toy ny manontany ny amin’ny fiandohan’ny fiainana: tsy fantatsika ny momba izany.”

Angamba rehefa eo am-pisotroana kafe ianao dia mahatsiaro ny fandaharana iray tao amin’ny televiziona nojerenao ny omalin’iny. Hitanao sary an-tsaina indray ny zava-niseho nanaitra anao. Tamin’ny fomba inona no nampitana izany tao amin’ny atidohanao, ka nahavoatahiry azy toy ny horonan-tsary ary avy eo dia nalefa indray, mba hahafahanao mitantara izany amin’ny olon-kafa? Moa ve tsy mahatalanjona izany? Avy aiza no nahazoan’ny olona saina ahafahany manatanteraka ny zava-mahagaga vitany? Tsy avy amin’ny biby velively. Moa ve tsy manaitra ny saina ny atidohan’olombelona?

Raha fintinina, zara raha vao miposaka ny andro, dia efa manana antony maro tokony hisaorana ny Mpamorona ianao. Nefa dia mbola misy antony maro hafa koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara