Anisan’ny fandaminan’i Jehovah ve ianao taloha?
NITAMBESARAN-KENATRA sy fahaketrahana lalina ilay zazalahy. Nasehon’ny fitafiany voro-kitsay tamin’ny famantarana sasany fa nahay nihetsika tokoa izy taloha, nefa porofoin’izany ankehitriny ny andro sarotra nodiaviny hatramin’izay. Rehefa nahatsiaro ny tranony tarỳ lavitra izy, dia nahatsapa fankahalana mafy tamin’ny fieritreretana ny fiainana feno filibana nananany hatreo sy ny fomba nandanilaniany ny lova niriny ho azo talohan’ny fotoana. Nampitombo ny fahoriany ny hanoanany. Naniry hahita indray ny ankohonany izy. Rehefa dinihina tokoa, na dia ireo mpanompon-drainy aza dia nanana toe-piainana tsara lavitra noho ny azy! Ho tiany ny ho eo amin’ny toeran’izy ireny!
Ahoana anefa no handraisan’ny rainy azy raha mody izy izao? Rehefa heverina amin’ny fomba tsy mendrika nitondrany tena tamin’ny fanararaotana ny hatsaram-pon’ny rainy, dia tsy azony natao loatra ny nanantena fa handray azy amin-kafanam-po io na hampiditra azy ao an-tranony akory aza. Na dia tao aza izany, dia nameno ny sainy sy ny fony ny fihetseham-po lalina: tokony hody any an-tranony izy.
Tsy takatr’io zazalahy io firy ny fihetseham-pon’ny rainy! Ary toy inona moa ny zava-nahagaga niandry azy rehefa nanatona ny tranony taloha izy! “Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy”. — Lioka 15:20.
Nandao ny tranonao sahala amin’ilay zanaka adala ve ianao? Nanalavitra ny Rainao, Jehovah, sy ny fandaminany ve ianao? Maniry ny ‘hody ao an-trano’ koa ve ianao?
Ny ankamaron’ireo izay nanalavitra ny fandaminan’i Jehovah dia tsy tena nanaraka ny lalan’ilay zanaka adala. Be dia be no nivily lalana, nila tsy ho tsapa, sahala amin’ny sambokely manalavitra moramora ny moron-drano. Nitana ny sasany aoka izany ny fahasahiranana ara-bola na ara-pianakaviana, ny tsy fahasalamana na ny fiahiana ny hahomby eo amin’izao tontolo izao mihitsy aza, hany ka nailiny ireo raharaha ara-panahy. Ny hafa namela olona niaraka tamin’ny kongregasiona kristiana hahatafintohina azy na nandao ny fandaminan’i Jehovah satria tsy nifanaraka taminy ny amin’ny fomba fahatakarana raharaha toy izao na izao mifandray amin’ny Soratra Masina. Ny hafa koa resin’ny fahakiviana ka niala tamin’ny fahamarinana satria tsy nifarana tamin’ny fotoana nanampoizany azy ny fandehan-javatra.
Raha anisan’ireo izay nitsahatra tsy niaraka tamim-paharisihana tamin’ny fandaminan’i Jehovah ianao, dia azo inoana fa noho ny antony iray na maromaro vao avy notsahivintsika teo. Na ahoana na ahoana, tsy heverinao ve fa fotoana tokony hieritreretana ny hiverenana izao. — Matio 18:12-14.
Nisy nahatafintohina anao ve?
Rehefa heverina amin’ny elanelana mampisaraka ny olombelona amin’ny fahatanterahana, dia tokony hampoizina ny hisian’ny fipoahan’ny fifandonana noho ny tsy fitovian-toetra indraindray. Nahasolafaka ny sasany izany toe-javatra izany. Ny hafa tafintohina satria ny olona iray nohajaina mafy nanomboka tampoka nanao zavatra tamin’ny fomba tsy voahevitra na tsy kristiana loatra, na nanao ratsy.
Izany ve no nitranga taminao? Na ahoana na ahoana, dia azo antoka fa tsy Jehovah no nahatonga izany (jereo Galatiana 5:7, 8). Noho izany, rariny ve ny hanapahana ny fifandraisantsika aminy satria nisy olon-kafa nanisy ratsy antsika? Moa ve tsy tokony hanohy hanompo azy amim-pahatokiana kosa isika, amin’ny fananana toky fa fantany izay mitranga ka hanao zavatra amim-pitiavana ho antsika izy? — Kolosiana 3:23-25.
Rehefa ela ny ela, ny sasany dia nihevitra fa izay nahatafintohina azy ireny fahiny dia toa tsy zava-dehibe toy izany intsony; angamba aza foana ilay tarehin-javatra mihitsy. Na, rehefa nandinika ilay raharaha tamim-pahatoniana izy, dia mety ho nanjary nieritreritra fa izy ireo no diso. Izany no mitranga matetika rehefa toroana hevitra ny olona iray na fehezina ka tafintohina satria tsy manaiky izay lazaina aminy. Amin’ny fitazanan-davitra kokoa, dia miaiky angamba izy fa noho ny fitiavana marina sy mba hahasoa azy no nifehezana azy toy izany (Hebreo 12:5-11). Fahendrena tokoa, ao anatin’izany toe-javatra izany, ny hanarahana ny torohevitry ny apostoly Paoly! Izao no nambarany: “Ampakaro àry ny tananareo sasatra, hatanjaho ny lohalikareo osa! Mandehana eo amin’ny lalana mahitsy tsara, mba tsy hipitsoka ny tongotra mandringa, fa mba ho sitrana kosa.” (Bible en français courant). — Hebreo 12:12, 13.
Tsy ekenao ve ny fampianarana iray?
Nandao ny fandaminan’i Jehovah angamba ianao satria hafa ny fandraisanao ny hevitry ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Masina. Toy ny Isiraelita ‘nalaky nanadino ny asa’ notanterahin’Andriamanitra ho azy ireo, taorian’ny nanafahana azy avy tany Egypta, ka ‘tsy niandrasany ny saina natolony, dia toy izany koa fa nihevitra angamba ianao hoe satria tsy nanaiky ny fiheverana nataonao ho marina ny fandaminana, dia tokony hisaraka amin’io fandaminana io ianao (Salamo 106:13). Mety ho nohazavaina kokoa ilay raharaha hatramin’izay, nabaribary tamin’ny fomba hafa ilay zavatra niadian-kevitra na mifanohitra amin’izany, voamarin’ny fikarohana araka ny Baiboly misimisy kokoa, izany dia noho ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra. Na dia izany aza, tsy ho tsaratsara kokoa ve ny hijanonana tao anatin’ny fandaminana tamin’ny fianteherana tamin’i Jehovah?
Tsara ny hahatsiarovana fa tamin’ny alalan’ny fandaminana tokana ihany foana no niasan’i Jehovah. Amin’izao androntsika izao, dia ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” no mizara ny sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana”. Mariho fa “raha avy ny tompony” dia tokony “hahita azy manao izany”. (Matio 24:45-47.) Iza moa amin’izao andro izao no tena mahatsapa fa efa tonga ny Tompo? Iza no manao ny asa resahina? Tsy iza izany fa ireo izay miara-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia ireo vavolombelony kristiana.
Tamin’ny fotoana nandaozan’ny mpianany sasany an’i Jesosy, dia hoy ny apostoly Petera taminy: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” Tsy nisalasala mihitsy i Petera ny amin’ny naha-Mesia an’i Jesosy. Noho izany, na dia nanafintohina ny Jiosy maro aza ny tenin’i Jesosy, dia takatr’i Petera fa tsy ho fahendrena loatra ny handaozana ilay avy aminy no niavian’ny “tenin’ny fiainana mandrakizay”. Ho tonga ny fotoana hampisava ny fisalasalana sy hanazava ny zavatra (Jaona 6:51-68; jereo Lioka 24:27, 32). Izany no mbola mitranga amin’izao andro izao, ka mitari-dalana miandalana ireo mpanompony eo amin’ny lalan’ny fahamarinana Jehovah. — Ohabolana 4:18.
Izao no fotoana tokony hiverenana!
“Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’i Jehovah”, hoy ny fitalahoan’i Jeremia mpaminany (Fitomaniana 3:40). Mety hisalasala ihany anefa ny sasany, angamba noho ny fahatahorana tsy horaisin’ny kongregasiona tsara. Fa ahoana no nandraisana ilay zanaka adala rehefa niverina tao an-tranony izy? “Mety ny (...) miravoravo”, hoy ny fanazavan’ilay ray tamin’ny zanany lahy hafa, “fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very fa hita indray”. (Lioka 15:32.) Misy fandraisana mafana miandry, toy izany koa, ireo izay ‘miverina amin’i Jehovah’, hetsehin’ny faniriana amim-pahatsorana ny hanao ny sitrapony. — Jereo Lioka 15:7.
Ny kongregasiona kristiana anefa dia tsy mianina amin’ny fiandrasana ny hanapahan’ireo nandao ny fandaminan’Andriamanitra hevitra ny ‘hody ao an-trano’ mba handraisana azy ireny. Tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia nihazakazaka nitsena ny zanany ilay ray “raha mbola lavitra izy”. Toy izany koa fa raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho adidy manokana ny fitadiavana ireo izay niaraka taminy taloha sy ny manampy azy ireny hiverina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah.
Inona no hatao raha nanjary ho nanao fahadisoana ara-pitondrantena lehibe ny olona iray rehefa tsy niaraka tamin’ny fandaminan’i Jehovah intsony? na raha nisy olona namoy ny zo ho anisan’ny olon’Andriamanitra noho izy nanao zavatra nifanohitra tamin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana, kanefa hatramin’izay dia nitsahatra tsy nanao ratsy? Amim-pahamoram-panahy sy fitiavana, dia ho hain’ireo loholona ny fomba hanampiana an’io olona io hanarina ny zavatra miaraka amin’i Jehovah. Noho izany, izay rehetra maniry hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra indray izao dia tokony hampandre an’ireo loholona ny amin’izany. “Avia ary hifandahatra [handamina indray ny zavatra eo amintsika, MN ] isika, hoy Jehovah: na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala.” — Isaia 1:18.
Tsara sy feno hafanana ary tia tokoa ny Raintsika any an-danitra! Maharitra tokoa izy, mihevitra ny tsirairay avy amintsika manokana! Azo antoka fa tsy tiany ny haharingana antsika miaraka amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny (2 Petera 3:9). Moa ve izy tsy nilaza tamin’ny olony izao fananarana manaraka izao fahiny: “Miverena amiko, dia mba hiverina aminareo kosa Aho”? Mbola atao io fanasana io ankehitriny. — Malakia 3:7.
Mihafohy ny fotoana; noho izany, dia aza mitaredretra. Miaraha migoka indray amin’ireo mpanompon’i Jehovah ny ‘fiadanana be an’izay tia ny lalàn’Andriamanitra’; “tsy misy mahatafintohina azy”, hoy ny mpanao salamo (Salamo 119:165). Tena tianao tokoa amin’ny fonao rehetra ve ny lalàn’i Jehovah? Raha mpanompon’Andriamanitra ianao, dia izany no antony nanoloranao tena ho azy. Tsy misy na inona na inona mihitsy mety ho zava-dehibe kokoa ho anao noho ny fahitana indray fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Aza miala aminy. Eritrereto amim-pitandremana sy ao amin’ny vavaka izany. Raha manina ny firaisan-tsaina sy ny hafanana ao amin’ny olon’i Jehovah ianao, dia tsy diso aoriana loatra izao mba hiverenana ao amin’ny fandaminany. Ataovy tsy misy hataka andro izany!