Ny ho avy mamiratra ho hitan’ny tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra
NY BAIBOLY dia milaza fa “ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina”. (Hebreo 11:1.) Nampiseho ny lahatsoratra teo aloha fa 500 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Kristy, Andriamanitra dia nampanoratra tao amin’ny bokin’i Daniela, fitantarana fahitana iray ara-paminaniana ny amin’ny fiakarana sy ny fianjeran’ireo herim-panjakana, tao anatin’ny vanim-potoana nahaveloman’i Daniela ka hatramin’izao androntsika izao. Ny fahamarinan’ireny faminaniana ireny dia manome ho antsika fahatokiana mafy, raha lazaina amin’ny teny hafa, antony mafy orina mba hinoana, fa ny tapany sisa amin’ny faminanian’i Daniela dia ho tanteraka koa sady tsy ho ela dia ho hitantsika ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona.
Fiovana toy inona moa izany ho an’ny olombelona! Raha niresaka mialoha ny amin’izany fotoana izany Andriamanitra, dia hoy izy: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:5). Amin’ny fandinihana ny sasany amin’ireo faminaniana azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izay milazalaza ny amin’io ho avy kanto io, dia ho fantatsika tsaratsara kokoa hoe amin’ny heviny ahoana no ‘hohavaozina’ ny zavatra, ary amin’ny heviny ahoana no ho hafa tanteraka noho izay entin’ny fanapahan’olombelona ankehitriny izany. Ireo fanambaran’ny Baiboly ny amin’ny ho avin’ny planeta sy ny fiainana eto an-tany tokoa dia mampitolagaga tsotra izao. Jereo tokoa ange:
Fiafaran’ny heloka bevava sy ny herisetra. “Fa ny mpanao ratsy hofongorana, (...) tsy hisy ny ratsy fanahy.” Ireo izay ho velona dia “hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” — Salamo 37:9, 10; Mika 4:4.
Fanjavonan’ny fisaratsarahana ara-pirazanana sy ara-pirenena ary koa ny ady aterany. “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely, na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4.
Tsy hisy tsy an’asa intsony na tsy fananan-trano honenana. Nanambara Isaia hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. (...) Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” — Isaia 65:21, 22.
Ho solon’ny mosary mahatsiravina toy izay vao namely ireo faritra atsy Afrika, fahatondrahan’ny sakafo ho an’ny rehetra. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” — Salamo 72:16; 67:6, 7.
Ankoatra izany, dia hanana fahasalamana sy fiainana izay hahafahantsika mifaly amin’ireo soa ireo isika. Nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany no efa nilazana marina tokoa fa ‘nampahiratina ny jamba, nafahana ny mandringa, nodiovina ny boka, natao nalady ny marenina’. Nefa fampanantenana mbola kanto kokoa no hotanterahina: “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony, ary tsy hisy fahafatesana intsony; sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana. Fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Lioka 7:22; Apokalypsy 21:4.
Fiovana kanto re izany! Fanamaivanana toy inona moa izany ho an’ny olombelona mijaly! Mamporisika anao izahay mba hanaiky dieny izao ny Fanjakan’Andriamanitra; amin’izany fomba izany no mety hahazoanao ny soa ho entin’io fiovana manan-tantara io eo amin’ny fanapahana an’izao tontolo izao.
[Sary, pejy 7]
Ireo izay velona amin’izao androntsika izao dia afaka manantena soa mahatalanjona: ny fanjavonan’ny ady, ny heloka bevava, ny fahantrana, ny aretina ary na dia ny fahafatesana koa aza. Ho tianao ve ny hanana ho avy toy izany?