Iza marina no manana fiantsoana ho any an-danitra?
TIA ny taranak’olombelona i Jehovah. Lehibe aoka izany io fitiavana io ka nomeny ho avotra ny Zanany, Jesosy Kristy, mba hanavotana izay verin’i Adama razambentsika! Ary inona izany? Fiainan’olombelona lavorary sy mandrakizay niaraka tamin’ny zony sy ny fanantenany rehetra. (Jaona 3:16). Fisehoan’ny fitiavan’i Jesosy ny olombelona koa ny avotra. — Matio 20:28.
Naseho ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fanokafana fanantenana roa avy tamin’Andriamanitra niorina tamin’ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. (1 Jaona 2:1, 2). Talohan’ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny naha-olombelona, ny hany fanantenana nisokatra ho an’ireo nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. (Lioka 23:43, MN). Taorian’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. anefa, dia nanome fanantenana ny ho any an-danitra ho an’ny “ondry vitsy” i Jehovah. (Lioka 12:32). Inona anefa no nitranga tsy ela izay? Hatramin’ny 1931, ny hafatr’ilay Fanjakana dia nampifantoka fiheverana kokoa ny “ondry hafa”, ary hatramin’ny 1935, dia nisarika “olona betsaka” amin’ireny toy ny ondry ireny hanatona azy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9). Tao am-pony, Andriamanitra dia nametraka ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany iray. Maniry hihinana sakafo tonga lafatra, sy hanana fanapahana amim-pitiavana eo amin’ny biby izy ireo ary hifaly amin’ny fiarahana amin’olombelona marina mandrakizay.
Mpisorona sy Mpanjaka be fangoraham-po
Koa satria nanosika an’i Jesosy hanolotra ny ainy ho avotra ny fitiavana, dia azo antoka fa ho Mpanjaka be fangoraham-po any an-danitra izy. Tsy i Jesosy irery anefa no hanandratra ny taranak’olombelona ho amin’ny fahatanterahana mandritra ny Fanjakany arivo taona. Nanomana mpanjaka be fangoraham-po hafa ho any an-danitra i Jehovah. Eny, “ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona”. — Apokalypsy 20:1-6.
Hanana mpiara-manjaka aminy firy i Kristy, ary ahoana no ifidianana azy ireo ho amin’ny tombontsoa mahatalanjona toy izany? Nahita 144 000 ny apostoly Jaona teo amin’ny tendrombohitra Ziona any an-danitra niaraka tamin’ilay Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy. Noho izy ireo “navotana avy tamin’ny olona”, dia ho fantany ny dikan’ny hoe mandalo fitsapana, miaritra ny enta-mavesatry ny tsy fahatanterahana, ny hoe mijaly sy maty amin’ny maha-olombelona. (Apokalypsy 14:1-5; Joba 14:1). Noho izany, dia ho mpanjaka sady mpisorona be fangoraham-po toy inona moa izy ireo!
Ny fanambarana ataon’ny fanahy
“Manana hosotra avy amin’Ilay Masina”, dia i Jehovah, ireo 144 000. (1 Jaona 2:20). Fanosorana ho amin’ny fanantenana ny ho any an-danitra izy io. Andriamanitra dia ‘nanisy tombo-kase azy ireo, ka nanome ny Fanahy ho santatra ao am-pon’izy ireo’. — 2 Korintiana 1:21, 22.
Eny, ireo izay manana ny fiantsoana ho any an-danitra dia mahazo fanambarana avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ho amin’izany. Ny amin’izany, dia nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny Romana 8:15-17: “Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa”. Amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra na hery miasa, no iantsoan’ireo voahosotra hoe “Aba, Ray ô”.
Ny fampiharihariana lehibe indrindra fa voahosotra ny olona iray ho amin’ny fiantsoana any an-danitra, dia ny fanahy, na fahatsapana mahery ny maha-zanaka. (Galatiana 4:6, 7). Ny olona toy izany dia mahazo antoka tanteraka fa natsangan’Andriamanitra ho zanaka ara-panahy izy, ho iray amin’ireo 144 000 mpiara-mandova ny Fanjakana any an-danitra. Afaka manamarina izy fa ny fanantenany ho any an-danitra dia tsy faniriana novoleny manokana na eritreriny fotsiny; avy amin’i Jehovah kosa izy io, vokatry ny asan’ny fanahin’Andriamanitra teo aminy. — 1 Petera 1:3, 4.
Eo ambanin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ny fanahy na ny fihetsika manan-kery eo amin’ireo voahosotra dia miasa toy ny hery manesika iray. Manosika azy ireo hanaiky izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny fanantenana ny ho any an-danitra izy io. Manaiky koa ny fifampiraharahana ifanaovan’i Jehovah aminy amin’ny alalan’ny fanahy masina izy ireo. Amin’izay dia mahazo antoka izy ireo fa zanak’Andriamanitra ara-panahy sady mpandova azy.
Rehefa mamaky izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ireo zanany ara-panahy sy ny fanantenana ny ho any an-danitra ireo voahosotra, ny fironany avy hatrany dia ny miteny anakampo hoe: ‘Izaho izany!’ Eny, mamaly amim-pifaliana izy ireo rehefa mampanantena valisoa any an-danitra ny Tenin-dRainy. Hoy izy ireo hoe ‘Izaho izany!’ rehefa mamaky hoe: “Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika”. (1 Jaona 3:2). Ary rehefa mamaky ireo voahosotra fa Andriamanitra dia niteraka olona “mba ho santatry ny zavatra noforoniny”, ny fironany ara-tsaina dia ny hamaly hoe: ‘Eny, niteraka ahy ho amin’izany fikasana izany izy’. (Jakoba 1:18). Fantany fa “natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy” sy ao amin’ny fahafatesany izy ireo. (Romana 6:3). Koa manana fiaikena mafy ho anisan’ny tena ara-panahin’i Kristy izy ireo ary mamelona fanantenana ny handalo fahafatesana toy ny azy sy hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra.
Mba handovana ny Fanjakana any an-danitra, ireo voahosotra dia tsy maintsy ‘manao izay farany azony atao mba hahatonga ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ho azo antoka’. (2 Petera 1:5-11, MN). Mandeha amin’ny finoana izy ireo, ary manohy mitombo ara-panahy, toy ny ataon’ireo manana fanantenana ho eto an-tany. Koa, amin’ny zavatra hafa inona no anaovan’ny fanahy fanambarana?
Ny antony andraisany anjara
Tsy maniry ny ho any an-danitra ny kristiana voahosotra satria hoe tsy afapo amin’ny fiainana eto an-tany amin’izao andro izao. (Ampitahao amin’ny Joda 3, 4, 16.) Manao fanambarana amin’ny fanahin’izy ireo kosa ny fanahy masina fa zanak’Andriamanitra izy ireo. Mahazo antoka koa izy ireo fa noraisina tao amin’ny fanekena vaovao izy ireo. Ny andaniny sy ny ankilany amin’io fanekena io, dia i Jehovah Andriamanitra sy ny Isiraely ara-panahy. (Jeremia 31:31-34; Galatiana 6:15, 16; Hebreo 12:22-24). Io fanekena io, izay natao nanan-kery noho ny ra nalatsak’i Jesosy, dia maka olona ho an’ny anaran’i Jehovah ary manao ireo kristiana voahosotra ireo ho anisan’ny “taranak’i Abrahama”. (Galatiana 3:26-29; Asan’ny apostoly 15:14). Mitoetra ho manan-kery ilay fanekena vaovao mandra-pitsangan’ireo Isiraelita ara-panahy rehetra ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra.
Ankoatra izany, ireo izay manana ny fiantsoana ho any an-danitra marina tokoa, dia tsy misalasala fa ao anatin’ny fanekena ho amin’ny Fanjakana any an-danitra koa izy ireo. Nanisy fitenenana ny amin’io fanekena teo aminy sy ireo mpanara-dia azy io i Jesosy rehefa niteny hoe: “Hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”. (Lioka 22:28-30). Notokanana ho an’ireo mpianatr’i Jesosy io fanekena io, tamin’ny fanosorana azy ireo tamin’ny fanahy masina tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir. Mitoetra ho manan-kery mandrakizay eo amin’i Kristy sy ireo mpanjaka miaraka aminy izy io. — Apokalypsy 22:5.
Ireo izay manana ny fiantsoana ho any an-danitra dia tena mahazo antoka fa ao anatin’ny fanekena vaovao sy ny fanekena ho amin’ny Fanjakana izy ireo. Noho izany, izy ireo dia mandray anjara amin’ny fomba mety amin’ny mofo sy divay ara-panoharana amin’ny fahatsiarovana isan-taona ny Sakafo harivan’ny Tompo, na Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ilay mofo tsy misy masirasira dia mampiseho ny tenan’olombelona tsy nisy ota nananan’i Jesosy, ary ilay divay, ny rany lavorary nalatsaka tamin’ny fahafatesana ary nampanan-kery ny fanekena vaovao. — 1 Korintiana 11:23-26.
Raha toa i Jehovah ka namboly tao aminao ilay fanantenana tsy azo lavina ny amin’ny fiainana any an-danitra, dia miantehitra amin’izany ianao. Manao vavaka ho fanehoana izany fanantenana izany ianao. Mitana ny sainao manontolo izy io, ary tsy afaka mamoaka azy mba hahitana fahamaivamaivanana ianao. Manana faniriana ara-panahy miredareda ianao. Fa raha mizarazara kosa ny sainao na misalasala ianao, dia azo antoka fa tsy tokony handray anjara amin’ireo marika amin’ny Sakafo harivan’ny Tompo ianao.
Nahoana no misy tombantombana diso
Mety handray anjara amin’ny fomba diso amin’ny marika amin’ny Fahatsiarovana ny sasany noho izy ireo tsy manaiky marina fa ny fanosorana dia “tsy avy amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka (...), fa avy amin’Andriamanitra”. (Romana 9:16). Tsy anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra fa izy dia maniry ny horaisina ao anatin’ny fanekena vaovao ka ho tonga mpiara-mandova amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Ny fifidianan’i Jehovah no zava-dehibe. Teo amin’ny Isiraely fahizay, Andriamanitra dia nifidy ireo izay hanompo ho mpisorony, ary naringany i Kora noho ny fitadiavany tamim-pihamboana ny fisoronana izay nankinin’Andriamanitra tamin’ny ankohonan’i Arona. (Eksodosy 28:1; Nomery 16:4-11, 31-35; 2 Tantara 26:18; Hebreo 5:4, 5). Toy izany koa, dia tsy hahafaly an’i Jehovah raha misy olona milaza tena ho voantso ho anisan’ireo mpanjaka sy mpisorona any an-danitra kanefa Andriamanitra tsy nanome azy izany fiantsoana izany. — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:24, 25.
Mety hihevitra amim-pahadisoana ny olona iray fa manana ny fiantsoana ho any an-danitra izy noho ny fihetseham-po mafy nipoitra avy amin’ny zava-manahirana lehibe. Ny fahafatesan’ny vady na loza aman’antambo hafa dia mety hahatonga olona iray tsy ho liana amin’ny fiainana eto an-tany. Na mety hilaza fa voahosotra ny namana akaiky iray ka mety haniry anjara mitovy amin’izany ilay olona. Ny anton-javatra toy izany dia mety hahatonga azy hihevitra fa natao ho azy ny fiainana any an-danitra. Tsy izany anefa no fomba anomezan’Andriamanitra ny fanahy maha-zanaka ny olona iray. Ho fanehoana tsy fahampiam-pankasitrahana ny fikasan’Andriamanitra mikasika ny tany raha misy olona maniry ho any an-danitra noho ny toe-javatra tsy faniry na noho ny fahoriana ara-pihetseham-po mifandray amin’ny fiainana an-tany.
Ireo fomba fihevitra ara-pivavahana taloha koa dia mety hahatonga olona iray hanatsoaka hevitra amin’ny fomba diso fa manana ny fiantsoana ho any an-danitra izy. Angamba izy taloha nifandray tamina fivavahan-diso izay nanolotra ny fiainana any an-danitra ho ny hany fanantenana ho an’ny tsy mivadika. Noho izany, ny kristiana iray dia mila mitandrina tsy ho voataonan’ny fihetseham-po na ny fomba fihevitra diso taloha.
Fandinihana amim-pitandremana iankinan’ny aina
Nisy hevitra tena lehibe nasehon’ny apostoly Paoly rehefa nanoratra toy izao izy: “Koa na zovy na zovy mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy”. (1 Korintiana 11:27-29). Noho izany, ny kristiana iray vita batisa izay nanomboka nihevitra fa nahazo ny fiantsoana ho any an-danitra tato anatin’ny ireo taona faramparany, dia tokony hieritreritra amim-pitandremana sy amim-bavaka tsara ilay raharaha.
Afaka manontany tena toy izao koa ny olona toy izany: ‘Moa ve ny hafa no nitaona ahy hanolokolo hevitra momba ny fiainana any an-danitra?’ Tsy hety izany, satria Andriamanitra tsy nanendry na iza na iza mba hitady olon-kafa ho amin’izany tombontsoa izany. Ny fironana ho amin’ny nofinofy iray dia tsy ho fanondroana fanosorana avy amin’Andriamanitra, ary tsy manosotra ireo mpandova ny Fanjakana izy amin’ny fanaovana izay handrenesan’izy ireo feo mitondra hafatra ho amin’izany.
Afaka manontany tena ny sasany hoe: ‘Talohan’ny nahatongavako ho kristiana, moa ve aho za-dratsy tamin’ny zavatra mahadomelina? Moa ve aho mampiasa fanafody izay misy heriny eo amin’ny fihetseham-po? Moa ve aho nahazo fitsaboana mikasika zava-manahirana ara-tsaina na ara-pihetseham-po?’ Nilaza ny sasany fa tamin’ny voalohany izy ireo dia niady tamin’izay noheveriny fa fanantenana ho any an-danitra. Ny hafa nilaza fa nisy fotoana nanesoran’Andriamanitra ny fanantenany ho eto an-tany ary nanomezany azy tamin’ny farany, ilay any an-danitra. Mifanohitra amin’ny fomba fiasan’Andriamanitra anefa ny fanaovan-javatra toy izany. Ankoatra izany, dia tsy mampisalasala ny finoana fa azo antoka. — Hebreo 11:6.
Afaka manontany tena koa ny olona iray hoe: ‘Moa ve aho maniry laza? Moa ve aho maniry fatratra toeram-pahefana ankehitriny na amin’ny maha-iray amin’ireo mpanjaka sady mpisorona hiaraka amin’i Kristy?’ Tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nalefa ny fanasana faobe mba hitadiavana ny fidirana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra, dia tsy ny kristiana voahosotra rehetra akory no nitana toeram-piandraiketana tamin’ny naha-anisan’ny kolejy foibe, na loholona na mpikarakara momba ny asa. Maro no vehivavy, ary tsy nanana fahefana manokana izy ireo; tsy nitondra fahatakarana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga koa ny fanosorana tamin’ny fanahy, satria hitan’i Paoly fa nilaina ny nampianatra sy nanoro hevitra ny voahosotra sasany. (1 Korintiana 3:1-3; Hebreo 5:11-14). Tsy mihevitra ny tenany ho olo-malaza ireo manana ny fiantsoana ho any an-danitra, ary tsy manintona ny saina ho amin’ny maha-voahosotra azy izy. Mampiseho ny fanetren-tena izay antenaina ara-dalàna avy amin’ireo manana ny “sain’i Kristy” kosa izy ireo. (1 Korintiana 2:16). Fantatr’izy ireo tsara koa fa ireo fepetra marina takin’Andriamanitra dia tsy maintsy fenoin’ny kristiana rehetra, na ho any an-danitra ny fanantenany na ho eto an-tany.
Ny filazana ny tena ho manana ny fiantsoana ho any an-danitra, dia tsy mitondra ho an’ny olona iray fanambarana manokana. Manana fomba fifandraisana iray Andriamanitra ka amin’ny alalan’izany no anomezany sakafo ara-panahy ny fandaminany eto an-tany. (Matio 24:45-47). Koa tsy misy olona tokony hihevitra fa ny maha-voahosotra azy dia manome azy fahendrena ambony kokoa noho ny an’ny “olona betsaka” izay manana fanantenana ny ho eto an-tany. (Apokalypsy 7:9). Ny hosotra avy amin’ny fanahy akory tsy asehon’ny fahakingana eo amin’ny fanaovana fanambarana, na famaliana fanontaniana momba ny Soratra masina, na fanaovana lahateny miorina amin’ny Baiboly, satria ireo kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany koa dia manao tsara dia tsara amin’ireo lafiny ireo. Sahala amin’ireo voahosotra, izy ireo koa dia manana fiainana kristiana fakan-tahaka. Toy izany koa, fa nahazo ny fanahin’Andriamanitra sady feno zotom-po sy fahatakaran-javatra i Samsona sy ny hafa talohan’ny andro kristiana. Kanefa dia tsy nisy na dia iray aza tamin’izany ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ izany nanana ny fanantenana ny ho any an-danitra. — Hebreo 11:32-38; 12:1; Eksodosy 35:30, 31; Mpitsara 14:6, 19; 15:14; 1 Samoela 16:13; Ezekiela 2:2.
Tadidio hoe iza no manao ny fifidianana
Raha manontany ny amin’ny fiantsoana ho any an-danitra ny namana mpino iray, dia afaka midinika ilay raharaha miaraka aminy ny loholona voatendry iray na kristiana matotra hafa. Kanefa tsy afaka manao io fanapahan-kevitra io ho an’ny hafa ny olona iray, fa Jehovah no manome ilay fanantenana ny ho any an-danitra. Ny olona iray izay manana marina tokoa ny fiantsoana ho any an-danitra dia tsy mila na oviana na oviana manontany ny kristiana namany raha manana izany fanantenana izany ny tenany. Ireo voahosotra dia “efa teraka indray (...), tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny Tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra”. (1 Petera 1:23). Tamin’ny fanahiny sy ny Teniny, Andriamanitra dia nandentika ny “voa” izay mahatonga ny olona iray ho “olom-baovao”, manana fanantenana ny ho any an-danitra. (2 Korintiana 5:17). Eny, manao ny fifidianana i Jehovah.
Rehefa mianatra ny Baiboly miaraka amin’ny vaovao iray anefa, dia tsy tsara ny manipy hevitra aminy mba hanandramany hanapa-kevitra na manana ny fiantsoana ho any an-danitra izy na tsia. Ahoana anefa raha nisy kristiana voahosotra iray nivadika ka nilaina ny fanoloana azy? Amin’izay dia ho ara-dalàna ny hanatsoahana hevitra fa Andriamanitra dia hanome ny fiantsoana ho any an-danitra ho an’izay nanome ohatra tsara tamin’ny fanompoana tamim-pahatokiana ny Raintsika any an-danitra nandritra ny taona maro be.
Ankehitriny, ny tapany lehibe indrindra amin’ny hafatr’Andriamanitra, dia tsy ny hahatonga ny olona ho anisan’ny ampakarin’i Kristy any an-danitra akory. “Ny Fanahy sy ny ampakarina” kosa “manao hoe: Avia”. Izany dia fanasana ho amin’ny fiainana eo amin’ny paradisa an-tany iray. (Apokalypsy 22:1, 2, 17). Raha mbola mitari-dalana eo amin’io asa io ireo voahosotra, dia mampiseho “fanetren-tena” izy ireo ary miasa mba ‘hahatonga ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ho azo antoka’. — Efesiana 4:1-3; 2 Petera 1:5-11, MN.