Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nangoraka ny ory
Rehefa avy nanala sarona ny lovantsofin’ny Fariseo tia tena i Jesosy, dia lasa nandeha niaraka tamin’ireo mpianany. Tsaroana fa taloha kelin’izay dia tsy afaka nitokana niaraka tamin’izy ireo mba hiala sasatra kely izy, satria nanaraka azy ireo ny vahoaka. Izao anefa dia nitondra azy ireny ho any amin’ny faritr’i Tyro sy Sidona, tany amin’ny kilaometatra maromaro tany avaratra kokoa izy. Toa izany no hany dia hataony miaraka amin’ireo mpianany any ambadiky ny sisin-tanin’ny Isiraely.
Rehefa avy nahita trano iray hilasiana izy dia nilaza i Jesosy fa tsy tiany ny hahafantarana izay nisy azy. Nefa, na dia tao amin’io faritany tsy isiraelita io aza, dia mbola nisy nahita azy ihany. Ny vehivavy Grika iray, teraka tao amin’io faritany io, dia Fenisia any Syria, dia nahita azy ka nitalaho taminy hoe: “Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra.”Tsy namaly azy mihitsy anefa i Jesosy.
Rehefa afaka kelikely dia hoy mpianany tamin’i Jesosy: “Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.”
Nanazava ny antony tsy nitenenany i Jesosy, ka nanao hoe: “Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely.”
Tsy niala ihany anefa ilay vehivavy. Nanatona an’i Jesosy izy, niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: “Tompoko ô, vonjeo aho.”
Tsy maintsy ho nampihetsi-po an’i Jesosy izany fiangaviana tamin-pahatsorana tokoa izany! Nosoritany indray anefa fa ny andraikiny voalohany dia ny hanampy ny Isiraely olon’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa mba hitsapana ny finoan’io vehivavy io, dia niaro tena tamin’ny fahatsapan’ny Jiosy fahamboniana oharina amin’ny hafa firenena izy tamin’ny filazana hoe: “Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely.”
Ny toetry ny feony sy ny endriny dia tsy isalasalana fa naneho ny fangoraham-po tsapany ho an’ireo tsy Jiosy. Nohalefahiny aza ny fampitahana ny Jentilisa sy ny amboa tamin’ny firesahana azy ireo ho toy ny “amboakely”. Tsy sosotra ilay vehivavy fa nandray indray ny fanasian’i Jesosy fitenenana ny amin’ny fahatsapan’ny Jiosy fahamboniana tamin’ny fanaovana taminy izao fanamarihana nampiseho fanetren-tena izao: “Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao, hoy ny navalin’i Jesosy; tongava aminao araka izay irinao.” Ary dia nitranga izany! Rehefa tafaverina tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-pandriana, sitrana tanteraka.
Avy eo amin’ny faritra amoron-tsirak’i Sidona i Jesosy sy ny mpianany dia namakivaky ilay tany nanandrify an’i Jordana ambony izay tsy isalasalana fa nirobohany teo ambonin’ny ranomasin’i Galilia. Rehefa avy eo, dia niditra nankao amin’ny faritr’i Dekapolisy, tany atsinanana izy. Tao, dia niakatra teo amin’ny tendrombohitra iray izy ireo, nefa hitan’ny vahoaka ka nentin’izy ireo ho eo amin’i Jesosy ny mandringa, ny malemy, ny jamba, ny moana mbamin’ny kilemaina sy marary hafa koa. Azo lazaina hoe natsipiny teo an-tongony izy ireny ary dia nositraniny. Talanjona ny olona, satria niteny ny moana, nandeha ny mandringa ary nahita ny jamba ka nankalaza ny Andriamanitry ny Isiraely izy ireo.
Nahazo fiheverana manokana avy tamin’i Jesosy ny marenina sady raiki-dela iray. Mora mahatsiaro ho sakodiavatra ny marenina, indrindra fa ao anatin’ny vahoaka. Nahamarika ny fihetseham-pon’io lehilahy io angamba i Jesosy ka naneho fangoraham-po tamin’ny fitondrana azy hitokana. Rehefa irery niaraka taminy izy, dia nasehony taminy izay hataony ho azy. Nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany izy ary rehefa avy nandrora, dia nikasika ny lelany. Avy eo, dia niandrandra ny lanitra izy ka nisento mafy ary nilaza hoe: “Maladia!” Nalady avy hatrany ny sofin’ilay lehilahy ary nahay niteny tsara izy.
Rehefa avy nahita an’i Jesosy nanatanteraka izany fanasitranana rehetra izany ny vahoaka dia naneho ny fankasitrahany tamin’ny filazana hoe: “Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.” Matio 15:21-31; Marka 7:24-37.
◻ Nahoana moa i Jesosy no tsy nanasitrana avy hatrany ny zanak’ilay vehivavy grika?
◻ Nentin’i Jesosy nankaiza rehefa avy eo ireo mpianany?
◻ Tamin’ny ahoana moa i Jesosy no nampiseho fangoraham-po tamin’ilay marenina sady raiki-dela?