FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/10 p. 8-9
  • Mipoaka ny ady hevitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mipoaka ny ady hevitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Nipoaka ny fifandirana iray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Niady Izy Ireo hoe Iza no Lehibe
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fampiomanana ireo apostoly ny amin’ny hiaingany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Tia ny Ankizy Kely Izy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/10 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Mipoaka ny ady hevitra

TEO amin’ny fiandohan’ny takariva, dia nampianatra lesona kanto ny amin’ny fanompoana amim-panetren-tena i Jesosy tamin’ny fanasana ny tongotry ny mpianany. Taorian’izay no nampidirany ny Fahatsiarovana ny fahafatesany efa antomotra. Izao, indrindra noho izay vao avy nitranga teo, dia nisy fisehoan-javatra nanaitra. Nanjary tafiditra tao anatin’ny ady hevitra nafana ny amin’ny hoe iza amin’izy ireo no toa lehibe indrindra, ny apostoliny. Miharihary fa toa anisan’ny fifandirana nitohy izy io.

Tsarovy fa taorian’ny niovan’i Jesosy tarehy teo an-tendrombohitra, dia niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra tamin’izy ireo ny apostoly. Ankoatra izany, dia nangataka toerana ambony ao amin’ny Fanjakana ry Jakoba sy Jaona, ka nahatonga fifandirana hafa teo amin’ireo apostoly. Izao, tamin’ny alina farany niarahany taminy, toy inona moa no tsy maintsy ho alahelon’i Jesosy nahita azy ireo nifanditra indray! Inona no nataony?

Tsy niteny mafy ny apostoly ny amin’ny fihetsik’izy ireo i Jesosy fa mbola nampisaintsaina azy tamim-paharetana indray nanao hoe: “Ny mpanjakan’ny jentilisa mampanompo azy, ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. Fa tsy mba toy izany hianareo; (. . .) Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va?” Avy eo, dia hoy izy nampahatsiaro azy ireo ny ohatra nomeny: “Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo”.

Na dia teo aza ny tsy fahatanterahan’izy ireo, ny apostoly dia nifikitra tamin’i Jesosy nandritra ny fitsapana nahazo azy. Noho izany dia hoy izy: “Koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy”. Io fanekena manokana teo amin’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy nahatoky io, dia mampiray azy ireo aminy mba handray anjara amin’ny fanapaha-mpanjaka ananany. Voafetra ho 144 000 monja ny isan’ireo voaray ao amin’io fanekena ho amin’ny Fanjakana io amin’ny farany.

Na dia notolorana io fahatsinjovana mahatalanjona ny handray anjara amin’ny fitondrana ny Fanjakana miaraka amin’i Kristy io aza ny apostoly, dia osa ara-panahy izy ireo izao. “Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina”, hoy i Jesosy. Rehefa nilaza tamin’i Petera i Jesosy fa nivavaka ho azy Izy, dia nampirisika azy toy izao izy: “Ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”

“Anaka”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy hianareo, ary araka ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny. Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”

“Tompoko, hankaiza moa Hianao?” hoy ny fanontanian’i Petera.

“Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny”, hoy ny navalin’i Jesosy, “fa hanaraka Ahy ihany hianao rahatrizay”.

“Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho?” hoy ny fanontanian’i Petera. “Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.”

“Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko?” hoy ny fanontanian’i Jesosy. “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo”.

“Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy mba handa Anao tokoa aho.” Raha mbola nilaza zavatra toy izany niaraka taminy ny apostoly hafa, dia nirehareha i Petera nanao hoe: “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay”.

Raha niresaka ny amin’ny fotoana nanirahany ny apostoly hitory tany Galilia tsy nisy kitapom-bola na kitapom-batsy i Jesosy dia nanontany hoe: “Moa nisy zavatra nahory anareo va?”

“Tsy nisy”, hoy ny navaliny.

“Fa amin’izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy. Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: ‘Ary Izy natao ho isan’ny mpanota’; fa efa ho tanteraka ny amiko”.

Nanondro ny fotoana hanomboana azy miaraka amin’ny mpanao ratsy, na mpandika lalàna i Jesosy. Nasehony koa fa hiatrika fanenjehana mafy ireo mpanara-dia azy aorian’izay. “Tompoko, ndreto sabatra roa”, hoy izy ireo.

“Aoka izay”, hoy ny navaliny. Araka ny ho hitantsika, ny fananan’izy ireo sabatra tany aminy dia hamela tsy ho ela an’i Jesosy hampianatra lesona iankinan’ny aina hafa iray. Matio 26:31-35; Marka 14:27-31; Lioka 22:24-38; Jaona 13:31-38; Apokalypsy 14:1-3.

◆ Nahoana no nahazendana aoka izany ny ady hevitr’ireo apostoly?

◆ Ahoana no nandaminan’i Jesosy ilay ady hevitra?

◆ Inona no tanteraka tamin’ny fanekena nifanaovan’i Jesosy tamin’ireo mpianany?

◆ Didy vaovao inona no nomen’i Jesosy, ary hatraiza ny maha-zava-dehibe izany?

◆ Fatokian-tena tafahoatra toy inona no nasehon’i Petera, ary inona no nambaran’i Jesosy?

◆ Nahoana ny toromarik’i Jesosy mikasika ny kitapom-bola sy ny kitapom-batsy no tsy mitovy amin’ny nomeny taloha kokoa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara