FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/6 p. 27-30
  • Ny fomba hanampiana ireo ketraka hahita fifaliana indray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fomba hanampiana ireo ketraka hahita fifaliana indray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampahereza amin’ny alalan’ny teny
  • “Ampaherezo ny reraka”
  • Loholona mahay miteny
  • Fampiononana ho An’ireo Ketraka
    Fampiononana ho an’ireo Ketraka
  • Vonona ny hanampy anao izy ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Ahoana no Azonao Anampiana?
    Mifohaza!—2001
  • Ny fomba handresena amin’ny ady atao amin’ny fahaketrahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/6 p. 27-30

Ny fomba hanampiana ireo ketraka hahita fifaliana indray

VOAN’NY FAHAKETRAHANA i Epafrodito, mpianatra kristiana iray tamin’ny taonjato voalohany. Nirahina izy mba hikarakara ny apostoly Paoly izay tany an-tranomaizina, nefa lasa narary mafy ny tenany. Na dia sitrana indray aza i Epafrodito, dia ketraka satria ren’ny kongregasionany, izay nandefa azy tany Roma, “fa narary izy.” (Filipiana 2:25, 26.) Noho izy lavitra be azy ireo nefa naniry ny hampitony ny sainy no nahatonga ny fahaketrahany. Angamba koa izy nihevitra fa diso fanantenana noho ny aminy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahana nanampy azy hahita indray ny fifaliany?

Nirahina niverina ho any Filipy i Epafrodito hitondra taratasy avy tamin’ny apostoly Paoly. Izao no toromarika nomen’i Paoly ny kongregasiona tao amin’io taratasy io: “Raiso ao amin’ny Tompo izy amin’ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra [hevero ho sarobidy hatrany, MN ] izay olona tahaka izany.” (Filipiana 2:27-30) Nampirisihina ireo kristiana tany Filipy mba hanana fifandraisana akaiky tamin’i Epafrodito araka ny fomba mifanaraka amin’ny toetra mampiavaka ny kongregasiona kristiana, dia ny fifankatiavan’ny mpirahalahy. Ireo teny fampiononana hataon’izy ireo dia hampiseho aminy fa nanana fiheverana ambony azy, eny, nihevitra azy ho ‘sarobidy’, izy ireo. Izany fampisehoana fiheverana feno hafaliana izany dia hanampy azy tokoa hahita fampitonena amin’ny fahaketrahana ara-tsaina nahazo azy.

Io ohatra io dia mampiseho fa, na dia ‘mifaly amin’ny Tompo’ aza ny kristiana amin’ny ankapobeny, dia misy amin’izy ireo ihany voan’ny fahaketrahana amin’ny endriny samihafa. (Filipiana 4:4) Ny fahaketrahana ara-tsaina mafy dia fikorontanana ara-pihetseham-po lehibe izay efa nitarika ho amin’ny famonoan-tena mihitsy aza. Indraindray, dia tafiditra amin’izany ny simian’ny atidoha sy ny anton-javatra ara-batana hafa. Kanefa, matetika dia azo atao ny mampitony ny fahaketrahana amin’ny alalan’ny fanampiana feno fahaiza-manavaka omen’ny hafa. Araka izany, dia nanome izao fampirisihana izao i Paoly: “Manàna teny feno fampiononana ho an’ireo fanahy ketraka.” (1 Tesaloniana 5:​14, MN ) Ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry izany dia tokony hanome amim-pifaliana fanohanana ara-pihetseham-po ho an’ireo fanahy ketraka. Efa takatry ny kongregasiona kristiana tamin’ny 1903 sahady ny tokony hiantsorohana io andraikitra io, satria Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izay dia nilaza izao momba ireo fanahy ketraka, na tsy manana herim-po: “Ireo izay tsy manana herim-po sy malemy dia mila fanampiana sy fanohanana ary fampaherezana.” Amin’ny fomba ahoana anefa no ahafahanao hanampy ireo fanahy ketraka?

Voalohany aloha, amin’ny ‘fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa’, dia mety ho afaka ny hanampy ny olona voan’ny fahaketrahana iray hamboraka ny ‘alahelo ao am-pony’ ianao. Manaraka izany, “ny teny soa” hataonao dia mety hanampy azy hifaly indray. (1 Petera 3:8, MN; Ohabolana 12:25) Ny famelana azy hiresaka malalaka sady hahatsapa ny fiahianao azy fotsiny dia mety hitondra fampitonena be ho azy. “Nanana sakaiza anankiroa izay namborahako ny tao am-poko tokoa aho”, hoy i Mary, vehivavy kristiana mpitovo izay niady tamin’ny fahaketrahana. “Nila olona hihaino ahy aho.” Mety ho zava-dehibe ny fananana olona iray azo izarana ireo eritreritrao lalina indrindra momba ny fahoriana hitanao eo amin’ny fiainana.

Tsy ampy anefa ny fihainoana fotsiny sy ny fanomezana torohevitra tsy dia lalina loatra toy ny hoe “Ny lafin-javatra tsara eo amin’ny fiainana jerena”, na ny hoe “Manàna fomba fiheverana manorina”. Ny teny toy izany dia mety hampiharihary tsy fahaiza-miara-ory ary mety tsy hety mihitsy rehefa ketraka ny olona iray, araka ny ilazan’ny Ohabolana 25:20 azy indrindra toy izao: “Toy ny miala lamba amin’ny hatsiaka, (...) dia toy izany ny mikalo amin’ny malahelo am-po.” Ny teny mampiseho fanantenana fa ho tsara ny zavatra rehetra tsy araka ny tena izy toy izany dia mety hahatonga ny sain’ilay olona ketraka hikorontana kokoa ihany. Nahoana? Satria izany fiezahana natao hanampiana izany dia tsy hifanaraka amin’ireo antony nahatonga azy ho ketraka.

Mampahereza amin’ny alalan’ny teny

Ny olona iray voan’ny fahaketrahana mafy dia tsy hahatsapa alahelo fotsiny ihany, fa azo ampoizina fa hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny sady tsy manana fanantenana koa. Ny teny grika nadika hoe “fanahy ketraka” dia midika ara-bakiteny hoe “ireo izay manana fanahy kely”. Ny manam-pahaizana momba ny teny grika iray dia manazava io teny io toy izao: “Izay mahatsapa fahoriana lehibe aoka izany, dia nihamaina ireo fahafahany ara-pihetseham-po, ary very ny fananany fanajana ny tenany. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 17:22.

Hoy i Joba patriarka: “Mahazo mampahery anareo amin’ny vavako aho.” (Joba 16:5) Ny teny hebreo nadika hoe “mampahery” dia adika indraindray hoe “mampahatanjaka” na “manampy fampaherezana”. Ary ampiasaina izy io mba hilazana ny fomba ‘nanamafisana’ ny tempoly tamin’ny alalan’ny fanamboarana azy indray. (Isaia 41:10; Nahoma 2:2; 2 Tantara 24:13) Ny teny ataonao dia tsy maintsy hanorina indray amim-pahaiza-manao zavatra ny fananan’ny olona ketraka iray fiheverana ambony momba ny tenany, toy ny rehefa mametraka biriky tsirairay. Mitaky ny hanasanao azy hampiasa ny “fahaizany mandrindra hevitra” izany. (Romana 12:1, MN ) Ilay Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1903 voatonona tetsy aloha dia milaza toy izao momba ireo voan’ny fahaketrahana: “Noho izy ireo tsy manana (...) fiheverana ambony momba ny tenany, dia ilaina ny manosika kely azy ho any anoloana, mba hisehoan’izay fahaizana manokana tena ananany, mba hampahery ny tenany ary koa ho fitahiana ho an’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny fianakaviana araka ny finoana.”

Ny ohatra ao amin’ny Baiboly ny amin’i Elkana sy i Hana vadiny izay voan’ny fahaketrahana dia mampiseho ny fomba ahafahanao hampahery amin’ny alalan’ny teny, toy ny nataon’i Joba. Anankiroa ny vadin’i Elkana. Ny iray, i Penina, dia nanan-janaka maromaro, fa i Hana kosa dia momba. Azo inoana fa nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny i Hana. (Ampitahao amin’ny Genesisy 30:1) Toy ny hoe mbola tsy ampy ihany izany enta-mavesatra izany, fa mbola nanorisory azy aoka izany koa i Penina, hany ka nitomany izy ary tsy nety nihinana. Na dia tsy takatr’i Elkana tsara aza ny halalin’ny fahoriany, raha nahita azy toy izany izy, dia nanontany azy hoe: “Ry Hana, nahoana no mitomany hianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina hianao? ary nahoana no malahelo fo hianao?” — 1 Samoela 1:1-8.

Ireo fanontaniana nampiseho hatsaram-panahy sady tsy niampanga nataon’i Elkana ireo dia nanome fahafahana an’i Hana haneho ny fihetseham-pony tamin’ny teny. Na nanome valiny izy na tsia, dia efa nahazo fanampiana izy aloha mba handinika ny antony nety ho nahatsiarovany tena ho tsy nisy vidiny. Toy izany koa àry, dia mety hilaza ny fanahy ketraka iray hoe: ‘Olona tsinontsinona fotsiny aho.’ Azonao atao àry ny manontany azy hoe: ‘Nahoana ianao no mahatsiaro tena ho toy izany?’ Ary avy eo dia henoy amim-pitandremana rehefa mamboraka aminao izay tsapany ao am-pony izy. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 20:5.

Avy eo i Elkana dia nanao ity fanontaniana mampahery be ity tamin’i Hana: “Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?” Nampahatsiahy an’i Hana tamin’izany izy fa mbola tia azy, na dia momba azy izy. Nihevitra ny vadiny ho sarobidy i Elkana, ary noho izany dia afaka nanatsoaka hevitra toy izao i Hana: ‘Hay aho tsy dia tsy misy vidiny izany akory. Tena mbola manana ny fitiavana lalin’ny vadiko ahy aho!’ Nampahery an’i Hana ireo tenin’i Elkana ireo, satria nanomboka nihinana indray izy ka nankany amin’ny tempoly. — 1 Samoela 1:8, 9.

Toa an’i Elkana izay hentitra tsara sady nahay nanintona ny sain’ny vadiny ho amin’ny antony ara-dalàna iray tokony hananany fiheverana tsara kokoa momba ny tenany, ireo izay maniry hanampy olona voan’ny fahaketrahana dia tsy maintsy manao toy izany koa. Ny vehivavy kristiana iray antsoina hoe Naomi, ohatra, dia nilaza izao manaraka izao momba izay nanampy azy hahita fifaliana indray: “Ny sasany tamin’ireo sakaizako dia nidera ahy noho ny fomba nitaizako ny zanako lahy, ny fomba nampirimako ny tranoko, ary na dia ny fomba nitandremako ny fisehoako ivelany aza na dia teo aza ny fahaketrahana nahavoa ahy. Tena zava-dehibe tamiko io fampaherezana io!” Eny tokoa, ny teny fiderana mendrika dia manampy ny fanahy ketraka iray mba hahita ireo toetra tsara ananany ka hanombana tsara ny tena vidiny.

Raha voan’ny fahaketrahana ny vadinao, nahoana ianao raha mampahery azy araka izay voalaza ao amin’ny Ohabolana 31:28, 29? Izao no vakintsika ao: “Ny lahy (...) mitsangana ka midera azy hoe: Maro no zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra.” Kanefa, mety tsy hanaiky izany teny fiderana izany ny vehivavy ketraka iray, satria mety hihevitra ny tenany ho tsy mahomby amin’izay rehetra ataony izy satria tsy afaka mikarakara tsara ny ankohonany araka ny fiheverany izy. Raha mampahatsiahy azy ny amin’ny toetrany anaty anefa ianao vadiny, ary ny amin’ny naha-izy azy talohan’ny fahaketrahany, dia mety ho afaka ny hampanaiky azy fa tsy fandokadokafana fotsiny ny teny fiderana ataonao. Mety ho azonao atao koa ny milaza aminy fa manao fiezahana mafy dia mafy izy amin’izao ataony izao. Afaka milaza toy izao ianao: ‘Fantatro fa nitaky ezaka be taminao ny nanao an’io. Mendrika ny hoderaina mihitsy ianao noho izany fiezahana be izany!’ Miankina indrindra amin’ny teny fankasitrahana sy fiderana ataon’ny vadiny sy ny zanany, dia ireo izay mahafantatra azy tsara indrindra, ny fahitan’ny olona ketraka iray indray ny fananany fiheverana ambony momba ny tenany. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:33, 34.

Mety hanampy olona ketraka iray hahita izay fiovana eo amin’ny fomba fiheverany mety hilainy hatao ny fampiasana ohatra ao amin’ny Baiboly. Ohatra, mety hanana fiheverana tafahoatra ny amin’izay heverin’ny hafa angamba ny olona iray. Azonao atao ny miresaka ny amin’ny ohatr’i Epafrodito ary ny manontany hoe: ‘Inona no heverinao fa antony nahaketraka azy nony fantany fa ren’ny kongregasiona nisy azy fa narary izy? Tena tsy nahomby tamin’izay nataony tokoa ve izy? Nahoana i Paoly no nilaza fa tokony hoheverina ho sarobidy izy? Moa ve niankina tamin’ny tombontsoam-panompoana nananan’i Epafrodito ny vidiny tamin’ny naha-olona azy?’ Ny fanontaniana toy izany dia mety hanampy ny kristiana ketraka iray hampihatra izany amin’ny tenany ka hahatsapa fa tsy olona tsy mahomby amin’izay ataony akory izy.

“Ampaherezo ny reraka”

Mampirisika toy izao ny Baiboly: “Ampaherezo ny reraka.” (1 Tesaloniana 5:14) Ny soa hafa iray azo avy amin’ny fivavahana marina dia ny fananana sakaiza kristiana maro izay afaka manome fanampiana azo ampiharina. Ny tena sakaiza dia ireo izay “hamonjy amin’ny fahoriana”, ka tena hanohana marina ny olona ketraka iray. (Ohabolana 17:17) Rehefa nahatsiaro ho ‘ory’ ny apostoly Paoly ka ‘nisy tahotra tao anatiny’, dia nahazo fampiononana tamin’ny “nahatongavan’i Titosy” izy. (2 Korintiana 7:5, 6.) Toy izany koa, ireo fitsidihana sy antso an-telefaonina feno hafanam-po sy amin’ny fotoana mety dia azo antoka fa hankasitrahan’ireo fanahy ketraka lalina tokoa. Azonao atao ny manontany raha misy fomba azonao anampiana azy, toy ny fiantsenana, ny fanaovana raharaha ao an-tranony, na ny toy izany.a Izao no nolazain’ny vehivavy kristiana iray atao hoe Maria: “Fony aho voan’ny fahaketrahana, ny namako iray izay dia nanoratra tatỳ amiko imbetsaka ary nanome andinin-teny nampahery foana. Naverimberiko novakina ireo taratasiny sady nitomany aho teo am-pamakiana azy. Tamiko dia toy ny volamena ireny taratasy ireny.”

Rehefa avy nampirisika ny kongregasiona mba hanampy ny “fanahy ketraka” i Paoly dia nilaza hoe: “Mandefera amin’ny olona rehetra. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona.” (1 Tesaloniana 5:14, 15). Tena ilaina ny faharetana, satria, noho ny fanaintainana ara-tsaina sy ny fisainana tsy manorina ary ny faharerahana vokatry ny tsy fahampian-tory, dia mety ‘hirediredy’ ny olona ketraka iray, toy ny nataon’i Joba. (Joba 6:2, 3) Hoy ny nambaran’i Rachelle, vehivavy kristiana iray izay voan’ny fahaketrahana mafy ny reniny: “Imbetsaka i Neny no nilaza zavatra feno fankahalana. Tamin’ny ankamaroan’ireny fotoana ireny aho dia niezaka ny hampahatsiahy ny tenako ny tena toetran’i Neny marina — dia olona be fitiavana, tsara fanahy, ary malala-tanana. Nianarako tamin’izay fa milaza zavatra maro be izay tsy heveriny akory ireo olona voan’ny fahaketrahana. Ny zavatra ratsy indrindra mety hataontsika aminy dia ny famaliana amin’ny teny na asa ratsy.”

Ny vehivavy kristiana matotra sasany indrindra indrindra dia mety ho eo amin’ny toerana tsara mba hitondra fampiononana ho an’ny vehivavy hafa mijaly noho ny fitebitebena. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:9, 10) Ireny vehivavy kristiana mahay ireny dia afaka ny hanao fiezahana mba hanome toky azy ireny amin’ny fotoana mety. Indraindray dia mety kokoa raha anabavy kristiana matotra, fa tsy ireo rahalahy, no manohy manampy ny vehivavy iray. Amin’ny fandaminana sy amin’ny fanaraha-maso izany, ireo loholona kristiana dia hanao izay hahazoan’ireo fanahy ketraka ny fanampiana ilainy.

Loholona mahay miteny

Ireo mpiandry ondry ara-panahy indrindra indrindra dia tsy maintsy manana ‘fahalalana sy fahendrena’ mba ‘hahaizany manao teny hampahatanjaka izay reraka’. (Jeremia 3:15; Isaia 50:4) Raha tsy mitandrina anefa ny loholona iray, dia mety hanao, amin’ny fomba tsy nahy, izay haharatsy kokoa ihany ny fahaketrahana tsapan’ny olona iray. Ohatra, ireo sakaizan’i Joba telo lahy dia tokony “hitsapa alahelo sy hampionona azy.” Kanefa ny tenin’izy ireo, izay vokatry ny fiheverana diso ny amin’ny tarehin-javatra ratsy nisy an’i Joba, dia vao mainka ‘nanorotoro’ fa tsy nampionona azy. — Joba 2:11; 8:1, 5, 6; 11:1, 13-19; 19:2.

Nisy lahatsoratra samy hafa tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny fikambanana Watch Tower nanome ireo fotopoto-pitsipika azo ampiharina rehefa mananatra olona.b Ny ankamaroan’ireo loholona dia mampihatra ireny fanazavana ireny. Nisy toe-javatra maro anefa, izay nanaovan’ny loholona sasany — na rehefa niresaka tamin’ny olona iray manokana izy na tao amin’ny lahateniny — teny izay tena nanimba tokoa. Aoka àry ireo loholona tsy ‘handefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra’ fa hanana ‘ny lelan’ny marina ho fanasitranana kosa.’ (Ohabolana 12:18) Raha mieritreritra ny amin’ny mety ho vokatr’izay holazainy ny loholona iray, dia ho afaka ny hampitony ny hafa ny teniny. Noho izany àry, ry loholona, aoka ianareo halady hihaino fa tsy ho maika hanatsoaka hevitra nefa tsy fantatra akory ny tarehin-javatra rehetra. — Ohabolana 18:13.

Rehefa mampiseho fa tena miahy marina ny amin’ireo olona ketraka ny loholona, dia mahatsiaro tena ho tiana sy ankasitrahana ireny olona ireny. Mety hahatonga azy tsy hiraharaha izay teny mahaketraka izany fiahiana mampiseho tsy fitiavan-tena izany. (Jakoba 3:2) Matetika ireo olona ketraka dia tototry ny fahatsiarovana ho meloka, koa afaka ny hanampy azy hanana fomba fiheverana voalanjalanja ny loholona. Na dia nisy fahotana lehibe natao aza, ny fiahiana ara-panahy asehon’ny loholona dia afaka ny ‘hanasitrana ny tongotry ny mandringa’. — Hebreo 12:13.

Rehefa mihevitra ireo olona ketraka fa tsy mahazo valiny ny vavaka ataony, ny loholona dia afaka mivavaka miaraka aminy sy ho azy. Amin’ny fiaraha-mamaky aminy lahatsoratra ara-baiboly miresaka momba ny fahaketrahana, ny loholona dia afaka ny “hanosotra” teny ara-panahy mampitony ireny olona ireny. (Jakoba 5:14, 15) Ny loholona koa dia afaka ny hanampy ny olona voan’ny fahaketrahana iray hanao ny dingana voalazan’ny Soratra masina mba handaminana izay tsy fifanarahana manokana mety hisy eo aminy sy ny olona anankiray hafa, raha izany no zava-manahirana azy. (ampitahao amin’ny Matio 5:23, 24; 18:15-17) Matetika ireny fifandirana ireny, indrindra eo anivon’ny fianakaviana, no antony mahatonga ny fahaketrahana.

Aoka ho tsapanao fa mila fotoana ny fahasitranana. Na dia ireo fiezahana feno fitiavana nataon’i Elkana aza dia tsy nampitony avy hatrany ny fahaketrahan’i Hana. Ireo vavaka nataony manokana sy ireo fanomezan-toky avy tamin’ilay mpisoronabe no nitondra fampiononana tamin’ny farany. (1 Samoela 1:12-18) Noho izany, dia manehoa faharetana raha miadana ny vokany. Marina fa ny loholona amin’ny ankapobeny dia tsy mpitsabo ka mety hahatsapa fa voafetra ny fiezahany amin’ny toe-javatra sasany. Miaraka amin’ny mpikambana sasany amin’ny fianakavian’ilay olona voan’ny fahaketrahana, izy ireo dia mety hila ny hampirisika azy hitady ny fanampian’ireo manam-pahaizana momba izany. Raha ilaina izany, dia afaka manazava amin’ny fomba tsara amin’ilay manam-pahaizana ireo loholona na mpikambana ao amin’ny fianakavian’ilay olona voan’ny fahaketrahana fa zava-dehibe ny hanajany ny finoany ara-pivavahana.

Mandra-pahatongan’ny izao tontolo izao vaovaon’Andriamanitra, dia tsy hisy hanana fahasalamana tanteraka na eo amin’ny ara-batana, na eo amin’ny ara-tsaina, na eo amin’ny ara-pihetseham-po. Amin’izao fotoana izao aloha, raha misy kristiana iray very fifaliana noho ny fahaketrahana, dia afaka mahazo hery izy, tsy avy amin’ny kongregasiona kristiana ihany, fa avy amin’ilay Raintsika any an-danitra, “ilay mpanafaka alahelo ny ory” koa. — 2 Korintiana 7:6, Fandikan-teny katolika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny lahatsoratra hoe “Vaincre la dépression — Ce que les autres peuvent faire”, nivoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 novambra 1987, pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-16.

b Jereo ireo lahatsoratra hoe “Lela nozarina ‘hahay hampahatanjaka ny reraka’ ”, nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 desambra 1982, ary “ ‘Teny araka ny fanahy’ ho fanoherana ny fikorontanan-tsaina”, nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1989.

[Efajoro, pejy 30]

NY FOMBA HANOMEZANA TOKY NY OLONA KETRAKA

◻ MIHAINOA AMIM-PITANDREMANA — Amin’ny alalan’ny fanontaniana mahay manavaka, dia afaka ‘manovo’ ireo fihetseham-po avy ao am-pon’ilay olona ianao. Aoka ianao ho mailaka ny hihaino azy ary aza maika ny hanatsoaka hevitra raha tsy azonao daholo ny tarehin-javatra rehetra. — Ohabolana 20:5; 18:13.

◻ MANEHOA FAHAIZA-MAHATAKATRA NY HAFA — ‘Ny fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa’ dia tokony hampiarahina amin’ny fanehoana ‘famindrampo’ raha miezaka ny hahatakatra ny fihetseham-pon’ilay olona ketraka ianao. “Miaraha mitomany amin’izay mitomany.” — 1 Petera 3:8; Romana 12:15.

◻ MANÀNA FAHARI-PO — Mety hilaina ny famerimberenana ireo fifampiresahana, koa manàna àry faharetana. Aza raharahaina ny ‘rediredy’ mety hataon’ny olona ketraka iray noho ny fahatsiarovan-tena ho resy. — Joba 6:3.

◻ MAMPAHEREZA AMIN’NY ALALAN’NY TENY — Ampio ilay olona ketraka hahita ireo toetra tsara ananany. Omeo teny fiderana hentitra izy. Asehoy azy fa tsy miankina amin’ireo zava-manahirana azy na ireo fahadisoana nataony tamin’ny lasa, na ireo fahalemeny, ny maha-izy azy. Hazavao aminy ny antony itiavan’Andriamanitra azy sy iahiany azy. — Joba 16:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara