Fanontanian’ny mpamaky
◼ Inona no fahadisoana nahatonga an’i Mosesy hamoy ny tombotsoa hiditra ao amin’ny Tany nampanantenaina? Ny nikapohana ny vatolampy fa tsy niteny taminy fotsiny sa ny tsy nanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitra?
Ny fahadisoan’ny Mosesy dia toa tsy ny nikapohana ny vatolampy fa tsy nitenenana taminy fotsiny, araka ny nolazain’Andriamanitra taminy.
Teo amin’ny faramparan’ireo 40 taona nivahiniany, dia nitoby tany Kadesy Barnea, tany an’efitr’i Zina (na Parana) ny Isiraelita. Efa nivahiny tao izy ireo, am-polony taona vitsivitsy talohan’izay, azo inoana fa satria tao amin’io faritra io dia nisy loharano telo nanondraka toerana kely lonaka maitso mavana, araka ny asehon’ny sary eo amin’ny pejy manaraka. Tamin’izay fotoana izay anefa, dia nihakely ny rano, ka angamba tsy nahita sakafo firy ny vahoaka. Nifanditra tamin’i Mosesy, solontenan’i Jehovah, àry izy ka nilaza hoe: “Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta hianao, hampiditra anay ho amin’ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?” — Nomery 20:5.
Dia niteny toy izao tamin’i Mosesy sy Arona Andriamanitra: “Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy hianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.” (Nomery 20:8). Inona no nitranga nanaraka izany?
“Dia novorin’i Mosesy sy Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano.” — Nomery 20:10, 11.
Ny sasany nanao izay hanamarihana fa nangataka an’i Mosesy sy Arona Andriamanitra mba ‘hiteny tamin’ny vatolampy’, kanefa Mosesy “nikapoka ny vatolampy indroa”. Moa ve izany tsy fitovian-javatra izany tsy nahafaly an’i Jehovah ka nahatonga azy hanambara tamin’i Mosesy sy Arona fa tsy havelany hitondra ny Isiraely any amin’ny Tany nampanantenaina izy ireo.
Toa tsy izany no izy. Volana vitsivitsy monja taorian’ny Fifindrana tokoa, dia nitaraina voalohany ny vahoaka noho ny tsy fahampian-drano teo akaikin’ny tendrombohitra Sinay (Horeba), ao amin’ny toerana nantsoina taty aoriana hoe Meriba (ao amin’ny faritra asehon’ny sary eto ambany), ary izao no nolazain’Andriamanitra tamin’i Mosesy tamin’io fotoana io: “Indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato hianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona. (Eksodosy 17:2-7; 33:6). Tany Kadesy, rehefa nahazo baiko hiteny tamin’ny vatolampy i Mosesy, dia angamba izy voatarika hanao zavatra toy ny nataony teo aloha teo ambany fitarihan’Andriamanitra, na dia nihevitra aza Andriamanitra fa tamin’io fotoana io dia ho ampy azy ny hiteny amin’ny vatolampy.
Toa nilaina ny zavatra betsaka kokoa mba hahatonga fanamelohan’Andriamanitra an’i Mosesy sy Arona. Mety ho inona izany? Izao no nambaran’i Mosesy tamin’ny Isiraelita izay nila ady taminy: “Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?” Milaza mazava ny Salamo 106:33 (MN ) fa nampahasosotra ny sain’i Mosesy ny vahoaka, ka “nanao teny maivana tamin’ny molony” i Mosesy. Noho ny fahatezerany, dia nanintona ny sain’ny vahoaka ho amin’ny tenany sy Arona izy fa tsy ho amin’ilay tena afaka nanome rano tamin’ny fomba mahagaga. Noho izany antony izany, talohan’ny hahafatesan’i Mosesy teo an-tsisin’ny Tany nampanantenaina indrindra, dia nampahatsiahy an’io fisehoan-javatra io Andriamanitra ka nampiseho fa ny fahadisoan’i Mosesy dia ny tsy ‘nanamasinany an’Andriamanitra teo imason’ny olona’. — Nomery 27:12-14.
Afaka manatsoaka fianarana avy amin’io fisehoan-javatra tamin’ny lasa io isika. Raha zava-dehibe ny hifehezantsika tena mba tsy hanao zavatra eo ambany fanapahan’ny fahatezerana, dia zava-dehibe toy izany koa ny hifehezantsika ny saintsika, indrindra fa rehefa manao fahadisoana ireo namantsika. Raha misafoaka isika, dia mety hanomboka hihevitra ireo mpanompon’Andriamanitra araka ny fiheveran’olombelona, fa tsy hiaiky fa mbola ‘ondrin’Andriamanitra’ foana izy ireny. Marina fa tsy tanteraka izy ireny ary indraindray dia manao zavatra mahasosotra, kanefa na dia izany aza dia mbola “olony sy ondry fiandriny” ihany izy ireny. (Salamo 100:3.) Navelan’Andriamanitra ho faty noho izy ireny ny Zanany; moa àry ve isika tsy tokony hiezaka ny haharitra amin’izy ireny, amin’ny tsy fiheverana loatra ny fihetseham-pontsika sy ny tombotsoantsika mihoatra noho ny toerana tanan’izy ireny eo anatrehan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 31]
Toerana kely lonaka any akaikin’ireo loharanon’ny faritr’i Kadesy Barnea amin’ny lohataona.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary, pejy 10, 31: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.