Ny fahatezerana: Inona marina moa izany?
“RAHA manindry ny fahaizana nomen’Andriamanitra anao ho tezitra ianao, dia hihazakazaka ho amin’ny fahavoazana.” Izany no fampitandremana nalefa tao amin’ny lahatsoratra iray tamin’ny revio Newsweek. Toa efa an-taonany maro izao no anelezan’ny mpandinika toe-tsaina maro ny hevitra hoe ny fifehezana ny fahatezeran’ny tena, dia mety hitondra fikorontanana, toy ny fiakaran’ny tosi-dra, ny aretim-po, ny fahaketrahana, ny fitebitebena sy ny fisotroan-toaka.
Ny Baiboly kosa dia nanome izao torohevitra izao an’arivony taona maro tany aloha: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana.” (Salamo 37:8). Tsy miolakolaka ny famantarana aretina omen’ny Baiboly: “Aoka tsy halaky tezitra mihitsy ianao; satria ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” — Mpitoriteny 7:10, Le Maistre de Saci.
Iza no manana ny marina: ny manam-pahaizana eo amin’ity izao tontolo izao ity sa ny Baiboly? Inona marina moa no atao hoe fahatezerana? Tsara ve ny tsy hanindriana izany?
Ny fahatezerana tsy voafehy
“Fahatezerana” dia teny ankapobeny manondro fihetseham-po mahery na fihetsika vokatry ny tsy fahafaliana sy ny fahatsapana fa misy mamely ny tena. Misy teny hafa entina anondroana ny herin’ny fahatezerana na ny fomba fisehoany. Araka izany, ny hoe haromotana dia mampahatsiaro hatezerana tena mahery. Ny fisafoahana dia mety handrava. Ny hasosorana dia mety manisy firesahana ny amin’ny fahatezerana voamarina. Ary ny fahatezerana dia matetika no mahafaoka ny hevitra hoe famaliana na famaizana.
Amin’ny ankapobeny dia misy iantefany ny fahatezerana: tezitra amin-javatra iray ny tena. Nefa ny fomba anatrehana an’io fihetseham-po io dia zava-dehibe.
Raha manohana ny hevitra hoe mahasoa ny famelana ny fahatezeran’ny tena hipoaka ny manam-pahaizana sasany, dia aoka homarihintsika fa araka ny fandinihana toe-tsaina natao vao haingana, dia olona betsaka izay nanaram-po tamin’ny fahatezerana no tsy manana fanajana ny tenany, mijaly noho ny fahaketrahana, ny fahatsapana fa meloka, azon’ny fahatezerana tafahoatra na ny fitebitebena. Ambonin’izany, ireo izay “mamoaka ny ao am-pony” na “mamoaka ny hatezerany”, ampian’ny fipoahan’ny fahatezerana angamba, na kiakiaka, na ranomaso, na kapoka mihitsy aza dia mitondra fahasahiranana betsaka kokoa ho an’ny tenany amin’ny ankapobeny fa tsy mandamina azy ireny. Ny olona iray tezitra dia misafoaka hatrany ka manetsika lolompo ao amin’ny hafa. — Ohabolana 30:33; Genesisy 49:6, 7.
Mahalana no mahazo izay irina ny tena raha mikiakiaka rehefa tezitra, satria mazàna dia manosika ilay iharan’ny fahatezeran’ny tena hamely izany. Eritrereto ohatra fa eo amin’ny familiana boriborin’ny fiaranao ianao ary misy mpitondra fiara hafa iray manao zavatra mba hanorisorenana anao. Manomboka miantsoantso sy mampaneno kaorina ianao. Ny fahasosoranao dia mety hitarika mora foana ilay iharan’ny fahatezeranao hamaly anao toy izany koa. Ny tarehin-javatra sahala amin’izany dia mivadika ho loza amin’antambo indraindray. Ohatra, ny mponina iray tao Brooklyn, any New York, dia nisy namono teo an-dalana raha nifamaly ny amin’ny toerana iray teo amin’ny fametrahana fiarakodia. Manipika ny amin’io zava-manahirana io ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Ny olona mora tezitra manetsika ady, ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.” (Ohabolana 29:22). Fahendrena mihitsy ny fanarahana ity torohevitra ity: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:17, 18.
Araka izany, ny tsy fifehezana ny fahatezerana dia tsy manatsara ny fifandraisana amin’ny hafa. Fa mahasoa ve izany eo amin’ny lafiny ara-batana? Mpitsabo maro no tonga amin’ny famaranan-kevitra fa tsy izany mihitsy. Nisy fandinihana natao nampiseho fa ny olona mora voatarika hanapoaka ny fahatezerany no manana tosi-dra ambony indrindra. Milaza ny sasany fa ny fahatezerana dia mitarika faharisarisana eo amin’ny fo, aretin’andoha, fandehanan’ny ran’orona, fahafaninana sy fahafatesam-peo. Etsy an-daniny koa, Ilay nanome antsika ny aina dia manazava hoe: “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo.” (Ohabolana 14:30). Raha ny amin’i Jesosy kosa dia izao no nambarany: “Sambatra ny mpampihavana [tia fihavanana, MN ], fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” — Matio 5:9.
Ny antony mahatonga ho tezitra
Tezitra isika indraindray satria voatohina ny hambom-pontsika, nokianina isika, notevatevaina, nentina tamin’ny fomba tsy ara-drariny na voafitaka tsy aman’antony. Rehefa tezitra ny olona dia mampiseho fihetseham-po mahery: “Manelingelina ny fahasambarako ianao! Mandratra ny hambom-poko ianao! Manaisotra ny fahamendrehako ianao! Manararaotra ahy ianao!”
Indraindray dia manafina zavatra hafa ny fahatezerana. Ohatra, ny zatovo iray 14 taona monina ao New York dia malaky tezitra foana ka tsy mitsahatra ny miady. Noho ny famotopotorana nataon’ny mpitsabo iray, dia niaiky ilay zatovolahy tamin’ny farany: “Tsy nekeko mihitsy fa mila fanampiana aho, nitady olona mba hiresahana. (...) Matahotra ny tena sao dia tsy tiana.” Raha ny marina dia naniry fiheverana sy fitiavana izy.
Ny mpivady iray tany Californie dia nifamaly mafy isaky ny lasa mitsidika ny ramatoa iray sakaizany ilay vehivavy. Ny fisafoahan’ilay lehilahy vady dia mampihetsika ny fahatezeran’ny vadiny. Tamin’ny resadresaka natao mba hanomezana torohevitra azy ireo, dia namboraka tamin’ny vadiny zavatra izay tsy nolazainy tamin’ny olon-kafa mihitsy ilay lehilahy tamin’ny farany. Rehefa nilaozany irery izy, na dia fotoana fohy fotsiny aza, dia natahotra tany anatiny tany izy sao tsy miverina ny vadiny, satria tamin’izy tanora dia nilaozan’ny rainy. Koa satria takatr’io vehivavy io ny antony miafina mahatonga ny vadiny ho tezitra, ny tahotra ny hilaozana, dia nanampy azy hifehy ny fahatezerany izany sady hanome toky azy ny amin’ny fitiavany.
Noho izany dia mety ho fambara ny fahatezerana. Ao anatin’izany toe-javatra izany, dia azo atao ny mianatra miatrika araka ny tokony ho izy an’io fihetseham-po io amin’ny fitadiavana ny antony miafina mahatonga azy.
[Sary, pejy 4]
Mpitsabo maro no tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa manimba ny fahasalamana ny tsy fanindriana ny fahatezerana.