Mila tontolo vaovao iray isika
MIJANÒNA kely ange dia jereo ny tarehin-javatra manodidina anao e. Tianao ve izay hitan’ny masonao?
Angamba ny tenanao manana trano tsara tarehy eo amin’ny faritra mahafinaritra sy voakarakara tsara. Mety hanana asa tsara karama sady tianao koa ianao. Ambonin’izany, ianao sy ireo olon-tianao dia mety hanana fahasalamana tsara ihany. Amin’ny ankapobeny, dia mety hahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy sy sambatra ianao raha oharina amin’ny hafa.
Eritrereto anefa ireo toerana manodidina hafa, ireo faritra hafa eo amin’ny tany iainanao, ireo tany hafa. Jereo ny tany iray manontolo. Sary mahafinaritra ve no hitanao? Sary tena mampiseho fahafahampo sy fiadanana ary fanambinana ve izany?
Araka ny faminavinana sasany natao tany am-piandohan’ity taonjato ity, dia tokony ho efa nanafoana ireo aretina lehibe indrindra ny siansa, nanome sakafo tondraka ho an’ny rehetra, nanamafy orina sy nanatsara ny tontolo iainana, ary nampiditra vanim-potoam-piadanana. Inona anefa no tena nitranga?
Tsy mila manao fiezahana mafy isika mba hahitana fa nandositra niala avy tamin’ny planetantsika ny fandriampahalemana. “Hatramin’ny andron’ny Baiboly, dia nanarina mba hanefy ny sabany ho fangady ny olona”, hoy ny nosoratan’i Michael Renner ao amin’ny State of the World 1990 (Toetr’izao tontolo izao amin’ny 1990). “Tsy mbola nety mihitsy toy ny amin’izao fotoana izao izany torohevitra izany. Nitondra ny taranak’olombelona ho eo amoron’ny fandringanana ny fiezahana tsy mifaditrovana hahazo hery ara-tafika.”
Tondraka ny tatitra momba ireo fifandrafiana sy ady an-trano izay mandripaka tany maro be aoka izany manerana ny bolantany. Araka ny loharanom-baovao iray, dia nisy ady 22 natao tamin’ny 1988.a Firy no maty tamin’ireny ady ireny? Hatramin’io taona io ary mahafaoka azy, dia “4 645 000 ny isan’ireo olona rehetra maty tamin’ireo ady natao tamin’ny 1988.” Sivily ny enina amby fitopolo isan-jaton’ireo voavono”, hoy ny St. Louis Post-Dispatch.
Manambara ny fahatongavan’ny tontolo iray misy fandriampahalemana ve ireo zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? “Misy miteny fa mihamanjavona ny Ady Mangatsiaka ary nahazo vahana ny fandriampahalemana. Nefa jereo indray”, hoy ny lahatsoratra iray ao amin’ny San Jose Mercury News-n’i Californie, any Etazonia. “Any amin’ireo tany mahantra, dia manohy mandrava ny ady ary tsy misy fanantenana firy ny ho voalamina. Ireo no ady miafina eto amin’ny tany. Amin’ny ankapobeny izy ireo dia fifanoherana mampiady ny fitondram-panjakana amin’ny vahoakany ihany: ady an-trano feno ra mandriaka momba ny tany, ny fivavahana, ny tsy fifanarahan’ny firazanana na foko, ny fahefana ara-politika, ary na dia ny zavatra mahadomelina aza. (...) Avy eo amin’ny “Tandrok’i Afrika” ka hatrany Azia atsimo atsinanana, dia olona an-tapitrisany maro no voatery mandao ny tokantranony noho ny ady. Tsy voavoly ny tany, tafihina ireo toeram-pitsaboana, ripaka ny biby fiompy, vonoina amin-kalozana eo imason’ny zanany ny ray aman-dreny, atao mpitondra entana ary avy eo dia miaramila ny ankizilahy kely folo taona, savihina ny ankizivavy kely. Any amin’ireny tany ireny izay hadino mazàna, dia namela soritra fahasimbana sy fikorontanana ara-tsosialy izay mety tsy hahasitrana ireny fitambaran’olona ireny amin’ny fomba tanteraka mihitsy ny ady. (...) Ny fikarohana dia mampiseho fa nahita ady betsaka kokoa noho izay folo taona hafa rehetra teo aloha teo amin’ny tantara ireo taona 1980.”
Maro amin’ireo izay nahavita nandositra ho any amin’ny tany mandroso kokoa no mahita fa tandindomin-doza noho ny herisetra ny fiadanana notadiaviny. “Nitohy nandritra ireo taona 1980 ny fanafihan’ny heloka bevava [tany Etazonia] na dia teo aza faminavinana fa hihena izany”, hoy ny tatitra nataon’ny U.S.News & World Report. “Ao anatin’ny taona miavaka iray dia misy: Heloka bevava lehibe toy ny vonoana olona, fanafihana ary fanamian-trano 8,1 tapitrisa. (...) Ny tena mampalahelo amin’izany rehetra izany dia ny fomba nahatongavan’ny fandatsahan-dra hiely hatraiza hatraiza sy tsy hampoizina. Toe-javatra raiki-tapisaka ny famelezana ny hafa. Manombantombana ny Biraon’ny Antontan’isa amerikana momba ny fitsarana fa 83 isan-jaton’ireo ankizy 12 taona ankehitriny no hiharan’ny herisetra, na tena izy na handramana hatao aminy, raha mitohy amin’izao fandehany izao ny heloka bevava. (...) Sady tsy azo antoka no tsy faingana ny famaizana ireo mpanao ratsy eo anivon’ny fitambaran’olona. Eo amin’ny lafiny ara-pirenena, ny pôlisy dia tsy afaka mandamina afa-tsy iray amin’ny heloka bevava dimy.” Hita manerana ny tany ny tarehin-javatra mitovy amin’izany. Ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana dia nanao tatitra fa misy “fitomboana eo amin’ny fisehon’ny heloka bevava sy ny hamafiny any amin’ny faritra maro amin’ny tany.”
Kanefa na dia atao hoe hanjavona eo no ho eo tsy hisy eto an-tany aza ny ady sy ny fiadiana ary ny heloka bevava rehetra, dia mbola hotandindomin-doza ihany ny fiainana. “Manamarika ny fiainan’ny olona an-jato tapitrisany maro any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana ny fahantrana mangeja, ny aretina tsy voasakana ary ny tsy fahaiza-mamaky teny hita hatraiza hatraiza”, hoy ny marihin’ny Worldwatch Institute (Fikambanana mandinika izao tontolo izao) ao amin’ny tatitra hita ao amin’ny State of the World 1990 nosoratany. “Ny taranak’olombelona manontolo — na manankarena na mahantra, na matanjaka na osa eo amin’ny ara-tafika — dia miatrika ny tahotra ny hahatongavan’ny fandringanana ny tontolo manodidina tsy mbola nisy toa azy mihitsy.”
Eny, ireo fandehan-javatra manohana ny fiainana mihitsy izay iankinan’ny ain’ny taranak’olombelona rehetra no mihamalemy. “Ratsy kokoa [noho ny tamin’ny 1970] ny toetry ny tany amin’ny ankapobeny”, hoy ny nosoratan’i Paul Hoffman mpamoaka lahatsoratra ao amin’ny gazety Discover. “Feno hipoky ny fako ireo toeram-panariam-pako ivelan’ny tanàna. Manafana ny rivotra manodidina ny tany ireo etona avy amin’ireo trano fanafanàna zavamaniry. Mihamanify ny sosona “ozone” miaro ny planeta. Mihamiitatra ny efitra, ary mihamifintina ny ala matevin’ireo tany mafana. Karazan-javamaniry sy karazam-biby 17 no lany tamingana isan’ora.”
Anampio ireo rehetra ireo ny vokatry ny fandotoana ny tany sy ny rano tsy an-kijanona. Ampidiro ao koa ny fitomboan’ny isan’ny mponin’ny tany tsy tapaka, izay mitarika ho amin’ny fitomboan’ny isan’ny tany izay tokony hamokatra nefa manjary anorenan-trano na asiana rarivato, mampitombo ny isan’ny karazam-biby na karazan-javamaniry lany tamingana. Diniho ny fitombon’ny tsy fahampian’ny rano mamy sy ny zava-manahirana ateraky ny ranonorana misy asidra. Ampifamatory amin’izany ireo vokatry ny rivotra voaloto be sy ireo zava-manahirana momba ny fako mampidi-doza izay manimba ny fahasalamana. Ireo rehetra ireo miaraka dia manambara loza ho an’ny taranak’olombelona. Na iza na iza isika, na aiza na aiza misy antsika, dia mila rivotra, sakafo, rano ary fitaovana hanaovan-javatra avokoa isika mba hahafahana miaina. Ilaintsika tsy voaloto sy antonona izy ireo. “Ho an’ny mahantra, ireo taona 1980, dia [efa] loza tanteraka, fotoan’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fitomboan’ny fahafatesana”, hoy ny State of the World 1990.
Amin’ny fahitana ny taranak’olombelona tandindomin-doza amin’ny lafiny maro be toy izany, misy afaka mandà ve fa ilaina mafy dia mafy ny tontolo vaovao iray? Tena afaka ny hisy anefa ve izany? Loharano inona no hiavian’izany tontolo izany? Zava-misakana inona avy no tsy maintsy resena alohan’ny hahafahan’ny planetantsika ho azo heverina ho voaro sy miroborobo? Aoka hojerentsika izany izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hoe “Ady° dia raisina ho ny fifanoherana izay mahatafiditra fitondram-panjakana iray fara faharatsiny ary misy olona voavono 1 000 fara fahakeliny ao anatin’ny taona iray.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Sary O. M. S nataon’i P. Almasy