Iza no hitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fiadanana?
MOA VE ny tsy fahafahan’ny olombelona hitondra fiadanana midika fa tsy hahita fiadanana na oviana na oviana isika? Tsia. Toy ny maha-vato misakana farany ho amin’ny fiadanana eto an-tany an’i Satana, izay mahery kokoa noho isika, dia toy izany koa fa misy mahery lavitra noho i Satana izay hitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fiadanana amin’ny farany. Ny Baiboly, izay miresaka ny amin’i Satana, dia miresaka ny amin’izy io koa. Hoy izy hoe: “Ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” (Isaia 9:5, 6). Iza moa io Andrian’ny fiadanana io? Tsy iza fa i Jesosy Kristy, ary afaka ny hitondra ny fiadanana izy, satria manana ireo toetra ilaina ho amin’izany tsara lavitra noho isika. Amin’ny heviny ahoana avy?
Toetra ambony noho ny an’ny olombelona
Voalohany aloha, dia tsy mety maty i Jesosy, ka tsy hiharan’ny fahafatesana. Marina fa niaina toy ny olombelona izy ary maty tamin’ny fanaovana sorona ny ainy. Kanefa avy eo dia natsangana ho amin’ny fiainana tsy mety maty any an-danitra izy, ary amin’izany tarehin-javatra misy azy izany izy no tonga Andrian’ny fiadanana. Izany no antony ilazan’ny faminaniana iray hoe: “Ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:32, 33). Tsy mitovy amin’i Asoka, ilay emperora tany atsinanana, i Jesosy fa hiaina mandrakizay mba hanomezana antoka fa ny asa tsara hataony dia tsy ho ravan’ny mpandimby tsy ampy fahaizana kokoa.
Ambonin’izany, i Jesosy dia tsy voaloton’ny fahotana. Mifototra amin’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fotopoto-pitsipiny marina ny fanapahany. Nilaza toy izao i Isaia mpaminany: “Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; (...) tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny; fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo.” (Isaia 11:2-4). Tsy mitovy amin’ireo Eoropeana tamin’ny taonjato teo aloha i Jesosy ka hoe hihazona ny fandriampahalemana ao amin’ny taniny nefa hanao ady any an-toeran-kafa. Eo ambany fanapahany, dia hanerana izao rehetra izao ny fiadanana.
Manaraka izany, i Jesosy dia ampy hery mba hitondra ny fiadanana. Hoy ilay faminaniana: “Ny Fanahin’i Jehovah (...), ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana” dia ao aminy. Io fanahy io no tao ambadiky ny famoronana izao rehetra izao sy ireo asam-pahamarinana mahery rehetra voatantara ao amin’ny Baiboly. Na i Satana, ilay mpanohitra lehibe, aza dia tsy manana fiadiana velively mba hanoherana amim-pahombiazana ny herin’ny fanahin’Andriamanitra.
Ireo dingana ho amin’ny fiadanana
Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’i Jesosy ny taranak’olombelona ho amin’ny fiadanana? Ho gaga angamba ianao hahafantatra fa efa nanomboka nanao izany izy. Ao amin’ny boky ara-paminanian’ny Apokalypsy, i Jesosy dia hita mandray ny fahefan’ny mpanjaka avy amin’Andriamanitra ao amin’ny fanjakana any an-danitra iray. (Apokalypsy 11:15). Raha mandinika akaiky ireo faminanian’ny Baiboly isika ka mampitaha izany amin’ireo zava-mitranga amin’izao taonjato misy antsika izao, dia ho hitantsika fa niseho tany an-danitra tamin’ny 1914 ny nandraisan’i Jesosy ny fahefana ho mpanjaka. (Matio 24:3-42). Izany dia dingana lehibe tokoa ho amin’ny fitondrana fiadanana eto an-tany.
Raha izany no izy, anefa, nahoana no nipoaka tamin’ny 1914 ny Ady Lehibe voalohany? Ary nahoana ny taonjato misy antsika no nahitana ady mahatsiravina lavitra noho izay taonjato hafa rehetra teo amin’ny tantara? Satria ny asa voalohany nataon’ilay Mpanjaka any an-danitra dia ny nandroaka an’i Satana mandrakizay avy tany an-danitra ary ny nanipy azy ho etỳ amin’ny manodidina ny tany. Inona no vokany? Hoy ilay faminaniana: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:7-12). Ireo ady lehibe tamin’ny taonjato misy antsika dia mifandray amin’ny fahatezeran’i Satana. Kanefa mariho izao manaraka izao: “Kely sisa” ny andro tavela ho an’ny fahatezeran’i Satana. Tsy ho ela intsony izao dia ho tapitra ny andro sarotra!
Alohan’izay anefa, ilay Andrian’ny fiadanana dia manao fiomanana lehibe hafa ho amin’ny fiadanana. Ho fanombohana, ny taranak’olombelona dia tsy maintsy mahafantatra ny amin’ny fikasan’Andriamanitra hitondra fiadanana amin’ny alalan’i Kristy. Mifanaraka amin’izany no naminanian’i Jesosy fa, amin’izao androntsika izao, dia “hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14, MN ). Ho fanatanterahana izany, ny vaovao tsara dia torin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny amin’ny faritry ny tany rehetra.
Avy eo, ireo olona tso-po dia tsy maintsy ampianarina ireo lalan’ny fiadanana. Nanome izao fampanantenana izao ny Baiboly: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Olona tso-po an-tapitrisany maro no efa mahazo izany fampianarana izany sahady ankehitriny.
Ny dingana manaraka
Ankehitriny dia kely sisa dia tonga ny fotoana ho an’ny dingana lehibe dia lehibe hafa iray eo am-panaovana izay hisian’ny fiadanana. Inona izany? Maro be no mahafantatra ny anarany kanefa vitsy ihany no tena mahalala ny tena zava-kendren’izy io. Ny Baiboly dia miantso azy io hoe “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, na Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16). Maro be no mihevitra fa Hara-magedona dia ady noklehera iray izay handringana ny haifomba (sivilizasiona). Mifanohitra amin’izany anefa, fa izy io dia ho fanaovan-javatra mivantana avy amin’i Jesosy, ilay Andrian’ny fiadanana, mba hanatanterahana izay tena ilaina rehetra ho an’ny fisian’ny fiadanana.
Voalohany aloha, dia hanaisotra ny olombelona rehetra manakantsakana ny fisian’ny fiadanana Hara-magedona. Izao no ambaran’ny faminaniana ao amin’ny Salamo 37:10: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” Eny, i Jesosy dia hanaisotra “ny ratsy fanahy” — ireo mpanao ady, ireo mpanao heloka bevava, ireo mpampihorohoro, ary koa izay rehetra tsy mety manaiky ilay Andrian’ny fiadanana lehibe — tsy hisy eto an-tany intsony. — Apokalypsy 19:19-21.
Faharoa manaraka izany, ao Hara-magedona, dia ho tanteraka ity faminanian’i Daniela ity: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Ireo fisaratsarahana hita eo amin’ireo firenena izay nitarika matetika loatra ho amin’ny ady dia ho levona. Amin’ny farany, dia hisy fitondram-panjakana haneran-tany iray amin’izay eo ambany fanapahan’ny mpanapaka azo itokiana iray!
Rahoviana no ho tonga Hara-magedona? Tsy lazain’ny Baiboly amintsika izany. Kanefa ireo zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao izay manatanteraka ireo faminaniana, dia manondro amintsika fa tsy ho ela intsony izany. Milaza mazava mialoha ny Baiboly ny amin’ny zavatra hitranga iray izay hialoha avy hatrany ny fahatongavany. Hoy ny nambaran’ny apostoly Paoly: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana.” (1 Tesaloniana 5:3, MN ). Avy eo, aorian’io fandringanana tampoka izay hiafara ao Haramagedona io avy hatrany, dia hesorina ilay vato misakana lehibe indrindra ho amin’ny fiadanana. Ho tapitra ny ‘andro kely sisan’i Satana, ary hatao ao amin’ny toe-javatra izay tsy hahafahany hiteraka fahasahiranana eto an-tany intsony izy. (Apokalypsy 20:1-3). Endrey ny fanamaivanana ho tsapa amin’izay!
Ny izao tontolo izao iray hanjakan’ny fiadanana
Alao sary an-tsaina ny tarehin-javatra amin’izay. Naminany toy izao ilay mpanao salamo: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11). Ireo mpandefitra ireo dia hanohy hanatanteraka izao faminaniana mahafinaritr’i Isaia izao: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4.
Vao voalohany hatramin’ny saha Edena amin’izay vao ho afaka ny hifaly amin’ny fitahian’i Jehovah Andriamanitra ny olombelona rehetra rehefa hotanterahiny ny fampanantenany manao hoe: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.
Fanantenana mafy orina
Iza àry no hitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fiadanana? I Jesosy Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana voatendry hanao izany. Tena fanantenana marina ho antsika ankehitriny ve izany? Raha tsy azo itokiana ireo fampanantenan’ny Baiboly, dia tsy ho nisy fanantenana marina ny amin’ny hisian’ny fiadanana mihitsy. Ho nitohy niady sy nifamono tsy hisy fahitana izay hiafarany ny olombelona. Ny Baiboly anefa dia azo itokiana, ary ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fanapahan’i Kristy dia hitondra fiadanana. Mampirisika anao hihaino ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana entin’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tranonao izahay mba hahitan’ny tenanao manokana an’izany. Amin’izay, rehefa tonga ny fotoana, dia enga anie ianao ka ho anisan’ireo mpandefitra handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.
Avy ao amin’ny Baiboly ny fanantenana ny amin’ny hisian’ny fiadanana nodinihina tato amin’ity lahatsoratra ity. Amin’izao andro izao, izay ahitana olona maro be tsy mino ny Baiboly intsony, dia mety hanontany tena ianao hoe tena marina ve io fanantenana io. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino mafy fa izany no izy. Manaiky ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra azo tamin’ny tsindrimandriny, ka noho izany dia azo itokiana, izy. Tamin’ny 1989 izy dia namoaka boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa tenin’olona? izay manolotra porofo maro be ny amin’izany. Ny sasany amin’ireo fanazavana ao amin’io boky io dia dinihina ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka, izay anasanay anao mba hovakinao.
Hisy fanazavana fanampiny momba ny fampanantenana omen’ny Baiboly ny amin’ny hisian’ny fiadanana, ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Fiadanana haneran-tany — Inona no ho tena dikany?” izay hivoaka ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny 15 aprily 1990.
[Teny notsongaina, pejy 8]
I Jesosy irery ihany no mahafeno ireo fepetra ilaina mba hitarihana ny taranak’olombelona ho amin’ny fiadanana
[Teny notsongaina, pejy 9]
Ankehitriny, ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia torina amin’ny faritra rehetra amin’ny tany