Famantarana ny fanahy masina
EFA fantatrao ve fa misy heriny eo amin’ny fiainan’ny tsirairay amintsika ny fanahy masina? Ary efa takatrao ve fa afaka mitondra fanatsarana betsaka eo amin’ny fiainanao izy io? Mety hahagaga anao izany. Mety hanontany tokoa ianao hoe: ‘Iza sa inona no atao hoe fanahy masina?’
Raha anisan’ny iray amin’ny fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ianao, dia azo inoana fa efa nandre mpitondra fivavahana nanao batisa zaza tamin’ny “anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” (Matio 28:19, The New English Bible). Rehefa asaina mamaritra ny atao hoe fanahy masina ny ankamaroan’ireo anisan’ny klerjy, dia mamaly haingana hoe: ‘Ny fanahy masina dia ny persona fahatelo amin’ny Trinite, mitovy amin’Andriamanitra Ray, sy amin’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny lafiny rehetra.’
Kanefa dia tsy nananana io fiheverana io nandritra ireo taonjato vitsivitsy voalohany amin’ny fanisan-taonantsika. Indro misy ohatra manazava izany: Tamin’ny 381 am.fan.ir. — taonjato telo taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy Kristy — dia nanoratra toy izao i Grégoire avy any Nazianze: “Misy mihevitra fa hery (energeia) [ny fanahy masina], misy mihevitra azy ho zavaboary iray, misy mihevitra azy ho Andriamanitra, ary misy tsy afaka manapa-kevitra ny amin’ny hoe iza amin’ireo izy io.”
Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manaiky ny fomba fijerin’ny mpanohana ny Trinite ny amin’ny fanahy masina. Izany ve anefa no tohanan’ny Baiboly? Sa kosa izany hevitra miorina amin’ny lovantsofina fotsiny? Raha ny marina, ny Baiboly dia tsy miresaka mihitsy ny amin’ny fanahy masina amin’ny fomba mitovy amin’ny ataony ny amin’Andriamanitra na Jesosy. Ohatra, ao amin’ny Baiboly, ny fanahy masina dia tsy manana anarana manokana.
Moa ve izany antsipiriany tsy dia lehibe loatra fotsiny? Tsia, satria zava-dehibe ny anarana ao amin’ny Baiboly. Nanantitrantitra ny naha-zava-dehibe ny anarany manokana Andriamanitra rehefa niteny hoe: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” (Isaia 42:8). Nohamafisina talohan’ny nahaterahany ny naha-zava-dehibe ny anaran’i Jesosy Kristy, fony nilaza tamin’i Maria ny anjely iray nanao hoe: “Ny anarany dia hataonao hoe JESOSY”. (Lioka 1:31). Raha zava-dehibe toy izany ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka, nahoana ny fanahy masina no tsy manana anarana manokana? Azo antoka fa io antsipiriany tokana io dia tokony hahatonga olona iray hanontany tena raha mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka tokoa ny fanahy.
Ny Soratra masina sy ny fanahy masina
Ao amin’ny Soratra hebreo, na ny “Testamenta Taloha”, dia misy fitenenana ny amin’ny “Fanahinao Masina” sy “ny Fanahiko [ny an’Andriamanitra]”. (Salamo 51:11; Joela 3:1, 2). Vakintsika fa afaka mameno olona iray, tonga ao aminy, ary mandrakotra azy ny fanahy masina. (Eksodosy 31:3; Mpitsara 3:10; 6:34, MN). Azo analana ny fanahy masin’Andriamanitra ao amin’ny olona iray ary omena olon-kafa. (Nomery 11:17, 25). Afaka miasa eo amin’olona iray ny fanahy masina ka manome azy fahafahana hahavita asa lehibe tsy efan’olombelona. — Mpitsara 14:6; 1 Samoela 10:6.
Inona no azo tsoahina ara-drariny avy amin’izany fanambarana izany? Azo antoka fa tsy hoe persona akory ny fanahy masina. Amin’ny ahoana ny ampahana persona iray no azo alana avy amin’olona iray ary omena olon-kafa? Ankoatra izany, dia tsy misy porofo milaza fa nihevitra ny fanahy masina ho persona nitovy tamin’ny Ray ireo Jiosy nahatoky fony i Jesosy teto an-tany. Azo antoka fa tsy nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny fanahy masina izy ireo. Ny fanompoam-pivavahany kosa dia nivantana tany amin’i Jehovah irery ihany, Ilay nantsoin’ny tenan’i Jesosy hoe “Raiko” sy “Andriamanitro”. — Jaona 20:17.
Sahala amin’ilay antsoina hoe Testamenta Taloha, ny tapany amin’ny Baiboly antsoina hoe Soratra grika kristiana na “Testamenta Vaovao”, dia milaza fa afaka ‘mameno’ olona iray na ho ‘eo’ aminy ny fanahy masina. (Asan’ny apostoly 2:4; Lioka 2:25-27). Ny fanahy masina dia ‘nomena’, “nilatsaka” ary ‘nozarazaraina’. (Lioka 11:13; Asan’ny apostoly 10:45; Hebreo 2:4). Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., dia nahazo “ampahany” tamin’ny fanahin’Andriamanitra ireo mpianatra. (Asan’ny apostoly 2:17, MN). Miresaka ny amin’ny batisa amin’ny fanahy masina sy ny fanosorana aminy koa ny Soratra masina. — Matio 3:11; Asan’ny apostoly 1:5; 10:38.
Porofoin’ireo fanambarana ao amin’ny Baiboly ireo fa tsy persona ny fanahy masina. Voamarina io fanatsoahan-kevitra io rehefa hitantsika fa alahatra miaraka amin-javatra hafa tsy persona ny fanahy masina. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “feno finoana sy Fanahy Masina” i Stefana. (Asan’ny apostoly 6:5). Ary ny apostoly Paoly dia nampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra ‘tamin’ny fahadiovana, tamin’ny fahalalana, tamin’ny fahari-po, tamin’ny fahamoram-panahy, tamin’ny Fanahy Masina, tamin’ny fitiavana tsy nihatsaravelatsihy’. — 2 Korintiana 6:4-6.
Marina fa indraindray ny Baiboly dia miresaka ny fanahy masina ho toy ny persona. Nilaza, ohatra, i Isaia fa nisy mpikomy sasany ‘nanome alahelo ny Fanahy Masina’. (Isaia 63:10). Nilaza i Paoly fa azo ‘ampalahelovina’ izy io. (Efesiana 4:30). Ary misy soratra maro milaza fa mampianatra, mitari-dalana, miresaka, ary manao fanambarana ny fanahy masina. (Jaona 14:26; 16:13, 14; 1 Jaona 5:7, 8). Ny Baiboly koa anefa dia miresaka ho toy ny persona zavatra tsy manana aina hafa toy ny fahendrena, ny fahafatesana ary ny ota. (Ohabolana 1:20; Romana 5:17, 21). Izany, raha ny marina, dia fomba velombelona ilazan’ny Soratra masina zavatra indraindray.
Amin’izao andro izao, dia miresaka ny Baiboly amin’ny fomba mitovy amin’izany isika rehefa manambara fa milaza zavatra izy na mampianatra foto-pampianarana iray. Amin’ny fampiasana fitenenana toy izany, dia tsy te hilaza akory isika fa persona ny Baiboly, sa tsy izany? Tsy milaza koa ny Baiboly fa persona ny fanahy masina rehefa mampiasa fitenenana mitovy amin’izany.
Inona àry ny fanahy masina? Tsy persona izy io. Izy io kosa dia hery miasan’Andriamanitra, ampiasainy mba hanatanterahana ny sitrapony. (Genesisy 1:2). Ahoana anefa no ananan’ny fanahy masina hery eo amin’ny fiainantsika? Ary ahoana ho ahafahantsika mandray soa manokana bebe kokoa avy amin’ny fiasan’izy io?