Fandaminana tanteraka ilay raharaha eo amin’izao rehetra izao
“Ny Tompo [Jehovah, MN ] eo an-kavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany.” — SALAMO 110:5.
1, 2. Tamin’ny taona 70 am.fa.ir., fisehoan-javatra inona no nety ho niteraka fisalasalana raha ny amin’ny maha-manerana an’izao rehetra izao ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra, nefa tamin’izay, tany amin’iza no efa nampitodihany ny fankasitrahany?
NY fiandrianan’ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany manerana izao rehetra izao no raharaha lehibe indrindra miseho eo anatrehan’ny olombelona sy ny anjely. Tsy ho ela, dia ho voalamina mandrakizay ilay raharaha, nefa hatramin’ny taonjato maro dia nanohitra ny fiandrianan’i Jehovah ireo fahavalony. Nety ho nahatonga fisalasalana ny amin’ny maha-manerana an’izao rehetra izao ny fiandrianan’ny Mpamorona tokoa ny fandravana ny tanànan’i Jerosalema niaraka tamin’ny tempoliny voatokana ho an’i Jehovah tamin’ny taona 70 am.fan.ir.. Na dia izany aza, dia nanana antony ara-dalàna i Jehovah matoa tsy nifidy ny ho tonga Andriamanitra mpiady ho an’ny Isiraely ara-nofo tamin’izay fotoana izay.
2 Inona no antony? Tamin’izay fotoana izay dia efa nampitodika ny fankasitrahany tany amin’ny firenena vaovao iray Andriamanitra, dia ny Isiraely ara-panahy, “ny Isiraelin’Andriamanitra” araka ny niantsoan’ny apostoly Paoly ny kongregasionan’i Jesosy Kristy. (Galatiana 6:16.) Hatramin’izao anefa, nandritra ny vanim-potoana rehetra antsoina hoe kristiana, Jehovah dia tsy niady ho an’ny Isiraely ara-panahy amin’ny maha-Andriamanitra mpiady azy toy ny niadiany ho an’ny Isiraely ara-nofo teo ambanin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. Navelany mihitsy aza ny miaramila romana, noho ny fampirisihan’ny Jiosy, hamono an’i Jesosy Kristy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana tao Kalvary. Nitranga izany, 37 taona talohan’ny fandravana faharoa an’i Jerosalema nataon’ny Romana tamin’ny taona 70 am.fa.ir..
3, 4. Nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy ka hatramin’i Hezekia mpanjaka, ahoana no nanehoan’Andriamanitra ny tenany ho mpiady, nefa raha ny amin’ny Isiraelita ara-panahy, inona no hita fa marina momba ny ady nataony sy ny ady nataon’izy ireo?
3 Nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy mpaminany ka hatramin’ny nanjakan’i Hezekia mpanjakan’i Jerosalema, dia niady tamin’ny fomba mahagaga ho an’ny firenen’ny Isiraely i Jehovah, ary teo ambany fitarihany, dia niady tamin’ny fiadiana nahafaty ny Isiraelita. (Deoteronomia 1:30; 3:22; 20:3, 4; Josoa 10:42.) Tsy toy izany anefa ny amin’ny Isiraely ara-panahy! Hatramin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy tany ivelan’i Jerosalema ka hatramin’izao vanim-potoana misy antsika izao, dia tsy nifidy ny hanao ady ara-nofo ho an’ny Isiraelin’Andriamanitra io Andriamanitra mpiady io. Mifanaraka amin’izany, dia tsy nomeny lalana ny Isiraely ara-panahy mahaforona ny kongregasiona kristiana hiady amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana. Manana ady karazany hafa hatao ny kristiana.
4 Mifanaraka amin’izany, dia nanoratra toy izao ho an’ireo namany kristiana tany Korinto, any Grisia, ny iray tamin’ireo mpiady voalohany ho an’ny finoana kristiana: “(Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy); fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy, ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.” (2 Korintiana 10:4-6.) Aloha kokoa ao amin’io taratasy io ihany, dia noresahin’i Paoly ny amin’ny “fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny [tanana, MN ] ankavanana na amin’ny ankavia”. — 2 Korintiana 6:7; jereo koa ny Efesiana 6:11-18.
Hiady ao Haramagedona i Jehovah
5. Tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, inona no toerana notanan’i Jesosy raha ny amin’ny fampiasana fiadiana ara-nofo ho fiarovan-tena, ary fihetsika manao ahoana no arahin’ireo mpianany?
5 Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, dia tsy nampiasa mihitsy fitaovam-piadiana nahafaty mba hiarovan-tena. Tamin’ny alina namadihana azy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia namoaka ny sabany i Simona Petera, mpianany be fandavan-tena, ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ilay mpisoronabe Jiosy. Naverin’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny toerany anefa ilay sofina ary hoy izy: “Fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra. Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?” (Matio 26:52-54.) Eo anatrehan’izany rehetra izany, ireo tena mpanahaka an’ilay Zanak’Andriamanitra nanana fahafoizan-tena, dia mihazona ny fialanalanany, na mivantana izany na an-kolaka, raha ny amin’ny ady eo amin’izao tontolo izao. — Jaona 17:16; 18:36.
6. Mandritra ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha ao Haramagedona, inona no toerana hotanan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
6 Eto àry, dia aoka ho fantatr’ireo firenena fa mandritra ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao amin’ny “tany atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona”, dia tsy handray anjara amin’ny ady ny Vavolombelon’i Jehovah. Havelany ho an’ilay Andriamanitra mpiady, “Jehovah Tompon’ny maro [Jehovah-n’ny tafika, MN ]” izany, sy ho an’ny anjely miaramilany maro be eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy. — Apokalypsy 16:14-16; 19:11-21; Salamo 84:12, MN.
Madiva hanao indray ny asany amin’ny maha-miaramila i Jehovah
7. Noho izy Andriamanitra mpiady, dia nanjary notondroina tamin’ny anarana hoe inona moa i Jehovah, ary mbola mitana izany laharam-boninahitra izany ve izy?
7 Nanjary fantatra sy nantsoina hoe Jehovah tsevaʼôth, na Jehovah-n’ny tafika ilay Andriamanitry ny Isiraely fahiny. (1 Samoela 1:3, 11, Kat.) Ao amin’ny Romana 9:29 (Fandikan-teny Katolika amin’ny fiteny malagasy) dia nanonona ny Isaia 1:9 i Paoly apostoly kristiana ka nanao hoe: “Raha tsy namelan’Andriamanitry ny tafika, taranaka isika, dia efa tonga iray lasitra tamin’i Sodoma, sy nanahaka an’i Gomora.” Nanoratra toy izao koa i Jakoba mpianatra kristiana: “Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mbỳ ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.” (Jakoba 5:4, Kat.) Araka izany, dia nanondro an’Andriamanitra ho Jehovah-n’ny tafika ry Paoly sy Jakoba nandritra ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Nandritra ireo taonjato 18 nanaraka, Andriamanitra dia tsy nanao ady ara-nofo ho an’ny Isiraely ara-panahy, ny Isiraelin’Andriamanitra, toy ny nataony ho an’ny Isiraely fahiny na dia mbola Jehovah-n’ny tafika ihany aza izy.
8-10. (a) Iza no nanome lalana hanaovana ny ady tany an-danitra, ary nahoana no ampy fahaizana indrindra mba hanao ilay ady i Mikaela? (b) Inona no vokatr’ilay ady tany an-danitra, ary fotoana toy inona no tavela alohan’ny adin’ilay andro lehiben’i Jehovah?
8 Tamin’ny nahaterahan’ny Fanjakana mesianika tamin’ny 1914, tamin’ny faran’ny “andron’ny jentilisa”, dia nipoaka ny ady tany amin’ny faritra any an-danitra amin’ny fanapahan’i Jehovah Andriamanitra. (Lioka 21:24.) Iza no nanome lalana hanao izany ady izany? Ny tenan’i Jehovah Andriamanitra. Nirahiny ny Zanany nandray fiandrianana ho any amin’ny saha fiadiana, nitondra ny anarana hoe Mikaela, satria izy io no ampy fahaizana mba hamaly ny fanontaniana raketin’io anarana io, dia ny hoe “Iza no sahala amin’Andriamanitra?” Niditra an-tsehatra faingana i Mikaela tamin’ny naha-mpiady solontenan’i Jehovah-n’ny tafika azy.
9 Mifanaraka amin’izany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 12:7-10: “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika.”
10 Izao, maherin’ny 70 taona atỳ aorian’io ady tany an-danitra io, dia efa ‘kely sisa ny andro’ tavela alohan’ny hipoahan’ny adin’ilay andro lehiben’i Jehovah ka hampisehoan’Andriamanitra amin’ny fomba manaitra amin’ny taranak’olombelona ankehitriny ny tenany ho Jehovah-n’ny tafika. — Apokalypsy 12:12; Zakaria 14:3.
Ilay Mpiady ho amin’ny fanamarinana an’i Jehovah
11. Fotoana voatondro inona no andrasan’ny sisa amin’ny ondry vitsy sy ny vahoaka betsaka, ary inona amin’izay no hoderain’izy ireo amin-kafaliana lehibe?
11 Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, i Solomona mpanjaka hendrin’ny Isiraely fahiny dia nanoratra hoe: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra: (. . .) ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.” ( Mpitoriteny 3:1-8.) Eto an-tany, ny mpianatr’io Mpanjaka manjaka izay “lehibe noho Solomona” io dia miandry ny andro sy ny fotoana mety mba hitarihany ireo anjely mpandresy any an-danitra ho amin’ny ady ao Hara-magedona (Matio 12:42; Apokalypsy 19:11-16). Amin’izay izy dia “hanapaka azy [ireo firenena] amin’ny tehim-by” ka hanorotoro azy amin’ny “tehimby” (Apokalypsy 19:15; Salamo 2:9). Ho toy inona ny fideran’ireo mpianany tsy tia ady sy voaro ny fanafahana mahatahotra nataony ho azy ireo! Ho anisan’izany ny sisa amin’ny “ondry vitsy” mpiara-mandova ny Fanjakana aminy sy ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay mamelona fanantenana ny handova ny Paradisa an-tany eo ambany fanapahany handry fahizay haharitra arivo taona. (Lioka 12:32; Apokalypsy 7:9-17; Jaona 10:16). Amin-kafaliana lehibe, “eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha”, no hiderany ny fandresena manakoakon’ilay Mpiandry ondry sady Mpanjaka, Jesosy Kristy, ho fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra manerana izao rehetra izao. — Salamo 91:1.
12. Manangasanga avy aiza ny ady ho an’ireo firenena, ary inona ny ho vokany araka ny Salamo 68:1, 2?
12 Azo atao izao ny milaza, tsy misy fanaovana laza masaka, fa manangasanga eo anoloan’ireo firenena rehetra eto an-tany, na ao anatiny na any ivelan’ny fandaminan’ny Firenena mikambana, ny ady iray avy any an-koatra lavitra ny faritra misy ny olombelona ary hampiasana fitaovam-piadiana mikendry amin’ny fomba maty paika, mahery noho ny baomba noklehera ananany. Henoy: “Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.” — Salamo 68:1, 2.
13. Koa satria efa an-dalana ny fiomanana ho amin’ny ady, amin’iza no iantefan’ny teny ao amin’ny Salamo 45:1-6 amin’ny fotoana ilàna azy indrindra?
13 Efa an-dalana izao ny fiomanana ho amin’ilay ady lehibe indrindra. Amin’ny maha-Miaramila lohalaharan’Andriamanitra azy, dia ilay Mpiady ho an’ny fanamarinana an’i Jehovah, no iantefan’izao teny ara-tsindrimandry manaraka izao izay nosoratan’ny mpikambana iray amin’ny firenen’ny Isiraely: “Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona hianao; fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao; izany no nitahian’Andriamanitra anao mandrakizay. Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana. Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra — firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao — ka mitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka. Ny seza fiandriananao Andriamanitra ô [Andriamanitra no seza fiandriananao, MN ], dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.” — Salamo 45:1-6.
Miangona hanohitra an’i Jehovah ireo firenena
14, 15. Rehefa tafavoaka avy tao an-tranomaizina ireo apostoly, teny inona avy ao amin’ny Salamo faha-2 no nambarany fa tanteraka, ary hataka inona no nataony tamin’Andriamanitra?
14 Fotoana fohy taorian’ny fanorenana ny kongregasiona kristiana tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir., ireo kristiana voahosotra dia nahatakatra fomba iray nampiharana ny Salamo 2:1, 2. Toy izao ny vakin’io andinin-teny io: “Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany [voahosony, MN ].” Rehefa avy niaritra ny fisamborana sy ny fampijaliana voalohany nataon’ny fahavalo Jiosy ireo apostolin’ilay Voahosotr’i Jehovah, dia niverina tany amin’ireo namany kristiana izy ary tamin’izay, dia nanonona ireo teny nosoratan’i Davida mpanjaka ao amin’ny Salamo faha-2 ireo. Mitantara toy izao ny amin’ilay raharaha ny Asan’ny apostoly 4:23-30:
15 “Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona taminy. Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo [Jehovah, MN ] ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: ‘Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan’ny tany nitsangana, ary ny mpanapaka niangona hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany [voahosony, MN ]’. Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, mba hanao izay notendren’ny tànanao aman-tsainao rahateo hatao. Koa ankehitriny, Tompo [Jehovah, MN ] ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, omban’ny aninjiranao ny tànanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy Mpanomponao Masina.”
16, 17. (a) Teo amin’ny tantaran’olombelona manontolo, moa ve efa nisy zavatra nitranga azo ampitahaina amin’izay nanomboka nitranga tamin’ny 1914? Hazavao. (b) Fihetsika manao ahoana no mbola arahin’ireo firenena, ka amin’izany dia manery an’i Jehovah Andriamanitra hanoratra inona mifandray amin’ilay ‘Bokin’ny Adiny’?
16 Kanefa raha ny amin’ny firenena mitabataba, mpanjaka milahatra toy ny iray, mpitondra ara-politika miangona mba hanohitra an’i Jehovah sy Ilay Voahosony, Jesosy Kristy no resahina, inona teo amin’ny tantaran’olombena manontolo no afaka mifampitaha amin’izay nanomboka tamin’ny 1914, 76 taona lasa izay? Tsy ny taona nipoahan’ny ady lehibe voalohany hatramin’ny nisian’ny taranak’olombelona fotsiny izany, fa ny taona nahataperan’ny andron’ny Jentilisa, “ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena” indrindra koa. (Lioka 21:24, MN.) Niharihary fa nahita fahatanterahany lehibe kokoa ny Salamo faha-2 nanomboka tamin’io taona io.
17 Tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, dia tsy nisy firenena na dia iray aza — na dia ireo firenena lazaina fa kristiana aza, izay misy olom-pirenena maro mihevi-tena eo amin’ny lafiny ara-pivavahana ho Isiraelita ara-panahy — naniry handray Ilay Voahosotr’i Jehovah, Jesosy Kristy, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana ho mpanjaka ambonin’ny tany. Ary ankehitriny, 71 taona atỳ aorian’ny nanombohana ‘nitoriana tamin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’, nanomboka tamin’ny 1919, ireo firenena ao anatiny na any ivelan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia azo antoka fa tsy hitsaoka an’ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah nambara ela be mialoha ary tsy hianiana ny hankatò azy amin’ny famoizana ny fanapahan’ny tenany eto an-tany. (Matio 24:14.) Mifanohitra amin’izany fa, rehefa ela ny ela, izy ireny dia eo amin’ny fotoana sy ny toe-javatra izay mahatonga azy ho toy ny hoe manery an’i Jehovah hanoratra ny fifaranana mahatalanjon’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”. — Nomery 21:14.
Fandresena malazan’ilay Andriamanitra Mpiady
18. Asa inona avy amin’i Jehovah moa no ankasitrahantsika, ary iza no ho eo anilany, ho fahatanterahan’ny Salamo faha-110?
18 Mandrosoa àry ho amin’ny ady, ry Jehovah-n’ny tafika ô, miaraka amin’ilay Zanakao mpanjaka, Jesosy Kristy, eo anilanao! Aminy no iantefan’ny teny ara-paminaniana manao hoe: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao. Ny Tompo [Jehovah, MN ] eo an-kavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany. Hitsara any amin’ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; handripaka loholona any amin’ny tany malalaka Izy.” — Salamo 110:2, 5, 6.
19. Momba ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha izay efa eo anoloantsika, vavaka inona no ataontsika aminy ho an’ny vahoaka betsaka amin’ny ondry hafa?
19 Ry Jehovah-n’ny tafika ô, aoka ny mpanomponao mahatoky eto an-tany ho tonga vavolombelona ravoravo ny amin’ny fandresenao tsy manam-paharoa amin’ny alalan’ny Mpanjaka mpiady voatendrinao, Jesosy Kristy, amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha ao amin’ny toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona! (Apokalypsy 16:14.) Eo anilan’ny sisa amin’ny tena Isiraelita ara-panahy, dia aoka ny vahoaka betsaka toy ny ondry izay ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ ‘hivoaka avy amin’ny fahoriana lehibe’ amim-pifaliana mba ho vavolombelonao eto an-tany mandrakizay! (Apokalypsy 7:14.) Eo ambany fiahianao feno fitiavana, dia aoka izy ireo ho tafita velona tsy handalo fahafatesana ao amin’ny fanjakana tsy hisy adin’ny Zanakao mpandresy, izay hanjaka eo amin’ny tany voadio hovana ho paradisa kanto mifanaraka amin’ny sitraponao tany am-boalohany. Aoka izy ireo ho vavolombelona hita maso ho an’ny maty hatsangana rehetra raha ny amin’ny fanamarinana ny fiandrianana izay anao ara-drariny eo amin’izao rehetra izao! Misaotra anao izahay satria ho voalaminao tanteraka amin’izay, ilay raharaha eo amin’izao rehetra izao, eny, ho mandrakizay!
Tadidinao ve?
◻ Inona no raharaha lehibe indrindra miseho eo anoloan’ny olombelona sy ny anjely?
◻ Inona no fifanoherana misy eo amin’ny ady nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely fahiny sy ho an’ny Isiraely ara-panahy?
◻ Mandritra ny Haramagedona, toerana inona no hotanan’ireo Vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana?
◻ Oviana no nahitan’ny Salamo 2:1, 2 fahatanterahana tsy nisy toy izany?
◻ Ahoana no handaminana tanteraka ilay raharaha eo amin’izao rehetra izao?
[Sary, pejy 24, 25]
Hidera an’ilay Mpiandry sady Mpanjaka mpandresin’Andriamanitra ny “olona betsaka”