Sary avy any amin’ny Tany Nampanantenaina
Handray fianarana avy amin’ireo vanin-taona ve ianao?
HOY I JEHOVAH indray andro: ‘Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny fahavaratra sy ny ririnina.’ (Genesisy 8:22) Nohamafisiny araka izany àry ireo vanin-taonan’ny fambolena.
Inona no fantatrao momba ireo vanin-taona sy ny fifandraisany amin’ny fambolena sy fiompiana? Na dia miaina any amin’ny tanàn-dehibe na tsy mamboly na miompy aza ianao, dia tokony hahafantatra momba ireo vanin-taona sy asa fambolena teo amin’ny Isiraely. Nahoana? Satria arakaraka ny hahafantaranao ireny zavatra ireny no hahatakaranao ny Tenin’Andriamanitra.
Miasa ny tany ireo mpamboly, mamafy voa, ary avy eo dia mijinja sy mively ny vokatra. Mba hahatakarana amin’ny fomba mazava kokoa izay lazain’ny Baiboly anefa, dia tokony hahafantatra betsaka kokoa noho izany isika, anisan’izany ny fotoana anaovana ireo asa ireo. Raiso ho ohatra ny asa tany, toy izay hitantsika etsy ambony ataon’ny olona eo amin’ny tany avo marin-tampona fanao tany Jodia fahiny.a Volana inona no heverinao fa nakana io sary io? Mety hamitaka anao ny fahafantarana ny fotoana fiasana tany eo amin’ny tany misy anao. Tsy mitovy ny fotoana fiasana tany any amin’ny ila bolantany avaratra sy any amin’ny ila bolantany atsimo; samy hafa koa izany arakaraka ny haavon’ny toerana sy ny fotoana isian’ny orana.
Mety hanova ny fomba fijerinao ireo zava-nitranga voalazan’ny Baiboly izany. Azonao atao ny mamaky ny amin’ny nanendren’i Elia ilay mpandimby azy manao hoe: “Nahita an’i Elisa, zanak’i Safata izay niasa tany nampiasa omby efatra amby roapolo nikambana tsiroaroa avy [i Elia].” (1 Mpanjaka 19:19, MN ) Volana inona no heverinao fa nitrangan’izany, ary ho nanao ahoana ny fijery ny tany? Ao amin’ny Jaona 4:35, dia nilaza toy izao i Jesosy: “Moa hianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? (. . .) Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.” Na dia efa nolazainy mazava eo aza ny fotoana, moa ve azonao hoe oviana izany?
Manome famintinana faran’izay tsara momba ireo vanin-taona sy ireo asa fambolena tany amin’ny Tany Nampanantenaina ilay sary miaraka amin’ity lahatsoratra ity. Ilay faribolana ivelany dia manome ireo volana eo amin’ny fitadidianandro masina jiosy.b Raha ampitahainao amin’ireo volantsika izany, dia ho voamarikao fa misy mifanindry, toy ny Nisana (na Abiba) izay mifanindry amin’ny faran’ny martsa sy ny fiandohan’ny aprily. Ilay tapany manaraka raha mankany afovoany dia mampiseho ny fotoana maha-masaka ny vokatra, ka izany dia manampy anao hahatakatra hoe amin’ny fotoana toy inona no anaovana ny asa fambolena sy fiompiana sasany, toy ny fijinjana sy ny vely vary. Ny afovoan’ilay sary dia mamela anao hampitaha ireo fiovan’ny toetr’andro mandritra ny taona.
Ampiasao io sary io mba handalinana ny fahatakaranao sy ny fahazoanao tsara ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, toy ireo ohatra roa efa notononina teo aloha.
Teo am-pandraisana anjara tamin’ny asa tany lehibe iray i Elisa rehefa nantsoina hanao ny asan’ny mpaminany. Azo inoana fa tamin’ny Tisry (septambra-oktobra), rehefa lasa ny hafanam-ben’ny fahavaratra, no nitrangan’izany. Efa nanomboka nihanalemy noho ireo orana voalohany ny tany, ka noho izany dia azo natao ny asa tany narahin’ny famafazana voa.
Ary oviana i Jesosy no nanonona ireo teny ao amin’ny Jaona 4:35? Mbola nisy efa-bolana vao ho tonga ny fijinjana. Mariho fa nanomboka tamin’ny Nisana (martsa-aprily), tany amin’ny fotoan’ny Paska tany, ny fijinjana ny vary hordea. Manisà efa-bolana miverina. Izany dia mitondra anao ho amin’ny kisleo (novambra-desambra). Nihanitombo ny orana, ary mbola ho avy ny oram-be sy ny fotoana mangatsiaka kokoa. Koa mazava àry fa fijinjana ara-panoharana no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.”
Manaraka eto dia misy fanontaniana hafa ho an’ny fianaranao manokana na hampiasainao mandritra ny fotoam-pianarana mahafinaritra miaraka amin’ny fianakavianao:
▪ Ny fijinjana ny rongonim-bazaha nanodidina an’i Jeriko dia natao tamin’ny volana Adara; noho izany, amin’ny fomba ahoana no anamafisan’ireo fanazavana ao amin’ny Josoa 2:6 sy 3:15 ny fahamarinan’ny Baiboly? — Josoa 4:19; 5:11.
▪ Ny vely vary dia nanaraka ny fijinjana ny voa, koa amin’ny ahoana àry no anambaran’ny fampanantenana ao amin’ny Levitikosy 26:5 fanambinana tondraka?
▪ Amin’ny ahoana no ampisehoan’ny 2 Samoela 21:10 fa i Rizpa dia nety ho niambina nandritra ny fotoana lava ireo zanany lahy roa, izay navela hovonoina mba hanesorana ny trosan-dra teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra?
▪ Nahoana no noraisina ho toy ny valiny avy amin’Andriamanitra ireo kotrokorana sy orana voalaza ao amin’ny 1 Samoela 12:17? — Ohabolana 26:1.
▪ Inona no antony nahatonga an’i Rota hanatsoaka hevitra fa tsy fomba fihetsika nihelina fotsiny ny fihetsik’i Boaza taminy? — Rota 1:22; 2:23.
Nahoana no tsy atao mora raisina hatrany io sary io rehefa manao famakiana Baiboly?
KISLEO NISANA
25 Andro firavoravoan’ny 14 Paska
Fanokanana 15-21 Mofo tsy misy masirasira
16 Fanolorana ny voaloham-bokatra
IARA ADARA
14 Paska tratra aoriana 14, 15 Porima
SIVANA TISRY
6 Andro firavoravoana 1 Fampanenoana ny trompetra
amin’ireo herinandro 10 Andro fanavotana
(Pentekosta) 15-21 Andro firavoravoana fitoerana
amin’ny trano rantsan-kazo
22 Fivoriana manokana
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa ny Fitadidianandron’ny Vavolombelon’i Jehovah taona 1990 (frantsay).
b Nisy volana (Veadara) fanampiny, na mampitohy, iray nampiana impito isaky ny 19 taona.
[Kisary/Sary, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
NISANA (ABIBA)
Martsa-Aprily
Vary hordea
IARA (ZIVA)
Aprily-May
Vary tritika
SIVANA
May-Jona
Aviavy voalohany
TAMOZA
Jona-Jolay
Voaloboka voalohany
ABA
Jolay-Aogositra
Voankazo amin’ny Fahavaratra
ELOLA
Aogositra-Septambra
Antrendry, Voaloboka, Aviavy
TISRY (ETANIMA)
Septambra-Oktobra
Asa tany
HESVANA (BOLA)
Oktobra-Novambra
Oliva
KISLEO
Novambra-Desambra
Fampidirana ireo andiam-biby ho amin’ny ririnina
TEBETA
Desambra-Janoary
Fitomboan’ireo zavamaniry
SEBATA
Janoary-Febroary
Mamony ny hazo amygdala
ADARA
Febroary-Martsa
Voasary sy ny karazany
VEADARA
Martsa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Garo Nalbandian
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.