Firaisan-tsaina azo antoka amin’ny alalan’i Kristy
Hevi-dehibe ao amin’ny Efesiana
TANY am-piandohan’ny taona 52 am. fan. ir., ny apostoly Paoly dia nitory tany Efesosy. Io tanàna manankarena fanaovana raharaham-barotra any Azia Minora io koa tamin’izany dia foiben’ny fivavahan-diso. Niroborobo tany anefa ny kristianisma taorian’ny niverenan’i Paoly tany Efesosy, izay azo inoana fa tamin’ny ririnin’ny 52/53 am. fan. ir. fara fahelany. Nanao lahateny isan’andro tao amin’ny trano fianarana iray izy ary nanao fanambarana isan-trano nandritra ny nitoerany tany teo amin’ny telo taona teo ho eo. — Asan’ny apostoly 19:8-10; 20:20, 21, 31.
Fony i Paoly nogadrana tany Roma tany amin’ny 60-61 am. fan. ir. tany ho any, dia nanoratra ho an’ny kristiana tany Efesosy izy. Ny firaisan-tsaina miaraka sy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy no foto-kevitry ny taratasiny. Raha ny marina, izy io dia mirakitra fanamarihana 13 momba ny hoe ‘ao amin’i Kristy’, betsaka kokoa noho izay taratasy hafa rehetra nosoratan’i Paoly. Sahala amin’ireo Efesiana, isika dia afaka mandray soa avy amin’ny tenin’i Paoly momba ny toerana tanan’i Kristy, amin’ny fifadiana ny fahalotoam-pitondrantena sy amin’ny fanoherana ny herin’ny fanahy ratsy.
Fikasan’Andriamanitra ny firaisan-tsaina
Voalohany indrindra, i Paoly dia nanazava ny fomba hitondran’Andriamanitra firaisan-tsaina amin’ny alalan’i Kristy. (1:1-23) I Jehovah dia nikasa ny hanangona ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany manontolo indray amin’ny alalan’ny “fitondrana iray” (fomba fitantanan-draharaha iray). Amin’ny alalan’i Kristy, Andriamanitra dia hampiray amin’ny tenany ireo izay voafidy ho amin’ny fiainana any an-danitra sy ireo hafa izay hiaina eto an-tany. Ankehitriny Andriamanitra dia efa nampiray ireo voahosotra sy ny “olona betsaka”, ary ny ‘fanangonana ny zavatra rehetra etỳ an-tany’ dia hitohy mandra-pandren’ireo izay ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ny feon’i Jesosy ka hivoahany avy ao. (Apokalypsy 7:9; Jaona 5:28, 29, MN ) Tokony ho velom-pankasitrahana isika noho izany, na dia ny Efesiana aza no nangatahin’i Paoly mba hankasitraka ny fiahian’Andriamanitra azy ireo.
Nanaraka izany dia nampitodika ny saina ho amin’ireo kristiana Jentilisa, maty taloha tao amin’ny fahotana, izy. (2:1–3:21, MN ) Tamin’ny alalan’i Kristy, dia novonoina ny Lalàna, ary naorina ny fototra mba hahatafaray ny Jiosy sy ny Jentilisa ka hahatongavany ho tempolin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahy. Ny fitondran’i Paoly ny fahasoavan’Andriamanitra [andraikitr’i Paoly, MN ] dia ny hampahafantatra ny zava-miafina masina ny amin’ny mety hahatafaray ny Jentilisa ao amin’i Kristy, izay amin’ny alalany no ahafahan’izy ireo hanatona an’Andriamanitra amin’ny fahasahiana. Nivavaka ho an’ny Efesiana indray i Paoly, tamin’ity indray mandeha ity izy dia nangataka mba hataon’i Jehovah miorina mafy amin’ny alalan’ny finoana sy ny fitiavana izy ireo.
Anton-javatra mampandroso ny firaisan-tsaina
Nasehon’i Paoly fa nanome anton-javatra mampiray Andriamanitra. (4:1-16) Anankiray amin’izany ny “tena iray” ara-panahy, dia ny kongregasiona. Io “tena” io dia miasa amim-piraisan-tsaina eo ambany fitarihan’i Kristy. Ary manolotra fanomezana olona izy mba hanampy ny rehetra ho iray ao amin’ny finoana.
Ataon’i Jehovah koa izay hetezan’ny fanehoana ireo toetra kristiana izay mampandroso ny firaisan-tsaina. (4:17–6:9) Koa satria izy efa nitafy “ny toetra vaovao”, izao ny kristiana dia mifady ny toetra tsy araka an’Andriamanitra toy ny teny maloto. Handeha amim-pahendrena izy ireo, haneho fanajana an’i Kristy, ary hampiseho fanekena araka ny mety.
Ankoatra izany, Andriamanitra dia manome fahefana ho an’ny kristiana mba hanoherany ireo hery ara-panahy ratsy manao izay hanapahana ny firaisan-tsaintsika. (6:10-24, MN ) Ny fiadiana ara-panahy avy amin’Andriamanitra dia manome fiarovana toy izany. Aoka àry isika hampiasa izany ary hivavaka amin-kafanam-po, amin’ny fangatahana koa ho an’ireo mpiray finoana amintsika.
Endrey izany torohevitra tsara nomen’i Paoly ny Efesiana! Enga anie isika hankatò izany amin’ny fifadiana ny fahalotoam-pitondrantena sy amin’ny fanoherana ireo hery ara-panahy ratsy. Ary aoka isika hankasitraka lalina ny firaisan-tsaina ananantsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
Zana-tsipìka mirehitra: Anisan’ny fiadiana ara-panahy ny “finoana ho ampinga” mba hamonoana na hanaovana izay hampandamoka ny “zana-tsipìka mirehitra” alefan’i Satana. (Efesiana 6:16) Ny zana-tsipìka sasany nampiasain’ny Romana dia bararata poakaty nisy tranony vy teo ambanin’ny tendrony, izay feno vanja nirehitra. Natifitra avy tamin’ny tsipìka malefaka izany mba tsy hahafaty ny afo, ary ny fanondrahana azy fotsiny tamin’ny rano dia vao mainka nampitombo ny herin’ny lelafo. Nefa ny finoana ho ampinga dia niaro ny miaramila tamin’ny zana-tsipìka toy izany, toy ny anomezan’ny finoana an’i Jehovah fahefana ireo mpanompony ‘hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy’. Eny, ny finoana dia manampy antsika hanohitra ny zavatra toy ny fanafihan’ny fanahy ratsy sy ny fakam-panahy hanao ratsy, hanaraka fomba fiaina tia ny zavatra ara-nofo, ary hanaiky ho resin’ny tahotra sy ny fisalasalana.