FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/7 p. 16-19
  • Ny fitadiavan’ny olombelona an’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitadiavan’ny olombelona an’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitaovana iray azo ampiasaina tsara
  • Fototra ho an’ny fianarana Baiboly
  • Fomba Hamaliana Fanoherana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Tafiditra tao Amin’ireo Fivavahana Tatsinanana Ilay Hevitra
    Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
  • Andriamanitra Iray Ihany ve no Ivavahan’ny Olona Rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Inona no Holazainao Amin’ny Hindoa Iray?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/7 p. 16-19

Ny fitadiavan’ny olombelona an’Andriamanitra

NAHOANA isika, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, no nomena “fiteny madio”? Azo antoka fa tsy hoe mba hitanana izany ho an’ny tenantsika. Ary izany koa dia tsy hoe mba hahafahantsika manana fomba fiaina mampiadana sahala amin’ny fomba fanaovan-javatra milefitra loatra sy manaiky lembenana ananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izany kosa dia mba ‘hiantsoan’ny rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.’ (Zefania 3:9, MN). Eny, ny fiteny madio dia mahafaoka asa ifarimbonana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika kristiana an-tapitrisany maro — avy amin’ny firazanana sy firenena ary fiteny rehetra — izay mitory amim-pahatokiana ny vaovao tsara alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Marka 13:10; Romana 13:11; Apokalypsy 14:6, 7.

Miteraka zava-tsarotra maro tsy mahazatra indraindray ny fitoriantsika amin’izao andro izao. Nahoana no toy izany? Nandritra ity taonjato faha-20 ity, dia nisy fihetsiketseham-bahoaka goavana vokatry ny ady, ny famoretana, ny fanerena ara-toekarena, ary noho ny antony maro hafa. Vokatr’izany, dia nisy olona avy amin’ny fiteny sy fivavahana maro nifindra ho amin’ny kolontsaina hafa noho ny azy ireo manokana. Araka izany, dia nisy fitambaran’olona maro be hindoa, bodista, ary miozilimanina nifindra ho any amin’ny faritra andrefana. Arakaraka ny izarantsika ny fiteny madio isan-trano no ifanenantsika amin’ireny olona ireny. Indraindray isika dia voasakana satria tsy dia mahalala firy momba ny ivon-toerana ara-pivavahana misy azy ireny. Inona no azontsika atao amin’izany? — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 2:5-11.

Ahoana no hizarantsika ny fahamarinana amin’ny miozilimanina iray na jiosy iray? Ahoana no iavahan’izy ireo? Inona marina no inoan’ny hindoa? Nahoana ny sikhs no manao fehiloha? Inona no boky masina ampiasainy? Ahoana no iavahan’ny bodista iray amin’ny hindoa iray? Inona no inoan’ny shintoista japone? Moa ve mino an’Andriamanitra ny taoista sinoa na ny konfiosianista?a Ahoana no iavahan’ny jiosy ôrtôdôksa amin’ny jiosy tia fanavaozana na ny jiosy mpitana ny efa nahazatra? Mba hahazoana izany olona maro samihafa izany, dia tsy maintsy mahatakatra ny fomba fiheverany isika voalohany indrindra, ary avy eo, tsy maintsy mahalala izay hitarihana azy ireny amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy fahaiza-mandanjalanja ho amin’ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah. — Asan’ny apostoly 17:22, 23; 1 Korintiana 9:19-23; Kolosiana 4:6.

Mba hanampiana antsika hanana fahatakarana mazava kokoa ny fivavahana hafa, ny fampianaran’izy ireny, ary ny tontolony ara-tantara, ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka naneran-tany nandritra ireo fivoriambe “Ny Fiteny Madio”, zavatra vita an-tsoratra vaovao mitondra ny lohateny hoe L’humanité à la recherche de Dieu. Raha mitondra an’io fitaovana io isika, dia afaka hitory tsara kokoa amin’ny olona avy amin’ny tontolo tsy kristiana, ary koa amin’ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana.

Fitaovana iray azo ampiasaina tsara

Io boky 384 pejy io dia misy toko 16 mitanisa ny tantaran’ny fitadiavan’ny olombelona an’Andriamanitra nandritra ireo enina arivo taona lasa. Mamaly fanontaniana an-jatony maro momba ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao izy io. Ireto misy santionany amin’izy ireny: Antony inona avy mazàna no mamaritra ny fivavahan’ny olona iray? Nahoana no tsy ratsy ny mandinika finoana hafa? Fitoviana inona avy no misy eo amin’ny fivavahana katolika romana sy ny bodisma? Anjara asa inona no tanan’ny angano eo amin’ny fivavahana maro? Nahoana ny olona maro be no mino ny majika, ny spiritisma, ary ny fanandroana? Nahoana ny hindoa no manana andriamanitra sy andriamani-bavy maro be aoka izany? Amin’ny ahoana no iavahan’ny sikhs amin’ny hindoa? Iza moa ny Bouddha, ary inona no ampianariny? Nahoana no ny shinto no fivavahana lehibe indrindra ho an’ny Japone? Nahoana ny Jiosy no manana lalàna araka ny lovantsofina ary koa lalàna voasoratra? Ahoana no ahafantarantsika fa tsy angano akory i Kristy? Ahoana no iavahan’ny Korana amin’ny Baiboly? Nahoana ny katolika no milaza fa i Petera no papa voalohany? Nahoana i Luther, pretra katolika, no niala tamin’ny Eglizy katolika romana?

Saika tsy misy farany ireo fanontaniana, ary io zavatra vita an-tsoratra io dia mirakitra ireo valiny mba hahafahantsika hitory amin’ny fomba mandaitra kokoa amin’ny olona manana ireo ivon-toerana ara-pivavahana isan-karazany ireo. Miaiky ilay boky fa olona maro be no manana ny fivavahany ary tena raharahan’ny tsirairay manokana izany fivavahana izany. Kanefa, ao amin’ny pejy faha-8, dia manambara toy izao izy io: “Ekena fa hatramin’ny nahaterahana no efa naorin’ireo ray aman-drenintsika sy havantsika tao an-tsaintsika ireo hevitra ny amin’ny fivavahana na fomba amam-panao. Noho izany, dia mazàna isika no manaraka ny filamatra ara-pivavahan’ireo ray aman-drenintsika na raibe aman-drenibentsika.” Milaza izany fa “amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ny hafa no nifidy ny fivavahantsika teo amin’ny toerantsika. Izany dia miankina fotsiny amin’ny hoe taiza isika no teraka ary oviana.” — Ampitahao amin’ny Filipiana 3:4-6.

Mampipoitra ny fanontaniana araka ny fandrindran-kevitra ilay boky avy eo: “Mety ve ny iheverana fa ny fivavahana nanerena harahin’ny olona iray hatrany am-pahaterahany no tsy maintsy ho ny fahamarinana manontolo?” Araka izany, dia ampirisihina ny olona tsirairay handinika ireo fivavahana hafa amin’ny saina tsy miangatra, araka ny ambara ao amin’ny pejy faha-10 manao hoe: “Ny fifampahatakarana fomba fiheverana dia mitarika ho amin’ny fifandraisana sy fifampiresahana misy heviny kokoa eo amin’ny olona avy amin’ny finoana samy hafa.” Manohy toy izao izy io: “Marina fa mety hanohitra mafy ireo zavatra inoany ara-pivavahana ny olona, nefa tsy misy antony tokony hankahalana olona iray satria fotsiny hoe mitana fomba fiheverana hafa iray izy io.” — Matio 5:43, 44.

Ny fanontaniana tena lehibe iray mipoitra ao amin’ilay boky dia ny hoe: “Moa ve ny olona manana fanahy iray tsy mety maty izay velona hatrany aorian’ny fahafatesany ary mandeha mankany ankoatra?” Amin’ny endriny iray na ny hafa, dia saika ny fivavahana rehetra no mampianatra izany fiheverana izany, araka ny ambaran’ny L’humanité à la recherche de Dieu (pejy faha-52) hoe: “Amin’ny fitadiavany an’Andriamanitra, ny olona dia misarangotra amin’ny hazo boboka, voafitaky ny hevi-dravina ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. (...) Ny finoana ny fanahy iray tsy mety maty na ny endriny maro samihafa avy amin’izany, dia lovantsofina iray izay nifandovana an’arivony taona maro hatramin’ny androntsika.” Toy izao ireo fanontaniana hafa: “Misy ve ny toerana toy ny hoe afobe izay ampijaliana ny fanahy? Inona no fanantenana marina ho an’ny maty? Moa ve misy Andriamanitra tokana sa andriamanitra maro be? — Genesisy 2:7, MN; Ezekiela 18:4.

Fototra ho an’ny fianarana Baiboly

Ao amin’ny sasantsasany amin’ny filaharany araka ny taona nisehoany teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, ilay boky dia miresaka ny amin’ny fitomboan’ireo fivavahana lehibe arahin’ny olombelona, dia ny hindoisma, ny bodisma, ny taoisma, ny konfiosianisma, ny shinto, ny jodaisma, ny kristianisma, ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary ny silamo. Isaky ny toko tsirairay, dia misy fanononana ny boky masin’ireo fivavahana ireo mba hahafahan’izay mety ho mpino tso-po azy hanaporofo mihitsy ilay teny tononina ao. Ho an’ny toko momba ny silamo, dia fandikan-teny anglisy telo samy hafan’ny Korana no ampiasaina. Ny fandikan-teny farany nataon’ny Fikambanana momba ny famoaham-boky jiosy amin’ilay hoe Tanakh — Fandikan-teny vaovao iray amin’ny Soratra masina (anglisy), dia tononina ao amin’ny toko momba ny jodaisma. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 17:28; Titosy 1:12.

Ahoana ny amin’ny tsy mino ny fisian’Andriamanitra sy ny “agnostique”? Ny toko faha-14 dia mamaofivaofy ny amin’ny tsy finoana an’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny sy ny hoe nahoana no fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa misy Andriamanitra. Isaky ny toko rehetra, dia tarihina ho amin’ny Baiboly ny mpamaky. Araka izany, raha mampiasa io boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu io isika dia ho ampy fitaovana tsara kokoa mba hanombohana fampianarana Baiboly miaraka amin’ny olona avy amin’ny finoana rehetra na amin’ireo izay tsy manana finoana mihitsy. Izy io dia mamelabelatra ny amin’ny fivavahana tsirairay amim-panajana sy amim-pahaiza-mandanjalanja, nefa mampipoitra fanontaniana izay afaka mitarika olona iray ho amin’i Jehovah sy ny fahamarinana. Ho an’ireo izay mitady indrindra an’Andriamanitra, dia tena fitahiana io boky io. — Salamo 83:18; Jaona 8:31, 32; 2 Timoty 3:16, 17.

Misy faritra voafefy ahitana fianarana tafiditra ao amin’ny toko tsirairay. Ohatra, ao amin’ny pejy faha-226 sy 227, dia misy faritra voafefy momba “Ny jodaisma — Fivavahana iray manana lafiny maro” izay manazava ireo fizarazarana lehibe indrindra hita ao amin’ny finoana jiosy. Eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ny hindoisma — Fitadiavana fanafahana”, dia misy faritra voafefy hoe “Ny hindoisma — Ireo andriamaniny sy andriamani-baviny sasany” ao amin’ny pejy faha-116 sy 117. Izy io dia manome lisitry ny vitsivitsy monja amin’ireo andriamanitra maherin’ny 330 tapitrisa ivavahan’ny hindoa. Moa ve ny bodista mino an’Andriamanitra araka ny ahatakaran’ny tatsinanana io teny io? Ilay faritra voafefy hoe “Ny bodisma sy Andriamanitra” ao amin’ny pejy faha-145 dia mamaly io fanontaniana io. Ilay boky koa dia misy indeksa azo ampiasaina ho fakàn-teny haingam-piasa mankamin’ireo foto-kevitra lehibe indrindra. Ny lisitry ny boky nakana loharanon-kevitra lehibe nampiasaina tamin’ny fikarohana koa dia fototra iray ho an’ny famakian-teny fanampiny raha toa ka maniry fanazavana antsipiriany kokoa ny olona iray.

Ilay boky dia misy sary nalaina sy sary fanazavana mihoatra ny 200, nefa tsy ho fandravahana fotsiny ihany no nanaovana azy ireny ao. Ny sary fanazavana tsirairay dia misy hevitra ahitana fianarana mba hahatonga izany hanazava misimisy kokoa ilay fivavahana resahina. Ohatra, ao amin’ny pejy faha-238, dia misy fitohitohizan-tsary nalaina izay mampiseho sasany amin’ireo fanoharana nampianarin’i Jesosy. Any amin’ny faritra hafa, dia misy fitohitohizana sary dimy izay mampiseho koa endriny samy hafa amin’ny fanompoan’i Kristy, dia ny fahagagana nataony, ny fiovany tarehy, ny fahafatesany ho sorona, ary ny fanirahany ny mpianany hitory manerana izao tontolo izao.

Ao amin’ny pejy faha-289 dia misy fifanesena sary izay hahaliana ny miozilimanina. Izany dia mitondra ny mpijery ho any La Mecque, ho any amin’ny “mosquée” lehibe misy ny Kaaba ary avy eo ho amin’ilay vato mainty tena misy izay tsaohin’ny miozilimanina. Ny fanompoam-pivavahana isan-karazan’ny bodisma dia aseho an-tsary ao amin’ny pejy faha-157. Ho liana hijery ny sarin’i Ganesha sy Krishna, andriamaniny malaza, ao amin’ny pejy faha-96 sy 117, ny hindoa.

Ireo minisitra kristiana ampy fahaizana manerana izao tontolo izao dia niara-nidinika mba hamitana ny fomba fandinihana manokana natao tamin’ny fivavahana lehibe indrindra tsirairay. Ohatra, nisy fitaovana lafo vidy tonga avy any Isiraely ho an’ireo toko momba ny jodaisma sy ny finoana baha’i. Ireo Vavolombelona any amin’ny tany miozilimanina dia nanamarina tamim-pitandremana izay raketin’ny toko momba ny silamo. Nisy fitarihan-dalana mahasoa tonga avy any India momba ny hindoa sy ny sikhs ary ny jains. Ireo minisitra kristiana any Atsinanana dia nanao izay hahazoana antoka fa araka ny tena izy ny toko momba ny shinto, ary nanome torohevitra momba ny bodisma sy ny taoisma ary ny konfiosianisma koa izy ireo.

Noho ny fanangonam-baovao mikasika ny fivavahana tsirairay natao tamim-pitandremana raketin’ilay boky, ireo izay manana azy io amin’ny fiteniny dia afaka hanomboka fianarana Baiboly ao amin’ny toko mifanentana amin’ny ivon-toerana ara-pivavahana misy ny olona tsirairay. Avy eo izy ireny dia mety haniry hifindra ho any amin’ny toko mifandray amin’ny nipoiran’ny kristianisma voalohany sy ny antony inoana fa Solontenan’Andriamanitra marina i Kristy, dia ilay nampiasaina mba hitarika ny olombelona ho amin’Andriamanitra. Misy toko manazava ny fomba nahatongavan’ny fivadiham-pinoana, niafara tamin’ireo fizarazarana sy antokom-pivavahana maro be ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ireo toko roa farany dia mampiseho ny fomba namerenana indray ny fanompoam-pivavahana marina tamin’izao andro farany izao, sy izay tahirizin’ny hoavy akaiky ho an’i Babylona Lehibe, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-dison’i Satana. Manaraka izany, dia asongadina ny tontolo vaovao sy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Baiboly. — Jaona 5:28, 29; 12:44-46; 14:6; Apokalypsy 21:1-4.

Izy io tokoa dia zavatra vita an-tsoratra iray tokony hanampy olona maro be manerana izao tontolo izao mba hanatona akaiky an’Andriamanitra, araka ny nambaran’i Jakoba ao amin’ny toko faha-4 ao amin’ny taratasiny, andininy faha-8, manao hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.” Eny, araka ny ambaran’Isaia hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.” — Isaia 55:6; Jaona 6:44, 65.

Aoka isika rehetra hanohy hanaraka ny lalana marina, mankamin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia Jehovah Andriamanitra. Ary amin’ny fanampian’ilay zavatra vita an-tsoratra hoe L’humanité à la recherche de Dieu, dia aoka isika hanampy an-tapitrisany maro kokoa hanompo an’i Jehovah “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4:23, 24). Enga anie isika haharitra amin’ny fitadiavana ireo mpikatsaka ny fahamarinana ka hiresaka amin’izy ireo ny amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana, satria azo atao tokoa ny mahita azy!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny “Taoista” dia tononina hoe dao-ista; miady rima amin’ny hoe ao.

[Sary, pejy 17]

Nitady an’Andriamanitra tamin’ny fomba maro be ny olombelona

[Sary]

Katolika tso-po mitodika any amin’i Maria

[Sary]

Hindoa mitsaoka ny renirano Ganges

[Sary nahazoan-dalana]

Harry Burdich, Transglobe Agency, Hamburg

[Sary]

Jiosy mafana fo sasany mitondra filakitera

[Sary nahazoan-dalana]

GPO, Jerosalema

[Sary]

Lehilahy miozilimanina manao fivahiniana masina any La Mecque

[Sary nahazoan-dalana]

Camerapix

[Sary]

Maro be no manompo an’i Bouddha

[Sary, pejy 18]

Nampiasa fanoharana maro i Jesosy mba hanampiana ny olona hahita ilay Andriamanitra marina

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara