Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Jesosy: “ilay tena mofo avy any an-danitra”
ZAVATRA maro toy inona moa no nataon’i Jesosy tamin’io andro io! Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona an’arivony maro izy ary avy eo dia nandositra rehefa nirin’ny olona hatao mpanjaka. Ary koa, rehefa latsaka ny alina, dia nandeha an-tongotra teo ambonin’ny ranomasina nisamboaravoara, ny ranomasin’ny Galilia, izy. Namonjy an’i Petera, izay nanomboka hilentika rehefa nandeha teo ambonin’ny onja nasafotofoton’ny tafiodrivotra izy. Ary farany, dia nampitony ny rivotra izy ka namonjy ny mpianany tsy ho rendrika.
Ny ampitso, ireo olona izay nofahanan’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga, tany avaratra atsinanan’ny ranomasin’i Galilia, dia nahita azy indray teo akaikin’i Kapernaomy. Notsinin’i Jesosy izy ireo noho izy nitady azy satria nanantena hofahanana maimaimpoana indray. Namporisihiny izy ireo hiasa, tsy ho an’ny hanina mety ho levona, fa ho an’ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay. Ireo olona niresahany àry dia nanontany azy hoe: “Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?”
Tsy nanonona afa-tsy asa iray Jesosy, kanefa sarobidy lavitra izany. “Izao no asan’Andriamanitra, hoy ny fanazavany, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.”
Kanefa, na dia teo aza ny fahagagana rehetra nataony, dia tsy naneho finoana an’i Jesosy ny vahoaka. Ny omalin’io izy dia namahana tamin’ny fomba mahagaga lehilahy 5 000, mbamin’ny zaza amam-behivavy; ary anefa, ankehitriny, na dia toa mety hahagaga tokoa aza izany, dia nanontaniana izy hoe: “Inona ary ny famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy mba hohaniny.’ ”
Ho valin’ny fangatahany, dia nasehon’i Jesosy azy mazava ny Loharanon’izany sakafo mahagaga izany raha nilaza izy hoe: “Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao.”
“Tompo ô, hoy izy ireo taminy, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.”
Ary dia nanambara toy izao Jesosy: “Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany hianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon’Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay.”
Dia nanomboka nimonomonona tamin’i Jesosy ireo Jiosy satria izy nilaza hoe: “Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.” Tsy mahita amin’i Jesosy afa-tsy olona avy amin’ny ray aman-dreny olombelona izy ireo ka nanohitra azy tamin’ny fanaporofoan-kevitra toy ny an’ireo mponin’ny Nazareta fahiny: “Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: Izaho nidina avy tany an-danitra?”
“Aza mimonomonona hianareo, hoy ny navalin’i Jesosy azy ireo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: “Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra”. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy. Nefa tsy nisy nahita ny ray, afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.”
Noraisin’i Jesosy indray ireo teny notononiny tany am-boalohany: “Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany. Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy.” Amin’ny fanehoana finoana an’i Jesosy, ilay irak’Andriamanitra, tokoa, ny olombelona dia mety hahazo ny fiainana mandrakizay; izay tsy azon’ny mana na mofo hafa omena azy ireo.
Toa nanomboka fotoana fohy taorian’ny nahitan’ny vahoaka an’i Jesosy indray teo akaikin’i Kapernaomy io fifanakalozan-kevitra io. Nitohy izany, ary nifarana, rehefa nampianatra tao amin’ny synagoga tao Kapernaomy Jesosy. Jaona 6:26-51, 59; Salamo 78:24; Isaia 54:13; Matio 13:55-57.
◆ Zava-nitranga inona avy no nialoha ny famakafakana nataon’i Jesosy momba ny mofo avy any an-danitra?
◆ Nahoana moa no tsy ara-dalàna ny fihetsiky ny vahoaka izay nangataka famantarana, nefa Jesosy vao avy nanao fahagagana?
◆ Rehefa niteny Jesosy fa izy no ilay tena mofo avy any an-danitra, nahoana ireo Jiosy no nimonomonona taminy?
◆ Taiza moa ny fifanakalozan-kevitra momba ny mofo avy any an-danitra no nitranga?