“Kristy, Zanak’Andriamanitra velona”
REHEFA avy nitatitra taminy izay nolazain’ny olona momba azy ny mpianany, dia nametrahan’i Jesosy izao fanontaniana izao izy ireo: “ ‘Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?’ Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: ‘Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.’ ” — Matio 16:15, 16.
Moa ve Petera irery no tonga tamin’izany famaranan-kevitra izany? Tsia dia tsia tokoa! Aoka hojerentsika hoe iza koa ary homarihintsika hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’ireny olona ireny ny maha-izy an’i Jesosy.
IREO MPIANANY VOALOHANY: Jaona Mpanao batisa, Natanaela sy Marta mpianatra, Saoly avy any Tarsosy ary ny hafa koa, dia samy niantso an’i Jesosy hoe “Zanak’Andriamanitra” (Matio 14:33; Jaona 1:33, 34, 49; 11:27; Asa. 9:20). Nino marimarina izany izy ireny tamin’ny nahitany ireo faminaniana tokony hahafantarana ny Mesia, tanteraka tamin’i Jesosy.
NY MPANOHITRA AZY VOALOHANY: Ny Jiosy nitady hamono an’i Jesosy dia niresaka ny aminy ho toy ny Zanak’Andriamanitra. Izany koa no neken’ireo miaramila nanatrika ny nanomboana azy tamin’ny hazo (Matio 27:54; Jaona 19:7). Na dia tsy hoe tsy maintsy ho porofo’ny ninoan’ireny fahavalony ireny azy aza akory no resahina eto, dia mampiseho izany fara faharatsiny fa fantatr’ireny olona ireny izay nolazaina momba an’i Jesosy. Ambonin’izany, ny fisehoan-javatra mahagaga nanodidina ny fanomboana azy dia toa nitarika ny sasantsasany taminy hanova ny fiheverany momba azy.
NY ANJELY: Rehefa nanambara ny hahaterahan’i Jesosy ny anjely Gabriela, dia niresaka ny aminy ho toy ny Zanak’Andriamanitra (Lioka 1:32, 35). Nisy aza olona azon’ny fanahy ratsy niantsoantso hoe: “Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’Andriamanitra ô?” (Matio 8:28-32). Koa satria efa nisy tany an-danitra Jesosy talohan’ny nahatongavany ho olombelona, dia mazava loatra fa sady fantatr’ireo anjely mahatoky izy no fantatr’ireo anjely ratsy.
NY TENAN’I JESOSY MIHITSY: Tsy nirehareha mihitsy ho Zanak’Andriamanitra Jesosy mba hahazoana ny fankasitrahan’ny hafa na mba hananana laza mifandray amin’izany fiaviana izany. Mifanohitra amin’izany kosa, dia miresaka matetika ny amin’y tenany ho toy ny “Zanak’olona” izy. (Matio 12:40; Lioka 9:58.) Tamin’ny toe-javatra maro anefa dia niaiky izy fa Zanak’Andriamanitra. — Jaona 5:24, 25; 10:36; 11:4.
JEHOVAH ANDRIAMANITRA: Iza moa no nanana fahefana kokoa hampahafantatra ny maha-izy an’i Jesosy noho ny tenan’Andriamanitra mihitsy? Indroa Jehovah no nanao izao fanambarana izao avy any an-danitra: “Ity no Zanako malalako Izy sitrako.” — Matio 3:17; 17:5.
Ekenao ve ilay nankasitrahan’Andriamanitra?
Tamin’ny taonjato I, dia olona an’arivony maro no niaiky fa Jesosy marina no ilay Mesia nampanantenaina, na Kristy, tonga tetỳ ambonin’ny tany mba hanamarina ny fiandianan’i Jehovah sady hamonjy ny olombelona tamin’ny nanolorany ny ainy ho avotra (Matio 20:28; Lioka 2:25-32; Jaona 17:25, 26; 18:37). Raha toa ka nisalasala ny amin’ny maha-izy an’i Jesosy ny olona, dia azo antoka fa tsy ho voatosika ho tonga mpianany izy ireo teo anoloan’ny fanoherana nafana. Kanefa dia nanaiky tamin-jotom-po sy tamin-kerim-po ny ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’ izy, mifanaraka amin’ny fanirahan’i Jesosy azy. — Matio 28:19.
Ankehitriny dia kristiana an-tapitrisany maro no mahafantatra fa tsy olona voalazan’ny angano Jesosy. Manaiky azy ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina any an-danitra izy ireo, Fanjakana izay mampihatra fahefana mitombo eto an-tany sy eo amin’ny raharahan’ny olombelona. Ny fiorenan’io fitondram-panjakan’Andriamanitra io dia mahaforona vaovao iray tena tsara, satria izany dia midika ho fiafaran’ireo zava-manahirana manerana an’izao tontolo izao. Asehon’ny kristiana marina fa manohana amin’ny fo manontolo ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fitoriana “ity filazantsaran’ny fanjakana ity” amin’ny mpiara-belona aminy. — Matio 24:14.
Ireo izay manome ny fanohanany an’ilay Fanjakana tarihin’i “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” dia hiaina mandrakizay sady hanandrana fitahiana tsy hanam-pahataperana. Ny tenanao koa dia mety ho anisan’izy ireny!
[Teny notsongaina, pejy 8]
Ankehitriny dia olona an-tapitrisany maro izay nisalasala ny amin’ny maha-izy an’i Jesosy, no manohana azy ao anatin’ny firaisan-tsaina sady manaiky azy ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra
[Sary, pejy 7]
Petera dia niaiky fa Jesosy no “Kristy, zanak’Andriamanitra velona”. Vavolombelon’i Jehoah maherin’ny 3 000 000 no manao toy izany ankehitriny.