Vehivavy mananotena aho, nefa nahita ny tena fampiononana
Notantarain’i Lily Arthur
NISY minisitry ny Vavolombelon’i Jehovah tanora iray nitsidika olona isan-trano tany amin’ny faritr’i Ootacamund, any India. Araka ny fomban-drazana, dia tsy namoha varavarana olon-tsy fantatra toy izany ireo vehivavy. Rehefa afaka ora vitsivitsy, vizana sady kivy ihany, dia nitodi-doha hody izy. Nijanona anefa izy, nahatsiaro toy ny hoe nisy nanosika azy handondona ny varavarana nanaraka. Diniho izay nitranga araka ny filazalazan’ilay vehivavy namoha varavarana azy.
NOTROTROIKO ny zanako vavy kely roa volana ary teo anilako ny zanako lahy 22 volana rehefa nanokatra haingana ny varavarana aho ka nahita olon-tsy fantatra nijoro teo. Faran’izay ory aho ny alina talohan’izay. Nitady fampiononana aho ka nivavaka toy izao: “Ray any an-danitra ô, mba ampionony amin’ny alalan’ny Teninao aho re.” Akory ny hagagako, rehefa nanazava ilay olon-tsy fantatra hoe: “Mitondra hafatra feno fampiononana sy fanantenana ho anao avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra aho.” Tsapako fa tsy maintsy ho mpaminany nirahin’Andriamanitra izy io. Toe-javatra inona anefa no nanosika ahy hivavaka mba hangataka fanampiana?
Fianarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Teraka tamin’ny 1922 aho, tao amin’ny tanàna kelin’i Guladalur any amin’ny havoana kanton’i Nilgiri, any India atsimo. Maty ny reniko fony aho telo taona. Tatỳ aoriana, dia nanambady indray i Dada, izay mpitondra fivavahana protestanta. Raha vao nahay niteny izahay, dia nampianarin’i Dada nivavaka ny anadahiko sy ny rahavaviko ary ny tenako. Teo amin’ny fahefa-taonako, raha nipetraka teo amin’ny biraony i Dada isan’andro, namaky ny Baiboly, dia namaky ny ahy manokana teo amin’ny ngorodona aho.
Rehefa nihalehibe aho, dia lasa mpampianatra. Tamin’izay, rehefa nahatratra ny faha-21 taonako aho, dia nandamina ny fanambadiako ny raiko. Nahazo fitahiana izaho sy ny vadiko nahazo zanakalahy, i Sunder, ary tatỳ aoriana, zanakavavy, i Rathna. Tamin’ny fotoana nahaterahan’i Rathna anefa, dia narary mafy ny vadiko, ary tsy ela taorian’izay dia maty. Teo amin’ny faha-24 taonako aho, dia nanjary vehivavy mananotena tampoka, nanan-janaka kely roa ho andraikitra.
Taorian’izay aho dia nitalaho tamin’Andriamanitra mba hampionona ahy tamin’ny alalan’ny Teniny, ary ny ampitson’iny no nitsidika ilay minisitry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampandroso azy aho ary nandray ilay boky hoe: “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina”. Tamin’iny alina iny raha namaky azy aho, dia tsy nitsahatra nahita ny anarana hoe Jehovah, izay zavatra tena hafahafa tamiko. Tatỳ aoriana, dia niverina ilay minisitra ary nasehony ahy tao amin’ny Baiboly fa anaran’Andriamanitra izy io.
Tsy ela dia nahafantatra koa aho fa ny fampianarana toy ny Trinite sy ny afobe mirehitra dia tsy miorina ao amin’ny Baiboly. Tonga tamiko ny fampiononana sy ny fanantenana rehefa nianarako fa, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ho tonga paradisa ny tany ary hiverina amin’ny fitsanganana amin’ny maty ireo olon-tiana efa nodimandry. Ny tena zava-dehibe, dia nanomboka nahafantatra sy tia an’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah, izay nandre ny vavaka nataoko ary nanampy ahy, aho.
Fizarana ny fahalalana vao azo
Nanomboka nanontany tena aho hoe ahoana no tsy namakiako ireo andininy ao amin’ny Baiboly misy ny anaran’Andriamanitra ireo. Ary nahoana no tsy hitako tao amin’ny famakiako manokana ny Baiboly ilay fanantenana mazava ny amin’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany ho tonga paradisa. Nampianatra tao amin’ny sekoly notantanan’ny misionera protestanta aho, ary nasehoko tamin’ilay filohan’ny sekoly ireo andininy ao amin’ny Baiboly. (Eksodosy 6:3; Salamo 37:29; 83:18; Isaia 11:6-9; Apokalypsy 21:3, 4). Nilaza aho fa, toa tsy nahita azy ireo izahay. Kanefa, gaga aho fa toa tsy nahafaly azy izany.
Avy eo dia nanoratra tany amin’ny tale izay tany amin’ny tanàna hafa iray aho tamin’ny fanononana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly ireo. Nangataka fahafahana hiresaka taminy aho. Namaly izy fa ny rainy, mpitondra fivavahana malaza iray avy any Angletera, dia hidinika ilay raharaha miaraka amiko. Eveka malaza ny anadahin’ilay tale.
Nanomana ireo hevitra sy andininy rehetra aho, ary nitondra ilay bokiko hoe “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina” sy ireo zanako nankany amin’ilay tanàna. Nanazava tamin-kafanam-po aho hoe iza moa i Jehovah, ny tsy fisian’ny Trinite, sy zavatra hafa maro izay nianarako. Nihaino nandritra ny fotoana kelikely izy ireo fa tsy niloa-bava. Tamin’izay, dia hoy ilay mpitondra fivavahana avy tany Angletera hoe: “Hivavaka ho anao aho”. Dia nivavaka ho ahy izy ary nandefa ahy nody.
Fitoriana teny amin’ny arabe
Indray andro dia nanasa ahy hanao fanambarana teny amin’ny arabe tamin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ilay minisitry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza taminy aho fa izany dia zavatra tsy ho vitako na oviana na oviana. Atỳ India mantsy, ny olona dia manana fiheverana ratsy indrindra ny amin’ny vehivavy iray mijoro eny amin’ny arabe na mandeha mitety trano. Ho nitondra fahafaham-baraka ho an’ilay vehivavy izany ary ho an’ny fianakaviany mihitsy koa aza. Koa satria tia sy nanaja lalina ny raiko aho, dia tsy naniry ny hitondra fahafaham-baraka ho azy.
Kanefa ilay minisitra dia nampiseho tamiko andininy iray ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay manala baraka ahy.” (Ohabolana 27:11, Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques). Hoy izy: “Mampifaly ny fon’i Jehovah ianao amin’ny fanehoana ampahibemaso fa momba azy sy ny Fanjakany”. Noho ny faniriana ny hampifaly ny fon’i Jehovah mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, dia nandray ilay kitapo nisy gazety aho ary nandeha niaraka taminy tamin’ny asa fitoriana teny amin’ny arabe. Na dia hatramin’izao aza, dia tsy azoko alaina sary an-tsaina hoe ahoana no nanaovako izany. Tamin’ny 1946 izany, teo amin’ny efa-bolana taorian’ny nifandraisana tamiko.
Nampaherezina handresy ny tahotra
Tamin’ny 1947, dia nanaiky asan’ny mpampianatra tany ivelan’i Madras, tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i India aho ary nifindra tany niaraka tamin’ny ankizy. Nisy antokon’olom-bitsy voaforon’ny Vavolombelon’i Jehovah valo teo ho eo nivory tsy tapaka tany an-tanàna. Mba hanatrehana ireo fivoriana ireo, dia tsy maintsy nandeha teo amin’ny 22 kilaometatra teo ho eo izahay. Teto India, tamin’izany andro izany, dia tsy nanao dia irery mazàna ireo vehivavy. Niankina tamin’ny lehilahy izy ireo mba hitondra azy. Tsy nahay ny fomba fakana fiarambahoaka aho, na ny fomba fividianana ny karatra, na ny fomba fialana amin’ny fiarambahoaka, sy ny toy izany. Tsapako fa tokony hanompo an’i Jehovah aho, kanefa amin’ny fomba ahoana? Nivavaka àry aho nanao hoe: “Jehovah Andriamanitra ô, tsy afaka miaina tsy manompo anao aho. Kanefa dia tsy azoko atao mihitsy, amin’ny maha-vehivavy karana ahy ny handeha isan-trano”.
Nanantena aho fa hamela ahy ho faty i Jehovah mba hanafahana ahy tamin’izany adin-tsaina izany. Kanefa dia nanapa-kevitra ny hamaky zavatra avy tao amin’ny Baiboly aho. Sendra nanokatra izany tao amin’ny bokin’i Jeremia izay nilaza toy izao aho: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah”. — Jeremia 1:7, 8.
Tsapako fa, raha ny marina, dia niresaka tamiko i Jehovah. Koa nisikina herim-po aho ary, avy hatrany, dia nankeo amin’ny milina fanjairako ka nanjaitra kitapo iray hitondrako gazety. Rehefa avy nivavaka tamin-kafanam-po aho, dia nandeha irery isan-trano, nametraka ny zavatra vita an-tsoratra rehetra tany amiko, ary nanomboka fampianarana Baiboly mihitsy aza tamin’iny andro iny. Nanjary tapa-kevitra ny hanome an’i Jehovah ny toerana voalohany teo amin’ny fiainako aho, ka hametraka ny fanantenako sy ny fitokiako manontolo taminy. Nanjary anisan’ny fiainako ny asa fitoriana ampahibemaso na dia teo aza ny teny fanalam-baraka. Na dia teo aza ny fanoherana, dia nanohina mafy ny sasany ny asako.
Izany dia nasehon’izay nitranga rehefa nandeha nitory isan-trano tany Madras izaho sy ny zanako vavy, taona maro tatỳ aoriana. Hoy ny lehilahy Hindoa mendri-kaja iray, mpitsara tao amin’ny Fitsarana ambony, tsy nahafantatra ny taonako: “Efa nahafantatra itony gazety itony aho fony tsy mbola teraka akory aza ianao! Telopolo taona lasa izay, dia nisy ramatoa nijoro tsy tapaka teo amin’ny Mount Road mba hanolotra azy ireo.” Nila famandrihana izy.
Tany amin’ny trano hafa iray, dia nisy Brahamana hindoa iray, mpiasam-panjakana efa nisotro ronono, nampandroso anay ary nanao hoe: “Taona maro lasa izay, dia nisy ramatoa nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana teo amin’ny Mount Road. Horaisiko izay atolotrao ahy noho ny fanajako azy”. Tsy nahatana aho fa nitsiky satria fantatro fa izaho ilay ramatoa nasian’izy roa lahy fitenenana.
Nohatanjahina sy notahina
Tamin’ny Oktobra 1947 aho no nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa amin’ny rano. Tamin’izany fotoana izany dia izaho no hany Vavolombelona vehivavy nahay ny fiteny Tamoul tao amin’ilay fizaran-tany manontolo, fa ankehitriny kosa, dia misy vehivavy Tamoul an-jatony maro Vavolombelon’i Jehovah mahatoky sy marisika.
Raha vao vita batisa aho, dia tonga avy tamin’ny lafiny rehetra ny fanoherana. Nanoratra toy izao ny anadahiko: “Nandika ny fitsipika momba fahalalam-pomba sy ny fahamaotinana rehetra ianao”. Nahita fanoherana koa aho tany amin’ilay sekoly niasako sy tamin’ireo mpiara-monina tamiko. Kanefa vao mainka nifikitra mafimafy kokoa tamin’i Jehovah aho tamin’ny fanaovana vavaka tamin-kafanam-po sy tsy tapaka. Raha toa ka taitra aho tamin’ny alina, dia nandrehitra avy hatrany ny jiro solitany ary nianatra.
Arakaraka ny nampatanjaka ahy, dia tsara toerana kokoa aho mba hampionona sy hanampy ny hafa. Niandany mafy tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny ramatoa Hindoa be taona iray izay nampianariko. Rehefa maty izy, dia nisy vehivavy hafa iray tao amin’ny ankohonany nilaza hoe: “Ny tena nahafaly anay, dia ny tsy fivadihany tamin’ilay Andriamanitra izay nofidiny hotompoina hatramin’ny farany”.
Tsy nitsiky mihitsy ny ramatoa hafa iray nampianariko. Nampiseho taratry ny fanahiana sy alahelo foana ny endriny. Taorian’ny nampianarako azy ny amin’i Jehovah anefa, dia nampirisika azy hivavaka taminy aho, satria izy mahafantatra ny fahoriantsika sady miahy antsika. Ny herinandro nanaraka dia miramirana ny endriny. Izay aho vao nahita azy nitsiky hatramin’izay. “Nivavaka tamin’i Jehovah aho”, hoy ny fanazavany, “ary manana fiadanan-tsaina sy fiadanam-po aho.” Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy ary mitoetra tsy mivadika na dia eo aza ny zava-manahirana maro.
Fandanjalanjana ireo andraikitra
Noho izaho nanan-janaka roa kely hokarakaraina, dia tsapako fa tsy azo nantenaina ny fahatanterahan’ny faniriako hanompo an’i Jehovah manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra. Tamin’izay anefa, dia nisy lalana vavao ho amin’ny fanompoana nisokatra teo anoloako rehefa nisy nilàna olona handika boky momba ny Baiboly ho amin’ny fiteny Tamoul. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka nanao io asa io aho sady niasa tamin’ny naha-mpampianatra, nikarakara ny ankizy, nanao ny raharahan-tokantranoko, nanatrika ny fivoriana rehetra, ary nandray anjara tamin’ny asa fanompoana. Rehefa ela ny ela, rehefa nihalehibe ny ankizy, dia tonga mpitory maharitra manokana aho, tombontsoa izay nifaliako nandritra ireo 33 taona lasa.
Na dia fony mbola kely aza ry Sunder sy Rathna, dia nanandrana nandentika tsikelikely tao aminy ny fitiavana an’i Jehovah sy ny faniriana ny hametraka foana ny tombontsoany eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny lafim-piainany rehetra aho. Fantatr’izy ireo fa ny olona voalohany tokony hiresahany rehefa mifoha dia i Jehovah, ary izy no ilay farany tokony hiresahany alohan’ny handehanana hatory. Ary fantatr’izy ireo fa tsy tokony hatao tsirambina ny fiomanana ho amin’ny fivoriana kristiana sy ny asa fanompoana noho ny entimody any an-tsekoly. Na dia nampirisika azy ireo hanao ezaka faran’izay azony atao teo amin’ny fianarana aza aho, dia tsy nanantitrantitra na oviana na oviana ny hahazoany naoty ambony, sao dia nanao izany ho ny zavatra lehibe indrindra teo amin’ny fiainany izy ireo.
Taorian’ny batisany, dia nampiasa ny fotoam-pialan-tsasatry ny sekoly izy ireo mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Nampirisihiko i Rathna mba ho be herim-po, ho feno fahasahiana ary tsy ho saro-kenatra sahala amiko. Rehefa nahavita ny fianarany ambaratonga faharoa sy ny fiofanany momba ny varotra izy dia nanomboka nanao ny asan’ny mpitory maharitra, ary tatỳ aoriana dia lasa mpitory maharitra manokana. Rehefa afaka kelikely, dia nanambady mpiandraikitra mpitety faritany izy, i Richard Gabriel, izay mpampifandrindra ao amin’ny Komitin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower eto India izao. Manompo manontolo andro ao amin’ny sampana eto India izy ireo miaraka amin’i Abigail zanany vavy, ary i Andrew zanany lahy kely dia mpitory ny vaovao tsara.
Teo amin’ny faha-18 taonany kosa, i Sunder dia nandrotika ny foko rehefa nitsahatra tsy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fadiranovana indrindra aho nandritra ireo taona nanaraka. Nitalaho tsy tapaka tamin’i Jehovah aho mba hamela izay tsy nety rehetra nety ho nataoko tamin’ny fitaizana azy ary mba hampody ny sain’i Sunder ka hiverenany. Kanefa, dia namoy ny fanantenana rehetra aho tamin’ny farany. Avy eo, indray andro, 13 taona tatỳ aoriana, dia tonga izy ary niteny tamiko hoe: “Aza manahy, ry Neny, fa tsy haninona intsony aho.”
Tsy ela taorian’izay, dia nanao ezaka manokana i Sunder mba ho tonga matotra ara-panahy. Nandroso izy ka nanjary nanankinana ny fiandraiketana kongregasion’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Tatỳ aoriana, dia nialany ny asany tsara karama mba hahatongavana ho mpitory maharitra. Izao izy sy ny vadiny, Esther, dia miara-manompo ao amin’io asa io any Bangalore, any amin’ny tapany atsimon’i India.
Fampiononana mandritra ny fiainana manontolo
Matetika dia misaotra an’i Jehovah aho noho ny namelany ahy handalo fahoriana sy fahasahiranana nandritra ireo taona lasa. Raha tsy teo ireo fanandraman-javatra ireo, dia tsy ho nanana ny tombontsoa sarobidy hanandrana ny hatsaran’i Jehovah, ny famindrampony sy ny fanehoany fiahiana sy fitiavana tamin’ny ambaratonga lehibe toy izany aho. (Jakoba 5:11). Mahafaly ny fo ny famakiana ao amin’ny Baiboly ny fiahiana sy ny fiheveran’i Jehovah “ny kamboty ary ny mpitondratena”. (Deoteronomia 24:19-21). Kanefa tsinontsinona izany raha oharina amin’ny fampiononana sy fahafinaretana entin’ny tena fanandramana ny fiahiany sy ny fiheverany.
Nianatra ny nametraka fitokiana sy finoana tanteraka tamin’i Jehovah aho, tsy tamin’ny fianteherana tamin’ny fahatakarako manokana, fa tamin’ny fanekena azy tamin’izay nalehako rehetra. (Salamo 43:5; Ohabolana 3:5, 6). Tamin’ny naha-vehivavy mananotena tanora ahy, dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hahazo fampiononana tamin’ny alalan’ny Teniny. Izao, eo amin’ny faha-68 taonako, dia afaka milaza marina aho fa tamin’ny fahatakarana ny Baiboly sy tamin’ny fampiharana ny toroheviny, dia nahita fampiononana mihoatra noho izay nampoiziko aho.
[Sary, pejy 26]
Lily Arthur miaraka amin’ny fianakaviany