Miorena mafy ao amin’ny fahafahana kristiana!
Hevi-dehibe ao amin’ny Galatiana
JEHOVAH no ilay Andriamanitry ny fahafahana. (2 Korintiana 3:17) Hoy i Jesosy Kristy Zanany: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32) Ary tamin’ny fanahafana an’i Kristy, ny apostoly Paoly dia nitory ny vaovao tsaran’ny fahafahana. — Romana 6:18; 8:21.
Tamin’ny fanambarana izany hafatra mitondra fahafahana izany no nanorenan’i Paoly ireo kongregasionan’i Galatia (provansa roman’i Azia Minora) nandritra ny dia misionera voalohany nataony (47-48 am. fan. ir.). Fantatry ny Galatiana ny fanapahan-kevitry ny Kolejy foibe hoe tsy takina amin’ny kristiana ny famorana. (Asan’ny apostoly 15:22-29) Nefa ireo kristiana jiosy dia nitady hampiditra azy ireo tao anatin’ny fanandevozana tamin’ny fanizingizinana fa tokony hoforana izy ireo. Noho izany, i Paoly dia nanantitrantitra ny amin’ny fahafahana kristiana tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Galatiana, avy any Korinto na Antiokia any Syria, tany amin’ny 50-52 am. fan. ir. tany ho any. Izao, ohatra, no noteneniny: “Ho (. . .) fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara [miorena mafy, MN ], fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” — Galatiana 5:1.
Niaro ny maha-apostoly azy i Paoly
Voalohany indrindra dia nasehon’i Paoly fa ny maha-apostoly azy dia “tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra.” (1:1–2:14) Noho ny fanambarana iray, dia nandeha ho any Jerosalema i Paoly (niaraka tamin’i Barnabasy sy Titosy) mikasika ny raharaha momba ny famorana. Tany ry Jakoba sy Kefasy (Petera) ary Jaona dia niaiky fa nomena fahefana mba ho apostolin’ny Jentilisa [apostolin’ireo firenena, MN ] i Paoly. Ary rehefa nihatakataka tamin’ireo jentilisa mpino tany Antiokia i Petera tatỳ aoriana noho ny fahatahorany ny kristiana jiosy avy any Jerosalema dia niteny mafy azy i Paoly.
Hamarinina amin’ny fomba ahoana?
Nosoritan’ny apostoly Paoly koa ilay hevi-dehibe fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ihany no ahafahan’ny olona na iza na iza hohamarinina. (2:15–3:29) Nandray ny fanahin’Andriamanitra ny Galatiana, tsy tamin’ny asan’ny lalàna akory fa noho ny fanekeny ny vaovao tsara tamin’ny finoana. Nanana finoana ireo zanak’i Abrahama ara-nofo, nefa ny olona izay nitady hanamarina ny tenany tamin’ny ‘asan’ny lalàna dia teo ambanin’ny fanozonana.’ Nahoana? Satria tsy afaka nitandrina tanteraka ny Lalàna izy ireo. Raha ny marina, ny Lalàna dia nanampy noho ny fahadisoana [nampiharihary ny fahotana, MN ] sady “mpitaiza (. . .) ho amin’i Kristy.”
Miorena mafy!
Tamin’ny fahafatesany, i Kristy dia ‘nanafaka ireo izay teo ambanin’ny lalàna’. Nefa ireo mpanara-dia azy dia tsy maintsy miorina mafy ao amin’ny fahafahana kristiana. (4:1–6:18, MN ) Noho izany, ny Galatiana dia nila nanohitra izay rehetra nanandrana nitaona azy ireo hanaiky ziogan’ny fanandevozana. Ambonin’izany, dia tsy tokony hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahafahany izy ireo fa tsy maintsy manalavitra ny “asan’ny nofo” ka haneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Ireo izay nitady hampiditra azy ireo tao anatin’ny fanandevozan’ny Lalàna dia naniry “hiseho ho tsara amin’ny nofo”, handositra ny fanenjehana, mba hahazoana antony hireharehana. Kanefa, nasehon’i Paoly fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ‘ny ho olom-baovao [noforonina vaovao, MN ] kosa no zava-dehibe’. Nivavaka ho an’ny fiadanana sy famindrampo ho amin’ny Isiraely ara-panahy izay anisan’izany noforonina vaovao izany, izy.
Ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatiana dia nanampy azy ireo hanohitra ireo izay nitady hanandevo azy tamin’ny ara-panahy. Enga anie ka hanampy antsika koa izany mba haneho ny vokatry ny fanahy sy hiorina mafy ao amin’ny fahafahana kristiana.
[Efajoro/Sary, pejy 24]
Marika famantarana: “Aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “fa izaho mitondra ny marik’i [marika famantarana ny mpanompon’i, MN ] Jesosy voatomboka teo amin’ny tenako.” (Galatiana 6:17) Teo amin’ireo mpanompo sampy sasany fahiny, ny andevo dia nasiana marika mba hamantarana ny tompony. Sary isan-karazany no nodorana na notombohina tamin’ny tenany. Tsy isalasalana fa ireo fampijaliana ara-batana maro natao tamin’ny tenan’i Paoly noho ny asa kristiana nataony dia namela holatra ka ho vavolombelon’ny filazany ny tenany ho mpanompo mahatokin’i Kristy, olona nenjehina noho Izy. (2 Korintiana 11:23-27) Ireo dia mety ho “ny marika famantarana” noresahin’i Paoly, na mety ho nieritreritra ny fiainana niainany tamin’ny naha-kristiana izy, nampiseho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ary nanatanteraka ny fanompoany.
[Sary]
Ireo andevo romana dia noterena hanompo ny tompony, fa i Paoly kosa dia andevon’i Jesosy Kristy nanao izany an-tsitrapo sady faly