Manan-kery eo amin’ny fiainanao ve ny anjely?
TENA misy tokoa ve ny anjely? Moa ve izy ireny vokatry ny fakana sary an-tsaina fotsiny? Raha misy izy ireny, mety hanan-kery eo amin’ny fiainanao ve izy?
Mba hanomezana valin’ireo fanontaniana ireo mendrika itokisana, dia tsy azo atao ny manovo afa-tsy ao amin’ny Fitantarana ara-tsindrimandry nomen’Andriamanitra ny olombelona, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny Teniny, ny Baiboly Masina. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly ny aminy: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa (...) ho fanitsiana izay diso.” — 2 Timoty 3:16.
Noho izany antony izany, dia mahazo matoky isika fa ny Baiboly dia hanome fanazavana tsara antsika ny amin’ny fisian’ny anjely sy ny mety ho heriny eo amin’ny fiainantsika. Ny Mpamorona an’izao rehetra izao dia azo antoka fa afaka milaza amintsika raha namorona ny anjely izy.
Zavaboary tena misy ve ny anjely?
Milaza mazava toy izao ny Baiboly: “Izy [Andriamanitra] manao ny anjely ho rivotra [fanahy (esprits), MN ].” (Hebreo 1:7). Ny Mpamorona àry dia manana zavaboary ara-panahy any amin’ny faritra any an-danitra, zavaboary tsy hitan’ny mason’olombelona sy mahery. — Salamo 104:4; 2 Petera 2:11.
Moa ve nomanin’Andriamanitra ny hahatongavan’ireo anjely ho zavatra manjavozavo tsy manana ny maha-izy azy? Raha izany no izy, nahoana moa ireo anjely lazalazain’ny Baiboly amintsika no mahatsapa fihetseham-po? Ohatra, ampahafantariny antsika fa tamin’ny fotoana nametrahana ireo fanorenan’ny tany, ny anjely dia “niara-nihira (...), ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra [ny anjely]”. — Joba 38:4-7.
Hita àry fa, sahala amin’ny zavaboary manan-tsaina eto an-tany, ny zavaboary ara-panahy manan-tsaina, izany hoe ny anjely, dia manana ny maha-izy azy manokana. Na dia tsy manome anarana afa-tsy ny anankiroa amin’izy ireo monja [Mikaela sy Gabriela] aza ny Baiboly, ny hoe ananan’ny anjely anarana dia manamarina fa manana ny maha-izy azy izy ireny (Lioka 1:11, 19, 26; Joda 9). Raran’ny Baiboly mafy ny fanolorana fankalazana ho an’ny anjely, noho izany dia ny fivavahana amin’izy ireny. Izao no anoloran’ny apostoly Paoly hevitra antsika mba hatao, toy izay hivavaka amin’ny anjely: “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” — Filipiana 4:6; Apokalypsy 19:10; 22:8, 9.
Nefa moa ve ny anjely voalahatra tsy ho afaka hanana safidy manokana ny amin’ny tsara sy ny ratsy, sahala amin’ny sariolona milina? Mifanohitra amin’izany, tsy misy hafa amin’ny olombelona, ny anjely dia olona nomena safidy. Ohatra, ny sasany tamin’izy ireny dia nandika ireo lalàn’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa; izany no antony nandavan’Andriamanitra azy ireny sy nandroahany azy tsy ho ao amin’ny kianjany any an-danitra. Matoa tsy nankatò izy ireny, dia satria niharihary fa nanana ny naha-izy azy. — Genesisy 6:1, 2; 2 Petera 2:4; Matio 25:41.
Ny Baiboly àry dia mitondra ho antsika fanazavana mahasoa ny amin’ny fiandohana sy fisiana ary toe-tenan’ny anjely. Ny fihoarana izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’izy ireny dia mitarika hieritreritra tsy amin’ny antony, fanontaniana tsy valian’ny Baiboly. Mety hisy aza hanjary hihevitra ny anjely tsy araka ny mety na hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy ireny (Kolosiana 2:18). Mamporisika antsika ny Baiboly mba ‘hamantatra izay zavatra tsara indrindra’ ka tsy ‘hihoatra izay nambara fa vaovao tsara’. — Filipiana 1:10; Galatiana 1:8, MN.
Ny anjely ao amin’ny fikasan’Andriamanitra
Na dia maro aza no miray hevitra ny amin’ny fiandohana sy ny toetra mampiavaka ny anjely, dia vitsy no tena mahazo fanazavana ny amin’ny mahatonga azy ireny hisy sy ny amin’ny fomba ananany hery eo amin’ny fiainantsika amin’izao andro izao.
Ao amin’ny Baiboly, ny teny roa nadika hoe “anjely” dia mal’akh (hebreo) sy aggélos (grika), izay samy “mpitondra hafatra” no dikany. Izany tokoa no anankiray amin’ireo raharahan’ny anjely: ampiasaina ho mpitondra hafatra, na iraka, eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona izy ireny.
Ohatra, Andriamanitra dia naniraka anjely mba hampita amin’i Abrahama hafatra momba an’Isaka zanany sy ny fitahiana ho tonga amin’ny alalany, ka mety ho azontsika (Genesisy 22:11-17). Naniraka anjely izy mba hiteny tamin’i Mosesy (Asan’ny apostoly 7:37, 38), sy mba hanomezana toromarika ho an’i Elia mpaminany koa (2 Mpanjaka 1:3). Anjely koa no niseho tamin’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, nitondra toromarika manokana ny amin’ilay zazakely. — Matio 2:13.
Nanendry anjely mba hiaro ny olony koa Andriamanitra: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy Azy.” (Salamo 34:7). Ohatra, anjely no nanafaka ny apostoly Petera avy tao an-tranomaizina (Asa. 12:6-11). Tafita velona tamin’ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora Lota sy ireo zanany vavy noho ny anjely roa izay namoaka azy ireo avy tao amin’io faritra io. Tsy nanaraka tamin’ny fomba tonga lafatra ireo toromariky ny anjely kosa anefa ny vadin’i Lota; ringana niaraka tamin’ireo tanàna ireo izy. — Genesisy 19:1-26.
Ny Baiboly dia manonona toe-javatra maro hafa nandraisan’ny anjely anjara, ka izany dia manamarina ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Hebreo 1:7, 14: “Ary ny anjely dia ilazany hoe: ‘Izy manao ny anjeliny ho rivotra ary ny mpanompony ho lelafo.’ Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena?”
Nitondra fampaherezana lehibe ho an’i Jesosy ny anjely iray. Tamin’ny alina nialoha ny hahafatesany tokoa, dia fantatr’i Jesosy izay niandry azy: hisy hamadika azy, hokapohina sy hiharan’ny fahafatesana amin-kalozana izy. Nila hery izy mba hiaretana izany fitsapana izany sy tsy hivadihana hatrany. Tamin’izay fotoan-tsarotra izay no niseho taminy ny anjely iray ka “nampahery Azy”. Azo antoka fa sarobidy tokoa ho azy izany fampaherezana izany satria, na dia nitebiteby aoka izany aza izy, hany ka “ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany”, dia afaka nijoro tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesana izy. — Lioka 22:43, 44.
Nampiasa anjely koa Andriamanitra mba hanafoanana ireo fahavalon’ny olony, ohatra, rehefa nandrahona ireo mpivavaka tamin’Andriamanitra ny Herim-panjakana asyriana fahizay. Izao tokoa no vakina: “Ary tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.” (2 Mpanjaka 19:35). Aoka homarihintsika ny hery lehibe nananan’ireo anjely: anankiray monja dia ampy nahafaty fahavalon’Andriamanitra sy ny olony 185 000!
Heroda, mpiteny ratsy, dia niharan’ny herin’ny anjely iray koa. Raha vao nihevitra ny tenany ho nitovy tamin’Andriamanitra izy, “niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty”. — Asa. 12:21-23.
Fantatsika fa tsy ho ela Andriamanitra dia hampiasa indray ny anjely ho mpampihatra didim-pitsarana, mba hanapitra ny fandehan-javatra ratsy manontolo. “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy.” — Matio 13:41, 42.
Araka izany, dia diso tanteraka ny sary ataon’ny olona ny amin’ny anjely. Nanoratra toy izao i Manfred Barthel, mpanoratra ara-pivavahana alemana: “Raha tiantsika ny haka sary an-tsaina ireo anjelin’ny Tompo araka ny nahitan’ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha azy, dia tokony hohadinointsika aloha ireo kerobima botabota (...) izay mandravaka ireo sarintsika misy firarian-tsoa.” — Izay tena lazain’ny Baiboly.
Manan-kery eo amin’ny fiainanao ve ireo anjely?
Mbola mipetraka ihany anefa ny fanontaniana iray: Inona no ataon’ny anjely amin’izao andro izao? Misy heriny eo amintsika ve izy ireny amin’izao ankehitriny izao? Izany dia izany tokoa!
Tsaroana fa tao amin’ny faminaniany ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, [nomena ny fahefan’ilay Fanjakana], arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy izy.” — Matio 24:3, MN; 25:31, 32.
Ahoana no anaovana izany fanavahana izany? Izao no nambaran’i Jesosy: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN ). Mampiasa ny olony eto an-tany tokoa Andriamanitra mba hanao izany fitoriana maneran-tany izany.
Ny Fanjakan’Andriamanitra no Fitondram-panjakana izay hitondra ny hany fanafodin’ireo fahasahiranan’ny olombelona. Io Fanjakana io no fototry ny hafatra ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny telo tapitrisa eo amin’izao tontolo izao manontolo amin’izao andro izao, tohanan’ny anjely. “Dia tahaka izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ]; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina.” — Matio 13:49.
Tsy mitovy ny fomba fandraisan’ny olona ny fitoriana tarihin’ny anjely amin’izao andro izao. Ny sasany milaza fa sahirana loatra ka tsy afaka mihaino izany na tsy ta-handre fotsiny; ny hafa misalasala. Maro amin’ireo tso-po sy miahy ny amin’ny ho aviny anefa no mandray izany tsara. Ahoana no isehoan’izany?
Any amin’ny tany 208, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ny olona an-tapitrisany maro izay ‘mahatsapa ny zavatra ilainy ara-panahy’ ary ‘noana ny fahamarinana’. (Matio 5:3, 6, MN.) Imbetsaka ireo anjely no nitarika ireo mpanompon’Andriamanitra hanatona ny olona tso-po mba hitondra ho azy ireny izany hafatra famonjena izany. Ny Apokalypsy 14:6 dia milazalaza ara-panoharana ny amin’ny ‘anjely iray nanidina teo afovoan’ny lanitra’ nanana “filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany”. Izany indrindra no mitranga ankehitriny. Amin’ny ahoana no voakasika ny ho avinao?
Ny anjely ao amin’ny ho avinao
Ny Baiboly dia manondro mazava ny androntsika ho “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra (2 Timoty 3:1-5). Lazainy mazava koa fa misy anjely ‘mitsangana eo amin’ny vazan-tany efatra, mihazona ny rivotra efatra amin’ny tany’. (Apokalypsy 7:1.) Ahoana no tokony handraisana ny hevitr’io fanoharana io?
Mijoro eo amin’ireo “vazan-tany” ny anjely mba handefa ny “rivotra” fandravana avy any amin’ny zotra rehetra. Tsy hisy mihitsy faritra amin’ny tany ho voatsimbina, ka izany dia hilaza fa ny ‘fanimbana’, izany hoe ny fandringanana, dia ho tonga eo amin’ny fandehan-javatra ratsy sy ny mpanohana azy rehetra. Io fanoharana io àry dia filazalazana anjely vonona ny hanao zavatra raha vao haharay famantarana. — Apokalypsy 7:3; 19:11-21.
Kanefa, ny ‘fanimbana’ handringana dia tsy ho tonga afa-tsy eo amin’ireo izay tsy mandray tsara ny hafatra torina ankehitriny amin’ny tany manontolo miaraka amin’ny fanohanan’ny anjely. Nefa kosa, ireo izay mitady an’Andriamanitra sy mihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana dia tsy ho azon’izany. Harovana izy ireny, araka ny porofoin’ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” — Zefania 2:3.
Inona àry no hiafaran’ireny “mpandefitra” ireny? Izao no lazain’ny Salamo 37:11: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Ary haharitra hafiriana izany? “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Hety hisy àry ny fiainana mandrakizay eto an-tany izay, araka ny nilazan’i Jesosy azy, dia tokony hovana ho paradisa. — Lioka 23:43, MN.
Noho izany, dia mametraha izao fanontaniana izao amin’ny tenanao: ‘Hanao ahoana ny ho aviko?’ Ny valiny dia miankina amini’ny finiavanao hanaiky ny fitarihan’ireo anjely. Rehefa haseho aminao ny hafatra tohanan’izy ireo, hihaino izany ve ianao ka hanao zavatra? Raha izany no izy, dia ho anisan’ireo izay afaka mibanjina ny ho avy amin-toky ianao, araka ity fampanantenan’Andriamanitra ity: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17.
[Sary, pejy 7]
Amin’izao andro izao, dia ‘mihazona ny rivotra efatra’ ny anjely. Nahoana?