Fiatrehana amim-pahombiazana ny heloka bevava ao amin’ny tontolo iray misafotofoto tanteraka
MATAHOTRA ny hivoaka any ivelany ve ianao amin’ny alina? Moa ve ianao mila hidim-baravarana sy varavarankely roa na telo? Nisy nangalatra foana ve ny fiaranao na ny bisikiletinao hatramin’izay? Efa nisy nanendaka nivoaka ny fiaranao ve ny radiao? Mahatsapa ho matahotra ny mpiara-monina sasany ve ianao?
Raha mamaly eny amin’ny iray na ny hafa amin’ireo fanontaniana ireo ianao, dia eo am-piezahana hiatrika ny heloka bevava eo amin’ny tontolo iray misafotofoto tanteraka ianao izany. Inona no azonao atao momba izany? Afaka manampy anao hiatrika izany amim-pahombiazana ve ny Baiboly?
Ny toe-tsain’ny mpanao heloka bevava sy ny fitsarana
Eo amin’ny tontolo anjakan’ny heloka bevava, dia misy foto-javatra telo: ny mpanao heloka bevava sy ny pôlisy ary ny olona voa. Inona no ilaina ho anao izay mety hiharan’izany mba hahafahanao miatrika amim-pahombiazana ny heloka bevava? Afaka manan-kery eo amin’ny iray na ny hafa amin’ireo foto-javatra telo ireo ve ianao? Ohatra, afaka manova ny mpanao heloka bevava ve ianao?
Mpanao heloka bevava maro be tokoa no nanao izany ho anton’asany. Nifidy izany ho toy ny fomba fiaina mora kokoa izy ireny. ‘Inona no antony hiasana raha afaka mivelona amin’izay efa azon’ny sasany ny tena?’ hoy ny toa filôzôfian’izy ireny. Fantatry ny mpanendaka fa hanolotra ny volany tsy misy ady ny olona azony asiana. Ary lehibe aoka izany ny mety ho fivadihan-javatra tsy ampoizina hahatratrarana azy sy handefasana azy any am-ponja, ka dia vidina lafo ny fanaovana heloka bevava ho azy ireny.
Ambonin’izany, sarotra dia sarotra ny dingana ara-pitsarana harahina sady mandany fotoana. Any amin’ny tany maro be, dia vitsy loatra ny toeram-pitsarana sy ny mpitsara ary ny fonja. Mameno ny fitsarana ny raharaha momba ny heloka bevava. Mizotra miadana loatra ny fandehan’ny fitsarana, hany ka sahala amin’izay nilazalazan’ny Baiboly azy toy izao, efa maherin’ny telo arivo taona lasa izay, ny toe-javatra: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” Araka ny tondroin’io fotopoto-pitsipika ara-baiboly io, dia kely ny fanantenana ny amin’ny hahitana vahaolana amin’ny fampihenana ny isan’ny mpanao heloka bevava na amin’ny fanitsiana azy ireny. — Mpitoriteny 8:11.
Inona no holazaina ny amin’ny foto-javatra faharoa, dia ny pôlisy? Moa ve misy fanantenana ny amin’ny hahafahan’ny pôlisy mifehy ny tarehin-javatra? Izy ireo ihany no hamaly hoe: Raha mbola misy ny lalàna matetika mampahavesa-danja ny fiarovana ny zon’ny mpanao heloka bevava, ny mpisolovava maty eritreritra izay manamboamboatra ny lalàna mba hanafahana olo-meloka iray, ny fitambaran’olona tsy vonona ny hiantsoroka andraikitra amin’ny fandaniana be hanaovana fonja misimisy kokoa sady lehibe kokoa, ary ny fahavitsian’ny pôlisy, dia kely ny fandrosoana azon’izy ireo atao eo amin’ny fisakanana ny fiavosan’ny heloka bevava.
Ny foto-javatra fahatelo farany, ny olona mety ho voany, dia isika sarambabem-bahoaka. Moa ve misy zavatra azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika hiatrika amim-pahombiazana kokoa izao toe-javatra saika baranahiny izao?
Fahendrena azo ampiharina sy fahaiza-mitsara zavatra
Manambara toy izao ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Raketo ny tena fahendrena [azo ampiharina, MN] sy ny fisainana mazava, ka dia ho ain’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao, dia handroso aman-toky hianao, ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.” Io torohevitra io dia azo ampiharina amin’ny toe-javatra izay toa mahatonga ny olona iray hiharan’ny heloka bevava. Inona ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny fahendrena azo ampiharina manampy antsika amin’io lafiny io? — Ohabolana 3:21-23.
Mila hanahaka ny bibidia mandramatra ny mpanao heloka bevava. Mitady izay haza mora azo indrindra izy. Tsy maniry ny hisetra ady sy izay mety ho fisamborana azy izy ireny raha toa ka mitovy ihany ny zavatra mety ho azony avy amin’ny olona iray azony asiana mora foana. Noho izany, dia manaraka ny efa zokiolona, ny marary, ny diso lalana, ary ireo izay mety ho tsy mahafantatra ny toe-javatra mampidi-doza, izy ireny. Mifidy ny fotoana sy ny toerana mety indrindra hamelezany ireo mpamono olona. Eto ireo olona mety ho voany dia afaka mampiasa fahendrena azo ampiharina.
Araka ny ilazalazan’ny Baiboly azy ireny, ireo tia ny ratsy dia mazàna no manao ny asany ao anatin’ny haizina. (Romana 13:12; Efesiana 5:11, 12). Marina amin’izao andro izao fa heloka bevava maro atao amin’ny olona sy ny fananana no atao amin’ny alina. (Ampitahao amin’ny Joba 24:14; 1 Tesaloniana 5:2.) Noho izany, any amin’izay rehetra azo anaovana izany, ny olona hendry dia hifady ny fivoahana any amin’ny faritra mampidi-doza amin’ny alina. Any amin’ny tanàn-dehibe feno herisetra be loatra any New York, ny fanamarihana fanaon’ny pôlisy isan’andro dia mampiseho fa olona maro be no voaendaka aorian’ny filentehan’ny masoandro, indrindra fa aorian’ny amin’ny folo, matetika rehefa mody any an-tranony izy ireny. Eny amin’ny lalana mangina, mitady olona hasiana ireo mpanendaka. Noho izany, raha misy isafidianana na hiandry fiarambahoaka na fiarakaretsaka ianao na handeha an-tongotra hamakivaky faritra mampidi-doza iray, dia aoka hanana faharetana ka hiandry. Raha tsy izany dia mety hampangirifiry ny zavatra hanjo.
Nisy kristiana iray voavely mafy sy voaendaka rehefa tsy niandry fiarambahoaka, tamin’ny folo ora alina tany ho any, fa nandeha an-tongotra tamina halaviran-dalana fohy tao anatin’ny somambisamby. Nisy olona hafa teny an-dalana, saingy vela-pandrika nataon’ny tontakely telo lahy ho an’ilay tsy malina. Nanome famantarana ho an’iretsy hafa ny iray nony tonga teo amin’ny lalana ambonin’ilay arabe ilay azo inoana fa ho voa. Tsy niteny tsy nivolana ireo, fa namely azy ary nanendaka azy. Vita vetivety izany, hany ka na ny manodidina aza dia tsy nanana fotoana hanampiana akory. Taorian’izay izy io dia niaiky hoe: “Hiandry fiarambahoaka aho amin’ny manaraka.”
Ilay “Artful Dodger” (na ilay fatsora kely), mpangarom-paosy tanora iray resahina ao amin’ilay boky hoe Oliver Twist, nosoratan’i Dickens, dia azo lazaina ho ohatra iray amin’ny mpanao ratsy bonaika raha ny amin’ny zatovo mpanao heloka eny amin’ny arabe amin’ny andro ankehitriny. Tsy sahala amin’ilay “Artful Dodger” ny mpangalatra sy mpanendaka amin’izao andro izao, na firy taona na firy taona, fa azo ampoizina hitondra fiadiana na antsy avokoa, ary hampiasa izany. Ireo mpizaha tany diso lalana sy ireo mpitsidika ary ireo sendra mitady zavatra ao amin’ny tanàn-dehibe iray feno tabataba, dia lasibatra mora asiana ho an’ny mpanao heloka bevava maty eritreritra toy izany. Hangalariny izay zavatra rehetra azo tsehina haingana kokoa noho ny indray mipy masonao monja! Inona no mety himatimatesan’ny mpangalatra iray? Rojo volamena na firavaka lafo vidy hafa anaovana an-karihary. Na koa fakantsary iambozonan’ny mpizaha tany iray. Izany dia tsy misy hafa amin’ny fiambozonana famantarana iray milaza hoe “Avia, ka alao aho!” Araka izany, dia ilaina ny fahamalinana. Afeno ny firavaka, ary ento amin’ny fomba tsy dia miharihary loatra ny fakantsary, angamba hafenina ao anaty harona fiantsenana. Fahendrena azo ampiharina izany.
Fomba iray hiatrehana amim-pahombiazana ny heloka bevava koa ny fahamaodimaodiana. Manambara toy izao ny Baiboly: “Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina.” (Mpitoriteny 2:14). Ny fampiharana io fampitandremana io amin’ny zava-manahirana momba ny heloka bevava dia hitarika ny olona iray hanamarika izay olona mirenireny mampiahiahy toa tsy misy anton-dia mazava. Tandremo ny amin’ny mpangalatra mety ho sendra ao an-damosinao ka hanao sinto-mahery ny haronao rehefa mandeha eny amin’ny sisin-dalana ianao. Koa satria ny sasany mitaingina bisikilety ary manao sinto-mahery ny fananan’ny olon-kafa, ka miriotra mandositra, dia aza mandeha manaraka ny moron’ny sisin-dalana mihitsy, indrindra fa raha mivimbina karazana kitapo hoditra na kitapo misy tadiny ianao. Fadio ny mandeha amin’ny “métro” saika foana. Voaro kokoa ianao miaraka amin’ny vahoaka maro any amin’ny toerana feno jiro. Tsy irin’ny mpangalatra mantsy ny ho tazana sy ho fantatra.
Ny fitsofohana an-trano koa dia heloka bevava hafa iray fahita izay matetika no azo sorohina raha toa ny olona ka mihevitra kokoa ny amin’ny heloka bevava. Nampiasa izao fanoharana izao indrindra ny Baiboly: “Miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.” (Joela 2:9). Ny fahendrena azo ampiharina dia mandidy anao mba tsy hamela ny varavarana sy ny varavarankely tsy hihidy. Marina mandrakariva fa tsara lavitra ny misoroka mialoha noho ny mitsabo. Tena fiantohana amin’ny mpangalatra sy ny faharatrana ara-batana ny fandaniana fanampiny mba hiarovana ny tranonao.
Ahoana raha voaendaka ianao?
Eny, ahoana raha voasakan’ny mpanendaka iray ianao na dia teo aza ireo fitandremana rehetra? Miezaha mba tsy ho tora-kovitra na hanao fihetsehana tsy amim-piheverana. Tadidio fa mety ho taitaitra koa ilay mpangalatra ary mety handika ny fihetsikao amin’ny fomba diso. Miezaha miresaka sy miara-midinika amin’ilay lehilahy na ilay vehivavy raha mamela hanao izany izy. (Eny, mety ho vehivavy ilay mpanafika anao.) Indraindray dia mihamalefaka ihany ireo mpanendaka rehefa fantany fa namely kristiana tsotra sady marina izy. Na inona na inona ho fihetsiny, dia aza manandrana manohitra raha toa ka ny volanao na ny zavatrao fotsiny ny tadiaviny. Atolory izay zavatra takiny. Mampianatra ny Baiboly fa mbola sarobidy kokoa noho izay rehetra mety hananany ny ain’ny olona iray. — Ampitahao amin’ny Marka 8:36.
Amin’ny fanaovana izay tsy hahitana fa mandinika azy akaiky, dia miezaha manamarika izay toetoetra mampiavaka mety hananan’ilay mpanendaka, na eo amin’ny fitafiany izany na amin’ny fisehoany ivelany. Manao ahoana ny fomba fiteniny? Izany antsipiriany rehetra izany dia mety hahasoa rehefa manao tatitra ny amin’ilay heloka any amin’ny pôlisy ianao, satria ny ankamaroan’ny mpanao heloka dia tsy miova amin’ny fomba fanaovany zavatra ka amin’izany dia azo fantarina mora foana.
Inona no holazaina ny amin’ny fitondrana fiadiana mba ho fiarovan-tena? Azo antoka fa tsy fahendrena ho an’ny kristiana ny mitondra fiadiana. Raha hitan’ny jiolahy iray fa mitana fiadiana ianao, dia tsy hanan-tsaina afa-tsy ny handratra anao na hamono anao izy. Ankoatra izany, ahoana no ahafahanao manaraka ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny amin’ny tokony ‘hihavanana amin’ny olona rehetra’ raha mitana fiadiana mba hamaliana amin-kerisetra ianao? — Romana 12:18.
Na inona na inona fitandremana mialoha mety hataonao, dia tsy misy ny antoka fa tsy ho voa ianao indray andro any. Any amin’ireo tanàn-dehibe anjakan’ny heloka bevava, dia voatery mandeha irery any amin’ny toerana tsy sahaza amin’ny fotoana tsy ampoizina ianao. Vao tsy ela akory izay, tany New York, dia nandao ny biraony mba handeha hividy kafe iray kaopy ny mpisolovava iray. Nony niditra tao amin’ny mpivarotra izy, dia nisy zatovo vitsivitsy nanao amboletra ka nanapoaka basy tao amin’ilay toerana. Matin’ny bala teo amin’ny lohany ilay mpisolovava. Noho ny ‘fotoana sy ny sampona [fisehoan-javatra tsy ampoizina, MN] mahazo ny rehetra’ dia namoy ny ainy izy. Loza izany! Moa ve misy fanantenana hahita vahaolana maharitra ho an’ny heloka bevava miavosa ankehitriny izay manenika izao tontolo izao? — Mpitoriteny 9:11.
Rehefa hifarana ny heloka bevava
Efa ho roa arivo taona lasa izay, i Jesosy dia nanambara mialoha fa hisy taranaka iray ho avy hahita fisehoan-javatra mampivarahontsana maro kokoa noho izay mety ho taranaka rehetra teo alohany. Noho ny televiziona sy ny fifandraisana haingana, dia an-tapitrisany maro, tsia, an’arivony tapitrisa maro aza, no manatrika, ao amin’ireo fandaharana momba ny vaovao eo amin’ny faritra misy azy, heloka lehibe araka ny tena anatanterahana azy mihitsy. Nanjary vohitra iray izao tontolo izao, ary ny vaovao maneran-tany dia zary vaovao eo an-toerana avy hatrany. Vokatr’izany, ny zava-misy dia mampahory ny fitambaran’olona isan’andro, ary araka ny nanambaran’i Jesosy azy mialoha, dia manjary “reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” — Lioka 21:26.
Jesosy dia nahita mialoha ireo fisehoan-javatra izay hitranga nanomboka tamin’ny 1914, fisehoan-javatra hialoha ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” (Matio 24:3-14, MN). Nefa nilaza koa izy hoe: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31). Milaza izany fa tsy ho ela ny fanapahana marin’Andriamanitra dia hihatra maneran-tany amin’ny fomba manaitra. — Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:1-4.
Eo ambanin’izany fanapahana izany, dia ny mpandefitra sy ny tia fihavanana ary ireo izay mankatò an’Andriamanitra ihany no hanana anjara amin’ny toe-piainana paradisa eto an-tany. Inona no hanjo ny mpanao heloka bevava sy ny mpanao ratsy? “Hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” Eo ambanin’io fitondram-panjakana marina any an-danitra io, dia tsy hisy na ny fikorontanana na ny heloka bevava. — Salamo 37:2, 9.
Raha irinao ny hahafantatra misimisy kokoa ny amin’io fanantenana miorina amin’ny Baiboly io momba ny fitondram-panjakana haneran-tany iray haharitra sady hanjakan’ny fihavanana, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anao na ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo eo an-toerana. Ho faly izy ireo hanampy anao maimaimpoana hahatakatra izay lazain’ny Baiboly.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.”
[Sary, pejy 7]
Ilay “Artful Dodger”, mpangarom-paosy resahin’i Charles Dickens, dia mbola zazavao raha oharina amin’ireo mpanendaka amin’ny andro ankehitriny.
[Sary nahazoan-dalana]
Graphic Works of GEORGE CRUIKSHANK, by Richard A. Vogler, Dover Publications, Inc.