FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/4 p. 8-9
  • “Indro ny Lehilahy!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Indro ny Lehilahy!”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • “Indro! Ny Lehilahy!”
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • “Indro ny Lehilahy!”
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Iza moa i Pontio Pilato?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Pilato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/4 p. 8-9

Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany

“Indro ny Lehilahy!”

TOHINA noho ny fihetsik’i Jesosy sady nanaiky ny tsy fananany tsiny i Pilato ka nitady fomba hafa mba hanafahana azy. “Misy fanaonareo”, hoy izy tamin’ny vahoaka, “amin’ny Paska, handefasako anankiray ho anareo.”

Voatana ho mpigadra koa i Barabasy, mpamono olona nalaza ratsy iray, ka nanontany i Pilato hoe: “Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?”

Nampieken’ny lohan’ny mpisorona izay nanome fo azy ny vahoaka ka nangataka ny handefasana an’i Barabasy fa ny hamonoana an’i Jesosy kosa. Tsy kivy i Pilato fa namaly tamin’ny fanontaniana indray hoe: “Iza moa amin’izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo?”

“Barabasy”, hoy izy ireo niantsoantso.

“Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy?” hoy ny fanontanian’i Pilato tamim-pahaketrahana.

Tao anatin’ny horakoraka nankarenina, dia namaly toy izao izy ireo: “Aoka hohomboana amin’ny hazo fijaliana Izy.” “Homboy, homboy amin’ny hazo fijaliana Izy!”

Noho ny fahafantarany fa izy ireo dia nangataka ny hamonoana lehilahy iray tsy nanan-tsiny, dia niangavy mafy i Pilato nanao hoe: “Ka inona ary no ratsy nataony? tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaizako Izy, dia halefako”.

Na dia teo aza ny fanandramana nataony, dia nanohy nikiakiaka ihany ilay vahoaka romotra, natosik’ireo filohany ara-pivavahana: “Aoka hohomboana amin’ny hazo fijaliana Izy”. Voataonan’ireo mpisorona tao anatin’ny faharomotana feno fahadalana ny vahoaka ka nila ra latsaka. Ary raha eritreretina fa, dimy andro monja talohan’izay, ny sasany tamin’izy ireo angamba dia anisan’ireo nandray an’i Jesosy ho Mpanjaka tao Jerosalema! Nandritra izany fotoana rehetra izany, ireo mpianatr’i Jesosy, raha teo izy ireo, dia nitoetra nangina sy tsy nisehoseho.

Rehefa hitan’i Pilato fa tsy nahaleo ditra azy ireo ny fiangaviana nataony fa vao mainka niteraka fikorontanana be, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe: “Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo”. Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay”.

Noho izany, nifanaraka tamin’ny fangatahan’izy ireo — sady naniry hahazo sitraka tamin’ny vahoaka kokoa noho ny hanao izay fantany fa marina — dia nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo i Pilato. Naka an’i Jesosy izy ary nampitanjaka sy nampikapoka azy. Tsy fikapohana tsotra akory izy io. Milazalaza toy izao ny fomba fikaravasian’ny Romana ny The Journal of the American Medical Association:

“Ny fitaovana fampiasa dia karavasy fohy (flagrum na flagellum) nisy anja-koditra nanana halavana samihafa maromaro nandeha irery na nirandrana izay nisy vy boribory kely na tapa-taolan’ondry maranitra nifatotra nifanelanelana teo aminy. (...) Satria nikapoka niverimberina tamin’ny heriny rehetra ny lamosin’ilay niharam-pahavoazana ny miaramila romana, ireo vy boribory dia nahatonga fahamanganana lalina, ary ny anja-koditra sy ny taolan’ondry dia nandidy ny hoditra sy nofo tao ambany hoditra. Avy eo, arakaraka ny nitohizan’ny fikapohana, ireo fandidindidiana dia nandrovitra ny siraka teo amin’ny karana izay ambany kokoa ary nampiharihary tapa-nofo nivoa-dra sy nihetsiketsika.”

Taorian’io fikapohana nampijalijaly io, dia nentina tao anaty rovan’ny governora i Jesosy, ary nangonina ny miaramila rehetra. Teo, dia mbola nanampy fitondrana ratsy azy ihany ireo miaramila: nandrandrana satroka tsilo sy nanindry izany hitsofoka tamin’ny lohany izy ireo. Nasiany volotara ny tanany ankavanana, ary nampitafiany lamba jaky izy, dia ilay karazany fanaon’ny mpanjaka. Avy eo, dia hoy izy ireo taminy tamim-panarabiana: “Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!” Nandrora azy koa izy sady namely tahamaina ny tavany. Nalainy avy teny an-tanany ilay volotara mafy, nampiasainy izany mba hikapohana ny lohany, ka nandentika lalindalina kokoa ihany tao anaty hodi-dohany ny tsilo maranitra tamin’ilay “satro-boninahiny” nampietry.

Nanohina an’i Pilato aoka izany ny fahamendrehana sy ny hery niavaka nasehon’i Jesosy teo anatrehan’io fitondrana ratsy io, ka voatosika hanao fanandramana hafa izy mba hanavotana azy. “Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza”, hoy izy tamin’ny vahoaka. Nety ho nihevitra izy fa ny fahitana an’i Jesosy nampijalijalina dia hanalefaka ny fon’izy ireo. Raha nitsangana teo anatrehan’ilay vahoaka nitabataba tsy nangoraka i Jesosy nanao ilay satroka tsilo sy ilay lamba volomparasy ary ny tarehy vaky ra feno mariky ny fanaintainana, dia nanambara ampahibemaso i Pilato nanao hoe: “Indro ny Lehilahy!”

Na dia mangana sy voavely aza izy, dia nijoro teo ilay olona niavaka indrindra teo amin’ny tantara iray manontolo, eny tokoa, ny olona lehibe indrindra niaina teto an-tany! Eny, i Jesosy dia naneho fahamendrehana mangina sy fahatoniana nitory fahalehibiazana izay na dia i Pilato aza dia tsy maintsy nanaiky azy satria ny teniny dia toa nampiseho fanajana niharo fangorahana. Jaona 18:39–19:5; Matio 27:15-17, 20-30; Marka 15:6-19; Lioka 23:18-25.

◆ Tamin’ny fomba ahoana no nanandraman’i Pilato nanafaka an’i Jesosy?

◆ Ahoana no nanandraman’i Pilato nanala tena tamin’ny andraikitra?

◆ Inona no tafiditra tamin’ny hoe nokapohina?

◆ Ahoana ny nanesoana an’i Jesosy rehefa avy nokapohina izy?

◆ Fanandramana fanampiny inona no nataon’i Pilato mba hanafahana an’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara