Tsy ho ela — Tontolo iray tsy hisy fanaintainana!
TONTOLO iray tsy hisy fanaintainana ho avy tsy ho ela hoe? Ho vaovao hahafaly toy inona moa izany ho an’ireo mijaly maharitra — na ara-batana ny fanaintainany na ara-tsaina na ara-pihetseham-po! Ohatra, ho dibo-kafaliana ny olona an-tapitrisany maro noho ny fanesorana ny fanaintainana mafy ara-batana vokatry ny karazana homamiadana sasany, ny fihetsehan-kozatra manaintaina, ary ny aretim-po “angine de poitrine”. Ireo mijaly noho ny aretin-tsaina mafy dia handray amim-pifaliana ny fanamaivanana ny fijaliany izay mazàna tsy hay lazaina. Ary an-tapitrisany maro hafa no hifaly raha mba mifarana ny fanaintainany ara-pihetseham-po vokatry ny tahotra, alahelo, fahatsapan-tena ho meloka, fitebitebena, ary fahadisoam-panantenana. Kanefa, moa ve irintsika ho hita tokoa ny faran’ny fanaintainana rehetra?
“Loza ny tsy fahatsapana fanaintainana mihitsy”, hoy i Allan Basbaum, manam-pahaizana momba ny firafitry ny vatan’olombelona ao amin’ny Oniversiten’i Californie any San Francisco. Misy antony tsara nanaovany io fanambarana io. Sahala amin’ny fitaovana fanairana, ny fanaintainana ara-batana dia mamela antsika hahafantatra fa misy zavatra manimba mitranga.
Mety tena hampidi-doza ny tsy fahafahana mahatsapa fanaintainana ara-batana. Izany no aseho ao amin’ity fitantaran’ny gazety Time ity: “Ny tsiky mahafatifatin’ilay zazalahy roa ambin’ny folo taona dia mifanohitra amin’ny fomba mampalahelo amin’ny fisehony mampahonena. Niova endrika sady mibiloka ny tanany sy ny tongony, toy ny hoe voan’irony aretin-jaza vokatry ny tsy fahampian-tsokay irony izy. Rantsantanana maromaro no tsy ao. Mandrakotra ny lohaliny ny fery lehibe misokatra iray, ary voakaikitra manta ny molony mitsiky. Mitovy tanteraka amina zaza novonoina izy. (. . .) Teraka nanana takaitra momba ny tarazo tena tsy fahita firy izay mahatonga azy tsy handre fanaintainana izy. Toro, na may ny rantsantanany, satria tsy nesoriny tamin-javatra mahamay na mampidi-doza ny tanany. Mivilana ny taolany sy ny tonon-taolany satria nakapony mafy loatra izany rehefa nandeha na nihazakazaka izy. Misy fery ny lohaliny avy tamin’ny fandadiana teo ambony zavatra maranitra izay tsy tsapany. Tapaka ve ny taolany sa nipitsoka ny maojany, izany dia tsy ho reny firy mba hiantsoany vonjy.”
Mailaka ny olona sasany hitana an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fijaliana toy izany sy ny fahoriana iainan’ny olona an-tapitrisany maro. Kanefa, azontsika atao ara-drariny ve ny manome tsiny an’Andriamanitra noho ny fijaliana amam-panaintainan’ny taranak’olombelona?
Tokony hotsinina ve Andriamanitra?
Hatramin’ny 6 000 taona izao dia ao anatin’ny fanandevozan’ny fanaintainana ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po ny taranak’olombelona. Raha ny marina, taonjato 19 lasa izay, dia nanao izao fanamarihana tsy misy diso izao i Paoly apostoly kristiana: “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”. (Romana 8:22) Na dia eo aza ireo fanafody manala fanaintainana azo any amin’ny fivarotam-panafody sy ny fiezahana ataon’ny dokotera sy ireo mpitsabo aretin-tsaina, dia mitohy ny fanandevozan’ny fanaintainana isan-karazany miely ombieny ombieny. Eny, niteny ratsy an’Andriamanitra noho ny fijaliany ny sasany, sahala amin’ny nampirisihan’ny vadin’i Joba azy hataony taonjato maro lasa izay! Araka ny tsapan’ny tenan’i Joba anefa, dia hadalana sy tsy mety ny toe-tsaina toy izany. — Joba 2:9, 10.
Tsy azo anomezana tsiny ara-drariny an’Andriamanitra ny fanandevozan’ny fanaintainana ny olombelona amin’izao fotoana izao. Avy amin’ny mpandainga iray tsy hita maso sy ireo ray aman-drenintsika voalohany kosa ny fahadisoana. Ahoana izany?
Ambaran’ny Soratra masina fa, na dia marina tany am-boalohany aza ny zavaboary ara-panahy iray, dia nanjary naniry fahefana sy laza fatratra ho an’ny tenany. Teo am-piandohan’ny fiainan’olombelona teto an-tany, dia nahita sary an-tsaina ny taranak’olombelona eo amin’ny paradisa an-tany izy, samy manolotra fifikirana feno amin’i Jehovah, Andriamanitra Tsitoha. Notarihin’ny fo izay nanjary ratsy, io zavaboary ara-panahy io ka nikomy tamin’ny Mpamorona ary naniry ny fanompoana sy ny fifikiran’ny olombelona ho an’ny tenany. Niseho ho azy izany fikasan-dratsiny izany rehefa nandainga tamin-kafetsen-dratsy izy. Izany kosa no nitondra ny fahotana teto amin’izao tontolo izao.
Nolazain’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Adama lehilahy voalohany fa hitondra ho amin’ny fahafatesana ny fihinanana voa avy amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. (Genesisy 2:15-17) Voataona tsy hankatò anefa i Eva vadin’i Adama. Tamin’ny fampiasana bibilava ho mpitondra teny, dia hoy ilay zavaboary ara-panahy, ilay Mpamitaka, taminy: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo [ny an’i Eva sy ny an’ny vadiny] ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo [roa], hahalala ny tsara sy ny ratsy”. (Genesisy 3:1-5) Io no lainga voalohany, ary izany no nahatonga an’io zavaboary ara-panahy io hahazo anarana hoe “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44) Ny nampiasany ny menarana tamin’io toe-javatra io tao amin’ny zaridainan’i Edena dia mifanitsy amin’ny fanondroan’ny Soratra masina azy ho “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana”. — Apokalypsy 12:9.
Nitondra fisentoana sy fanandevozan’ny fanaintainana teo amin’ny taranak’olombelona ny fahotana. Nifanaraka tamin’ny tenin’Andriamanitra, tamin’iny andro nanotan’i Adama iny ihany, dia nanonona ny fanamelohana ho faty ireo mpandika lalàna Andriamanitra. Ara-pitsarana, amin’ny fomba fijerin’i Jehovah, dia maty tamin’iny andro iny ry Adama sy Eva. (jereo Lioka 20:37, 38.) Tao Edena, dia hoy i Jehovah tamin’ilay vehivavy voalohany tonga mpanota: “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka”. (Genesisy 3:16) Zara raha ho afaka hiaina ao anatin’ny fahoriana i Adama, any ivelan’ny zaridainan’i Edena, eo amin’ny tany tsy paradisa velively. Hoy i Jehovah: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao”. (Genesisy 3:17-19) Araka izany, dia nanomboka ho an’ny taranak’olombelona ny fanandevozan’ny fanaintainana.
Noho izany, àry dia mifamatotra amin’ny tsy fahatanterahana sy ny ota ary ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama ny fanandevozan’ny fanaintainana. Hoy ny nambaran’ny apostoly Paoly: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12) Manampy antsika hiaritra fahoriana anefa ny Tenin’Andriamanitra, satria ambarany amintsika ny antony namelan’i Jehovah izany ary omeny antoka isika fa hifarana tsy ho ela izany. Navelan’Andriamanitra hampijaly an’i Joba, lehilahy marina, i Satana Devoly, ilay mpamitaka “rain’ny lainga”, ary tamin’izany dia nitsapa ny tsy fivadihany. Nanizingizina ny Devoly hoe nanompo an’Andriamanitra noho ny fitiavan-tena i Joba, fa tsy noho ny fitiavana. (Joba 1:8-12) Tsy nivadika hatrany tamin’Andriamanitra anefa i Joba, ka nanaporofo fa afaka manompo Azy noho ny fitiavana ny olombelona tsy tanteraka ary afaka manohana amim-pahatokiana ny fiandrianany na dia eo aza ny fitsapana mafy ny finoany. Ny fiaretan’i Joba tamin’ny naha-mpihazona tsy fivadihana azy, dia nandray anjara tamin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, sady nanaporofo fa mpandainga i Satana, ary nitondra valisoa nanana amby ampy ho an’ilay patriaka fakan-tahaka. (Joba 42:12-17; Jakoba 5:11) Avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’i Joba, dia afaka manatsoaka hevitra isika fa rehefa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, dia hifarana ny fanandevozan’ny fanaintainana mahazo ny olombelona. Nefa ahoana no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’izany?
Ny fomba hifaranan’ny fanaintainana
Raha ny marina, i Jehovah dia nanomana fomba mandaitra tanteraka mba hamaranana ny fanandevozan’ny fanaintainana ny olombelona. Nataony izany niorina tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany. Jesosy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29) Tonga teto an-tany izy, “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy [ny ain’olombelona tanteraka nananany] ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28) Noho ny tsy fankatoavana, dia nanary fiainan’olombelona tanteraka niaraka tamin’ny zony sy ny fanantenany i Adama. Ary izany indrindra no novidina indray tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy. (1 Timoty 2:5, 6; Hebreo 7:26) Marina tokoa, fa “tia aoka izany izao tontolo izao [-n’olombelona] Andriamanitra ka nomeny ny Zanany lahy Tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay”. — Jaona 3:16, MN.
Nampanantena mazava tsara koa Andriamanitra fa hifarana ny fanandevozan’ny fanaintainana. Raha niresaka mialoha ny amin’ny fotoana tsy hisian’ny fanaintainana mifamatotra amin’ny ota intsony i Jaona, apostoly kristiana, dia nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra mba hanoratra hoe:
“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. (. . .) Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana [Jehovah Andriamanitra]: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:1-5.
Handray tsy ho ela ny tombontsoa feno avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ny olombelona mankatò. Hitranga izany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana izay nangatahan’ny olo-marina hatramin’ny ela tamin’ny vavaka manao hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”. (Matio 6:9, 10) Ao amin’ny Fanjakana any an-danitra, dia hanjaka i Jesosy Kristy mandra-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony, anisan’izany ny fanandevozan’ny fanaintainana sy ny fahavalo farany, dia ny fahafatesana. — 1 Korintiana 15:25, 26.
Eny, raha ny amin’ny olombelona mankatò, tsy ho ela Andriamanitra dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, na fitarainana, na fanaintainana’. (Apokalypsy 21:4) Amin’izay dia ho tanteraka ara-bakiteny koa ireto teny ara-paminaniana manaraka ireto izay mahita fampiharana ara-panahy amin’izao fotoana izao: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; (. . .) izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra.” “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. — Salamo 103:1-3; Isaia 33:24.
Rahoviana ny faran’ny fanaintainana?
Efa antomotra ny faran’ny fanandevozan’ny fanaintainana. Eny, hitranga amin’ny androntsika izany, ary hahita izany ity taranaka ity mihitsy. Asehon’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa isika dia miaina amin’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. Ny ady sy mosary ary ny horohorontany tsy mbola nisy toy izany, ary koa ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsara ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tapany amin’ny “famantarana” misy endriny maro loha ny amin’ny “fanatrehan’i Jesosy” tsy hita maso any amin’ny voninahitry ny Fanjakana any an-danitra. — Matio 24:3-14, 21, 34, MN.
Tsy ho ela dia ho lasa ny “lanitra voalohany, sy ny tany voalohany”, dia ny fandehan-javatr’i Satana Devoly voalamina sy ny rafi-pitondrany. Tsy hisy intsony ny “ranomasina” misamboaravoara voaforon’ny olombelona ratsy fanahy. Isika àry izany dia tena eo an-tokonan’ny fitondrana tahin’Andriamanitra, “ny lanitra vaovao” eo ambonin’ny “tany vaovao” izay fitambaran’olona marina iray. Eo amin’ireo no “itoeran’ny fahamarinana”. — Apokalypsy 21:1; 2 Petera 3:13.
Amin’ny fananana fitahiana toy izany eo ambany fitondrana vaovao iray — ny Fanjakan’Andriamanitra — izay efa akaiky dia akaiky tokoa, dia manàna herim-po. Mitadiava fahalalana misimisy kokoa ny amin’ilay tontolo vaovao tsy hisy fanaintainana sy fahafatesana. Eny, andraso amim-pahafinaretana ilay andro voatahy efa antomotra tokoa izao, izay hiainan’ireo rehetra tia sy mankatò an’i Jehovah Andriamanitra eo amin’ny tontolo iray tsy hisy fanaintainana.