FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/6 p. 24-29
  • Ny rariny ho an’ny firenena rehetra, tsy ho ela intsony

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny rariny ho an’ny firenena rehetra, tsy ho ela intsony
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aloky ny zava-tsoa ho avy
  • Mifandanja ny rariny sy ny famindrampo
  • Ny rariny ho an’ny firenena rehetra
  • Tsapanao ve ny lalana marin’Andriamanitra?
  • Hanao zavatra haingana ilay Andriamanitry ny fahamarinana
  • “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony”
  • Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Tahafo i Jehovah — Manaova ny Rariny sy ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • “Manao ny Rariny Foana Izy”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Jehovah — Tia Fahamarinana sy Rariny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/6 p. 24-29

Ny rariny ho an’ny firenena rehetra, tsy ho ela intsony

“Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona hianao ka handova ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.” — DEOTERONOMIA 16:20.

1. Inona moa no fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany momba ny olombelona, ary ahoana no hahafahan’ny olombelona mahatanteraka izany?

FONY izy namorona ny lehilahy sy ny vehivavy, ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra dia ny hameno ny tany amin’ny zavaboary tanteraka izay samy hidera azy sy hanatanteraka ny anjara asany amin’ny fampanompoana ny tany (Genesisy 1:26-28). Natao tahaka ny endrika sy araka ny tarehin’Andriamanitra ny olombelona ka nomena toetra toy ny fahendrena, ny fahamarinana, ny fitiavana sy ny hery. Amin’ny fanehoana ireo toetra samihafa ireo amin’ny fomba voalanjalanja ihany no hahafahany hanatanteraka ny fikasana noforonin’ny Mpanao ho azy.

2. Zava-dehibe ve ny nanarahan’ny zanak’Isiraely ny rariny?

2 Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nikomy tamin’ny fandaharan’Andriamanitra ny olombelona ka voaheloka ho faty. Noho ny tsy fahatanterahany, dia tsy azony atao hatramin’izao ny manatanteraka ny fikasana noforonin’Andriamanitra ho an’ny olombelona tamin’ny voalohany. Ny tsy fahaizany maneho ny rariny tanteraka no mahatonga indrindra izany tsy fahombiazana izany. Tsy mahagaga mihitsy àry raha nampahatsiahy ny zanak’Isiraely toy izao i Mosesy: “Ny marina dia marina no harahinao.” Tsy afaka ny mbola ho velona ihany izy ka hanana ny Tany nampanantenaina raha tsy manaraka ny rariny. — Deoteronomia 16:20.

Aloky ny zava-tsoa ho avy

3. Nahoana moa no mahaliana antsika ny fandinihana ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Isiraely?

3 Ny fifandraisana notanan’i Jehovah tamin’ny Isiraely dia manome antoka antsika fa tsy maintsy hampahafantatra mazava ny rariny amin’ny firenena rehetra izy amin’ny alalan’ilay Mpanompo nofidiny, dia Jesosy Kristy. Manazava izany amin’izao teny izao ny apostoly Paoly: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Koa satria “tia fahamarinana sy rariny” Andriamanitra, dia nitaky tamin’ny Isiraelita ny hanahafany azy izy teo amin’ny fifandraisan’izy ireo samy izy (Salamo 33:5). Izany no ho tsapantsika mazava amin’ny fandinihana ny sasantsasany amin’ireo lalàna 600 nomeny azy ireo.

4. Ahoana moa no niantohan’ny Lalàn’i Mosesy ny zo sivily?

4 Raha mbola nohajaina koa ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy nisy mihitsy olona nahita fa tsy noraharahaina ny zony sivily. Ny amin’ny tsy Isiraelita tonga nonina tao amin’ilay tany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Levitikosy 19:34: “Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao.” Fandaharana ara-drariny sy voamariky ny fitiavana izany. Natao ho an’ireo mpitsara sy ireo vavolombelona koa izao fananarana manaraka izao: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ny adin’olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. Aza mandravaka ny tenin’ny malahelo eo amin’ny fandaharan-teniny hianao.” (Eksodosy 23:2, 3). Eritrereto kely ange, nitovy ny fomba nampiharana ny rariny teo amin’ny manan-karena sy ny mahantra!

5. Raha ny amin’ny fanamelohana, ampitahao amin’ny Lalàn’i Mosesy ireo lalàna ankehitriny.

5 Raha ny amin’ny fanamelohana, ny fitambaran-dalàn’i Mosesy dia ambony lavitra noho ny fitambaran-dalàn’ny firenena rehetra amin’izao androntsika izao. Ohatra, tsy nampidirina an-tranomaizina ny mpangalatra, hany ka tsy enta-mavesatra ho an’ireo olona tia niasa izay nanaja ny Lalàna izy ireo. Tsy maintsy niasa kosa izy ireny ka nanonitra avo roa heny fara fahakeliny, izay nangalariny. Tsy matiantoka mihitsy àry ilay niharam-pahavoazana. Raha tsy nety niasa na nanonitra ny an’ilay nangalarany ilay mpangalatra, dia namidy ho andevo izy mandra-pahavitan’ny fanorenana. Raha nikiry tamin’ny hamafian-katony izy, dia novonoina ho faty. Tsy vitan’ny hoe nahatonga ho afaka hampihatra ny rariny tamin’ilay niharam-pahavoazana izany fandaharana izany, fa nisy vokany fisakanana ireo izay nirona hangalatra koa (Eksodosy 22:1, 3, 4, 7; Deoteronomia 17:12). Farany, koa satria masina ny aina eo imason’Andriamanitra, ny mpamono olona rehetra dia novonoina, ka izany dia niaro ilay firenena tamin’ireo olona ratsy fanahy sy mpamono olona. Namindrana fo anefa ireo nahafaty olona tsy nahy. — Nomery 35:9-15, 22-29, 33.

6. Mitarika antsika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana moa ny fandinihana ireo lalàna nomena ny Isiraely?

6 Azo atao ve ny mandà ny maha-ara-drariny ny lalàna rehetra nomen’i Jehovah ho an’ny firenen’Isiraely? Toy inona moa ny fampaherezana, ny fanantenana, mahafantatra fa hotanterahina amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny fampanantenan’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Isaia 42:1! Manome toky antsika toy izao izany: “Hamoaka fitsipika [ny rariny, MN ] ho an’ny jentilisa [ireo firenena, MN ] Izy.”

Mifandanja ny rariny sy ny famindrampo

7. Ahoana no nanehoan’i Jehovah famindrampo tamin’ny Isiraely?

7 Mifandanja amin’ny famindrampony ny fahamarinan’Andriamanitra. Izany no naseho mazava rehefa nanomboka nihataka tamin’ny mazava rehetra nanomboka nihataka tamin’ny lalana marin’Andriamanitra ny Isiraelita. Nandritra ny 40 taona dia naneho famindrampo sy fiahiana ny olony Jehovah, araka ny tantarain’i Mosesy amin’izao teny izao: “Nahita azy tany an-efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana be nampierona, ka dia nanodidina sy niahy azy, ary notandremany tahaka ny anakandriamasony. Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany, — Jehovah irery no nitondra azy.” (Deoteronomia 32:10-12). Tatỳ aoriana, rehefa latsaka tao anatin’ny fivadiham-pinoana ny Isiraelita, dia nandodona azy toy izao Jehovah: “Mialà amin’ny làlanareo ratsy hianareo sy amin’ny ratsy fanaonareo.” — Zakaria 1:4a.

8, 9. a) Nanao ahoana ny nanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany tamim-pamindrampo tamin’ny Jiosy? b) Inona no fahoriana namely azy ireo tamin’ny farany, nefa inona no azo lazaina ny amin’ny nataon’Andriamanitra ho azy ireo?

8 Tsy nohenoin’ny Isiraelita anefa izany antso tamim-pamindrampo nataon’i Jehovah izany, ka nampanoratra toy izao an’i Zakaria mpaminaniny izy: “Nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy.” (Zakaria 1:4b). Natosiky ny fahamarinany sy ny famindrampony àry Andriamanitra ka nandefa ho azy ireo ny Zanany lahitokana mba hanampy azy ireo hiverina Aminy. Nampahafantatra ilay Zanak’Andriamanitra tamin’izao teny izao i Jaona Mpanao batisa: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29). Nandritra ny telo taona sy tapany, dia tsy nitsahatra nampianatra ny Jiosy ny lalana marin’Andriamanitra i Jesosy ary nanaporofo fa izy ilay Mpanafaka nambara tamin’ny fanaovana fahagagana tsy tambo isaina (Lioka 24:27; Jaona 5:36). Nefa noho ny vahoaka tsy nety nihaino sy nino azy, dia nihiaka toy izao izy: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” — Matio 23:37, 38.

9 Mbola nifehy tena tsy hampihatra ny fanamelohany ihany Andriamanitra nandritra ny 37 taona, avy eo, tamin’ny farany, tamin’ny taona 70 dia nevelany ny Romana handrava an’i Jerosalema sy hitondra Jiosy an’arivony maro ho any amin’ny fahababoana. Rehefa eritreretina ny fahari-po sy ny faharetana nasehon’i Jehovah nandritra ny taonjato maro, azo atao ve ny handa fa naneho ny rariny foana izy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny taranak’Isiraely?

Ny rariny ho an’ny firenena rehetra

10. Ahoana no niitaran’ny fahamarinan’Andriamanitra ho amin’ny firenena rehetra?

10 Taorian’ny nandavan’ny Isiraely an’i Jesosy, dia izao no nambaran’i Jakoba: “Izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.” (Asa. 15:14). Izany “olona” izany, voaforon’ireo Jiosy vitsivitsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia, dia mahaforona amin’ny fitambarany, ny “Isiraelin’Andriamanitra [ara-panahy]” ary voaforon’ny mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy 144 000 (Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:1-8; 14:1-5). Ny Jentilisa tsy voafora voalohany izay tonga mpino dia Kornelio. Rehefa nanaiky, niaraka tamin’ny ankohonany, ny fomba famonjena nomanin’Andriamanitra izy, dia izao no nambaran’i Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35). Tetsy an-daniny koa, dia nosoritan’i Paoly fa nampihatra ny rariny Jehovah tamin’ny fanehoana tsy fizahan-tavan’olona. Izao no nosoratany: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” — Galatiana 3:28, 29.

11. Inona no fampanantenana natao tamin’i Abrahama, ary ahoana no hahatanterahan’izany?

11 Ireo teny ireo dia mampahatsiahy antsika ny fampanantenana mahatalanjona nomen’i Jehovah an’i Abrahama. Koa satria ilay patriarka niseho ho vonona ny hanolotra an’Isaka zanany malala ho sorona, dia hoy Jehovah taminy: “Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho (...); ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:16-18). Ahoana no hahatanterahan’io fampanantenana io? Avy any an-danitra, ny ‘taranak’i Abrahama’ (voaforon’i Jesosy Kristy sy ireo mpianany voahosotra 144 000, tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana) dia hitondra ny olombelona mandritra ny arivo taona (Apokalypsy 2:10, 26; 20:6). Ny amin’izany fotoana voatahy izany, dia manome toky antsika toy izao Jehovah: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” Inona no antony? Satria “ny fanapahana” ampiharin’io Fanjakana mesianika io dia ‘ampitoerina amin’ny rariny sy ny hitsiny mandrakizay’. — Isaia 9:6.

12. Inona moa no soa azo raisina dieny izao avy amin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama?

12 Tsy ilaina anefa ny miandry ny hanombohan’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy vao handray soa amin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama. Efa manao izany sahady ny “olona betsaka” ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’. Noho izy ireny, ara-panoharana, ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’, Jesosy Kristy, dia heverin’i Jehovah fa marina izy. Sahala amin’i Abrahama, dia tonga sakaizan’Andriamanitra izy ireny. Amin’izany dia miorina mafy amin’ny rariny ny fomba famonjena nomen’i Jehovah ho an’ny olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena rehetra. — Apokalypsy 7:9, 14.

Tsapanao ve ny lalana marin’Andriamanitra?

13, 14. a) Inona moa no tokony hoeritreretintsika rehetra? b) Ahoana no azontsika anehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah?

13 Mahatsiaro fankasitrahana lalina an’Andriamanitra ve ianao rehefa mieritreritra ny rariny sy ny fitiavana nasehony tamin’ny fanolorana ny Zanany lahitokana ho avotra mba hamonjena antsika? Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pon’i Abrahama rehefa nangataka taminy Andriamanitra mba hanao sorona ny zanany lahitokana tiany aoka izany! Nahatsiaro alahelo mafimafy kokoa ihany anefa Jehovah. Eritrereto izay tsapany rehefa niharan’ny latsa sy ny fanarabian’ny mpandalo ilay Zanaka malalany ka nijaly mafy teo amin’ny hazo fijaliana. Alao sary an-tsaina ny fihetsiny rehefa nandre azy niantsoantso hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” (Matio 27:39, 46). Ny rariny anefa dia nitaky ny hamelan’i Jehovah an’i Jesosy hiharan’ny fahafatesana nanaporofo fa mpiaro ny fahamarinan’Andriamanitra nahatoky izy. Ambonin’izany, tamin’ny fanekena ny hamonoana ny Zanany ho faty, dia namoha ny lalan’ny famonjena ho antsika Jehovah.

14 Ny fankasitrahana an’i Jehovah sy ny Zanany àry dia azo antoka fa tokony hanosika antsika hiaiky ampahibemaso toy izao: “Ny famonjena dia avy amin’Andriamanitsika (...) sy avy amin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:10, MN ). Amin’ny fanehoana toy izany ny fankasitrahantsika, dia asehontsika fa raisintsika ho antsika ireto tenin’i Mosesy ireto: “Rariny avokoa ny lalan’i Jehovah rehetra.’ (Deoteronomia 32:4). Toy inona moa ny fahasambarana tsy maintsy hoentintsika ho an’i Jehovah sy ny Zanany amin’ny fanekena ny fomba famonjena nomanin’Andriamanitra araka ny rariny ho an’ny olombelona!

15. Nahoana moa no zava-dehibe ho antsika ny resaka nataon’i Jesosy tamin’i Nikodemosy?

15 Moa ve tsy faly isika satria niorina mafy tamin’ny toerany momba ny raharaha ny amin’ny sorom-panavotana ireo rahalahintsika kristiana tao anatin’ireo taona 1870? Moa ve tsy faly isika anisan’ny fandaminana iray izay tapa-kevitra toy izany koa amin’izao andro izao ny hifikitra hatrany amin’ny fomba amonjena nomanin’Andriamanitra tamim-pahamarinana sy fitiavana? Raha izany no izy, dia tokony hotandremantsika tsara ny resaka nataon’i Jesosy tamin’i Nikodemosy manao hoe: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina; (...) izay manao ny marina (...) dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra [mifanaraka amin’Andriamanitra, MN ] izany.” Raha tsy tiantsika ny hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra, dia tokony hoporofointsika fa mino ny Zanany isika amin’ny fanatanterahana ‘asa mifanaraka amin’Andriamanitra’. — Jaona 3:17, 18, 21.

16. Ahoana moa no azon’ireo mpianatr’i Jesosy anomezam-boninahitra ny Rainy any an-danitra?

16 Hoy i Jesosy: “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.” (Jaona 15:8, 10). Inona moa no sasany amin’ireny didy ireny? Ny anankiray aminy dia voasoratra ao amin’ny Jaona 13:34, 35, ilazan’i Jesosy toy izao amin’ireo mpianany: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo (...). Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Miharihary anefa ny fitiavana eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanome izao baiko izao koa i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20). Raha ny aminao, moa ve ianao manatanteraka izany ‘asa mifanaraka amin’Andriamanitra’ izany?

17. Vokatra inona no mampiseho fa mampiharihary ny fahamarinan’i Jehovah ny asa fitoriana sy fampianarana?

17 Miseho ho marina Jehovah amin’ny famelana ireo mpianatr’i Jesosy hanatanteraka io asa fitoriana sy fampianarana io. Manaporofo izany ireo vokatra azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ny taona lasa monja. Marina tokoa fa mpianatra vaovao 239 268 no natao batisa tamin’ny 1988. Moa ve tsy mahafaly izany?

Hanao zavatra haingana ilay Andriamanitry ny fahamarinana

18. Mety hiteraka fanontaniana hoe ahoana moa ireo fanenjehana mihatra amin’ny olon’i Jehovah?

18 Toherin’ny sasany ny asa fanaovana fanambarana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20). Manaporofo ny fahamarinan’io fanambarana io ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Tany amin’ny tany maro, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niharam-pandrarana, nampidirina an-tranomaizina, nokapohina ary nampijalina mihitsy aza. Ny fanenjehana toy ireny dia mampahatsiahy antsika ireto tenin’i Habakoka ara-paminaniana ireto: “Ngoly ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny.” Misy aza mpanompon’i Jehovah mety hanjary hanontany tena toy izao: ‘Nahoana no leferin’i Jehovah ireo manao zavatra amim-pitaka? Nahoana no mangina izy raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy?’ — Habakoka 1:4, 13.

19. Fanoharana inona nataon’i Jesosy moa no manampy antsika hahita ny zavatra araka ny ahitan’Andriamanitra azy?

19 Nomen’i Jesosy ny fanoharana iray izay manampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo sy hijery ny zavatra araka ny ahitan’Andriamanitra azy. Lazalazainy ao amin’ny Lioka 17:22-37 ny herisetra tokony hampiavaka ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny. Izany fotoana izany, hoy izy, dia ho azo ampitahaina amin’ny an’ny safodrano nitranga tamin’ny andron’i Lota. Avy eo, araka ny Lioka 18:1-5, dia nitodika tany amin’ny mpianany Jesosy ka “nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka”. Noresahiny tamin’izy ireo ny amin’ny mpitondratena nahantra iray sy ny amin’ny ‘mpitsara anankiray’ afaka nanome fahafahampo azy. Tsy nitsahatra nilaza toy izao tamin’ilay mpitsara ilay mpitondratena: “Omeo rariny aho amin’ilay manana ady amiko.” Farany, noho ny fikirizan’io vehivavy io, dia ‘nomen’ilay mpitsara rariny izy’.

20. Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’io fanoharana io?

20 Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’io fanoharana io? Raha nampifanohitra an’io mpitsara tsy marina io tamin’i Jehovah i Jesosy, dia hoy izy: “Henoy izay lazain’ilay mpitsara tsy marina. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va Izy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy.” — Lioka 18:6-8a.

21. Ahoana no tokony hiheverantsika sy hisetrantsika ireo fahasahiranantsika manokana?

21 Rehefa manana fahasahiranana manokana isika, dia aoka hotadidiantsika mandrakariva izao: Raha hitantsika fa toa ela loatra vao mamaly ny fangatahantsika Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hoe tsy maniry hamonjy antsika akory izy (2 Petera 3:9). Raha mijaly isika noho ny karazam-panenjehana na tsy rariny, sahala amin’ilay mpitondratena noresahin’i Jesosy, dia afaka matoky isika fa hanome rariny Andriamanitra amin’ny farany. Ahoana no azontsika ampisehoana izany finoana izany? Amin’ny fivavahana mandrakariva ary amin’ny fanamafisana ny vavaka ataontsika amin’ny fitondrantena mahatoky (Matio 10:22; 1 Tesaloniana 5:17). Amin’ny tsy fivadihantsika no hanaporofoantsika fa misy eto an-tany ny finoana, fa tia ny rariny amim-pahatsorana ny olona sasany, ka anisan’izy ireny isika. — Lioka 18:8b.

“Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony”

22. Tamin’ny filazana mampiseho fandresena ahoana moa no namaranan’i Mosesy ny hirany?

22 An’arivony taona maro lasa izay, dia namarana ny hirany tamin’izao filazana mampiseho fandresena izao i Mosesy: “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony; fa ny ran’ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony.” (Deoteronomia 32:43). Manatona manao dingan-dava ny andro famalian’i Jehovah. Velom-pankasitrahana lalina azy isika noho ny fanohizany maneho faharetana sy rariny.

23. Fahatsinjovan-javatra mahafaly inona no miandry ireo izay miara-paly amin’ny olon’Andriamanitra?

23 Eny, mbola azon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra atao ny “ho tonga amin’ny fibebahana”, kanefa tokony hanao izany tsy misy hataka andro izy. Nandefa izao fampitandremana izao tokoa i Petera: “Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN ].” (2 Petera 3:9, 10). Ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitaky ny hanafoanana tsy ho ela ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Enga anie àry isika ho anisan’ireo izay ho namaly ity fanasana mahafaly ity: “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony.” Eny, aoka isika ho anisan’ny olombelona sambatra izay nahatakatra fa rariny avokoa ny lalan’Andriamanitra!

Ahoana no havalinao?

◻ Nahoana moa ny Lalàn’i Mosesy no manatanjaka ny finoantsika ny fahamarinan’Andriamanitra?

◻ Inona no tokony hahatonga antsika hahatsapa ny lalana marin’Andriamanitra?

◻ Ahoana no azontsika anomezam-boninahitra an’i Jehovah?

◻ Amin’izao androntsika izao, aiza ihany moa no mety hahitana ny tena fahasambarana?

[Sary, pejy 25]

“Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asa. 10:34, 35.

[Sary, pejy 28]

Hiahy ny amin’ny hanomezana rariny ireo olom-boafidiny izay miantsoantso azy Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara