Nahoana no ela be aoka izany ny fandaminana ilay raharaha?
ENINA ARIVO taona lasa teo ho eo izay, dia tsy niadian-kevitra ny fiandrianan’Andriamanitra. Teo am-panatanterahana ny asa famoronana mahatalanjona nataony, dia “hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:31). Avy eo izy dia nanomboka vanim-potoana lava ho “fitsaharana”, mazava ho azy fa tsy noho izy reraka ara-batana. Nitsahatra kosa izy amin’ny heviny hoe nampitsahatra ny asa famoronana nataony tetỳ an-tany izy, ary natoky fa hahita fahombiazana tanteraka ny fikasany tsara momba izany. — Genesisy 2:1-3; Isaia 55:11.
Inona moa izany fikasana izany? Napetrak’i Jehovah tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe saha Edena ny mpivady olombelona voalohany. Ny andraikitr’izy ireo voalohany indrindra dia ny hikarakara ilay fonenany paradisa, anisan’izany ny karazana biby maro be tao. Natao hiteraka koa izy ireo ka hitaiza zanaka. Rehefa mandeha ny fotoana, arakaraka ny fitomboan’ny fianakavian’izy ireo, dia tokony hanitatra ny paradisa hatrany amin’ny faran’ny tany izy ireo ho fankatoavana ny didin’Andriamanitra mba ‘hampanompo ny tany’. Araka izany, ny tany amin’ny farany dia ho fonenana kanto, feno fianakaviana tafaray sy sambatra manompo ny Rainy any an-danitra. Izany no fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. — Genesisy 1:27, 28; 2:8, 15, 20-22.
Moa ve ry Adama sy Eva handray anjara amin’ny fanatanterahana an’io fikasana lehibe io hatramin’ny farany? Izany dia niankina tamin’ny fanohizany hanaraka izany amin’ny alalan’ny fankatoavany ny Mpamorona azy. Tsy tokony ho an-jambany sy tsy amim-piheverana ny fankatoavan’izy ireo. Nomena safidy malalaka izy ireo satria nirin’Andriamanitra hanompo azy amin’ny fo feno fankasitrahana. Ho mpampahatsiahy hita maso ny fiandrianany ara-drariny, dia nanome fitsapana tsotra iray izy. Afaka naka tamin’izay rehetra nety ho fihinana tao amin’ny saha izy ireo afa-tsy iray monja. Nisy voankazo tao, izay ny momba azy io no nitenenan’Andriamanitra hoe: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” — Genesisy 2:16, 17.
Ireo teny ireo dia milaza amintsika fa tsy noforonina hihantitra sy ho faty akory ry Adama sy Eva. Tsy tonga ny fahafatesana raha tsy hoe tsy nankatò io didy tsotra io angaha izy ireo. Raha nitoetra ho nankatò an’Andriamanitra ry Adama sy Eva, dia mbola ho velona tetỳ an-tany izy amin’izao andro izao amin’ny maha-ray aman-drenin’ny fianakaviana maneran-tany voaforon’ny taranaka lavorary azy. — Jereo ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny Salamo 37:29.
Kanefa, nanjary nanakiana ny fomba fanapahan’Andriamanitra ny iray tamin’ireo zavaboary anjelin’Andriamanitra, ilay antsoina ankehitriny hoe Satana. Namokivoky an’i Eva hihinana ilay voankazo voarara izy tamin’ny fanoloran-kevitra azy tamin-kafetsena fa amin’ny tsy fiankinana amin’ny fiandrianan’Andriamanitra, dia hihatsara kokoa ny fiainany. Ny tena antony nanosika an’i Satana anefa, dia faniriana ho tonga andriamanitry ny fianakavian’ny taranak’olombelona ho avy. — Genesisy 3:1-5; Matio 4:8, 9; Jaona 8:44.
Koa satria Jehovah nanome ho an’ny mpivady olombelona voalohany izay zavatra rehetra nilainy, dia tokony hanohana ny fiandrianany sy handa ny fanoloran-kevitra feno laingan’i Satana i Eva. Nampalahelo anefa fa niroso izy ary nandika ny lalàn’Andriamanitra. Taorian’izay, i Adama dia nifidy ny hanaraka ny vadiny tamin’ny lalany feno hadalana. Araka izany, ilay mpivady mafy hatoka, ary i Satana koa, dia nikomy tamin’Andriamanitra, ka nipoitra tamin’izay ilay raharaha ny amin’ny fiandrianan’Andriamanitra. — Genesisy 3:6.
Nilaina ny fotoana mba handaminana ireo raharaha lehibe iankinan’ny aina
Azon’i Jehovah naringana teo no ho eo ireo mpikomy telo. Nefa tsy hahalamina tanteraka ireo raharaha napoitran’ny fikomian’izy ireo izany. Afaka manapa-tena amim-pahombiazana tsy misy an’Andriamanitra ve ny olombelona? Rariny ve ny an’Andriamanitra raha mitaky fanekena ny fiandrianany izy? Ambonin’izany, rehefa heverina ny fitondrantenan’ny mpivady olombelona voalohany, hisy ve olombelona hifidy tsy amim-pitiavan-tena ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny nahim-pony, na dia sedrain’i Satana aza izy? (Joba 1:7-11; 2:4). Nila fotoana ny famaliana ireo fanontaniana ireo. Nila fotoana koa ny fandresena ny vokatr’izany fikomiana tany am-boalohany izany sy ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa onenan’ny taranak’olombelona tsy manana ota. Mbola miandry ny fandaminana farany an’ireo raharaha ireo isika.
Mifanaraka amin’ny lalàny, Andriamanitra dia nanaisotra tamin’i Adama sy Eva ny tombontsoa hiaina mandrakizay. Tsy mendrika ny handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasany lehibe intsony izy ireo. Kanefa, talohan’ny nahafatesany izy ireo dia navela hiteraka sy hitaiza taranaka aloha. Marina fa tsy afaka namindra tamin’ny taranany intsony ny fiainany feno tanjaka sy tsy nisy ota izy ireo. (Romana 5:12). Nefa, na dia teraka tsy lavorary sy meloka ho faty aza ireo taranaka nifandimby, dia olona maro be no nanana fahafahana hampiseho hoe hatraiza izy no manohana raha ny amin’ny raharaha lehibe momba ny fiandrianana.
Fandaminana ilay raharaha
Ahoana no handaminan’Andriamanitra ireo raharaha mifandray amin’ny fiandrianany? Amin’ny heviny anankiray, ireo fanontaniana nipoitra tany Edena izao dia voavaly. Ireo an’arivony taona maro nisian’ny tantaran’olombelona dia nampiharihary tamin’ny fomba nampalahelo fa lainga ny filazan’i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’i Eva raha tsy miankina amin’Andriamanitra izy. Nahita tsy fahombiazana mitohy ny fanapahan’olombelona minia tsy mahalala an’Andriamanitra, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” — Mpitoriteny 8:9.
Etsy an-danin’izany, nisy zavatra tsara maro be fantatra nandritra ny an-taonany maro hatramin’ny nanotan’i Adama sy Eva. Maro be amin’ny taranak’olombelona no nampiseho fifikirana tsy azo notapahina tamin’ny fiandrianan’i Jehovah, ka ny ohatra niavaka indrindra tamin’izany dia “ny Zanak’olona”, Jesosy Kristy mihitsy. (Matio 20:18; Hebreo 11:1–12:3). Ireo izay nanaraka ny lalàn’Andriamanitra sy nanaiky ny fiandrianany dia nahita ny tena lalana tsara indrindra. Nanandrana ny fahamarinan’ity ohabolana ity izy ireo: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana [tsy ampiany fisasarana, MN] izany.” (Ohabolana 10:22). Ambonin’izany, noho ny fandaharana ny amin’ny fananganana ny maty, dia handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasana lehiben’Andriamanitra izy ireo amin’ny farany. — Jaona 5:28, 29.
Tsy hadinon’i Jehovah ny fikasany tany am-boalohany. Ireo izay mandà ny fiandrianany dia tsy havela hanapaka eto an-tany maharitra, ary mampitandrina ny Baiboly fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanao zavatra hamelezana azy ireo. Izao no vakintsika: “Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra.” (Romana 1:18). Izany fisehoan’ny fahatezeran’Andriamanitra ho avy, antsoin’ny Baiboly hoe Haramagedona izany, dia tsy isalasalana fa hampiseho hoe misy tokoa izy. Ireo izay manaiky ny fiandrianany ihany no ho tafita velona amin’io fisehoan-javatra io. “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” — Ohabolana 2:21, 22.
Ilay raharaha lehibe sy ianao
Rehefa heverina amin’ireo zava-misy ireo, ny tsirairay amintsika — toa an’i Adama sy i Eva — dia tsy maintsy manao safidy. Moa ve isika hanandrana hiaina tsy miankina amin’Andriamanitra? Sa kosa hanaiky ny fiandrianany isika? Tadidio fa izany no raharaha lehibe indrindra iankinan’ny aina atrehinao ankehitriny. Ireo raharaha hafa, izay mety ho toa lehibe, dia mifandray amin’izao fiainanao ankehitriny izao. Ity iray ity kosa dia mifandray amin’ny fiainana mandrakizay. Hisy akony eo amin’ny hoavinao mandrakizay ny fanapahan-kevitra ataonao.
Ahoana no ahafahanao mampiseho fa manaiky ny fiandrianan’Andriamanitra ianao? Amin’ny fianarana amim-paharisihana ny Teniny, dia ny Baiboly, amin’ny fiezahana hankatò ny sitrapony amin’ny fiarahana amin’ireo kristiana marina hafa. (Zefania 2:2, 3). Raha manao izany ianao, dia hanana fanantenana mahasambatra ny hahita ny fahatanterahan’ny fikasana lehiben’Andriamanitra. Hahita ny fahatanterahan’ity fampanantenana kanto ity ianao: “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11). Endrey izany fiafarana mahatalanjona ho an’izay rehetra manaiky ny fiandrianan’Andriamanitra! Tena antony mahery tokoa izany mba hanapahan-kevitra amim-pahendrena manoloana an’io raharaha lehibe indrindra io!