Aza avela handalo ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiteny madio”
Efatra andro handraisan-tsoa avy amin’ny fianarana miorina amin’ny Baiboly no miandry anao. Ataovy izay hahatongavana raha vao manomboka ny fandaharana amin’ny 1 ora sy sasany ny Alakamisy tolakandro. Amim-pifaliana no hihainoanao lahateny manaitra hoe: “Moa ve ny namanao sakaizan’Andriamanitra?”, sahala amin’izany koa ny lahateny fototra hoe “Ny fiteny madio ho an’ny firenena rehetra.” Ny lahateny famaranana amin’ny tolakandro hoe “Afaka mamonjy ny ainao ve ny ra, amin’ny fomba ahoana?” dia hamaly ny fanontaniana hoe: “Moa ve ny ra ilaina mba hamonjena aina?”
Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany ny fivoriana ny Zoma maraina. Aoka ianao ho tonga any mba handray soa amin’ny fandinihana ny foto-kevitra hoe: “Nankahala ny tsy fankatoavan-dalàna i Kristy’ — Ary ianao?”, ary koa ny lahateny manaitra hoe “Ario ny haitraitran’izao tontolo izao ary katsaho ny zavatra tena izy momba ilay Fanjakana”. Mandritra ny tolakandro, dia homena ny torohevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba fiaina arakaraka ny vola ananana. Ireo ray aman-dreny dia hampiana hahalala hoe ahoana no hahafahany hanatontosa tsara kokoa ny andraikiny, ary hisy tantara amin’ny andro ankehitriny hanome ho an’ny tanora torolalana ny amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanaovan-javatra ivelan’ny fandaharan’ny sekoly.
Lahateny manokana momba ny fanoloran-tena sy ny batisa no hampiavaka ny Asabotsy maraina, amin’ny fandinihina fa ilaina ny manana fahafoizan-tena mba hanaovana fianarana manokana. “Ny kalesin-danitr’i Jehovah eo am-pàndehanana”, izany no lahateny mampientana amin’ny fandaharana amin’ny tolakandro. Ho azontsika koa ny fampahatsiahivana mahery ny amin’ny andraikitry ny kristiana mba hanampiana ireo jamban’ny fivavahan-diso, ary fanampiana azo ampiharina, mba hanatontosana io andraikitra io.
Irinao ny ho tonga ny Alahady maraina mba handre hafatra mahery izay halefa ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny klerjiny. Harahin’ny tantara miaraka amin’ny fitafiana taloha hampiseho izay nitranga tamin’ny andron’i Jeho sy Jonadaba izany. Avy eo, amin’ny tolakandro, dia aza hadinoina ny mihaino ny lahateny ampahibemaso mitondra ny foto-kevitra hoe: “Miraisa hina noho ny fiteny madio.”
Mandritra ny Jona, Jolay, ary Aogositra, dia maherin’ny 140 ny fivoriambe hatao any Etazonia fotsiny. Hisy iray amin’izany koa eo amin’ny faritra misy anao. Manontania ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ny amin’ny fotoana sy toerana izay akaikinao.