FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/6 p. 8-9
  • Famantarana ny andro farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famantarana ny andro farany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Nangataka Famantarana ny Apostoly
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Famantarana ny andro farany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • “Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/6 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Famantarana ny andro farany

TALATA tolakandro isika izao. Raha mbola nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Oliva i Jesosy ka nitazana ny tempoly terỳ ambany, dia nanatona azy nitokana ry Petera sy Andrea sy Jakoba ary Jaona. Nanahy ny amin’ny tempoly izy ireo satria vao nilaza mialoha i Jesosy fa ‘tsy havela hisy vato mifanongoa eo aminy’.

Toa nanan-javatra betsaka lavitra tao an-tsainy anefa izy ireo rehefa nanatona an’i Jesosy. Herinandro vitsivitsy talohan’izay dia niresaka ny amin’ny “fanatrehany”, dia ny fotoana izay “hisehoan’ny Zanak’olona” izy. Ary talohan’izay dia nilaza taminy ny amin’ny “fahataperan’izao tontolo izao” izy. Tena ta hamanta-javatra àry ireo apostoly.

“Lazao aminay”, hoy izy ireo, “izay andro hahatongavan’izany [izay hitondra ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny], ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.” Raha ny marina dia nizara telo ny fanontanian’izy ireo. Voalohany, dia tian’izy ireo hofantarina ny amin’ny fiafaran’i Jerosalema sy ny tempoliny, avy eo dia ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy eo amin’ny fahefan’ny Fanjakana, ary farany, ny amin’ny faran’ny fandehan-javatra manontolo.

Tao amin’ny valinteny lava nataony, i Jesosy dia namaly ireo tapany telo tamin’ilay fanontaniana. Nanome famantarana izay hanamarika ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy izy; nefa dia lasa lavitra kokoa izy. Nomeny famantarana koa ny mpianany ho avy mba hampiomana azy fa miaina mandritra ny fanatrehany sady akaikin’ny faran’ny fandehan-javatra manontolo izy ireo.

Rehefa nandeha ireo taona, dia nanomboka nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ireo apostoly. Eny, nanomboka nitranga tamin’ny androny ireo zavatra nambaran’i Jesosy mialoha. Noho izany, dia tsy ho tampoka amin’ireo kristiana mbola velona 37 taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny taona 70, ny fandravana ny fandehan-javatra jiosy niaraka tamin’ny tempoliny.

Na dia izany aza, dia tsy nitranga tamin’ny taona 70 ny fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Ny fanatrehany ao amin’ny fahefan’ny Fanjakana dia hitranga atỳ aoriana kokoa. Oviana anefa? Mampiharihary izany ny fandinihana ny faminanian’i Jesosy.

Nambaran’i Jesosy mialoha fa hisy “ady sy filazana ady”. “Hisy firenena hitsangana hamely firenena”, ary hisy mosary sy horohorontany ary areti-mandringana. Hankahalaina sy hovonoina ny mpianany. Hitsangana ny mpaminany sandoka ka hamitaka ny maro. Hitombo ny tsy fankatoavan-dalàna, ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Amin’izany fotoana izany koa no hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana ny tany onenana manontolo ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.

Na dia nisy fahatanterahany voafetra voalohany tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 aza ny faminanian’i Jesosy, dia mandritra ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra no hitrangan’ny fahatanterahany lehibe. Ny fandinihana amim-pitandremana indray ireo zava-nitranga hatramin’ny 1914 no mampiharihary fa nahita ny fahatanterahany lehibe nanomboka tamin’io taona io ireo faminaniana lehibe nataon’i Jesosy.

Tapany hafa amin’ny famantarana nomen’i Jesosy ny fisehoan’ny “fahavetavetan’ny fandravana”. Tamin’ny taona 66 am.fan.ir., dia niseho tamin’ny endriky ny “miaramila” romana nanao fahirano an’i Jerosalema ary nandrava ny rindrin’ny tempoly io fahavetavetana io. Nitsangana teo amin’ny toerana tsy tokony ho nisy azy ilay “fahavetavetana”.

Ao amin’ny fahatanterahana lehibe amin’ilay famantarana, dia ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena mikambana nandimby azy no mampiseho ilay ‘fahavetavetana’. Heverin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho ny solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra io fandaminana ho amin’ny fandriampahalemana maneran-tany io. Maharikoriko re izany! Noho izany, amin’ny fotoany, dia hiodina hamely ny fivavahana lazaina fa kristiana (nasehon’i Jerosalema) ireo hery ara-politika miaraka amin’ny Firenena mikambana ka handrava azy.

Izao àry no nambaran’i Jesosy mialoha: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” Na dia fahoriana lehibe tokoa aza ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.fa.ir. (nolazaina fa maherin’ny iray tapitrisa no maty), dia tsy mbola lehibe noho ny safodrano tamin’ny andron’i Noa akory izany. Mbola ho avy àry ny fahatanterahana lehibe amin’io tapany amin’ny faminanian’i Jesosy io. Matio 24:2-22; 13:40, 49; Marka 13:3-20; Lioka 21:7-24; 19:43, 44; 17:20-30; 2 Timoty 3:1-5.

◆ Inona no nanosika ny apostoly hanontany, nefa zavatra hafa inona no toa tao an-tsainy?

◆ Tapany inona amin’ny faminanian’i Jesosy moa no tanteraka tamin’ny taona 70, nefa inona no tsy nitranga tamin’izay?

◆ Oviana no tanteraka voalohany ny faminanian’i Jesosy, nefa rahoviana no ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe izany?

◆ Inona moa ilay fahavetavetana teo amin’ny fahatanterahany voalohany sy farany?

◆ Nahoana no tsy nahita ny fahatanterahany farany tamin’ny fandravana an’i Jerosalema ny fahoriana lehibe?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara